Seminera
Asan’ny Apostoly 4–5


Asan’ny Apostoly 4–5

Mankatò an’ Andriamanitra fa tsy ny olombelona

Sary
Mpisorona iray mametra-panontaniana amin’i Petera.

Nosamborina sy nogadraina i Petera sy i Jaona noho ny fanasitranany sy ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Nafahana izy ireo taty aoriana ary nomena fampitandremana tsy hiresaka na hampianatra amin’ny Anarany intsony. Mbola nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy nefa i Petera sy i Jaona, ary nosamborina sy nogadraina indray izy ireo. Nisy anjely iray nanafaka azy ireo tao am-ponja ary nilaza tamin’izy ireo mba hiverina sy hanohy ny fitoriana an’i Kristy, izay nataon’izy ireo. Nataon’ny mpitarika Jiosy izay nisamborana sy nandarohana azy ireo indray. Nandidy azy ireo ny mpitondra hitsahatra tsy hitory an’i Kristy, saingy namaly i Petera sy i Jaona fa Andriamanitra no tokony hankatoavin’izy ireo fa tsy ny olombelona. Faly i Petera sy i Jaona fa afaka niaritra fanenjehana ho an’i Jesoa Kristy izy ireo. Eo am-pandalinanao anio dia eritrereto ny fomba ahafahanao mampitombo ny fanirianao hankatò an’ Andriamanitra mihoatra ny olon-kafa rehetra.

Mijoroa amin’ny marina

  • Inona avy ireo toe-javatra izay mety hampananosarotra ho anao na ho an’ny hafa ny fankatoavana an’ Andriamanitra noho ny faneriterena ataon’ny hafa?

  • Inona no mahasarotra an’ireo toe-javatra ireo?

Nilaza ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Thomas S. Monson, 2008.

Eo am-piatrehantsika ny fiainantsika andavanandro dia saika tsy azo hialana ny fisedrana ny finoantsika. Misy fotoana mety voahodidinin’ireo hafa isika, kanefa mahatsiaro ho vitsivitsy an’isa na mety ho irery mihitsy aza, raha ny mahakasika izay zavatra azo ekena sy izay tsy azo ekena. Moa ve isika manana herimpo ara-pitondrantena ampy mba hijoroana mafy amin’ny finoantsika, na dia voatery hijoro irery aza isika noho ny fanaovana izany?

(Thomas S. Monson, “Sahia mijoro irery,” Liahona, nôv. 2011, 60)

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hanombananao ny fahavononana hankatò an’ Andriamanitra toy izay hanaiky ny faneriteren’ny hafa?

  • Inona avy ireo toe-javatra amin’ny hoavy izay mety tsy maintsy hisafidiananao ny fankatoavana an’ Andriamanitra mihoatra ny hafa?

Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia mitadiava fahamarinana sy ohatra izay afaka manampy anao haniry hankatò an’ Andriamanitra bebe kokoa mihoatra noho ny olon-kafa.

Nosamborina i Petera sy i Jaona noho ny fitoriana sy fanasitranana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy

Niatrika toe-javatra tsy maintsy nisafidianana na hankatò an’ Andriamanitra na hanaiky ny faneriteren’ny hafa i Petera sy i Jaona. Rehefa avy nanasitrana lehilahy nalemy iray tao amin’ny tempoly sy nitory tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy i Petera sy i Jaona, dia nosamborina sy nogadraina ary nofotopotorin’ireo mpitarika Jiosy izy ireo (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:1–11; 4:1–7).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 4:8–21 dia tadiavo ny zavatra nataon’i Petera sy i Jaona nanoloana izany toe-javatra izany. Hevero ny hanisy marika ireo teny na andian-teny ao amin’ireo andininy ireo izay tsapanao fa manan-danja na mitaona anao hisafidy ny hankatò an’ Andriamanitra ambonin’ny zavatra hafa rehetra. Azonao atao ny mijery ny “Pierre et Jean sont jugés” (2:51), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, sady manaraka ao amin’ny soratra masinao.

  • Teny na andian-teny inona no nanaitra anao tao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:12–32 dia tohizo ny fandalinanao ity tantara ity. Azonao atao ny manisy marika izay fotopampianarana, fitsipika, na andian-teny tsapanao fa manan-danja aminao. Na azonao jerena ny “Pierre et Jean continuent de prêcher l’Evangile” hatreo amin’ny mari-potoana 3:51.

  • Inona no hitanao?

  • Inona avy ireo fahamarinana nianaranao avy amin’ity tantara ity?

Iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ity tantara ity ny hoe raha misafidy ny hankatò an’ Andriamanitra mihoatra ny fahatahorana ny hafa isika, dia homba antsika Izy.

Eritrereto ireo toe-javatra tany am-piandohan’ny lesona izay mety hampananosarotra ny fankatoavana an’ Andriamanitra noho ny faneriterena ataon’ny hafa.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fitahiana azontsika raisina avy amin’ny fankatoavana an’ Andriamanitra mihoatra ny fahatahorana ny hafa?

  • Inona no fantatrao momba an’ Andriamanitra ka manome anao fahatokiana hanaraka Azy—na dia teren’ny hafa aza ianao tsy hanao izany?

  • Oviana ianao na ny hafa no nahita fahendrena tamin’ny alalan’ny fankatoavana an’ Andriamanitra mihoatra ny fahatahorana ny hafa? (Azonao atao ihany koa ny mitady ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy.)

Ohatra iray amin’izao androntsika izao

Ny Loholona Thierry K. Mutombo ao amin’ny Fitopololahy dia nizara ohatra momba ny fianakaviana iray izay nisafidy ny hankatò an’ Andriamanitra mihoatra ny olombelona. Hahafahana mihaino an’io tantara io dia jereo ny “Dia ho afaka tokoa ianareo,” azo jerena ao amin’nyt ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 6:43 kahatramin’ny 8:51.

  • Inona no nanaitra anao indrindra tamin’ny fomba nasetrin’ity fianakaviana ity an’ireo fanamby natrehany?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena manan-danja tokoa ny finoan’ilay fianakaviana an’i Jesoa Kristy tao anatin’io toe-javatra io?

Nafahana i Petera sy i Jaona

Niady hhevitra momba izay tokony hatao amin’i Petera sy i Jaona ireo mpitarika Jiosy. Namporisika azy ireo hamela an’i Petera sy i Jaona handeha i Gamaliela mpitarika Jiosy izay nohajaina fatratra, satria fantany fa raha tena manao ny asan’ Andriamanitra tokoa i Petera sy i Jaona, dia tsy ho afaka hanakana izany ireo mpitarika Jiosy (jereo ny Asan’ny Apostoly 5:29–39).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:40–42? ary mariho ireo teny na andian-teny mamaritra ny zavatra tsapan’i Petera sy i Jaona rehefa avy nandalo ny zavatra niainany izy ireo.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no nianaranao androany ka mitaona anao hankatò ny Ray any An-danitra mihoatra ny olombelona?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana raha hoe raisina ho hafahafa aho satria misafidy ny hankatò ny Ray any An-danitra?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejy

Indraindray ianao dia mety hahatsiaro ho manirery sy hoe tsy fantatry ny olona ny mahazo anao—efa niaina izany aho—satria tsy manao ny ataon’ny hafa ianao. Tokony ho velom-pahankasitrahana ianao satria ny fiainana feno fahamarinana iainanao dia mamolavola anao ka tsy mety aminao izay zavatra tsy tokony hisy anao. Fotoana fisedrana sy fitomboana mandalo ihany izany. Rehefa mandeha ny fotoana dia hosoloina amin’ny namana tena izy sy fahasambarana lehibe kokoa izany.

(Richard G. Scott, “Le pouvoir de la justice,” Ensign, nov 1998, 68)

Ahoana no tokony hiarovako ny finoako?

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Aoka hatanjaka. Aoka ianareo hiaina amim-pahatokiana ny filazantsara na dia tsy miaina izany mihitsy aza ireo manodidina anareo. Arovy amim-pahalalam-pomba sy amim-pitiavana ny finoanareo, tena arovy izany.

(Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha mpianatr’i Kristy,” Liahona, may 2014, 9)

Ahoana no nanehoan’ny Mpamonjy fa nankatò ny Ray any An-danitra mihoatra ny olombelona Izy?

Ireto horonantsary avy amin’ny Baiboly ireto dia mampiseho ny fanirain’ny Mpamonjy hanompo an’ Andriamanitra mihoatra noho ny fanarahana ireo hevitr’olona.

Jereo ny “Jésus pardonne les péchés d’un paralytique et le guérit” (2:57) mba hahitana ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ny Heriny sy ny fahavononany hamela heloka, raha ny hafa kosa mametra-panontaniana ny momba izany.

Jereo ny “Jésus guérit un boiteux le jour du Sabbat” (2:23) mba hahitana ny fomba nanasitranan’ny Mpamonjy ny lehilahy iray na dia nieritreritra aza ireo mpitarika JIosy fa tsy mendrika atao amin’ny Sabata izany.

Jereo ny “Va et ne pèche plus” (3:21) mba hahitana ny fa tsy nanameloka ny hafa ny Mpamonjy na dia nanery azy hanao izany aza ny sasany.

Hamoaka printy