Seminera
Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao


Fampahafantarana ny Testamenta Vaovao

Ny Testamenta Vaovao dia manampy antsika hanatona an’i Kristy

Sary
Jesus Christ depicted standing with His arms outstretched as an invitation for people to come to Him. Several people are gathered around Christ. Most of the people are looking up at Christ. An elderly man is kneeling on the ground. The man is clasping the robe of Christ and resting his head against Christ’s side. Another elderly man is seated by Christ. He is resting his head on Christ’s other side.

Ny Testamenta Vaovao dia rakitsoratra momba ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny teo an-tany ary ny asa fanompoana nataon’izy ireo. Ity lesona ity dia hanampy amin’ny fanomanana anao hanatona an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao ianao.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra handinika ny antony mahatonga ny fandalinana ny Testamenta Vaovao ho tsy hanenenana amin’ity taona ity. Mety hahasoa ny manasa azy ireo hanontany ny olona vitsivitsy ao amin’ny fianakaviany momba ny antony maha-tsy hanenenana an’izany araka ny eritreritr’izy ireo.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Asao ireo mpianatra hieritreritra ny valin-tenin’izy ireo ho an’ireto fanontaniana telo manaraka ireto. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra avy eo ireo fanontaniana eo amin’ny teboka.

Eritrereto izay valin-teny homenao an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  1. Inona no ataonao rehefa mahatsiaro reraka ara-batana na ara-tsaina ianao?

  2. Inona no ataonao rehefa matahotra ianao?

  3. Iza no hanatonanao rehefa mila fanampiana amin’ny zavatra iray ianao?

  • Ahoana no hanampian’ireo asa atao na ny olona noeritreretinao anao ao anatin’ny toe-javatra sarotra?

  • Efa nisy zavatra nanahirana anao ve ka toa tsy nisy na asa atao na olona afaka nanampy anao tamin’ny fiatrehana izany?

Ny Filoha Jean B. Bingham, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany teo aloha, dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mamaha ireo zavatra tena manahirana antsika.

Sary
Official Portrait of Sister Jean B. Bingham. Photographed in 2017.

Ny fifaliana maharitra dia azo amin’ny alalan’ny fifantohana amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny fiainana ny filazantsara araka izay nasehony sy nampianariny. Arakaraka ny hianarantsika momba an’i Jesoa Kristy, hinoantsika Azy, ary hakantsika tahaka Azy no hahatakarantsika bebe kokoa fa Izy no loharanon’ny fanasitranana, ny fiadanana ary ny fivoarana mandrakizay rehetra.

(Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 85)

  • Araka io teny nambara io, dia avy ireo fitahiana mety ho azontsika noho i Jesoa Kristy?

  • Inona amin’ireo fitahiana ireo no tena manan-danja aminao amin’izao fotoana izao? Nahoana?

Fandalinana ny fiainan’i Jesoa Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao

Amin’ity taona ity dia asaina isika hianatra ny Testamenta Vaovao any an-trano, sy any am-piangonana ary any amin’ny seminera. Rehefa miezaka ny mandalina ny Testamenta Vaovao isika ary mianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia hitombo ny fahatakarantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra atolony antsika. Hianatra ny zavatra azontsika atao isika mba hiainana ilay fifaliana, sy fanasitranana ary ilay fiadanana izay atolony.

Mialoha ny hametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto dia hevero ny hanasa ny mpianatra hanokatra ny Testamenta Vaovao ary hijery ny sasany amin’ireo pejiny na tokony. Anontanio ny zavatra tsikaritr’izy ireo sy ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fomba nandrafetana izany.

  • Inona ny zavatra efa fantatrao mikasika ny Testamenta Vaovao?

  • Inona avy ireo tantara tianao indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao? Nahoana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy hanenenana ny fandalinana ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity?

Ireo boky efatra voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao dia ahitana fitantarana miisa efatra momba ny fiainan’ny Mpamonjy. Fantatra amin’ny anarana hoe ireo Filazantsara izy ireo. Ny sisa ao amin’ny Testamenta Vaovao dia mirakitra ny asa fanompoana sy ny fampianarana nataon’ny sasany tamin’ireo Apôstôly Roambinifolon’ny Mpamonjy sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana.

Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Ahoana ny fomba nandrafetana ny Testamenta Vaovao?” ao amin’ny fizarana“Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra”any amin’ny faran’ny lesona.

Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia manolotra fanasana azontsika raisina ny Mpamonjy mba handraisana ny fanampiana tiany homena antsika.

Vakio ny Matio 11:28 mba hitadiavana ilay fanasan’ny Mpamonjy.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “manatona an’i [Kristy]”?

  • Araka ny eritreritrao, karazana fitsaharana inona no azon’ny Mpamonjy omena antsika rehefa manatona Azy isika?

  • Inona avy ireo fitahiana efa azonao teo amin’ny fiainana rehefa nanatona an’i Jesoa Kristy ianao?

Fanamafisana orina ny maha-mpianatra anao rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao

Ny zavatra iainanao ao anatin’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity dia hanome anao fahafahana maro hanatona an’i Jesoa Kristy sy ho mpianany, na ho mpanaraka Azy.

Mandritra ny fandalinanao dia tsy ny zavatra vakinao sy ny henonao momba an’i Jesoa Kristy ihany no dinihinao tsara fa izay ampianarin’ny Fanahy anao momba Azy koa. Manokàna pejy vitsivitsy ao amin’ny diary fandalinanao mba handraisana an-tsoratra ny zavatra ianaranao sy tsapanao momba Azy sy ny zavatra ataonao mba hanarahana Azy. Mandritra ny taona dia ampidiro ao anatin’ireo pejy ireo ireo fiovana ary avereno jerena ny fivoaranao.

Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra hiainany amin’ny fianarana ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity amin’ny alalan’ny famaliana ireo fanontaniana etsy ambany ao amin’ny diary fandalinany.

  • Inona no antenainao hianarana na hiainana rehefa mandalina ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ianao amin’ity taona ity?

  • Inona avy ireo fomba manokana vitsivitsy antenainao hatsaraina amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy anao?

Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Mety hahasoa koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy. Amporisiho ny mpianatra handinika ireo fomba hanamafisan’izy ireo orina ny fanolorantenan’izy ireo hanatona Azy sy ho mpianany rehefa manomboka mandalina ny Testamenta Vaovao izy ireo.

Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra

Ahoana no fomba nandrafetana ny Testamenta Vaovao?

Fantatra amin’ny anarana hoe ireo Filazantsara ireo boky efatra voalohany amin’ny Testamenta Vaovao (Matio, Marka, Lioka, ary Jaona). Ireo Filazantsara dia fijoroana ho vavolombelona miisa efatra momba ny fiainan’i Jesoa teto an-tany sy ny asa fanompoana nataony. Midika hoe “vaovao mahafaly” ny teny hoe filazantsara amin’ny teny Grika. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ireo Filazantsara efatra dia jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Filazantsara ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Ny sisa amin’ny Testamenta Vaovao (ny bokin’ny Asan’ny Apostoly ka hatrany amin’ny bokin’ny Apôkalipsy) dia mirakitra ireo asasoratra sy ireo asa fanompoana nataon’ireo mpitarika fototra tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mirakitra ireo asa fitoriana, asa fanompoana ary fahagagana nataon’ireo Apôstôly. Ny bokin’ny Romana ka hatrany amin’ny bokin’i Joda dia epistily, na taratasy nosoratan’i Paoly sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana mba hampianarana sy hampivoarana ny saina amam-panahin’ny Olomasina. Ny bokin’ny Apôkalipsy dia ahitana fanambarana voarain’i Jaona momba ny andro farany.

Ahoana no ahafahan’ny finoako an’i Jesoa Kristy ho mafy orina rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao aho?

Ny filoha Jean B. Bingham, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany teo aloha dia nizara fomba vitsivitsy hanamafisana orina ny finoantsika rehefa mandalina ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny fampianarany isika.

Sary
Official Portrait of Sister Jean B. Bingham. Photographed in 2017.

Rehefa mandalina ny fiainana sy ny fampianaran’i Kristy amin’ny fomba isan-karazany ianareo dia hitombo ny finoanareo Azy. Hahafantatra ianareo fa tia anareo tsirairay Izy ary azony tsara ny zavatra iainanareo. Tao anatin’ny 33 taona niainany teto an-tany, Izy dia niaina fandavana; fanenjehana, hanoanana ara-batana, hetaheta, ary harerahana; fanirery; fanompana sy herisetra ara-batana; ary ny farany, dia fahafatesana tamin’ny fomba feno habibiana teo am-pelatanan’ireo olona ratsy fanahy. Tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary Izy dia nahatsapa ny fanaintainana, ny fahoriana, ny fakam-panahy, ny aretina, ary ny rofintsika rehetra.

Na inona na inona zavatra efa nozakaintsika dia Izy no loharanon’ny fanasitranana. Ireo izay niaina izay mety ho karazana fanararaotana, na famoizana tena nampalahelo, na aretina mitarazoka, na fahoriana tsy nahafahana nandroso, na fanendrikendrehana, na fanenjehana feno fitaka, na fahavoazana ara-panahy vokatry ny fahotana, na ny tsy fifankahazoan-kevitra dia azo sitranina avokoa amin’ny alalan’ilay Mpanavotra an’izao tontolo izao. Na izany aza dia tsy hiditra Izy raha tsy asaina. Tokony hanatona Azy isika dia hamela Azy hanatanteraka ny fahagagana avy Aminy.

(Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 86)

Ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha-zava-dehibe ny fandalinana ny Testamenta Vaovao.

Sary
Final official portrait of Elder L. Tom Perry of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 30 May 2015.

Ny tontolo ankehitriny dia tototry ny fotopampianaran’ny olona hany ka mora ny manadino sy ny manary finoana mikasika ity tantara tena manan-danjan’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny fanompoany ity, dia ny Testamenta Vaovao. Io boky masina io no ivon’ny tantara araka ny soratra masina, tahaka ny maha-tokony ho ivon’ny fiainantsika ny Mpamonjy tenany mihitsy. Mila manolo-tena ny hianatra izany sy ny hankamamy izany isika!

(L. Tom Perry, “Ny Sabata sy ny Fanasan’ny Tompo,” Liahona, mey 2011, 6)

Ireo asa fanampiny atao ao anatin’ny fianarana

Iza i Jesoa Kristy aminao?

Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy iray, toy ilay hita tany am-piandohan’ny lesona. Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny valin’ny fanontaniana manaraka ao amin’ny diary fandalinany. Manasà mpilatsaka an-tsitrapo vitsivitsy mba hizara ny valin-teniny amin’ny iray kilasy.

  • Iza i Jesoa Kristy aminao?

Amporisiho ny mpianatra hahita ny fivoaran’ny valin-tenin’izy ireo mahakasika io fanontaniana io eo am-pandalinan’izy ireo ny fiainan’i Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity.

Ny fandalinana ny Testamenta Vaovao dia afaka manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy

Asao ny mpianatra handalina ny Jaona 20:30–31 mba hitadiavana ny iray amin’ireo antony nanoratan’i Jaona ny fitantarany ny fiainan’ny Mpamonjy. Azavao fa ny tenin’i Jaona ao amin’ireo andininy ireo dia miantefa koa amin’ny sisa ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Mety ilaina ny mamerina mijery ny tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao izay manamafy orina ny finoantsika fa i Jesoa no Kristy ary Zanak’ Andriamanitra. Afaka mitady ny fitantarana samirery ny mpianatra, na azonao atao ny manome azy ireo zavatra vitsivitsy azo hisafidianana, anisan’izany ny sasany amin’ireto manaraka ireto:

Matio 8:23-27 ; Matio 14:15-21 ; Lioka 22:39–44 ; Jaona 11:32–45 ; Asan’ny Apostoly 3:1–8

Rehefa mandalina ny mpianatra dia asao izy ireo handinika ny zavatra nianarany izay afaka manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona iray fa i Jesoa no Kristy.

Anarana sy anaram-boninahitra niantsoana an’i Jesoa Kristy

Ny iray amin’ireo fomba hianaran’ny mpianatra momba an’i Jesoa Kristy rehefa mandalina ny Testamenta Vaovao izy ireo dia amin’ny alalan’ny fanamarihana ireo anarana sy anaram-boninahitra maro niantsoana Azy. Asao ny mpianatra handalina ny sasany amin’ireto andininy manaraka ireto ka hitady ireo anarana na anaram-boninahitra izay ampiasaina hamaritana an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra handinika ny zavatra ampianarin’ireo anarana sy anaram-boninahitra ireo azy ireo momba Azy.

Matio 14:33 ; Lioka 2:11 ; Jaona 1:29 ; Jaona 3:2 ; Jaona 4:25–26

Hamoaka printy