Kôlejin’ny Loholona
Andraikitra


Sary
vondrona lehilahy miara-mipetraka

Ny antsoko amin’ny maha-filohan’ny kôlejin’ny loholona

Andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny kôlejin’ny loholona

Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fisoronana Melkizedeka. Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia miara-miasa mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Manompo ny hafa izy ireo, mamita ireo andraikitry ny fisoronana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 8.1).

Filohan’ny kôlejin’ny loholona

Mampianatra ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ny adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana ny filohan’ny kôlejin’ny loholona. Isan’ny andraikiny ihany koa ny maha-mpikambana azy ao amin’ny filankevitry ny paroasy; mandamina asa miaraka amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana; sy manara-maso ny fanompoana, fiaraha-mientana, tatitra, firaketana, ary fitantanam-bola. Manampy azy amin’izany ireo mpanolotsainy sy ny mpitantsorany (jereo ny 8.3.3.2).

Fiadidiana

Manao fivoriana tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpitantsoratra. Ny fanampiana ireo lehilahy mety ho azo aroso ho loholona mba handray ny Fisoronana Melkizedeka no anisan’ny laharam-pahamehana ambony indrindran’ny fiadidiana (jereo ny 8.4).

Kôlejin’ny loholona sy Fikambanana Ifanampiana

Ny fiadidian’ny kôlejin’ny Loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia mandrindra ny fanomezana andraikitra momba ny fanompoana sy manampy amin’ny fitarihana ny asa mahakasika ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana ary ireo ezaka amin’ny fanasana ny rehetra mba handray ireo fitahian’ny filazantsara. Manana anjara andraikitra lehibe koa izy ireo amin’ny fampianarana ny mpikambana ao amin’ny paroasy ireo fitsipiky ny fanompoana, ny tafa sy dinika momba ny fanompoana, ny fiainana ny lalàn’ny fifadian-kanina, ny fanorenana fizakan-tena, ary ny fanatsarana ny fiomanan’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana (jereo ny 22.6.2).

Fivoriana alahady

Ny kôlejin’ny loholona dia mihaona isaky ny alahady faharoa sy fahaefatry ny volana mba hampatanjaka finoana, hanorina firaisan-kina, ary hampatanjaka ny fianakaviana sy ny tokantrano. Misafidy amim-bavaka hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona mba hifanakalozana hevitra, miankina amin’ny filàn’ireo mpikambana (jereo ny 8.2.1.2).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Afaka mamolavola fiaraha-mientana mba hampatanjaka ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ary manome azy ireo fahafahana hiara-hanompo ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 8.2.1.3).

Antso fanampiny

Mifanakalo hevitra momba ny filàna antso fanampiny araka ny mety ilana izany ny eveka sy ny filohan’ny kôlejin’ny loholona (jereo ny 8.3.5).

Hamoaka printy