Kôlejin’ny Loholona
Ireo andraikitra


Sary
vondrona lehilahy miara-mipetraka

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratry ny kôlejin’ny loholona ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany ny Tompo. Topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao ity eto ambany eto ity.

Tanjon’ny Kôlejin’ny loholona

Manampy ireo zanak’ Andriamanitra hiomana hiverina eo anatrehany ny Fisoronana Melkizedeka. Ireo mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny loholona dia miara-miasa mba hanampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ny fisandratana. Manompo ny hafa izy ireo, mamita ireo andraikitry ny fisoronana, manorina firaisan-kina, ary mianatra sy miaina ny fotopampianarana ( jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 8.1).

Mpitantsoratry ny Kôlejin’ny loholona

Manao fivoriana tsy tapaka ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny mpitantsoratra. Mety ho isan’ireo andraikitry ny mpitantsoratra ny fanomanana ireo fandaharam-potoana ho an’ireo fivoriana, ny fandraisana an-tsoratra, ny fanaraha-maso ireo asa nampanaovina, ny fandaminana fotoana ho an’ireo dinidinika momba ny fanompoana, ny fanomanana sy fandefasana ny tatitry ny fanatrehana fivoriana, ary ny fanampiana amin’ny fanomanana ny teti-bola (jereo ny 8.3.4).

Ireo fivoriana alahady

Ny Kôlejin’ny loholona dia mihaona isaky ny Alahady faharoa sy fahaefatry ny volana mba hampitombo ny finoana, hanorina firaisan-kina, ary hanamafy orina ny fianakaviana sy ireo tokantrano. Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia misafidy amim-bavaka ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany indrindra mba hifanakalozana hevitra miankina amin’ny filàn’ireo mpikambana(jereo ny 8.2.1.2).

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona dia afaka manomana fiaraha-mientana mba hampatanjaka ireo mpikambana ao amin’ny kôlejy ary manome azy ireo fahafahana hiara-hanompo (jereo ny 8.2.1.3).

Hamoaka printy