“Toko 6: Mikatsaka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy,” Torio ny filazantsarako: Torolalana ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (2023)
“Toko 6,” Torio ny filazantsarako
Toko 6
Mikatsaka ireo toetra tahaka ny an’i Kristy
Teny fanolorana
Tany am-piandohan’ny asa fanompoany tety an-tany, dia nandeha an-tongotra teny amoron’ny Ranomasina Galilia i Jesoa ka niantso mpanjono anankiroa izay antsoina hoe Petera sy Andrea. “Andeha hanaraka Ahy,” hoy Izy, “fa hataoko mpanarato olona ianareo” (Matio 4:19; jereo koa ny Marka 1:17).
Niantso anao ho amin’ny asany koa ny Tompo, ary manasa anao mba handeha hanaraka Azy koa Izy. “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo?” Hoy Izy nanontany. “Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” (3 Nefia 27:27).
Ny toko sasany ato amin’ny Torio ny filazantsarako dia mifantoka amin’ny zavatra ilainao atao amin’ny maha-misiônera anao, toy ny fomba fandalinana, ny fomba fampianarana, ary ny fomba fametrahana tanjona. Manan-danaja tahaka izay zavatra ataonao ny hoe iza moa ianao ary eo an-dalana ho lasa olona toy ny ahoana ianao. Izany no ifantohan’ity toko ity.
Ny soratra masina dia mamariparitra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay tena ilaina ny hikatsahanao azy ireo amin’ny maha-misiônera anao sy mandritra ny androm-piainanao. Ny toetra tahaka ny an’i Kristy dia toetra ananan’ny Mpamonjy na mampiavaka Azy. Ity toko ity dia mamariparitra ny sasany amin’ireo toetra ireo. Halalino izy ireto sy ny soratra masina mifandray aminy. Mitadiava toetra tahaka ny an’i Kristy hafa eo am-pandalinanao andinin-tsoratra masina hafa.
“Hikatsaka ity Jesoa ity”
Nanasa antsika i Môrônia hoe, “Manafatrafatra anareo hikatsaka ity Jesoa ity izay efa nosoratan’ny mpaminany sy ny apôstôly ny Aminy [aho].” (Etera 12:41). Fomba manan-danja iray hikatsahana an’i Jesoa ny fanaovana ezaka amin’ny zotom-po mba hianatra momba Azy sy ho lasa tahaka Azy kokoa. Ny asa fitoriana ny filazantsara dia fotoana tena mety hifantohana amin’izany.
Rehefa miezaka ny ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa ianao dia hahatanteraka tsara kokoa ny tanjonao amin’ny maha-misiônera anao. Hiaina fifaliana sy fiadanana ary fivoarana ara-panahy ianao rehefa lasa toetranao ihany koa ny toetrany. Hanorina fototra amin’ny fanohizana ny fanarahana Azy mandritra ny androm-piainanao ihany koa ianao.
Fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra
Fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Toy ny zavatra tsara rehetra dia tonga amin’ny alalan’ny “fahasoavan’ Andriamanitra Ray, ary koa ny an’i Jesoa Kristy Tompo sy ny Fanahy Masina” ireo fanomezam-pahasoavana ireo (Etera 12:41).
Mifantoha amin’i Kristy rehefa mikatsaka ny hamboly ireo toetra ireo ianao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Tsy singa ao anatina lisitra izay ilaina hamarinina ireo toetra ireo. Tsy teknika volavolainao ao anatina fandaharan’asa fampivoarana ny tena manokana izy ireo. Tsy amin’ny alalan’ny fahavononan’ny tena manokana ihany no ahafahana mahazo azy ireo. Fa afaka mahazo azy ireo ianao rehefa miezaka ny ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy manolo-tena tsara kokoa.
Mivavaha amin’ Andriamanitra mba hanomezany anao ireo toetra ireo. Ekeo amim-panetrentena ny fahalemenao sy ny filanao ny heriny eo amin’ny fiainanao. Rehefa manao izany ianao dia “hataony tonga matanjaka ireo zavatra malemy” (Etera 12:27).
Dingana arahina mandeha tsikelikely
Ny hoe lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy dia dingana arahina mandeha tsikelikely ary maharitra mandritra ny androm-piainana. Miaraka amin’ny faniriana mba hanao izay hahafaly an’ Andriamanitra, dia fanapahan-kevitra noraisina iray isaky ny mandeha no iezaho mba hivoarana.
Manàna faharetana amin’ny tenanao. Mahafantatra Andriamanitra fa ny fiovana sy fivoarana dia mitaky fotoana. Ankasitrahany ny faniriana tena avy amin’ny fo ao aminao ary hitahy anao noho ny ezaka tsirairay avy ataonao Izy.
Rehefa miezaka ny ho lasa kokoa tahaka an’i Kristy ianao dia hiova ny fanirianao sy ny eritreritrao ary ny zavatra ataonao. Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Fanahy Masina, dia ny tena toetranao mihitsy no hohatsaraina (jereo ny Môzià 3:19).
Ny Fanahy Masina dia mampivelatra sy mampitombo ny fahaizantsika. “Mampitombo ny hatsaran-toetra, ny fifankatiavana, ny hatsaram-panahy, ny halemem-panahy, ary ny fiantrana [Izy]. … Raha fintinina, ary efa toy izany hatrizay, dia tsoka ho an’ny taolana, fifaliana ho an’ny fo, fahazavana ho an’ny maso, mozika ho an’ny sofina, ary aina ho an’ny tena manontolo izany” (Parley P. Pratt, Key to the Science of Theology [1855], 98–99).
Finoana an’i Jesoa Kristy
Mba hitondran’ny finoana ho amin’ny famonjena dia tsy maintsy hampifantohanao amin’i Jesoa Kristy izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:10–12; Môzià 3:17; Môrônia 7:24–26). Rehefa manana finoana an’i Kristy ianao dia matoky Azy fa Izy no ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra. Matoky ianao fa rehefa mibebaka dia ho voavela ny fahotanao amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony ary hohamasinin’ny Fanahy Masina ianao (jereo ny 3 Nefia 27:16, 20).
Ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana. Fa fahazoana toky kosa avy amin’ny Fanahy ny amin’ireo zavatra izay tsy hitanao kanefa marina. (Jereo ny Almà 32:21.)
Maneho ny finoanao amin’ny alalan’ny asa ianao. Ao anatin’ireo asa ireo ny fanarahana ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny ohatra nasehony. Tafiditra ao anatin’izany ny fanompoana ny hafa sy ny fanampiana azy ireo hisafidy ny hanara-dia an’i Kristy. Ianao koa dia maneho ny finoanao amin’ny alalan’ny zotom-po sy ny fibebahana ary ny fitiavana.
Ny finoana dia fitsipiky mifono hery. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ianao dia hahazo ny heriny izay mifanaraka amin’ny toe-javatra iainanao ianao. Afaka ny hiaina fahagagana araka ny sitrapon’ny Tompo ianao. (Jereo ny Jakôba 4:4–7; Môrônia 7:33; 10:7.)
Ny finoanao an’i Jesoa Kristy dia hitombo rehefa lasa mahafantatra Azy sy ny fampianarany kokoa ianao. Hitombo izany rehefa mikaroka ny soratra masina sy mivavaka amin-kitsim-po ary mankatò ny didy ianao. Ny fisalasalana sy ny fahotana dia manohintohina ny finoana.
“Ny finoana dia tsy fahatsapana ihany fa fanapahan-kevitra ihany koa. Manorina sy manamafy ny finoantsika isika, amin’ny alalan’ny vavaka, ny fandalinana, ny fankatoavana, ary ireo fanekempihavanana. Lasa amin’ny alalan’ny fomba fijery mafonjan’ny faharesen-dahatra ao amintsika momba ny Mpamonjy sy ny asany amin’ny andro farany no hitsarantsika ny zavatra rehetra hafa. Avy eo dia ho hitantsika ao anatin’ny memin’ny fiainana ny tenantsika, … ka hanana ny tanjaka hizorana amin’ny lalana tokony ho izy isika” (Neil L. Andersen, “It’s True, Isn’t It? Then What Else Matters?” Liahona, May 2007, 74).
Fanantenana
Ny fanantenana dia tsy faniriana ao an-tsaina fotsiny. Fa fahatokiana tsy mety lefy kosa izany, izay mifototra amin’ny finoanao an’i Kristy, fa hanatanteraka ireo fampanantenany aminao Andriamanitra (jereo ny Môrônia 7:42). Fiandrandrana “ny amin’ny zavatra tsara ho avy” amin’ny alalan’i Kristy izany (Hebreo 9:11).
I Jesoa Kristy no loharano faratampony ahazoanao fanantenana. Hoy ny Mpaminany Môrmôna hoe: “Ary inona no hantenainareo? Dia namaly Izy hoe, “Hanana fanantenana ianareo amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty mba hatsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary izany dia noho ny finoanareo Azy araka ny fampanantenana” (Môrônia 7:41; jereo ny andininy 40–43).
Rehefa mampifantoka ny fanantenanao amin’i Kristy ianao dia manana toky fa ny zavatra rehetra dia hiara-hiasa ho tombontsoanao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 90:24). Izany fahazoana toky izany dia manampy anao haharitra amim-pinoana rehefa miatrika fitsapana ianao. Afaka manampy anao hivoatra avy amin’ireo fisedrana niainana sy hampitombo fikirizana sy tanjaka ara-panahy ihany koa izany. Ny fanantenana ao amin’i Kristy dia manolotra vatofantsika ho an’ny fanahinao (jereo ny Etera 12:4).
Manome anao fahatokiana ny fanantenana fa Andriamanitra dia hampitombo ny zotom-ponao sy ny ezaka amim-pahamarinana ataonao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17).
Ny fomba iray hampitomboana ny fanantenana dia amin’ny alalan’ny fibebahana. Ny hoe lasa madio sy voavela heloka amin’ny alalan’ny sorona fanavotan’i Jesoa Kristy dia miteraka sy mamelombelona fanantenana (jereo ny Almà 22:16).
Nanafatrafatra i Nefia hoe, “[Aoka ianareo h]ibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy […], amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra” (2 Nefia 31:20). Rehefa miaina ny filazantsara ianao dia hihalehibe ny fahafahanao “hitom[bo] amin’ny fanantenana” (Romana 15:13).
“Ao anatin’ny fotoam-pahoriana dia afaka mifikitra mafy amin’ilay fanantenana fa ─ny zavatra rehetra dia hiara-hiasa ho tombontsoan[tsika]─ isika eo am-panarahantsika ny torohevitr’ireo mpaminanin’ Andriamanitra. Io karazana fanantenana ao amin’ Andriamanitra io, sy ny hatsaram-panahiny, ary ny heriny io, dia manome herim-po antsika indray mandritra ireo olana sarotra ary manome hery ireo izay mahatsapa ho rahonan’ny tahotra sy ny ahiahy ary ny famoizam-po manodidina azy ireo” (Dieter F. Uchtdorf, “The Infinite Power of Hope,” Liahona, Nov. 2008, 23).
Ny fiantrana sy ny fitiavana
Indray mandeha nisy olona nanontany an’i Jesoa hoe: “Ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ary ny sainao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Matio 22:36–39).
Ny fiantrana dia ny “fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47). Tafiditra ao anatin’izany ny fitiavana mandrakizain’ Andriamanitra ho an’ireo zanany rehetra.
Nampianatra ny Mpaminany Môrmôna hoe: “Mivavaha amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany” (Môrônia 7:48). Rehefa mivavaka ianao mba ho feno fiantrana ny fonao, dia hanandrana ny fitiavan’ Andriamanitra ianao. Hitombo ny fitiavanao ny olona, ary lasa hahatsapa fiahiana amin-kitsim-po ny fahasambaran’izy ireo mandrakizay ianao. Ho raisinao ho toy ny zanak’ Andriamanitra manana fahafahana ny ho lasa tahaka Azy izy ireo, ary hiasa ho azy ireo ianao.
Rehefa mivavaka mba hahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fiantrana ianao dia tsy hirona intsony loatra any amin’ny fananana fihetseham-po tsy mahasoa toy ny fahatezerana na ny fitsiriritana. Lasa tsy mora mirona any amin’ny fitsaratsarana na fitsikerana ny hafa ianao. Hanana faniriana bebe kokoa ny hiezaka hahatakatra azy ireo sy ny fomba fijerin’izy ireo ianao. Hanam-paharetana bebe kokoa sy hiezaka bebe kokoa ny hanampy ny olona ianao rehefa manana olana na kivy izy ireo. (Jereo ny Môrônia 7:45.)
Ny fiantrana, tahaka ny finoana, dia mitarika any amin’ny fanaovana asa. Manatanjaka izany ianao rehefa manompo ny hafa sy manolotra ny tenanao.
Mampiova ny fiantrana. Ny Ray any An-danitra dia manome izany an’ “ireo rehetra izay mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy Zanany; … ka rehefa hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika… mba hahazoana manadio antsika tahaka Azy izay madio.” (Môrônia 7:48).
Ny hatsaran-toetra
“Mino isika fa tokony ho … mendrika, ” hoy ny nambaran’ny fanekem-pinoana (1:13). Ny hatsaran-toetra dia fomba fisainana sy fitondrantena izay mifototra amin’ny fenitra ara-pitondrantena ambony. Fahatokiana an’ Andriamanitra sy ny hafa izany. Anisan’ny ampahany iray manan-danja ao anatin’ny hatsaran-toetra ny fiezahana ho madio ara-panahy sy ara-nofo.
Ny hatsaran-toetra dia avy amin’ny eritreritrao sy ny fanirianao. “Aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy,” hoy ny Tompo (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45). Mifantoha amina eritreritra tsara sy mampahery. Esory ao an-tsainao ny eritreritra tsy mendrika fa aza avela hijanona ao.
Toy ny lampihazon’ny filalaovana tantara an-tsehatra ny sainao. Raha toa ka mamela ireo eritreritra ratsy hitoetra ela ao amin’ny lampihazon’ny sainao ianao dia azo inoana fa hanota ianao. Raha toa ka mameno hatrany ny sainao amina zavatra mahasoa ianao, dia azo inoana fa hanaraka izay tsara ianao ary hisoroka ny ratsy. Mitandrema amin’ny zavatra izay avelanao hiditra sy hijanona ao amin’ny lampihazon’ny sainao.
Rehefa milofo ny hanana fiainana feno hatsaran-toetra ianao dia “hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary …ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45–46).
Fahitsian-toetra
Ny fahitsian-toetra dia avy amin’ilay didy lehibe voalohany dia ny mitia an’ Andriamanitra (jereo ny Matio 22:37). Satria tia an’ Andriamanitra ianao, dia ho mahatoky eo anatrehany amin’ny fotoana rehetra ianao. Toy ireo zanakalahin’i Helamàna, dia “handeha araka ny hitsiny eo anoloany” ianao (Almà 53:21).
Rehefa mahitsy toetra ianao dia mahatakatra fa misy ny mety ary misy ny tsy mety ary misy ny fahamarinana tsy afa-miova, dia ny fahamarinan’ Andriamanitra izany. Mampiasa ny fahafahana misafidy anananao ianao mba hanaovana safidy araka ny fahamarinan’ Andriamanitra, ary mibebaka haingana ianao rehefa tsy manao an’izany. Ny zavatra safidinao ho eritreretina, sy ho atao rehefa mieritreritra ianao fa tsy misy mahita, dia fomba lehibe handrefesana ny fahitsian-toetranao.
Ny fahitsian-toetra dia midika fa ianao dia tsy hampandefitra ny fitsipika arahinao na ny fitondrantenanao mba hahafahanao manaitra na mahazo sitraka avy amin’ny hafa. Manao ny marina ianao na dia maneso ny fanirianao ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra aza ny hafa (jereo ny 1 Nefia 8:24–28). Miaina amim-pahamendrehana any amin’ny tontolo rehetra misy anao ianao, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanehoanao ny tenanao ao amin’ny internet.
Rehefa mahitsy toetra ianao dia mitandrina ny fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra ary koa ireo fanolorantena feno fahamarinana nataonao tamin’ny hafa.
Tafiditra ao anatin’ny fahitsian-toetra ny hoe marin-toetra eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny tenanao sy ireo mpitarika anao ary ny hafa. Tsy mandainga na mangalatra na mametsifetsy, na mamitaka ianao. Rehefa nanao zavatra tsy mety ianao dia manaiky ny ho tompon’andraikitra amin’izany ary mibebaka fa tsy miezaka ny hanamarina ny tenanao na hanome rariny izany.
Rehefa miaina amim-pahitsian-toetra ianao dia hanana fiadanana anaty sy hanaja ny tenanao. Hatoky anao ny Tompo sy ny olona hafa.
Ny fahalalana
Nanoro hevitra ny Tompo hoe: “Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Mandritra ny asa fitoriana ny filazantsara ataonao sy ny androm-piainanao manontolo dia mikatsaha fahalalana, indrindra indrindra fahalalana ara-panahy.
Halalino isan’andro ny soratra masina, ary koa ny tenin’ireo mpaminany maoderina. Mikatsaha fanampiana amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny vavaka, ho an’ireo fanontaniana sy olana ary fahafahana azo araraotina manokana. Mitadiava andinin-tsoratra masina azonao ampiasaina amin’ny fampianarana sy famaliana fanontaniana momba ny filazantsara.
Rehefa mandalina amim-pahazotoana sy ombam-bavaka ianao, dia hanazava ny sainao ny Fanahy Masina. Hampianatra anao sy hanome fahatakarana anao Izy. Hanampy anao hampihatra ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina sy ny an’ireo mpaminanin’ny andro farany eo amin’ny fiainanao Izy. Tahaka an’i Nefia, dia afaka miteny ianao hoe:
“Fa ny fanahiko dia finaritra amin’ny soratra masina, ary ny foko misaintsaina ireny. … Indro ny fanahiko dia finaritra amin’ny zavatry ny Tompo; ary ny foko misaintsaina lalandava ny zavatra izay efa hitako sy reko” (2 Nefia 4:15–16).
Ny faharetana
Ny faharetana dia ny fahaizana matoky an’ Andriamanitra rehefa tojo fanemorana na fanoherana na fijaliana ianao. Amin’ny alalan’ny finoanao, ianao dia matoky ny fotoan’ Andriamanitra mikasika ny fahatanterahan’ireo fitahiana nampanantenainy.
Rehefa manana faharetana ianao dia mijery ny fiainana amin’ny alalan’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. Tsy miandrandra fitahiana na vokatra eo no ho eo ianao. Mazàna ny faniriana marina ao aminao dia ho tanteraka “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, … etsy kely ary eroa kely”” (2 Nefia 28:30). Ny faniriana marina sasany dia mety tsy ho tanteraka raha tsy aorian’ity fiainana ity.
Tsy fidonanaham-poana na hoe filavoana lefona fotsiny amin’izao ny faharetana. Izany dia “[fahazotoana hanao] ny zava-drehetra izay tratry ny herintsika” rehefa manompo an’ Andriamanitra isika; (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:17). Mamboly ianao, manondraka, ary mikolokolo ilay voa, ary Andriamanitra no hanome ny fitomboana “raha afaka kelikely” (Almà 32:42; jereo ihany koa ny 1 Korintiana 3:6–8). Miara-miasa amin’ Andriamanitra ianao, miaraka amin’ny fahatokiana fa rehefa nahavita ny anjaranao ianao, dia hanatontosa ny asany amin’ny fotoany sy araka ny fahafahana misafidy ananan’ny tsirairay Izy.
Ny faharetana dia midika ihany koa fa rehefa misy zavatra tsy azo ovaina, dia manaiky izany amin-kerim-po sy amin-katsaram-panahy ary amim-pinoana ianao.
Ampitomboy ny fananana faharetana amin’ny hafa, ka tafiditra ao anatin’izany ny mpiara-mitory aminao sy ireo izay tompoinao. Manàna faharetana amin’ny tenanao koa. Miezaha hanome ny tsara indrindra avy ao anatinao miaraka amin’ny fahafantarana fa hivoatra tsikelikely ianao.
Toy ireo toetra tahaka ny an’i Kristy hafa, dia dingana arahina mandritra ny androm-piainana ny mba hitombo faharetana. Ny fananana faharetana dia afaka mitondra fanasitranana ho an’ny fanahinao sy ireo izay manodidina anao.
“Ny faharetana dia midika hoe miandry sy maharitra ao anatin’ny fahavitrihana. Izany hoe miaritra amin’ny zavatra iray ary manao izay rehetra vitantsika—miasa, manantena ary mampihatra ny finoana; mizaka ny fisapana amin-kerimpo na dia mihemotra aza ireo zavatra irian’ny fontsika. Ny faharetana dia tsy hoe maharitra fotsiny fa maharitra tsara!” (Dieter F. Uchtdorf, “Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Liahona, mey 2010, 57).
Ny fanetrentena
Ny fanetrentena dia fahavononana hampandefitra ny sitrapontsika eo anatrehan’ny an’ny Tompo. Fahavononana ny hanome Azy ny voninahitra noho ny zavatra tontosa izany. Fanekena ny ho azo ampianarina izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 136:32). Tafiditra ao anatin’ny fanetrentena ny fankasitrahana noho ireo fitahian’ Andriamanitra sy ny fanekena ny filantsika ny fanampiany tsy tapaka. Manampy ireo izay manetry tena Izy.
Famantarana ny fananana tanjaka ara-panahy ny fanetrentena fa tsy fahalemena. Singa fototra iankinan’ny fivoarantsika ara-panahy ny fanetrentena (jereo ny Etera 12:27).
Rehefa matoky ny Tompo amim-panetrentena ianao dia afaka mahazo toky fa tsara ho anao ny didiny. Matoky tena ianao fa hahavita na inona na inona takiny aminao raha toa ka miantehitra Aminy ianao. Vonona ny hatoky ny mpanompony sy hanaraka ny torohevitr’izy ireo koa ianao. Hanampy anao mba ho mpankatò, sy hiasa mafy, ary hanompo ny fanetrentena.
Ny fieboeboana no mifanohitra amin’ny fanetrentena. Ny hoe mieboebo dia midika hoe mametraka fahatokiana bebe kokoa amin’ny tena manokana toy izay amin’ Andriamanitra. Midika ihany koa izany hoe manao ho lohalaharana ny zavatr’izao tontolo izao mihoatra noho ireo zavatr’ Andriamanitra. Ny fieboeboana dia mifono fifaninanana. Ireo izay mieboebo dia mikatsaka ny hanana betsaka kokoa ary mihevitra fa tsara kokoa noho ny hafa izy ireo. Ny fieboeboana dia vato mahatafintohina lehibe.
Ny zotom-po
Ny zotom-po dia ezaka tsy tapaka sy feno herim-po. Raha ny mahakasika ny asa fitoriana ny filazantsara dia fanehoana ny fitiavanao ny Tompo ny zotom-po. Rehefa manana zotom-po ianao dia mahita fifaliana sy fahafinaretana amin’ny asan’ny Tompo (jereo ny Almà 26:16).
Ny fananana zotom-po dia fanaovana zavatra tsara maro amin’ny nahim-ponao fa tsy miandry ny mpitarika hiteny aminao ny zavatra tokony hatao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27–29).
Tohizo ny fanaovana zavatra tsara na dia sarotra aza izany na reraka ianao. Ekeo anefa fa ilaina ny fahaizana mandanjalanja sy ny fialana sasatra mba tsy “hihazakazahan[ao] haingana kokoa noho izay tratry ny herin[ao].” (Môzià 4:27).
Ampifantohy amin’ny Tompo sy ny asany ny fonao sy ireo zavatra mahaliana anao. Sorohy ireo zavatra izay manelingelina ny fiatrehanao ireo laharam-pahamehanao. Ampifantohy amin’ireo asa izay hahomby indrindra ao amin’ny faritra iandraiketanao sy izay hanampy indrindra ny olona ampianarinao ny fotoanao sy ny ezaka ataonao.
“Fiangonan’ny Tompo ity. Niantso antsika sy natoky antsika Izy na dia eo anatrehan’ireo fahalemena izay fantany fa ananantsika aza. Fantany ireo fisedrana hatrehintsika. Amin’ny alalan’ny fanompoana amim-pahatokiana sy ny Sorompanavotany dia afaka ny haniry ny zavatra iriny isika sy ho lasa amin’ilay tokony hahatongavantsika mba hitahiana ireo izay tompointsika ho Azy. Rehefa manompo Azy maharitra ela sy amin’ny zotom-po isika dia hovaina. Afaka ny ho lasa mitovy bebe kokoa Aminy aza isika” (Henry B. Eyring, “Act in All Diligence,” Liahona, May 2010, 62–63).
Ny fankatoavana
Ny asa fitoriana ny filazantsara ataonao amin’ny maha-misiônera anao dia fanitarana ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra tamin’ny batisa sy tao amin’ny tempoly. Rehefa nandray ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fanafiana masina ianao dia nanao fanekempihavanana fa hitandrina ireo didiny.
Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Ary ankoatra izany dia mba maniry aho ny hisaintsainanareo ny toetry ny fitahiana sy fahasambaran’ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Fa indro izy ireo dia [tahina] amin’ny zava-drehetra, na ara-nofo na ara-panahy; ary raha mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany izy ireo dia raisina any an-danitra, fa amin’izany no hahazoany miara-monina amin’ Andriamanitra ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana” (Môzià 2:41).
Ny fankatoavana ireo didy dia fanehoana fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 14:15). Nilaza i Jesoa hoe: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny itoerako amin’ny fitiavany” (Jaona 15:10).
Araho ireo torolalana ao amin’ny: Missionary Standards for Disciples of Jesus Christ (Fenitra momba ny asa fitoriana ho an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy). Araho ihany koa ny torohevitry ny filohan’ny misiônanao sy ny an’ny vadiny rehefa manoro hevitra anao amim-pahamarinana izy ireo.
“Safidintsika ny hankatò. Nataon’ny Mpamonjy mazava tsara izany. Araka ny voalaza ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Lioka 14:28, dia nandidy i Jesoa hoe, ─Koa aoreno ao am-ponareo izao, fa ianareo dia hanao ny zavatra izay hampianariko anareo, sy handidiako anareo.─ Tsotra toy izany ilay izy. … Rehefa manao izany isika dia hitombo izaitsizy ny fiorenantsika tsara ara-panahy. Hisoroka ny fandanindaniam-poana ny loharanom-pitaovana nomen’ Andriamanitra sy ny fivilivilian-dalana izay tsy mahomby sy manimba eo amin’ny fiainantsika isika” (Dale G. Renlund, “Constructing Spiritual Stability” [Fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young, 16 sept., 2014], 2, speeches.byu.edu).
Lamina iray mba hahatongavana tahaka an’i Kristy kokoa
Ity lamina manaraka ity dia afaka manampy anao hampitombo sy handray ireo toetra izay voafariparitra tato amin’ity toko ity sy ireo toetra hafa voalazalaza ao amin’ny soratra masina:
-
Fantaro ny toetra tianao katsahina.
-
Manorata famariparitana an’io toetra io.
-
Tanisao ao anaty lisitra iray ary halalino ireo andinin-tsoratra masina izay mampiseho ohatra momba ilay toetra na mampianatra momba izany.
-
Raketo ny fahatsapanao sy ny eritreritrao.
-
Mametraha tanjona ary manaova drafitra mba hivoarana ao anatin’io toetra io.
-
Mivavaha amin’ Andriamanitra mba hanampiany anao hampivelatra sy handray ilay toetra.
-
Tombano tsy tapaka ny fandrosoanao.
“Ny Tompo dia mitahy ireo izay maniry ny hivoatra, manaiky ny filana ireo didy sy miezaka mitandrina azy ireo, ary manome lanja an’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy sy miezaka araka izay azony atao mba hanana azy ireo. Raha toa ianao ka solafaka ao anatin’ny fanatanterahana izany dia mba tratran’izany koa ny rehetra. Eo ny Mpamonjy hanampy anao hanohy. … Hahazo vetivety foana ny fahombiazana izay katsahinao ianao.” (Jeffrey R. Holland, “Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo,” Liahona, mey 2016, 126).
Hevitra ho an’ny fandalinana sy fampiharana
Fandalinan’ny tena manokana
-
Ataovy matetika ilay “Sahanasa momba ireo toetra” any amin’ny faran’ity toko ity.
-
Misafidiana toetra iray ato amin’ity toko ity. Manontania tena hoe:
-
Ahoana no ahafahako mianatra bebe kokoa momba io toetra io?
-
Hanampy ahy ho lasa mpitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tsara kokoa amin’ny fomba ahoana ny fikatsahana io toetra io?
-
-
Mitadiava ohatrana toetra tahaka ny an’i Kristy eo amin’ny fiainan’ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny soratra masina. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritrao.
-
Mitadiava ohatrna toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny hira masina an’ny Fiangonana. Rehefa mikatsaka toetra iray ianao dia ianaro tsianjery ny tonon’ilay hira ao amin’ny fihirana mba hahazoana tanjaka sy hery. Averimbereno na hirao ho an’ny tenanao ny tonony mba hahazoana torohevitra sy hanasana ny fitaoman’ny Fanahy.
Fandalinan’ny mpiara-mitory sy Fifanakalozana mpiara-mitory
-
Halalino ireo toko sy andinin-tsoratra masina momba ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile na ireo loharanom-pitaovana nankatoavina hafa. Ifanakalozy hevitra ny fomba hampiharanareo ny zavatra ianaranareo. Azonareo ifanakalozana hevitra ihany koa ny zavatra nianaranareo avy tamin’ny ezaky ny tsirairay mba ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa.
Filankevitry ny distrika, fivoriam-paritra, ary filankevitry ny mpitarika eo anivon’ny misiôna
-
Andro maromaro mialoha ny filankevitra na ny fivoriam-paritra, dia angataho ny misiônera tsirairay mba hanomana lahateny iray maharitra dimy minitra momba ny toetra tahaka ny an’i Kristy. Omeo fotoana ny misiônera vitsivitsy mba hizara ny lahateniny mandritra ilay fivoriana.
-
Zarazarao ho vondrona efatra ireo misiônera ary ampiandraiketo azy ireo ity asa manaraka ity.
Vondrona 1: Vakio ny 1 Nefia 17:7–16 ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no nampiharan’i Nefia finoana?
-
Inona no zavatra nataon’i Nefia izay naneho fananana toetra tahaka ny an’i Kristy ?
-
Inona avy ireo fampanantenana nomen’ny Tompo an’i Nefia?
-
Nahoana no miantefa amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ity tantara ity?
Vondrona 2: Vakio ny Marka 5:24–34 ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no nampiharan’ilay vehivavy finoana an’i Jesoa Kristy.?
-
Nahoana no sitrana izy?
-
Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony eo amin’ny ezaka ataontsika amin’ny maha-misiônera antsika?
Vondrona 3: Vakio ny Jakôba 7:1–15 ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Nahoana no ampy nanoheran’i Jakôba ny fanafihan’i Serema ny tanjaky ny finoana nananany?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nampiharan’i Jakôba finoana rehefa niresaka tamin’i Serema izy?
-
Nahoana mifono toetra tahaky ny an’i Kristy ny zavatra nataon’i Jakôba?
Vondrona 4: Vakio ny Joseph Smith—Tantara 1:8–18 ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Tamin’ny fomba ahoana no nampiharan’i Joseph Smith finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitsapana ny finoany?
-
Inona no zavatra nataony izay maneho ny fananany toetra tahaka ny an’i Kristy?
-
Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith?
Rehefa nahavita ny asany ireo vondrona, dia atambaro indray ireo misiônera ary angataho izy ireo hizara ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra.
-
Ireo mpitarika ao amin’ny misiôna sy ireo mpanolotsaina ao amin’ny misiôna
-
Angataho ny misiônera hamaky ny iray amin’ireo Filazantsara efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao na ny 3 Nefia 11–28. Asaivo tsipihin’izy ireo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy izay azon’izy ireo atao ihany koa.
-
Ampiasao ny fametrahana tanjona sy ny fanaovana drafitra mba hampianarana ny misiônera momba ny zotom-po. Asehoy ny maha-fanehoam-pitiavana ny fananana zotom-po hifantoka amin’ny olona.
-
Mandritra ireo tafa sy dinika sy resadresaka, dia angataho ny misiônera hiresaka momba ny toetra tahaka ny an’i Kristy iray izay katsahiny.
Sahanasa momba ireo toetra
Ny tanjon’ity sahanasa manaraka ity dia ny hanampiana anao hamantatra ireo lafin-javatra azonao araraotina mba hivoarana ara-panahy. Vakio ny singa tsirairay avy etsy ambany. Eritrereto hoe hatraiza ny fahamarinan’ilay fehezan-teny raha miantefa aminao izany, ary safidio avy eo ny valiny tokony ho izy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny valinteninao.
Tsy misy afaka mamaly hoe “Atao foana” ho an’ny fehezan-teny tsirairay. Dingana atao mandritra ny androm-piainana ny fivoarana ara-panahy. Izany no antony iray mahatonga azy hampientanentana sy ho mahasoa, satria tsy tambo isaina ireo lafin-javatra azo araraotina mba hivoarana sy hiainana ireo fitahiana avy amin’ny fivoarana.
Aza atao manahirana ny hanomboka eo amin’izay misy anao amin’izao fotoana izao. Manolora tena hanao ny asa ara-panahy ilaina mba hivoarana. Katsaho ny fanampian’ Andriamanitra. Rehefa tojo tsy fahombiazana ianao dia matokia fa hanampy anao Izy. Rehefa mivavaka ianao dia mikatsaha fitarihana momba ny toetra hifantohana ao anatina fotoana samihafa mandritra ny asa fitorianao ny filazantsara.
Valinteny hisafidianana
-
1 = Tsy mitranga velively
-
2 = Indraindray
-
3 = Matetika
-
4 = Saika mitranga foana
-
5 = Mitranga foana
Finoana
-
Mino an’i Jesoa Kristy aho ary manaiky Azy ho Mpamonjy ahy. (2 Nefia 25:29)
-
Matoky tena aho fa tia ahy Andriamanitra. (1 Nefia 11:17)
-
Ampy ny fahatokiako ny Mpamonjy mba hanekeko ny sitrapony sy hanaovako izay rehetra angatahiny. (1 Nefia 3:7)
-
Mino aho fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny herin’ny Fanahy Masina, dia afaka ny ho voavela amin’ny fahotako sy hohamasinina aho rehefa mibebaka. (Enôsa 1:2–8)
-
Manana finoana aho fa maheno sy mamaly ny vavaka ataoko Andriamanitra. (Môzià 27:14)
-
Mieritreritra momba ny Mpamonjy aho mandritra ny tontolo andro ary mahatsiaro ny zavatra nataony ho ahy. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79)
-
Manana finoana aho fa Andriamanitra dia hampisy zavatra tsara eo amin’ny fiainako sy ny fiainan’ny hafa rehefa manolo-tena ho Azy sy ny Zanany isika. (Etera 12:12)
-
Fantatro amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna. (Môrônia 10:3–5)
-
Manana finoana ny hanatanteraka izay tian’i Kristy hataoko aho. (Môrônia 7:33)
Fanantenana
-
Iray amin’ireo faniriako lehibe indrindra ny handova ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakana selestialy. (Môrônia 7:41)
-
Matoky tena aho fa ny asa fitoriana ny filazantsara ataoko dia ho feno fahasambarana sy fahombiazana. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 31:3–5)
-
Mahatsapa fiadanana sy manantena ny tsara rehetra aho momba ny ho avy. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23)
-
Mino aho fa indray andro any aho dia honina hiaraka amin’ Andriamanitra ary ho tonga tahaka Azy. (Etera 12:4)
Fiantrana sy fitiavana
-
Manana faniriana marina ny mba hahazoan’ny hafa fahasambarana sy fifaliana mandrakizay aho. (Môzià 28:3)
-
Rehefa mivavaka aho dia mangataka fiantrana—ilay fitiavana madion’i Kristy. (Môrônia 7:47–48)
-
Miezaka manakatra ny zavatra tsapan’ny hafa aho ary mijery ny fomba fijerin’izy ireo. (Joda 1:22)
-
Mamela ny hafa izay nanafintohina na nanao zavatra tsy mety tamiko aho. (Efesiana 4:32)
-
Manolo-tanana amim-pitiavana mba hanampy ireo izay irery na manana olana na kivy aho. (Môzià 18:9)
-
Rehefa mety ny hanaovana izany, dia maneho ny fitiavako sy ny fiahiako ny hafa aho amin’ny alalan’ny teny sy ny fihetsika. (Lioka 7:12–15)
-
Mitady fahafahana azo araraotina mba hanompoana ny hafa aho. (Môzià 2:17)
-
Miteny zavatra tsara momba ny hafa aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:27)
-
Tsara fanahy sy manam-paharetana amin’ny hafa aho na dia sarotra aza ny fiarahana amin’izy ireo. (Môrônia 7:45)
-
Mahatsapa fifaliana noho ny zava-bitan’ny hafa aho. (Almà 17:2–4)
Hatsaran-toetra
-
Madio sy madio am-po aho. (Salamo 24:3–4)
-
Maniry ny hanao ny tsara aho. (Môzià 5:2)
-
Mifantoka amin’ny eritreritra marina sy madio aho ary manala ireo eritreritra ratsy tsy ho ao an-tsaiko. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:45)
-
Mibebaka amin’ireo fahotako aho ary miezaka ny mandresy ireo fahalemeko. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 49:26–28; Etera 12:27)
-
Mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13)
Fahitsian-toetra
-
Maneho fahatokiana eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra aho. (Môzià 18:9)
-
Tsy mampandefitra ny fitsipika arahiko na ny fitondrantenako aho mba hahafahako manaitra na mahazo sitraka avy amin’ny hafa. (1 Nefia 8:24–28)
-
Marin-toetra amin’ Andriamanitra sy ny tenako sy ireo mpitarika ahy ary ny hafa aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 51:9)
-
Azo ianteherana aho. (Almà 53:20)
Fahalalana
-
Matoky ny fahatakarako ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara aho. (Almà 17:2–3)
-
Mandalina ny soratra masina isan’andro aho. (2 Timoty 3:16–17)
-
Mikatsaka ny hahatakatra ny fahamarinana sy hahita ny valin’ireo fanontaniako aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:7)
-
Mikatsaka fahalalana sy fitarihana amin’ny alalan’ny Fanahy aho. (1 Nefia 4:6)
-
Ankamamiako ny fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara. (2 Nefia 4:15)
Faharetana
-
Miandry amim-paharetana ny fahatanterahan’ireo fitahiana sy fampanantenan’ny Tompo aho. (2 Nefia 10:17)
-
Afaka miandry ao anatin’ny tsy fahatezerana sy ny tsy fahasosorana aho. (Romana 8:25)
-
Manana faharetana amin’ireo olana atrehan’ny misiônera aho. (Almà 17:11)
-
Manana faharetana amin’ny hafa aho. (Romana 15:1)
-
Manana faharetana amin’ny tenako aho ary miantehitra amin’ny Tompo eo am-piezahako mandresy ireo fahalemeko. (Etera 12:27)
-
Miatrika ny fahoriana amim-paharetana sy amim-pinoana aho. (Almà 34:40–41)
Fanetrentena
-
Malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho. (Matio 11:29)
-
Miantehitra amin’ny Tompo aho mba hahazo fanampiana. (Almà 26:12)
-
Mankasitraka ireo fitahiana azoko avy amin’ Andriamanitra aho. (Almà 7:23)
-
Manan-danja sy tena avy amin’ny fo ny vavaka ataoko. (Enôsa 1:4)
-
Mankasitraka ny fitarihana avy amin’ireo mpitarika sy mpampianatra ahy aho. (2 Nefia 9:28–29)
-
Miezaka manaiky ny sitrapon’ Andriamanitra aho. (Môzià 24:15)
Zotom-po
-
Miasa amim-pahombiazana aho na dia amin’ny fotoana tsy misy fanaraha-maso akaiky ataon’ny tompon’andraikitra aza. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–27)
-
Mampifantoka ny ezaka ataoko amin’ireo zavatra manan-danja indrindra aho. (Matio 23:23)
-
Manolotra vavaka ataon’ny tena manokana farafahakeliny indroa isan’andro aho. (Almà 34:17–27)
-
Mampifantoka ny eritreritro amin’ny antsoko amin’ny maha-misiônera ahy aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2, 5)
-
Mametraka tanjona sy manao drafitra tsy tapaka aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119)
-
Miasa mafy aho mandra-pahatanterahako ny asako. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:4)
-
Mahatsapa fifaliana sy fahafaham-po amin’ny asako aho. (Almà 36:24–25)
Fankatoavana
-
Rehefa mivavaka aho dia mangataka hery mba hanoherana ny fakam-panahy sy hanaovana ny marina. (3 Nefia 18:15)
-
Mendrika ny hanana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8)
-
Mankatò an-tsitrapo ireo lalàna mifehy ny misiônera aho ary manaraka ny torohevitra avy amin’ireo mpitarika ahy. (Hebreo 13:17)
-
Miezaka miaina araka ireo lalàna sy fitsipiky ny filazantsara aho. (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 41:5)