Seminera sy Institiota
Drafitra ho an’ny fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera


“Drafitra ho an’ny fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2022)

“Drafitra ho an’ny fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Sary
olona miresaka

Drafitra ho an’ny fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Ity drafitra ho an’ny fiofanana ity dia manolotra soso-kevitra ho an’ireo mpandrindra sy mpiandraikitra ny fandaharam-pianarana mba hanampy ireo mpampianatra seminera vaovao hamita ny fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana. Izany dia natao hanampiana ny mpampianatra hianatra tsikelikely, izay afaka manampy azy ireo tsy hahatsiaro ho tototra loatra.

Hevero ny hamorona drafitra manokana ho an’ny mpampianatra tsirairay mba hanampiana azy ireo hamita ny fiofanana rehefa vonona izy ireo. Mety ho tsara kokoa ny mamporisika ireo mpampianatra hanaraka akaiky ilay fandaharam-pampianarana any am-boalohany. Rehefa mandray fiofanana fanampiny izy ireo sy lasa zatra kokoa amin’ireo loharanom-pitaovana ao amin’ilay fandaharam-pampianarana, dia hitombo ny fahaizany mampifanaraka an’ilay fandaharam-pampianarana amin’ny zavatra ilain’ny mpianany.

Mialoha ny hanombohany hampianatra:

  • Asao ireo mpampianatra hamaky sy hanaraka ireo toromarika ao amin’ny Tari-dalana voafintina ho fanombohana.

  • Asao izy ireo hamaky ny fampidirana ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ho an’ny taona diavina.

1–2 herinandro aty aoriana:

  • Asao izy ireo hamita ny Fiofanana momba ny manangana sy mampifanaraka.

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ny fomba fananganana sy fampifanarahana araka ny tokony ho izy ny fandaharam-pampianaran’ny seminera.

2–4 herinandro aty aoriana:

  • Asao izy ireo hamita ny Fiofanana momba ny Fifehezana Fotopampianarana.

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ny fomba hanampiana ny mpianatra hahatratra ny fifehezana fotopampianarana.

3–6 herinandro aty aoriana:

  • Asao izy ireo hamita ny Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana.

  • Mandamina fotoana hifanakalozana hevitra momba izay fanontaniana mety ananan’izy ireo momba ny lesona “Tombano ny fianaranao” na ireo fitsapam-pahaizana momba ny Fifehezana Fotopampianarana.

Hamoaka printy