Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Lioka 24:36–39


Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:36–39

“Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao”

Sary
Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty (manao akanjo fotsy) mijoro eo amin’ny varavaran’ilay Fasana tao amin’ny Zaridaina. Sarin’i Kristy mibanjina ny lanitra.

Ao amin’ny fandalinanao ny Lioka 24:1–9, 36–48, dia nianatra momba ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ianao. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Lioka 24:36–39, ity lesona ity dia hanampy anao hampitombo ny fifehezana ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny alalan’ny fitadidiana ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ny fanazavana ny fotopampianarana, ary ny fampiharana ireo fitsipika amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao anatin’ny toe-javatra iray tena mitranga eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Tadidio fa taorian’ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana dia nalaina ny vatany ka napetraka tao am-pasana. Telo andro taty aoriana dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 24:36–39 ary tsipiho ireo teny na andian-teny izay nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Alaivo sary an-tsaina hoe asaina ianao hamaly izao fanontaniana manaraka izao ho an’ny fizarana “Fanontaniana sy Valiny” ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery!. Eritrereto ny zavatra azonao zaraina ao anatin’ny fehezan-teny 2–3 monja.

  • Inona no zavatra tena miavaka momba ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty?

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hamalianao ity fanontaniana ity ao anatin’ny fehezan-teny roa ka hatramin’ny telo?

  • Nahoana no manan-danja aminao ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty?

Mba hizarana amin’ny fanaovana tsianjery io andinin-tsoratra masina io sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina dia zarao efatra ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty ao amin’ny fizarana tsirairay ny andinin-tsoratra masina iray sy ny iray amin’ireo andian-teny (toy ny aseho eto ambany). Hevero ny hanao sary tsotra iray mifandray amin’izany na sary famantarana izay maneho ny tsirairay amin’ireo ampahany efatra ao amin’ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja. Averimbereno atao tsianjery ny tsirairay avy amin’izy ireo mandra-pahafahanao manao tsianjery azy rehetra tsy an-kijery. Lioka 24:36–39 Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao

Fizàrana mampihatra

Avereno jerena vetivety ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Mety ho fomba iray hanaovana izany ny mijery raha toa ka vitanao ny manao tsianjery mitanisa ireo fitsipika telo rehetra. Avy eo dia raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nampiasanao, na azonao hampiasana, ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanao.

Izao dia manaova fanazarana mampiasa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Lioka 24:36–39 amin’ny alalan’ny famakiana ity rafi-tantara manaraka ity sy ny famaliana ireo fanontaniana miaraka amin’izany.

Ny iray amin’ireo namana akaiky anao indrindra, Rija, dia nanaiky ny handray ireo lesona ampianarin’ny misiônera ao an-tranonao. Vao haingana i Rija sy ny fianakaviany no nifindra teo amin’ny tanàna misy anao, ary tsy manana fahatakarana na fahalalana momba an’i Jesoa Kristy izy taloha. Rehefa nampianarina ny drafitry ny famonjena sy ny anjara asan’i Jesoa Kristy i Rija dia toa tsy nahazo aina izany saingy tsy niteny na inona na inona. Avy eo, rehefa lasa ireo misiônera, dia lazainy aminao fa tsy mino ny foto-kevitra momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fiainana aorian’ny fahafatesana izy.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto. Raha mila fanampiana amin’ny fampiharana ny tsirairay amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ianao dia hevero ny hisaintsainana ireo fanontaniana voatanisa eo ambanin’ireo lohateny etsy ambany.

  • Inona no azonao atao na lazaina mba hanampiana an’i Rija hahatakatra ny fanirianao hanampy azy?

  • Inona avy ireo fanontaniana mety hapetrakao mba hahatakarana bebe kokoa ny zavatra inoan’i Rija na ny mahatonga azy hino izany?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy ireo mba hanampiana an’i Rija?

Manao asa am-pinoana

  • Inona no mety hanaovanao asa am-pinoana ao anatin’io toe-javatra io?

  • Inona no mety hozarainao amin’i Rija momba ny fanaovana asa am-pinoana? Nahoana izany no dingana manan-danja eo amin’ny fitadiavana ny valin’ireo fanontaniany ireo?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy ireo fanontaniana mety hapetrakao na ireo fahamarinana mandrakizay izay mety hijoroanao ho vavolombelona amin’i Rija rehefa miezaka ny hanampy azy ianao hijrery ny olany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana no mety hanampian’izany an’i Rija hanomboka hahatakatra izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Inona no nanampy anao hahatakatra ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty sy ny anjara asan’izany ao amin’ny drafitry ny famonjena?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Inona avy ireo soratra masina manokana avy ao amin’ny Lioka 24 izay mety hampiasainao rehefa mamaly an’i Rija? Inona avy ireo loharano fanampiny izay mety ho azonao averina mialoha ny hamalianao azy? (Mety hanampy ny sasany amin’ireo fitaovana nohalalininao tamin’ny lesona teo aloha momba ny Lioka 24.)

  • Soratra masina inona ihany koa no hasainao hojeren’i Rija raha toa ka te handalina samirery bebe kokoa izy?

Hamoaka printy