Zatovovavy
Andraikitra


Sary
zatovovavy mitsiky

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratra ahy ao amin’ny Zatovovavy

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Zatovovavy

Manampy ireo zanakavavy malalan’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny rafitry ny Zatovovavy. Manampy ireo zatovovavy izany hanao sy hitandrina ny fanekempihavanana masina sy hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Manompo ny hafa, manatontosa ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ireo zatovovavy ao amin’ny kilasin’izy ireo. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 11.1.1.)

Mpitantsoratra

Ny mpitantsoratra ao amin’ny Zatovovavy dia manampy ny filoha manomana ny fandaharam-potoana sy mandray an-tsoratra ary manara-maso ireo asa nampandraiketina amin’ny fivorian’ny fiadidiana. Mampianatra ireo mpitantsoratry ny kilasy ihany koa izy sy manampy azy ireo amin’ny fitazonana ny firaketana ny fanatrehana, ary manampy ireo Fiadidian’ny Zatovovavy amin’ny fanomanana ny tetibola sy firaketana ireo fandaniana (jereo ny 11.3.3).

Kilasy isaky ny alahady

Manapa-kevitra ombam-bavaka ny episkôpà sy ireo olon-dehibe mpitarika ny Zatovovavy mikasika ny fomba handaminana ireo kilasy araka ny taonan’ireo zatovovavy. Manome lanja ny fanomezana fahafahana hitarika ho an’ireo zatovovavy izy ireo. Ny kilasy tsirairay, na firy na firy ny isan’ny olona, dia tokony hanana filoha, ary mpanolotsaina iray na roa sy mpitantsoratra iray raha azo atao. (jereo ny 11.1.3).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ireo fiadidian’ny kilasy, tohanan’ireo mpitarika olon-dehibe dia manomana asa fanompoana sy fiaraha-mientana izay mampiorina fijoroana vavolombelona sy manamafy orina ny fianakaviana, mampitombo ny firaisan-kina misy ao amin’ny kilasy, ary manolotra fomba ahafahana mitondra fitahiana ho an’ny hafa (jereo ny 11.2.1.3). Ny fanompoana sy ireo fiaraha-mientana dia fomba hahafahana mampivondrona ny tanora sy mizara ny fifaliana amin’ny fiainana ny filazantsara ary mandray anjara amin’ny asa lehiben’ny Tompo.

Torolalana sy fitsipika

Ny olon-dehibe rehetra izay miara-miasa amin’ny ankizy sy zatovo dia tsy maintsy mahatontosa ilay fiofanana momba ny Fiarovana ny ankizy sy ny zatovo ao anatin’ny iray volana aorian’ny nanohanana azy (ProtectingChildren.ChurchofJesusChrist.org Misy torolalana sy fitsipika momba ireo zatovovavy manana fahasembanana sy momba ireo mari-pamantaran’ny zatovo ary maro hafa ao amin’ny fizarana 11.6 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.

Hamoaka printy