Zatovovavy
Andraikitra


Sary
zatovovavy mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha Filohan’ny Zatovovavy ahy

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Zatovovavy

Ny rafitry ny Zatovovavy dia manampy ireo zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany. Izany dia manampy ireo zatovovavy hanao sy hitandrina fanekempihavanana masina sy hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasin’izy ireo. (Jereo ny Boky torolalana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 11.1.1.)

Filoha sy Fiadidiana

Ny Filoha dia manompo ao amin’ny filankevitry ny paroasy sy ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy (jereo ny 11.3.4.4). Manao fivorian’ny fiadidiana tsy tapaka izy ary mihaona amin’ny eveka. Ny fiadidiana dia manompo ny zatovovavy eo am-piovan’izy ireo ho mpianatr’i Jesoa Kristy mandritra ny androm-piainany. Mampianatra ny fiadidian’ny kilasy ny andraikiny izy ireo ary manohana azy ireo rehefa mitarika izy ireo. (Jereo ny 11.3.2.) Manara-maso ny lisitra sy ny tatitra ary ny teti-bola izy. Ireo mpanolotsainy dia manolotra fanampiana. Ny filoha ihany koa dia miara-mifampidinika amin’ireo zatovovavy mikasika ireo olana izay tsy mitaky ny fidiran’ny eveka an-tsehatra na izay tsy misy hidirana resaka herisetra.

Mpitarika ao amin’ny Zatovo

Manohana ny mpitarika ao amin’ny Zatovo ny fiadidian’ny Zatovovavy. Manompo ao amin’ny filankevitry ny zatovon’ny paroasy ireo filohan’ny kilasy. Mitarika sy manompo ny zatovovavy ny fiadidian’ny kilasy rehefa manakaiky kokoa ny Mpamonjy sy mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana izy ireo. Miaraka amin’ny fanohanan’ireo olon-dehibe mpitarika dia manomana ny fandaharan’asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana ary ireo fivoriana isaky ny alahady izy ireo. (Jereo ny 11.3.4.2.)

Kilasy isaky ny alahady

Manapa-kevitra ombam-bavaka ny episkôpà sy ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy mikasika ny fomba handaminana ireo kilasy araka ny taonan’ireo zatovovavy. Manome lanja ny fanomezana fahafahana hitarika ho an’ireo zatovovavy izy ireo. Ny kilasy tsirairay, na firy na firy ny isan’ny olona, dia tokony hanana filoha, ary mpanolotsaina iray na roa sy mpitantsoratra iray raha azo atao (jereo ny 11.1.3).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny kilasy, tohanan’ireo olon-dehibe mpitarika, no mamolavola ny drafitra hanaovana ireo asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana izay mampiorina ny fijoroana ho vavolombelona, manamafy orina ny fianakaviana, mampitombo ny firaisan-kina misy ao amin’ny kilasy, ary manolotra fomba ahafahana mitondra fitahiana ho an’ny hafa (jereo ny 11.2.1.3). Ny asa fanompoana sy ireo fiaraha-mientana dia fahafahana iray hanangonana ny zatovo sy hizarana ny fifaliana amin’ny fiainana ny filazantsara sy fandraisana anjara amin’ny asa lehiben’ny Tompo.

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy sy ny zatovo dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org). Misy torolalana sy fitsipika momba ny zatovovavy manana fahasembanana, ny mari-pamantaran’ny zatovo, ary zavatra maro hafa ao amin’ny fizarana 11.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy