Seminera
2 Timoty 3


2 Timoty 3

Ny Soratra Masina

Sary
Book of Mormon in Spanish.

Mahatsapa ho sahiran-tsaina na mitebiteby ve ianao momba ny toe-panahin’izao tontolo izao ankehitriny? Tao amin’ny epistily iray ho an’i Timoty, dia naminany i Paoly fa amin’ny andro farany dia hisy “andro mahory” (2 Timoty 3:1), kanefa nampianatra ihany koa izy fa ny Tompo dia nanome anao ny fanomezam-pahasoavan’ny soratra masina mba hanampiana anao mandritra ny andro mahory (jereo ny 2 Timoty 3:14–17). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanana faniriana handalina ny soratra masina, izay afaka manampy amin’ny fiarovana anao amin’ny faharatsiana amin’izao androntsika izao.

Mijoro ho vavolombelona amin’ireo fitahiana azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro. Mijoroa ho vavolombelona matetika momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, ary asao ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay azony avy tamin’ny fandalinany ny soratra masina.

Fiomanan’ny mpianatra: Zarao ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018): “Ny fampiasam-potoana isan’andro amin’ny fandalinana ny soratra masina dia tsy isalasalana fa hampatanjaka ireo foto-pinoantsika sy ireo fijoroantsika ho vavolombelon’ny fahamarinana” (“How Firm a Foundation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 68). Asao ireo mpianatra hisaintsaina ity fanambarana ity sy hieritreritra ireo zavatra izay iainany manokana ka mampiseho fa marina izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny andro farany

Hevero ny hangataka ireo mpianatra mba hitsangana. Entano izy ireo haka sary an-tsaina fa ny rindrina iray amin’ny efitrano dia maneho fahatsapana feno fankasitrahana amin’ny fahavelomana amin’izao fotoana izao eo amin’ny tantaran’ny tany ary ny rindrina eo am-pitan’izany kosa dia maneho fahatsapana tebiteby momba izany. Asao izy ireo mba hifindra amin’ny iray amin’ireo rindrina na hijoro eo anelanelan’ireo rindrina roa izay maneho kokoa ny fahatsapany. Manasà mpianatra vitsivitsy hanazava ny antony mahatonga azy ireo hanana fahatsapa toy izany.

Vakio ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary eritrereto hoe nahoana ny fiainana amin’izao fotoana izao no mahatonga anao hahatsapa ho feno fankasitrahana, na feno tebiteby, na izy roa.

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Miaina amin’ny fotoana tena mahaliana, sy mahafinaritra ihany koa isika. …

Fantatsika fa rehefa manakaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika dia ho feno korontana sy fisavoritahana ny tontolontsika. Maro amin’ny olona anaty fiaraha-monina no tsy hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Matetika aho no mampiasa ity teny izay nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity hoe: “Nisy fotoana efa saika hitovy ny fenitry ny Fiangonana sy ny fenitra izay iainana eny amin’ny fiaraha-monina, fa ankehitriny kosa dia misy hantsana goavam-be izay manasaraka antsika ary izany dia tsy mitsaha-mitombo ka mihamalalaka hatrany.”

(Neil L. Andersen, “A Compensatory Spiritual Power for the Righteous” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, Aug. 18, 2015], speeches.byu.edu)

  • Amin’ny fomba ahoana no mampaha-finaritra ny fotoana izay iainantsika?

  • Inona ny antony mety hahatonga anao hitebiteby amin’ny fiainana eto amin’izao tontolo izao araka izay nosoritsoritan’ny Loholona Andersen?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia tadiavo ireo fomba nanampian’ Andriamanitra tamim-pitiavana manoloana ny fisafotofotoana, ny loza ara-panahy, na ny fanahiana izay mety ho tsapanao avy amin’ny toe-javatra misy eto amin’izao tontolo izao.

Vakio ny 2 Timoty 3:1–7, 12–13 ; 4:3–4 , ary tadiavo ny fomba izay nanoritsoritan’i Paoly ireo loza hiseho amin’ny andro farany. Azonao atao ny mampiasa ny torolalana ho an’ny soratra masina mba hanampiana anao hahatakatra ireo teny sarotra.

  • Inona amin’ireo ohatra momba ny toe-javatra izay nosoritsoritan’i Paoly no efahitanao teo amin’izao tontolo ankehitriny izao?

Fanomezana avy amin’ Andriamanitra

Tsy namela antsika hiatrika ireo loza amin’ny andro farany samirery ny Ray any An-danitra. Noho ny famindrampony sy ny fitiavany, dia nanome antsika fanomezana mahatalanjona maro Izy.

Ny Loholona Andersen dia nanohy:

Sary
Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.

Rehefa mahita ny lalantsika ao amin’ny tontolo iray izay tsy dia miraharaha ny didin’ Andriamanitra isika, dia azo antoka fa hivavaka isika, saingy tsy tokony hikoropaka loatra ihany koa. Hitahy ireo Olomasiny ny Tompo amin’ny alalan’ny hery ara-panahy fanampiny izay ilaina mba hiatrehana ireo fanamby misy amin’izao androntsika izao.

(Neil L. Andersen, “A Compensatory Spiritual Power for the Righteous” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, Aug. 18, 2015], speeches.byu.edu)

Vakio ny 2 Timoty 3:14–17 , ary mitadiava iray amin’ireo fanomezana izay nomen’ Andriamanitra mba hanampiana antsika hiatrika ireo loza miseho amin’izao androntsika izao.

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

  • Inona avy ireo fitahiana sasantsasany azontsika raisina avy amin’ny fandalinana ny soratra masina izay tsikaritrao ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Mety hanampy ny hanao lisitra ireo fitahiana izay hitan’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe. Raha toa ka sahirana ny mpianatra mitady ireo fitahiana, dia azo ampidirina ao anatin’ilay lisitra ny sasany amin’ireto manaraka ireto.

Mety hanampy anao ny fandalinana soratra masina:

  1. Halalino ny finoanao an’i Jesoa Kristy.

  2. Manovoza ny fahendrena sy tari-dalana amin’ny toe-javatra atrehinao.

  3. Takaro ny fotopampianarana na ireo fahamarinan’ny filazantsara.

  4. Ahitsio ireo hevi-diso na fahazaran-dratsy.

  5. Lasa ho tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa.

  • Ahoana ny fomba hamintinanao ireo zavatra izay nampianarin’i Paoly momba ny fandalinana ny soratra masina?

Fomba iray ahafahan’ny mpianatra mamintina ireo fampianaran’i Paoly ny hoe: rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mahazo fahendrena izay hitarika antsika ho amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny famintinana vitsivitsy izay nataon’ireo mpianatra.

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana nanampian’ny soratra masina anao avy tamin’ny iray amin’ireo fomba izay nosoritsoritan’i Paoly ireo. Raha tsy mahita zavatra iray izay niainanao ianao dia soraty ny antony eritreretinao fa mety ahafahan’ny soratra masina manampy anao amin’ny iray amin’ireo fomba izay nosoritsoritan’i Paoly ireo.

Hevero ny hanasa izay mazoto maromaro mba hizara na hamintina ny zavatra izay nosoratan’izy ireo.

  • Inona avy ireo fomba hafa ahafahan’ny Tompo mitahy anao rehefa mandalina ny soratra masina ianao?

  • Nomen’ny Tompo soratra masina ianao izay fanomezana hanampy anao amin’ny andro farany. Inona ny zavatra ampianarin’izany anao momba Azy?

Mampiasa ny Soratra Masina

Hevero ny hizara ireo mpianatra ao anaty vondrona kely rehefa hanao ity sahanasa manaraka ity.

Mba hampiharana ny fampiasana ny soratra masina hanamafisana ny finoanao an’i Jesoa Kristy, dia misafidiana roa amin’ireo fanamby hiseho amin’ny andro farany izay novinanian’i Paoly ao amin’ny 2 Timoty 3:1–7, 12–13 ; 4:3–4 , na misafidiana fanamby hafa mifandraika amin’ny fiainanao. Mitadiava andinin-tsoratra masina afaka manampy olona hiatrika ireo fanamby ireo. Mety hanampy ny fikarohana ireo teny manan-danja ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina na ao amin’ny Torolalana momba ny lohahevitra, izay samy hita avokoa ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Na azonao atao ny misafidy mialoha amin’ireo andinin-tsoratra masina izay tianao indrindra ary avy eo manapa-kevitra hoe iza amin’ireo fanamby amin’ny andro farany no azon’ireo andinin-tsoratra masina ireo hanampiana anao.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina izay hitanao fa afaka manampy olona izay miatrika fanamby manokana? Hazavao ny fomba ahafahan’izy ireo manampy.

Ny tanjonao amin’ny fandalinana ny soratra masina

Omeo fotoana ahafahany hisaintsaina ny tanjony amin’ny fandalinany soratra masina isan’andro ireo mpianatra. Mety ho sahirana amin’ny fanarahana ny tanjona izay napetrany ny mpianatra sasany. Ny traikefa amin’ny fianarana ao amin’ny lesona “Fifehezana fotopampianarana: 2 Timoty 3:15–17” dia hanome fahafahana ireo mpianatra handinika ny fomba handresena ireo sakana amin’ny fandalinana ny soratra masina isan’andro izay mety hatrehiny.

Nampahatsiahivin’i Paoly an’i Timoty fa nahazo fitahiana i Timoty noho ny fahalalana ny soratra masina hatramin’ny fony fahazazany (jereo ny 2 Timoty 3:15). Toy izany ihany koa, ny Ray any An-danitra dia hitahy anao noho ny fandalinanao ny soratra masina amin’ny fahatanoranao. Makà minitra vitsivitsy hametrahana tanjona amim-bavaka na handinihana ny tanjona izay napetrakao amin’izao fotoana izao amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina isan’andro. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nanao ahoana ny tanjona izay napetrakao?

  • Ahoana ny fomba hanampian’ny tanjonao anao hampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy sy handresy ireo fanamby amin’izao androntsika izao?

  • Inona ny fanitsiana, raha misy, amin’ny tanjonao izay heverinao fa tokony hataonao?

Hevero ny hanasa ireo mpianatra hizara ny valintenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana faharoa etsy ambony.

Asao ireo mpianatra hanolotra ny tanjony raha toa ka tsapany fa mety hanampy azy ireo amin’ny fanatratrarana azy izany.

Hevero ny hilaza amin’ny mpampianatrao, na ray aman-dreny, na olon-kafa izay atokisanao ny tanjonao amin’ny fandalinana ny soratra masina ary asao izy ireo mba hanara-maso anao.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana ny fomba hahafantarako ireo loza izay voatanisa ao amin’ny 2 Timoty 3:1–7 ?

Mety hanampy ireto famaritana manaraka ireto:

  • Ny hoe “tsy manam-pitiavana” ( 2 Timoty 3:3) dia mety ahitana fitondran-tena izay mifandray amin’ny tsy fahampian’ny fahatsapana na fiahiana, fahatsapana fankahalana sy famadihana, na faniriana feno filan’ny nofo izay mitarika ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena

  • Ny hoe “tsy mahonom-po” ( 2 Timoty 3:3) dia midika hoe tsy mahafehy tena

  • Ny hoe “kirina” ( 2 Timoty 3:4) dia midika ho fahamaimaizana, tsy firaharahiana

  • Ny hoe “mpieboebo” ( 2 Timoty 3:4) dia midika ho miavonavona, mirehareha

Ahoana ny fomba hahatakarako bebe kokoa ny 2 Timoty 3:16–17 ?

Vakio ilay lahatsoratra hoe “Line upon line: 2 Timoty 3:16–17” (New Era, Aprily. 2012, 19), izay mirakitra fanampiana amin’ny alalan’ny teny, fanehoan-kevitra ara-paminaniana, ary fanazavana ireo zavatra izay mety hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo andininy ireo.

Ahoana ny fomba ahafahan’ny fandalinana ny soratra masina manampy ahy eo amin’ny fiainako?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Miresaka amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika. Matetika Izy no mamaly antsika amin’ny alalan’ny teniny izay voasoratra. Mba hahafantarana hoe toy ny ahoana sy manao ahoana ny feon’ilay Masina dia vakio ny teniny, halalino ny soratra masina ary saintsaino izany. Ataovy ho anisany zavatra manan-danja eo amin’ny fiainanareo andavanandro izy ireny. …

Ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina isan’andro no hahitanareo fiadanana eo anivon’ireo disadisa manodidina anareo sy hery hanoherana ny fakam-panahy. Hanana finoana matanjaka ianareo ao amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra ary hahafantatra fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no hahatonga ny rehetra ho tomombana araky ny fotoan’ Andriamanitra.

(Richard G. Scott, “Ataovy voalohany amin’ny laharam-pahameharaneo ny fampiasana finoana,” Liahona, nôv. 2014, 93–94)

Ahoana ny fomba hahafahako mahatsapa fanantenana momba ny hoavy raha toa ka mifanohitra amin’ny didin’ Andriamanitra ny fitarihan’ny fiaraha-monina?

. .

Inona avy ireo fomba mahomby sasantsasany ahafahako mandalina ny soratra masina?

. .

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy

Avereno jerena ny Matio 4:1–11 miaraka amin’ireo mpianatra mba hahitana ny fomba nampiasan’ny Mpamonjy ny soratra masina, handresena ireo loza sy fakam-panahy izay natrehany.

Ireo fomba samihafa ahafahana mianatra avy amin’ny soratra masina

Alohan’ny hanasana ireo mpianatra handinika ny tanjony amin’ny fandalinany manokana ny soratra masina, dia asehoy ity teny manaraka izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hamantatra ny teny tsirairay izay manoritsoritra ny fomba ahafahantsika mampiasa ny soratra masintsika.

“Tsy maintsy mitodika any amin’i Kristy sy manatona Azy, izay ‘loharanon’ny rano velona’ izaho sy ianao ( 1 Nefia 11:25 ; ampitahao amin’ny Etera 8:26 ; 12:28), min’ny alalan’ny famakiana (jereo ny Môzià 1:5), ny fandalinana (jereo ny [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 26:1 ]), sy fikarohana (jereo ny Jaona 5:39 ; Almà 17:2), ary ny fivokisana (jereo ny 2 Nefia 32:3) ny tenin’i Kristy araka izay voarakitra ao amin’ny soratra masina. Raha manao izany isika, dia afaka mandray ny fitarihana sy fiarovana ara-panahy mandritra ny fiainantsika” (David A. Bednar, “Un réservoir d’eau vive” [Takariva amorom-patana nataon’ny Departemantan’ny Fampianaran’ny Fiangonana ho an’ireo zatovo, Febroary. 4, 2007], 2, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Angataho ireo mpianatra hanoritsoritra ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny teny tsirairay izay hitan’izy ireo avy tamin’ny fandalinany manokana ny soratra masina.

Hamoaka printy