Fanofanana momba ny fandaharam-pampianarana
Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana


“Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2022)

“Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana,” Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera

Sary
lehilahy eo amin’ny solosaina

Fiofanana momba ny famoronana torolalana fandrindram-potoana

Teny fampidirana

Ao amin’ny seminera isika dia manaraka ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy. Izany dia mametraka ny seminera ho toy ny fanohanana ny zavatra ianaran’ny mpianatra any an-trano. Na dia nanatsara ny zavatra ianaran’ny mpianatra seminera aza io fomba fiasa io, dia mitaky fanitsiana vitsivitsy amin’ny fomba hampiasan’ireo vondromparitra sy fandaharan’asa eo an-toerana ny fandaharam-pampianaran’ny seminera izany. Amin’ny toe-javatra maro, noho ny fahasarotan’ireo fanitsiana ireo, dia mety ho tsara indrindra raha mamorona ny torolàlana fandrindram-potoana ny mpitantana, na mpandrindra, na mpiandraikitra ny fandaharam-pianarana eo anivon’ny vondromparitra mba tsy hanaovan’ny mpampianatra izany. Ny famoronana ireo torolalana ireo ho an’ny mpampianatra dia hanampy azy ireo tsy ho lany fotoana. Na izany aza, ny mpampianatra sasany dia mbola mila manao fampifanarahana amin’ny torolalana fandrindram-potoana omenao.

Toromarika ho an’ny famoronana torolalana fandrindram-potoana amin’ny Seminera

Ataovy laharam-pahamehana ny fifehezana fotopampianarana

Rehefa mamorona ny torolalana fandrindram-potoana ianao dia mila mandinika tsara ny fotoana handaminanao ireo lesona fifehezana fotopampianarana. Ireto manaraka ireto dia torolalana manan-danja amin’ny fandrindrana ireo sahanasa fianarana fifehezana fotopampianarana:

  • Fantaro hoe rahoviana no hampianatra ny Mahazo fahalalana ara-panahy, Fizarana 1, 2, ary 3. Raha ilaina dia ampio ireo mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Any am-piandohan’ny taom-pianarana no tena tsara ampianarana azy ireo alohan’ny hampianarana lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

  • Ataovy izay hahazoana antoka ny hampidirana ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa 24 sy ireo lesona mifandraika aminy ao amin’ilay torolalana fandrindram-potoana mba hahatonga azy ireo hampianarina mandritra ny fotoam-pianarana seminera. Ny ankamaroan’ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia ho tonga ho azy mandritra ny taona mandritra ny fotoam-pianarana seminera. Ny tsara indrindra dia ny mamela ireo lesona ireo ho akaiky araka izay tratra amin’ny fotoana nalamina hianarana ny andian-tsoratra masina mifanaraka aminy ao amin’ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy. Farito hoe inona ireo lesona momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsy ho tratran’ny mpianatra rehefa tsy misy ny fotoam-pianarana seminera. Afindrao amin’ny herinandro iray izay misy famerenana ny fifehezana fotopampianarana ireo lesona ireo, mba hampianarina ho solon’ilay famerenana. Ho fanampin’ny famindrana ity lesona ity dia ataovy izay hamindrana ny lesona araka ny foto-kevitra izay nampidirana voalohany ilay adinin-tsoratra masina. Hita ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera mialoha ny lesona tsirairay momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo lesona araka ny foto-kevitra ireo. Ny famindrana ireo lesona roa ireo dia midika fa ny famerenana ny fifehezana fotopampianarana sy ny lesona iray hafa mandritra io herinandro io dia mila soloina.

  • Alamino ny fotoana hanaovana famerenana ireo fitsapam-pahaizana momba ny Fifehezana Fotopampianarana sy ireo fitsapam-pahaizana momba ny Fifehezana Fotopampianarana. Ny mpampianatra no mitantana ireo famerenana sy fitsapam-pahaizana amin’ny faran’ny enim-bolana ireo ao amin’ny kilasiny mba hanampiana ireo mpianatra hanombantombana hoe nanao ahoana ny fianarany ireo andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany tao amin’ilay taranja. Ny torolalana fandrindram-potoana dia mety ahitana ny “Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1” aorian’ny nahazoan’ny mpianatra ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra izay mifanaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana. Ny “Fifehezana fotopampianarana: fitsapam-pahaizana 1” dia azo alaina herinandro eo ho eo aorian’ny famerenana. Ny torolalana fandrindram-potoana dia azo amboarina koa mba hampidirana ny “Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 2” sy ny “Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 2” rehefa avy nandalina ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay mifanaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny fitsapam-pahaizana momba ny fifehezana fotopampianarana ny mpianatra.

  • Alaivo antoka fa manao fifehezana fotopampianarana isan-kerinandro ireo mpianatra. Mandritra ireo herinandro izay tsy misy lesona momba ny mahazo fahalalana ara-panahy, na lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, na lesona famerenana fitsapam-pahaizana momba ny Fifehezana Fotopampianarana, na fitsapam-pahaizana momba ny Fifehezana Fotopampianarana, dia mandamina fotoana famerenana ny fifehezana fotopampianarana. Misy famerenana ny fifehezana fotopampianarana efa tafiditra ao anatin’ny herinandron’ny lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera rehefa tsy misy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na lesona momba ny mahazo fahalalana ara-panahy.

Araho ny fandaharam-potoanan’ny Avia, hanaraka Ahy

Amin’ny ankapobeny, araho ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka ahy rehefa mamorona ny torolàlana fandrindrana ny hafaingananao. Misy andian-tsoratra masina vitsivitsy ao amin’ny fandaharam-potoana isan-kerinandro ho an’ny Avia, hanaraka Ahy izay misy votoatin-kevitra betsaka ary ahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana maro. Mba hampifandanjana ny fifehezana fotopampianarana izay zavatra iainana isan-kerinandro amin’ny herinandro izay betsaka andian-tsoratra masina indrindra dia azonao atao ny mandamina lesona ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana mba hanombohan’ny mpianatra mandalina ilay andian-tsoratra masina ao amin’ny seminera mandritra ny herinandro alohan’ny hivoahan’izany ao amin’ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy na tohizo ny fandalinana izany mandritra ny herinandro manaraka.

Tsy tokony ho matetika anefa ireo fotoana ireo. Amin’ny ankapobeny ireo mpianatra dia tokony handalina ilay andian-tsoratra masina ao amin’ny seminera izay halalininy any an-trano amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

Eritrereto ny fandaharam-potoanan’ny sekoly eo an-toerana sy ny zavatra ilaina eo an-toerana

Ampidiro ao amin’ilay torolalana fandrindram-potoana ireo fialan-tsasatry ny sekoly eo an-toerana sy ny fiatoana hafa ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny sekoly araka izay azonao atao. Rehefa afohezina ny herinandro iray ao amin’ny seminera noho ny fandaharam-potoanan’ny sekoly eo an-toerana, dia ataovy izay hanaovanao laharam-pahamehana ny fifehezana fotopampianarana. Mandritra ireo herinandro ireo dia tsy maintsy mifantina izay lesona hafa hampidirinao ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana ianao. Mety ilainao ny mamerina mijery ireo fehezan-teny milaza ny tanjon’ireo lesona samihafa ao anatin’ny topimaso isan-kerinandro na mijery ireo lesona mihitsy aza mba hamaritana hoe inona no traikefa amin’ny fianarana mety ho tsara indrindra ho an’ny mpianatra.

Rehefa mamorona ny torolalana fandrindram-potoana dia alaivo antoka fa voaresaka ny filan’ny mpianatra ao amin’ny faritra na fandaharan’asa misy anao. Misy lesona fampidiran-dresaka eo anoloana amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera izay azo ampidirina ao anatin’ny torolalana fandrindram-potoana mandritra ny taom-pianarana. Ankoatra izany, ireo mpianatra dia afaka mahazo tombontsoa avy amin’ireo karazana traikefa amin’ny fianarana hafa izay tsy voatery ho tafiditra ao anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra. Ireo traikefa ireo dia mety ahitana lesona izay manampy ireo mpianatra hiomana na hisaintsaina momba ny fihaonamben’ny Fiangonana na ny fampaherezam-panahy ho an’ny tanora vao haingana. Ireo karazana hetsika ireo dia azo ampidirina ao amin’ny torolàlana fandrindram-potoana.

Fandinihana trangan-javatra

Ireto ambany ireto ny ohatra roa amin’ny fandalinana tranga izay mampiseho ny fomba hampiharana ireo torolalana vao avy noresahina ireo rehefa manao torolalana fandrindrana.

André Morales, mpandrindra

Ireo mpianatra ao amin’ny faritra iandraiketan-dRahalahy Morales ny fandaharam-pianaran’ny seminera dia manomboka mianatra ny 6 martsa. Manomboka manomana torolalana fandrindram-potoana ho an’ny mpampianatra an’ireo mpianatra ireo izy mba tsy ho voatery hanao izany ny mpampianatra. Manomboka amin’ny fijerena ny fandaharam-potoana’ny Avia, hanaraka Ahy izy mba hahitana hoe inona ny andian-tsoratra masina hodinihina amin’io herinandro io. Tsikariny fa ho an’ny herinandron’ny 6 martsa, ny andian-tsoratra masina dia Matio 9–10, Marka 5, ary Lioka 9. Ho an’io herinandro io ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera dia mahita ireto lesona dimy manaraka ireto izy:

Sary
tabilao 1 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahalahy Morales

Fantatry ny Rahalahy Morales fa mpianatra maro no ho vaovao amin’ny seminera, noho izany dia nanapa-kevitra ny hanomboka ny enim-bolana izy amin’ny alalan’ny fakana lesona vitsivitsy avy amin’ireo fitaovana fampidirana ao amin’ny Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera. Nifidy ny “Fampidirana ny Testamenta Vaovao” sy ny “Fandalinana ny Soratra Masina” izy.

Mahazo aina Rahalahy Morales raha ny amin’ireo lesona roa voalohany ireo saingy sahirana amin’ny fahafantarana izay lesona hafa tokony hataony amin’ity herinandro voalohany ity izy. Mijery ny antontan-taratasy famintinana isan-kerinandro ho an’ity herinandro ity izy ary mamerina ny tanjon’ny lesona ho an’ny lesona tsirairay. Tena mahatsapa izy fa hanana traikefa lehibe amin’ireo lesona roa ao amin’ny Marka 5 ireo mpianatra, kanefa fantany koa fa mila ampahafantarina ny mpianatra ny fifehezana fotopampianarana. Noho izany dia nampiany ny lesona “Fampidirana ny fifehezana fotopampianarana” izany. Ho an’ireo lesona roa hafa dia nanapa-kevitra ny hampiditra ireo lesona roa ireo izy ao amin’ny Marka 5. Noho izany dia toy izao ny endriky ny herinandro voalohany ao amin’ilay torolalana fanindram-potoana:

Sary
tabilao 2 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahalahy Morales

Ny herinandro manaraka ao amin’ny fandaharam-potoana dia hitan-dRahalahy Morales fa misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Matio 11:28–30 ao.

Sary
tabilao 3 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahalahy Morales

Mahatsapa izy fa tokony ho takatry ny mpianatra tokoa ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy alohan’ny hanaovan’izy ireo ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Matio 11:28–30. Manapa-kevitra izy fa handamina ireo lesona telo mikasika ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny tapany voalohany amin’ity herinandro ity. Avy eo izy dia nandamina ny lesona araka ny foto-kevitra sy ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mifanaraka aminy ao amin’ny Matio 11:28–30.

Sary
tabilao 4 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahalahy Morales

Isaky ny herinandro manaraka dia manapa-kevitra ny hanaraka ny filaharan’ireo lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra izy, ary vitsy ihany no maningana. Mijery ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahy izy ary nahatsikaritra fa raha teo am-pialan-tsasatra ny mpianatra ary tsy nisy ny fotoam-pianarana seminera dia nisy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana efatra hafa nodinihina. Mbola mila ampidiriny ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo lesona araka ny foto-kevitra ho an’ireo andinin-tsoratra masina efatra ireo: Lioka 2:10–12, Jaona 3:5, Jaona 3:16, ary Matio 5:14–16. Jereo ny fomba nanovany ireo herinandro roa nanaraka mba hahazoana antoka fa azon’ny mpianatra avokoa ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo lesona mifandraika amin’izany.

Sary
tabilao 5 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahalahy Morales

Rehefa vitan-dRahalahy Morales ny torolalana fandrindram-potoana hatramin’izao, dia nahatsikaritra izy fa Paska ny herinandro manaraka. Ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera dia tsy ahitana votoatin-kevitra ho an’ny herinandron’ny Paska na Krismasy izay tafiditra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, noho izany dia afaka mandamina izay lesona izay tiany hatao amin’ity herinandro ity Rahalahy Morales. Afaka manapa-kevitra izy ny hampiditra lesona hafa izay mety ho tsy tratran’ny mpianatra nandritra ny fahavaratra. Manapa-kevitra izy fa handamina mandritra ity herinandro ity ireo lesona roa sisa tavela momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo lesona mifandraika amin’izany izay natao nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra. Mbola manana toerana iray hafa ho an’ny lesona izy ary manapa-kevitra ny hanampy lesona avy amin’ny fitaovana fampidirana izay tsy mbola ananan’ny mpianatra.

Sary
tabilao 6 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahalahy Morales

Ankehitriny rehefa nampidirin-dRahalahy Morales tao amin’ny torolalana fandrindram-potoana ny lesona rehetra ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo lesona mifandraika amin’izany, dia manaraka ny filaharan’ny lesona ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra izy. Indraindray dia misy herinandro ahitana andro tsy fianarana any an-tsekoly. Mandritra ireo herinandro ireo dia mbola manao laharam-pahamehana ny fiainana ny fifehezana fotopampianarana izy ary manapa-kevitra hoe iza amin’ireo lesona hafa ao anatin’ny herinandro no tsy tokony hampidirina ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana.

Sary
tabilao 7 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahalahy Morales

Manaraka izany lamina izany Rahalahy Morales mandra-pahatongan’ny herinandro vitsivitsy farany amin’ny tapany voalohany amin’ny fampianarana. Koa satria tapa-bolana sisa dia ampidiriny ny lesona “Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1” ho solon’ny famerenana ny fifehezana fotopampianarana. Ny herinandro manaraka, izay herinandro farany amin’ny tapany voalohany amin’ny taranja, dia nanapa-kevitra izy ny handamina ny lesona “Fifehezana fotopampianarana: Fitsapam-pahaizana 1”. Alaminy mialoha izany ao amin’ny herinandro mba hahafahan’ireo mpianatra mahazo andro vitsivitsy fanampiny hanaovana izany hanaovana izany raha misy tsy tonga izy ireo amin’ny andro anatontosana izany na ilana mamerina izany.

Stacie Richards, Talen’ny Seminera Fotoana Famotsorana

Ny enim-bolana faharoa amin’ny taom-pianarana ao amin’ny faritra ampianaran-dRahavavy Richards sy ny mpampianatra azy dia manomboka ny 3 Janoary ka hatramin’ny 27 Mey. Avotsotra amin’ny fiatoana fahavaratra hatramin’ny 22 aogositra avy eo ny mpianatra.

Ny Rahavavy Richards dia afaka mamorona torolalana fandrindram-potoana izay misy fahasamihafana kely amin’ny fomba nandaminana ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra ho an’ny tapany voalohany amin’ny enim-bolana. Na izany aza, rehefa nampitahainy ny fandaharam-potoanan’ny sekoly sy ny fandrindram-potoana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy, dia nahatsikaritra izy fa handalo fiatoana amin’ny fahavaratra ny mpianatra amin’ny fotoana kasaina hampianarana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miisa roa izay tafiditra ao amin’ny tapany voalohany amin’ny fandaharam-pianarana. Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia Jaona 17:3 sy Lioka 24:36–39. Koa satria ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hampifandray ireo zavatra tsy tratran’ny mpianatra rehefa miato ny fianarana any an-tsekoly, dia nanapa-kevitra izy ny hitady toerana hampidirana ireo andinin-tsoratra masina ireo mandritra ny enim-bolana diavina. Fantany ihany koa fa mila mandamina ny lesona “Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1” sy “Fifehezana fotopampianarana: fitsapam-pahaizana 1” izy alohan’ny hiaingan’ny mpianatra amin’ny fialan-tsasatra amin’ny fahavaratra.

Mba hanaovana ireo fanitsiana ireo dia manapa-kevitra ny hanomboka amin’ny herinandro farany amin’ilay enim-bolana izy ary hiverina indray mandra-pahazoany miasa amin’ny fitsapam-pahaizana, famerenana ny fitsapam-pahaizana, lesona momba ny fifehezana fotopampianarana sy ireo lesona mifandraika amin’izany, ary ireo lesona hafa irina. Nanapa-kevitra ny tsy hampianatra ny lesona “Fifehezana fotopampianarana: fitsapam-pahaizana 1” izy mandritra ny herinandro farany amin’ny enim-bolana noho ny mety ho fandehan’ny fandaharam-potoana any an-tsekoly sy ny habetsan’ny mpianatra matetika tsy tonga amin’io herinandro io. Avela araka ny voalamina, araka izany, ny herinandro farany.

Sary
tabilao 1 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahavavy Richards

Noho ny fahafantarana fa ny lesona “Fifehezana fotopampianarana: Famerenana ny fitsapam-pahaizana 1” dia tokony hampianarina mialoha ny lesona momba ny fitsapam-pahaizana, dia nanapa-kevitra Rahavavy Richards ny hampiditra izany ho lesona voalohany amin’ny herinandro faharoa ka hatramin’ny faran’ny enim-bolana ary hampiditra ny lesona momba ny fitsapam-pahaizana ho lesona farany amin’ny herinandro. Izany dia hanome fahafahana ireo mpianatra handalina andalan-tsoratra masina izay mety tsy hain’izy ireo aorian’ny famerenana.

Manapa-kevitra izy avy eo fa hahomby indrindra ilay famerenana rehefa avy nandalina ny lesona rehetra ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo mpianatra. Amin’ny alalan’ny famindrana ny lesona momba ny fifehezana fotopampianarana Matio 22:36–39 miaraka amin’ny lesona araka ny foto-kevitra mindray aminy tamin’ny faran’ny herinandro teo aloha, dia afaka manatanteraka io tanjona io izy sady manisy andro vitsivitsy eo anelanelan’ny famerenana sy ny fitsapam-pahaizana.

Sary
tabilao 2 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahavavy Richards

Avy eo Rahavavy Richards dia mahita fahafahana hampiditra ny lesona momba ny fifehezana fotopampianarana Jaona 17:3 miaraka amin’ny lesona mifandraika amin’izany ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana. Ireo lesona ireo dia nokasaina hampianarina nandritra ny fiatoana amin’ny fahavaratra. Rehefa avy namaky ny tanjon’ny lesona tsirairay tamin’ireo lesona sisa tavela ho an’ny herinandro izy dia nisafidy ny hitazona ireo lesona telo izay tsapany fa nilainan’ireo mpianatra indrindra tao amin’ny faritra nisy azy. Hitany fa tsy ilaina ny fanovana ny herinandron’ny 24–30 aprily.

Sary
tabilao 3 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahavavy Richards

Fantatry ny Rahavavy Richards fa tsy misy afa-tsy lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray monja sisa tavela, dia ny Lioka 24:36–39, izay mbola mila ampidirina. Nampianarina nandritra ny fotoam-pialan-tsasatra koa izany raha ny tokony ho izy. Tsikariny fa ny herinandron’ny 17–23 aprily dia misy lesona famerenana fifehezana fotopampianarana izay azo soloina amin’ny lesona Lioka 24. Saingy rehefa nanohy nijery ny fandaharam-potoana anefa izy, dia nahatsikaritra fa tsy nisy lesona voalahatra ny herinandron’ny Paska.

Noho ny fahafantarany fa ny lesona fifehezana fotopampianarana Lioka 24, miaraka amin’ny lesona araka ny foto-kevitra mifandraika amin’izany, dia mety tsara ho an’ny herinandron’ny Paska, dia nanapa-kevitra izy ny hampiditra izany ao. Avy eo izy dia mijery ireo lesona hafa izay tsy tratran’ny mpianatra mandritra ny fiatoana amin’ny fahavaratra ary manapa-kevitra fa ny lesona manan-danja indrindra azony ampianarina avy amin’ireo lesona ireo dia ireo izay mampianatra momba ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane sy ny Fanomboana Azy ary ireo vavolombelon’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Mamita ny fandaharam-potoana amin’ny herinandron’ny Paska izy amin’ny fampidirana ireo lesona ireo.

Sary
tabilao 4 amin’ny torolalana fandrindram-potoana an-dRahavavy Richards

Tamin’ny alalan’ny fifantenana ireo lesona nataony dia afaka nanao laharam-pahamehana ny fifehezana fotopampianarana ho an’ny mpianatra Rahavavy Richards ary koa nanome ireo mpianatra traikefa amin’ny fianarana manan-danja izay mifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny herinandron’ny Paska.

Nandritra ny ambin’ny enim-bolana dia afaka nandamina ny lesona izy mba hanarahany akaiky ny lamina ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra.

Hamoaka printy