Seminera
1 Korintiana 11


1 Korintiana 11

Ny anjara asa masina miavaka ananan’ny lehilahy sy ny vehivavy

Sary
Mifampitantana manao faribolana ny vondrona zatovolahy sy zatovovavy iray ary mifampitsiky sy mifankahery.

Nampianatra i Paoly rehefa nanohy ny fampianarany sy ny fankaherezany ireo Olomasina Korintiana fa natao hiara-hiasa sy hifanohana ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa manaraka ny Tompo izy ireo. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny antony ilan’ny lehilahy sy ny vehivavy mifanohana mba hahazoana ireo fitahiana ambony indrindra ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ny anjara asan’ny vehivavy sy ny lehilahy

Sary
Mpivady mitaingina ny bisikileta ho an’olon-droa an’izy ireo hanaovana fanatanjahan-tena maraina.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mijery ity sarin’ny ekipa mpitaingina bisikileta miara-droa ity ianao.

  • Inona no fahaizana na fahaiza-manao ilaina hanampiana ity ekipa ity mba hahomby?

  • Amin’ny fomba ahoana no manamafy ny fiaraha-miasany ny tsy fitovian’ny olona tsirairay ka hanampy azy ireo hiray hina kokoa?

Eo am-pandalinanao ny 1 Korintiana 11 dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny lehilahy sy ny vehivavy miara-miasa amim-pahamarinana amin’ny maha mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo mba hanatontosana ny anjara asa masina nanendrena azy ireo sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay.

Ao amin’ny 1 Korintiana 11:1–16, i Paoly dia niresaka ireo fomba amam-panao ara-piarahamonina teo anivon’ny Korintiana tamin’ny androny izay tsy nifanaraka tamin’ny fomba fijerin’ny Tompo mikasika ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Zava-dehibe ny tsy mampifangaro ireo fomba amam-panao ireo amin’ny fahamarinana nampianarin’i Paoly.

Tamin’ny alalan’ny Apôstôly Paoly no nanambaran’ny Tompo fahamarinana tsy ho lany andro mikasika ny anjara asa masin’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny 1 Korintiana 11:11–12.

Vakio ny 1 Korintiana 11:11–12, dia tadiavo ireo fahamarinana nianaranao momba an’ Andriamanitra sy ny lehilahy ary ny vehivavy.

Vehivavy sy lehilahy miara-miasa tanteraka amin’ny Tompo

Ao amin’ny 1 Korintiana 11:11 no ianarantsika fa samy tena ilaina ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Ny 1 Korintiana 11:11 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hanao fampiharana betsaka kokoa mikasika ity andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity ianao amin’ny lesona manaraka.

Vakio ireto teny manaraka avy ao amin’ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana sy avy amin’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto, ka tadiavo ireo fomba maha zava-dehibe ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

Vakintsika ao amin’ilay fanambarana mikasika ny fianakaviana ny hoe:

Ny fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa raha miorina amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo. Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby dia aorina sy voatahiry araka ny fitsipiky ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy. Araka ny drafitr’ Andriamanitra, ny ray no tokony hitarika ny fianakaviany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana ary tompon’andraikitra amin’ny fanomezana izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana ny fianakaviany. Ny reny dia tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitaizana ny zanany. Manoloana izany andraikitra masina izany ny ray sy ny reny dia tsy maintsy mifanampy amin’ny maha mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo.

Toy izao no nampianarin’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004.

Ao amin’ilay drafitra lehiben’ny Raintsika any An-danitra hanomezany ny fisoronana ho an’ny olona, dia manana andraikitra tokana ireo lehilahy mba hampiasana ny fisoronana, saingy tsy izy ireo no fisoronana. Manana anjara asa mitovy lanja ny lehilahy sy ny vehivavy. Tahaka ny tsy ahafahan’ny vehivavy mitoe-jaza raha tsy misy lehilahy, dia toy izany koa no tsy ahafahan’ny lehilahy mampiasa feno ny herin’ny fisoronana mba hanorenana fianakaviana mandrakizay raha tsy misy vehivavy. … Izany hoe: amin’ny fomba fijery mandrakizay, dia samy ifampizaran’ny mpivady ny hery fiterahana sy ny herin’ny fisoronana.

(M. Russell Ballard, “Izao no asako sy voninahitro,” Liahona, mey 2013, 19.)

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona David A. Bednar, sary ôfisialin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. 2020.

Ny fiarahana tsy manan-tsahalan’ny fahafahana ara-panahy, ara-batana, ara-tsaina, ary ara-pihetseham-po an’ny lahy sy ny vavy dia nilaina mba hanatanterahana ny drafitry ny fahasambarana. “Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy” (1 Korintiana 11:11). Ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao mba hianatra avy amin’ny tsirairay, hifankahery, hifampitahy, ary hifameno.

(David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 41–42)

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no miara-manatratra ny fiainana mandrakizay ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ny zanany lahy sy ny zanany vavy?

  • Ahoana no hanehoan’izany ny fitiavana sy ny fanajan’ny Ray any An-danitra ny vehivavy sy ny lehilahy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo anao rehefa tojo fomba fijery mifanohitra momba ny anjara asa sy ny andraikitry ny lehilahy sy ny vehivavy ianao?

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fahamarinana momba ny vehivavy sy ny lehilahy ireo eo amin’ny fiainanao (ohatra, ao an-tokantrano, any am-piangonana miaraka amin’ireo zatovolahy na zatovovavy hafa, ary rehefa miomana ho amin’ny fiainam-pianakavianao amin’ny hoavy ianao)?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana raha toa ka tsy manambady na tsy manan-janaka ny olona lalaiko?

Ny olona sasany dia mety manahy na manontany tena momba ny fomba hahatanterahan’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny vehivavy sy ny lehilahy ho an’ireo izay tsy manambady na tsy manan-janaka. Tamin’ny fangorahana lehibe no nilazan’ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ireto teny feno fankaherezana ireto:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2000. Nodimandry tamin’ny 3 jolay 2015.

Ireo izay tsy manambady na ireo izay tsy afaka mahazo zanaka dia tsy voailika amin’ny fahazoana ireo fitahiana mandrakizay izay katsahan’izy ireo, fa mbola tsy afaka mahazo izany fotsiny izy ireo aloha amin’izao fotoana izao. …

Ny fanirianareo lalina miafina sy ny fitalahoanareo amin-dranomaso dia hahakasika ny fon’ny Ray sy ny Zanaka. Hahazo fanomezan-toky manokana avy amin’ Izy Ireo ianareo fa ho feno ny fiainanareo ary tsy hisy ho very ny fitahiana tena ilaina.

Amin’ny maha mpanompon’ny Tompo ahy, miasa ao amin’ny anjara fanompoana izay nanendrena ahy, dia mampanantena ireo olona izay ao anatin’ny toe-javatra toy izany aho fa tsy hisy zavatra tena ilaina amin’ny famonjena sy ny fisandratanareo ka tsy homena anareo amin’ny fotoany.

(Boyd K. Packer, “Ilay Fijoroana ho Vavolombelona,” Liahona, mey 2014, 95)

Nahoana i Satana no maniry ny lehilahy sy ny vehivavy hisara-bazana?

Nampianatra ny Filoha Jean B. Bingham, izay efa Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Rahavavy Jean B. Bingham. Nalaina tamin’ny 2017.

Tena nahomby ihany ny fahavalo tamin’ny tanjony hampisara-bazana ny lehilahy sy ny vehivavy tao anatin’ny fiezahany handresy ny fanahintsika. Fantatr’i Losifera fa raha toa ka afaka manimba ny firaisan-kina tsapan’ny lehilahy sy ny vehivavy izy, raha afaka mampisavorovoro antsika momba ny lanjantsika eo amin’ Andriamanitra sy ireo andraikitsika araka ny fanekempihavanana izy, dia hahomby izy amin’ny fandravana fianakaviana, izay rantsana manan-danja amin’ny mandrakizay.

Mandrisika fifampitahana i Satana ho fitaovana hamoronana fahatsapana ho ambony na ambany, manafina ilay fahamarinana mandrakizay fa ireo tsy fitoviana voajanahary eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy dia avy amin’ Andriamanitra ary manana lanja mitovy. Niezaka izy hanetry ny fandraisana anjaran’ny vehivavy na eo amin’ny fianakaviana na ao amin’ny fiarahamonina, ka dia mampihena ny fitaomana mankaherin’izy ireo hanao ny tsara. Ny tanjony dia ny hampitsiry ady mahery vaika fa tsy fankalazana ny fandraisana anjara miavaka ataon’ny lehilahy sy ny vehivavy izay mifameno sy mampisy firaisan-kina.

(Jean B. Bingham, “Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra,” Liahona,, mey 2020, 60–61)

Hamoaka printy