Seminera
Lioka 23:33–46; Jaona 19:26–30


Lioka 23:33–46; Jaona 19:26–30

Ny fangorahana nananan’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana

vehivavy eo am-pototry ny hazofijalian’i Jesoa Kristy

Ireo zavatra nolazain’i Jesoa nanadritra ny naha-teo amin’ny hazo fijaliana Azy dia maneho ny toetrany sy ireo toetra araka an’ Andriamanitra nananany. Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny hampitombo ny fanirianao hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy rehefa mianatra avy amin’ny ohatra nasehony tamin’ny fotoana nanomboana Azy.

Mitsinjo ny hafa

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Maneho fangorahana matetika ho an’ny hafa ve ianao? Nahoana, na nahoana no tsia?

sary famantarana ny diary1. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, ireo toe-javatra izay mety ho sarotra aminao ny miraharaha ny manjo sy ny mahasoa ny hafa. Hazavao ny antony mahatonga ireo toe-javatra ireo ho mampananosarotra ny fanaovanao izany.

Hevero ny hamaly ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatsara kokoa ny fiainanao raha toa ka naneho fangorahana ho an’ny hafa ianao na dia tao anatin’ny toe-javatra sarotra aza?

Ato amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana handalina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana ny hafa na dia nandritra ny fiaretana fanaintainana teo amin’ny hazo fijaliana aza. Rehefa mandalina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ianao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao haniry ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.

Zavatra niainana nialoha sy nandritra ny Fanomboana

Tsarovy ny zavatra niainan’ny Mpamonjy nialoha sy nandritra ny Fanomboana Azy:

  • Nijaly noho ny fahotan’izao tontolo izao tao Getsemane Izy (jereo ny Lioka 22:39–44

  • Namadika Azy i Jodasy ary nahafoy Azy ireo Apôstôliny (jereo ny Marka 14:43–50).

  • Notsaraina, nokapohina, ary nororain’ireo mpitarika Jiosy Izy (jereo ny Matio 26:57–68).

  • Nofotorin’i Pilato sy i Heroda Izy ary nesoin’i Heroda sy ireo miaramilany (Lioka 23:1–24).

  • Nokapohina sy nokaravasian’ireo miaramila Romana tamin-kabibiana Izy (jereo ny Matio 27:26–31).

  • Nitondra ny hazo fijaliany tamin’ny ampahany tamin’ny lalana nankany Golgota Izy (jereo ny Jaona 19:16–17).

  • Nofantsihana ny tanany sy ny tongony ary nohomboana teo anelanelana jiolahy roa (jereo ny Lioka 23:33; jereo koa ny Jaona 20:25).

  • Nihantona teo amin’ny hazo fijaliana Izy (jereo ny Matio 27:45–50; Marka 15:25).

Eritrereto ny fiantraikan’ireo zava-nitranga ireo eo amin’ny zavatra tsapanao ho an’ny Mpamonjy sy ny zavatra niaretany ho anao. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, izay mirakitra ireo teny nambaran’ny Mpamonjy raha teo amin’ny hazo fijaliana Izy. Fantaro ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo teny nambarany, ary tanisao ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

  • Lioka 10:33–34 Ny Mpamonjy dia nilaza ireo teny ireo mikasika ireo miaramila izay nanombo Azy (jereo Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Lioka 23:34).

  • Lioka 23:39–43. Ireo andininy ireo dia mirakitra ny zavatra nolazain’ireo mpangalatra nohomboana niaraka tamin’ny Mpamonjy sy ny fomba namalian’ny Mpamonjy izany. (Mariho fa ny Mpaminany Joseph Smith dia nampianatra fa rehefa niresaka momba an’io mpangalatra io hoe hiaraka Aminy any amin’ny paradisa ny Mpamonjy, dia nampianatra azy Izy fa “hiaraka aminao any amin’ny tontolon’ny fanahy & hampianatra anao na hamaly ireo fanontaniana anananao aho” [“Discourse, 11 Jona 1843–A, araka ny Tatitra nataon’i Wilford Woodruff,” 44, josephsmithpapers.org]).

  • Jaona 19:26–27 Ireo andininy ireo dia mirakitra ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’i Maria reniny, sy tamin’ny Apôstôly Jaona.

sary famantarana ny diary 2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy izay manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Amin’ny fomba ahoana no tianareo hahatongavana tahaka ny Mpamonjy? Nahoana?

Ny Mpamonjy dia tsy nieritreritra fotsiny momba ireo miaramila Romana, sy ireo mpangalatra, ary ny reniny teo raha teo amin’ny hazo fijaliana. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra fomba iray fanampiny izay nifantohan’ny Mpamonjy tamin’ny hafa raha mbola tao anatin’ny fangirifiriana Izy.

Filoha Russell M. Nelson

“I Jesoa Kristy no ohatra lafatra indrindra ho antsika amin’ny zavatra rehetra, -izay naharitra ny hazo fijaliana mba hahazoana ny fifaliana napetraka teo anoloany.- [Hebreo 12:2]. Eritrereto tsara anie izany! Mba hizakana ny zavatra sarotra indrindra niainana teto ambonin’ny tany, ny Mpamonjintsika dia nifantoka tamin’ny fifaliana!

Ary inona ilay fifaliana izay napetraka teo anoloany? Azo antoka fa izany dia nahitana ny fifaliana avy amin’ny fanadiovana, fanasitranana, ary fampatanjahana antsika; ny fifaliana avy amin’ny fanefana ny fahotan’ny olona rehetra izay mibebaka; ny fifaliana avy amin’ny fanaovana izay hahafahantsika sy ianao mandeha mody—madio sy mendrika—mba hiaina miaraka amin’ireo Ray aman-drenintsika any an-danitra sy ireo fianakaviantsika.

(Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82–83).

  • Inona no zavatra nifantohan’ny Mpamonjy nandritra ny fotoana nijaliany ho antsika?

  • Inona no nampianarin’ny Filoha Nelson anao momba ny fanirian’ny Mpamonjy ho anao?

Saintsaino mandritra ny fotoana fohy ny fahamarinana fa raha teo amin’ny hazo fijaliana ny Mpamonjy dia nifantoka taminao sy ny fifaliana avy amin’ny fanampiana anao hiverina any amin’ny Ray any An-danitra.

  • Inona no fiovana mety ho entin’ny fahatakarana io fahamarinana io eo amin’ny fiainanao? Nahoana io fahalalana io no hoe hitondra fiovana lehibe eo aminao?

sary famantarana ny diary 3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nanampy olona iray nandritra ny fotoana niatrehanao fanamby, na oviana no nisy olona iray nanao izany ho anao?

Raha toa ka hanampy ny mahita ohatra, dia jereo ny “Mifankatiava tahaka ny nitiavany antsika,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 3:22 hatramin’ny 7:54.Mifankatiava tahaka ny nitiavany antsika

2:3

Mifankatiava tahaka ny nitiavany antsika

Mampianatra antsika ny Loholona Alonso fa afaka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy eo amin’ny fanompoana sy famelana ny hafa isika.

Katsaho ny fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy ny zavatra tsapanao androany. Fantaro ireo fomba ahafahanao hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy amin’ny fanehoana fitiavana sy fangorahana ho an’ny hafa na dia mandritra ireo olana atrehinao aza. Avy eo dia raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba ireo. Avereno jerena ilay lisitra nataonao, ary misafidiana ombam-bavaka ny iray amin’ireo fomba ahafahanao hitovy bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy. Soraty anatin’ireo teny horaketinao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany. Mivavaha ary mitadiava fahafahana hanatanterahana hatramin’ny farany an’io asa io.

“Vita”

Rehefa avy niaritra ora maromaro teo amin’ny hazo fijaliana i Jesoa dia nolazain’ny Mpamonjy ny teniny farany.

Vakio ny Jaona 19:28–30 sy ny Lioka 23:46. Asio marika ireo teny farany nataon’ny Mpamonjy nandritra ny fahavelomany.

  • Inona no azon’ireo teny ireo anampiana antsika hahatakatra momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy?

Afaka manatanteraka ny zavatra tian’ny Ray hataontsika eo amin’ny fiainantsika tahaka ny Mpamonjy isika. Tsarovy izany rehefa mikatsaka ny hanatanteraka hatramin’ny farany ny zavatra izay nanapahanao hevitra androany fa hotanterahinao ianao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Jaona 19:27. Inona no azontsika hianarana avy amin’ilay tenin’ny Mpamonjy manao hoe “Indro ny reninao”?

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika rehefa miezaka mamantatra sy mitia ary mikarakara ny renintsika. Ny loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome voninahitra an’ireo reny marin-toetra ary nampitaha ny fitiavan’izy ireo amin’ny an’ny Mpamonjy.

Jereo ny “Indro ny reninao,” azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 0:20 hatramin’ny 2:53.

16:43

Indro ny reninao

Nanome voninahitra ny tanjaka, ny fanolorantena, ny hery mitarika ary ny fitiavana ananan’ireo reny i Jeffrey R. Holland.

Amin’ny fomba ahoana ny fanampiana ny hafa rehefa manana olana isika no misy fiantraikany eo amin’ny fiizintsika?

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Ny Loholona David A. Bednar

Ny toetra dia miseho … ao amin’ny hery ananana mba hamantatra ny fijalian’ny olona hafa rehefa mijaly ny tenantsika; ao amin’ny fahafahana mahatsapa ny hanoanan’ny hafa rehefa noana isika; ary ao amin’ny hery mba hanampy sy hahatsapa fangorahana amin’ny fijaliana ara-panahin’ireo olona hafa rehefa ao anatin’ny fijalian’ny tenantsika ara-panahy isika. Noho izany, ny toetra dia miseho amin’ny alalan’ny fijerena sy ny fanampiana ny hafa raha toa kosa ny fihetsika ara-boajanahary sy asesiky ny sain’ny tena ka tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo olantsika sy ireo zava-tsarotra iainantsika manokana. Raha izany fahafahana manampy ny hafa ao anatin’ny fahoriana izany tokoa no fepetra tsara indrindra mamaritra ny toetra tsara dia ny Mpamonjy an’izao tontolo izao no ohatra tonga lafatra amin’ny toetra tsy miova sy feno fiantrana toy izany.

(David A. Bednar, “The Spirit and Purposes of Gathering,” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young –Idaho, 25 jan., 2003], byui.edu)

Inona avy ireo fitahiana mety ho azontsika rehefa manompo ny hafa isika mandritra ny fotoana maha sarotra ny zavatra iainantsika?

Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Ny Filoha Henry B. Eyring

Tsy maintsy mahatsikaritra ny fisedrana mahazo ny hafa isika ary miezaka manampy. Ho sarotra tokoa izany indrindra indrindra rehefa mahamay izay tsy izy ny fisedrana mahazo antsika. Saingy ho hitantsika fa rehefa milanja ny enta-mavesatry ny hafa isika, na dia kely fotsiny aza dia ho ampatanjahana ny lamosintsika ary hahatsapa fahazavana ao amin’ny haizina isika.

(Henry B. Eyring, “Notsapaina, nosedraina ary notefena,” Liahona, nôv. 2020, 98)