Seminera
Asan’ny Apostoly 17:16–34


Asan’ny Apostoly 17:16–34

“Terak’ Andriamanitra isika”

Teo am-piandrasana ireo namana mpiara-mitory aminy ho any Atena dia nanahy mafy ny amin’ny fanompoan-tsampy sy ny tsy fahafantaran’ireo vahoaka tao Atena ny tena toetran’ Andriamanitra ny Apôstôly Paoly. Mba hanampiana ny Ateniana hahatakatra sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra dia nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tao amin’ny synagoga sy ny tsena i Paoly. Nanasa an’i Paoly avy eo ireo filôzôfa mba hanazava “izany fampianarana vaovao lazain[y] izany” (Asan’ny Apostoly 17:19) teo amin’ny toerana iray antsoina Areopago. Nampianatra ireo filôzôfa ny tena toetran’ Andriamanitra i Paoly ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fifandraisan’izy ireo masina Aminy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny maha-zanak’ Andriamanitra anao.  

Manana fahatokiana an’ireo mpianatra. Manàna fahatokiana amin’ny fahaizan’ny mpianatrao hanatanteraka ny andraikiny rehefa mianatra sy mampianatra ary mampihatra ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitr’ireo teny na andian-teny izay mamaritra azy ireo tsara indrindra ary hisaintsaina hoe inona ireo teny na andian-teny manan-danja indrindra amin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Zanaky ny Ray aho

Hirao miaraka amin’ny mpianatra ilay hira hoe “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 113) alohan’ny hanombohan’ny lesona.

Henoy ilay hira hoe “Zanaky ny Ray aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 113) ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Na jereo ny horonan-tsary “Child of God” (2:54), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mihaino na mihira ianareo dia saintsaino ny lanjan’ny hafatra fonosin’ity hira ity.

  • Inona avy ireo teny na andian-teny avy amin’ity hira ity izay hitanao fa manan-danja? Nahoana?

2:54

Ny Loholona Donald L. Hallstrom tao amin’ny Fitopololahy dia nanasa antsika hisaintsaina ny hafatry ny “Zanaky ny Ray aho”:

Official Portrait of Elder Donald L. Hallstrom. Photographed March 2017.

Io hira be mpitia ao anaty fihirana io dia iray amin’ireo hira matetika hiraina indrindra ato amin’ity Fiangonana ity. Saingy ny fanontaniana tena manan-danja indrindra dia ny hoe, tena fantatsika marina ve izany? Fantatsika ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika ary ao anaty fanahintsika ve izany? Ny maha-avy any an-danitra antsika ve no famantarana antsika voalohany sy lalina indrindra?

(Donald L. Hallstrom, “Zanaky ny Ray aho,” Liahona, mey 2016, 26)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto, izay notsoahina avy tamin’ny teny nambaran’ny Loholona Hallstrom. Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ireo fanontaniana. Asao ireo mpianatra izay vonona mba hizara ny fomba nahafantarany fa zanak’ Andriamanitra izy ireo. Mitandrema tsara mba tsy hiteraka fahamenarana eo amin’ireo mpianatra izay mety mbola manontany tena momba ny finoany sy ny fifandraisany amin’ Andriamanitra izany.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia nampifanarahana tamin’ny teny nambaran’ny Loholona Hallstrom ary azo valina amin’ny hoe “eny” na “tsia”. Rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo ianao dia hazavao ny antony namalianao ny fanontaniana tsirairay araka ny fomba namalianao azy.

  • Tena fantatrao marina ve fa zanak’ Andriamanitra ianao?

  • Fantatrao ao an-tsainao sy ao am-ponao ary ao anatin’ny fanahinao ve izany?

  • Moa ve ianao mahita ny tenanao ho zanak’ Andriamanitra mialoha ny hahitanao ny tenanao ho zavatra hafa?

Mandritra ity lesona ity dia diniho ny valinteninao tamin’ireo fanontaniana teo aloha sy ny zavatra lazain’ny valinteninao momba ny zavatra tsapanao mikasika ny Ray any An-danitra. Mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Rainao any An-danitra, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny fanananao toetra araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao sy hahatsapa ny fitiavany lalina anao.

Nitory tany Atena i Paoly

Nitory tany Atena ny Apôstôly Paoly nandritra ny dia fitoriana faharoa nataony. Nanana foto-kevitra sy filôzôfia ary finoana maro samihafa ny olona tao Atena. Hitan’i Paoly fa lasa “tanàna feno sampy” tany ( Asan’ny Apostoly 17:16), izany hoe nivavaka tamina zavatra hafa fa tsy tamin’ Andriamanitra ny vahoaka. Noho izany dia nitory isan’andro momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty i Paoly. Nentina teo amin’ny Areopago i Paoly avy eo, izay nanasana azy hitory teo anoloan’ny filôzôfa maromaro (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:17–21).

Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:22–23 , ka tadiavo ny fomba nampidiran’i Paoly ny hafany.

4:26
  • Inona no mety ho hevitr’ilay soratra teo amin’ny alitara izay noresahan’i Paoly mahakasika ny finoan’ny Ateniana an’ Andriamanitra?

  • Ahoana no ampitahana an’io soratra io amin’ny fampianaran’ny soratra masina momba an’ Andriamanitra?

Nino andriamani-diso maro ary nanangana sarivongana sy tempoly ho fanomezam-boninahitra azy ireny ny Ateniana fahiny. Ilay alitara naorina “ho an’izay andriamanitra tsy fantatra” ( Asan’ny Apostoly 17:23) dia mety ezaka nataon’ireo Ateniana hanomezana fahafaham-po ny andriamanitra tsy fantatra iray na andriamanitra tsy fantatra anarana iray.

Azonao atao ny mampiseho ny mpianatra ny sarin’ny fianarana seminera (ampidirina any aoriana any ao anatin’ny lesona any aoriana) tao Areopago. Ireo faharavana hita izay lafiky ny sary dia ohatra iray amin’ireo tempoly naorina ho fanomezam-boninahitra ireo andriamanitra Grika.

  • Inona avy ireo fahadisoan-kevitra mahazatra hitanao eto amin’izao tontolo izao ankehitriny momba an’ Andriamanitra sy ny fifandraisantsika Aminy?

  • Raha nanana fahafahana nampianatra olona iray izay tsy mahafantatra firy momba ny Ray any An-danitra ianao, dia inona no tianao ho fantatr’izy ireo momba Azy?

Omeo fotoana ampy ny mpianatra hamitana ity sahanasa manaraka ity samirery, na tsiroaroa, na ao anaty vondrona kely. Mandritra ny fandalinana ataon’ny mpianatra dia ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny laharan’ireo andinin-tsoratra masina manomboka eo amin’ny faha-24 ka hatrany amin’ny faha-31. Asao ny mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra eo akaikin’ny laharan’ny andininy tsirairay ny fahamarinana iray na maromaro hitan’izy ireo tao amin’ny andininy tsirairay. Azo asaina mba hizara ireo fahamarinana izay manan-danja indrindra amin’izy ireo sy ny anton’izany ny mpianatra.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:24–31 ary manaova lisitra ahitana ireo fahamarinana nampianarin’ny Apôstôly Paoly momba ny tena toetran’ Andriamanitra sy ny fifandraisanao Aminy. Omeo anarana hoe “Ilay Andriamanitra marina sy velona ary ny fifandraisako Aminy” ny lisitrao. Mariho fa misy Dikantenin’i Joseph Smith ny andininy faha-27 . Rehefa avy nanao ny lisitrao ianao, dia valio ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no fahamarinana manan-danja indrindra aminao ao amin’ilay lisitrao, nahoana?

Terak’ Andriamanitra isika

photo of seminary on Mars Hill

Iray amin’ireo fahamarinana mety ho hitanao avy amin’ny fampianaran’i Paoly ny hoe “terak’ Andriamanitra isika” ( andininyfaha-29).

  • Inona no mampiavaka ny hoe zanak’ Andriamanitra amin’ny hoe iray amin’ireo zavatra nohariany fotsiny?

Ny Filoha M.Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba ny hevitry ny fahamarinana hoe “terak’ Andriamanitra isika.”

Official portrait of President M. Russell Ballard of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004.

Ny tena fototra iorenan’ny maha-avy any an-danitra antsika dia tsy ny fiheverako na ny fiheveranao fotsiny ihany. Fa fahamarinana mandrakizay ilay izy. Soratana amin’ny litera lehibe, sora-matevina, sora-baventy izy io. Ny fahatakarana io fahamarinana io—ny fahatakarana marina izany sy ny fanekena izany—no manova ny fiainana. Izany dia manome anao ny maha-izy anao tena mahavariana izay tsy azon’iza na iza esorina aminao. Fa mihoatra noho izany dia omeny anao ny fahatsapana lehibe momba ny lanja sy ny hasarobidinao tsy manam-petra. Ary farany dia omeny anao ny tanjona masina sy mendrika ary mahaliana eo amin’ny fiainana.

(M. Russell Ballard, “Children of Heavenly Father” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, 3 mar. 2020], 2, speeches.byu.edu)

  • Inona no fiovana hisy eo amin’ny fiainanao sy eo amin’ny fanapahan-kevitra raisinao noho ny fahalalanao fa “terak’ Andriamanitra” ara-bakiteny ianao?

  • Inona no zavatra niainanao izay nanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny fanananao toetra araka an’ Andriamanitra amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra anao?

2:3

Rehefa avy nomena fotoana hisaintsainana sy hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia manasà mpianatra izay vonona hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana nampianarina.

  • Inona no nianaranao na tsapanao androany momba ny fanananao toetra araka an’ Andriamanitra ka tianao hotsaroana?

  • Inona no zavatra tsapanao fa ilainao atao izay mifototra amin’ny zavatra nianaranao?

  • Inona no azonao atao mba hahitana ireo valin’ireo fanontaniana mbola anananao momba ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manamafy orina ny fifandraisako amin’ Andriamanitra?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza hoe:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Misy zavatra mahery vaika mitranga rehefa mikatsaka ny hahafantatra misimisy kokoa momba an’ Andriamanitra sy ny Zanakalahiny Malalany ny zanak’ Andriamanitra iray. Tsy misy fampianarana ireo fahamarinana ireo amin’ny fomba mazava sy mahery vaika kokoa mihoatra noho ny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

(Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?,” Liahona, nôv. 2017, 61)

Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny tena maha-zanak’ Andriamanitra ahy marina?

Ny Loholona Brian K. Taylor ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao:

Official Portrait of Elder Brian K. Taylor. Photographed in March 2017.

Nianatra momba ny lovany avy amin’ Andriamanitra i Mosesy raha niresaka nifanatri-tava tamin’ny Tompo. Taorian’izany zavatra niainany izany dia “tonga i Satana naka fanahy” tsy nivantana kanefa tamim-pikasan-dratsy mba hanova ny maha-izy azy an’i Mosesy “nanao hoe: Ry Mosesy, zanak’olona, miderà ahy. Ary … dia nijery an’i Satana i Mosesy ary nanao hoe: Iza moa ianao? Fa indro, izaho dia zanak’ Andriamanitra” [Mosesy 1:12–13; nampiana fanamafisana].

Ity ady lehibe mahakasika ny fananana toetra araka an’ Andriamanitra ity dia mbola iadian-kevitra hatrany, raha eo am-pampitomboana tsy an-kiato ireo paikady mamitaka entina hamotehana ny finoantsika sy ny fahalalantsika ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra i Satana. Soa ihany fa nahazo fitahiana tamin’ny fahitana sy fahatakarana mazava momba ny tena maha-isika antsika hatrany am-piandohana isika. …

Ny fahafantarana ny Raintsika dia manova ny zava-drehetra, indrindra ny fontsika, rehefa manamafy ny tena maha-isika antsika sy ny halehiben’ny lanjantsika eo imasony ilay Fanahiny malefaka. Miara-dia amintsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana Andriamanitra rehefa mikatsaka Azy amin’ny alalan’ny fitalahoana amim-bavaka sy ny fandalinana soratra masina, ary ny fiezahana hankatò isika.

(Brian K. Taylor, “Zanaky ny Ray ve aho?,” Liahona, mey 2018, 12, 14)

Ny Filoha Dieter F.

NaN:NaN

Sahanasa fianarana fanampiny

Katsaho ny Tompo

Manafena zavatra ao an-dakilasy izay ankafizin’ny mpianatra ny mitady azy, toy ny vatomamy. Asao ny mpianatra hikaroka ilay zavatra nafenina mandra-pahitana izany. Ifanakalozy hevitra ny ezaka ataon’ny mpianatra amin’ny fitadiavana ilay zavatra ary ny antony ilana fanaovana ezaka mba hahazoana zavatra tsara. Amporisiho ny mpianatra hamakafaka ny Asan’ny Apostoly 17:27 . Mariho fa i Paoly dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny Ateniana fa akaiky ny zanany Andriamanitra ary maniry azy rehetra hitady Azy Izy. Ampio ny mpianatra hamantatra fitsipika iray tahaka izao manaraka izao: Raha vonona ny hitady an’ Andriamanitra isika dia ho hitantsika fa tsy lavitra antsika Izy. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mikatsaka ny hahafantatra sy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

  • Oviana ianareo no nahatsapa fa akaiky anareo ny Ray any An-danitra?

3:59

Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fitsaohana ny Ray

Rehefa nampianatra momba ny tena toetran’ Andriamanitra ny Apôstôly Paoly, dia nanoro hevitra ny Ateniana ihany koa izy mba tsy hitsaoka amin’ny fomba tsy araka ny tokony ho izy ny Ray any An-danitra (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:23–30). I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra izay maneho ny fomba hitsaohana an’ Andriamanitra. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny Mpamonjy dia naneho fankatoavana sy nidera mandrakariva ny Ray any An-danitra ary nampandefitra ny sitrapony teo anatrehan’ny an’ny Ray mihitsy aza. Zarao amin’ny mpianatra ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary asao izy ireo hamantatra ny zavatra ianarany avy amin’i Jesoa Kristy momba ny fitsaohana ny Ray any An-danitra. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany ary avy eo hifanakalo hevitra momba ny fomba samihafa ahafahantsika mitsaoka sy mijoro ho vavolombelona momba ny Ray any An-danitra eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Ny herin’ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra isika

17:34