“Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana (2023)
“Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana
Fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy: ataovy izay hampisy fianarana amim-pahavitrihana
Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo.
Fahaiza-manao
Tohero ny fironana hamaly ny fanehoan-kevitra sy ny fanontaniana rehetra ary asao ny mpianatra hamaly.
Mamaritra
Azon’ny mpampianatra atao ny manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana amin’ny alalan’ny fametrahana lamina izay hifamalian’ny mpianatra ny fanontanian’izy ireo ao an-dakilasy toy izay hamaly ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra na ny hanaovan’izy ireo izany mialoha ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra. Rehefa avelan’ny mpampianatra mizara ny eritreriny mikasika ny fanehoan-kevitra sy ny fanontanian’ireo namany ny mpianatra, dia mijanona amin’ny mpianatra ny fifantohana ary lasa mampirotsaka an-tsehatra kokoa satria mitombo ny fandraisan’ny mpianatra anjara. Fomba iray hametrahana io lamina io ny fametrahana fanontaniana izay mamela ny mpianatra hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny zavatra nolazain’ny hafa, fa tsy hamaly ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra na hanao izany alohan’ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra.
Lamina hakan-tahaka
Ireto misy ohatra ana fanontaniana azonao apetraka mba hanasana ny mpianatra hizara ny eritreriny momba ny fanehoan-kevitra sy ny fanontanian’ny mpianatra iray:
-
Iza no afaka mizara zavatra niainana mifandray amin’ny zavatra nolazain’i Gary teo?
-
Inona no nanaitra anao na nanan-danja taminao momba ny fanehoan-kevitra nataon’i Lucinda?
-
Iza no afaka mijoro ho vavolomelona momba ny zavatra vao nolazain’i Peter teo?
-
Inona no azonao zaraina momba ny zavatra nianaranao rehefa nisaintsaina izany fanontaniana izany ianao?
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Ho an’ny tsirairay avy amin’ireto rafi-tantara ireto, dia misafidiana iray amin’ireo fanontaniana fakan-tahaka mba hapetraka amin’ny mpianatra na fanontaniana iray noforoninao, fa aza manao fanamarihana mikasika ny fanontaniana na ny fanehoan-kevitra lazain’ny mpianatra.
-
Mametraka ity fanontaniana manaraka ity i Amy ao anatin’ny fotoam-pianarana: “Ahoana no ahafahako mahafantatra raha toa ka bitsiky ny Fanahy ny eritreritra iray na eritreritro fotsiny ihany?”
-
Mandritra ny lesona iray ao amin’ny Testamenta Taloha dia hoy i Kyle: “Amiko dia mahatalanjona tokoa ny mahita fa manasa an’i Isiraely ny Tompo mba hibebaka sy hiverina Aminy, na dia efa im-betsaka aza izy ireo no nihodina Taminy.”
-
Mieritrereta fanehoan-kevitra na fanontaniana iray avy amina mpianatra nandritra ny fotoam-pianarana vao haingana. Ahoana no ahafahanao mamaly izany amin’ny fampiasana io fahaiza-manao io?
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
-
Eritrereto ny fomba mahazatra hamalianao rehefa misy mpianatra maneho hevitra ao an-dakilasy.
-
Inona no vokatra tsara mety ho azonao rehefa manampy ny mpianatra hifamaly ny fanontanian’izy ireo ianao izay vao maneho hevitra?
Mampiditra fahalalana
-
Rehefa manomana ny lesonao manaraka ianao dia misafidiana vitsivitsy amin’ireo fanontaniana fakan-tahaka na fanontaniana izay noforoninao manokana, mba hamelana ny mpianatra hifamaly ny fanontaniana na ny fanehoan-kevitr’izy ireo.
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
“Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo,” ao amin’ny “Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2022), 24–25
-
Takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony—Fifanakalozan-kevitra niaraka tamin’ny Loholona Bednar (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org
Fahaiza-manao
Mifantoha amin’ny zavatra azon’ny mpianatra atao ao an-dakilasy izay zavatra fanaon’ny mpampianatra raha ny tokony ho izy.
Mamaritra
Afaka mandray andraikitra amin’ny fianarany ao an-dakilasy ny mpianatra amin’ny alalan’ny fanaovana ireo zavatra izay ataon’ny mpampianatra raha ny tokony ho izy. Mandritra ny fanomanana ny lesona dia azon’ny mpampianatra atao ny:
-
Mijery ny andian-tsoratra masina iray izay hampianarin’izy ireo amin’ny ho avy.
-
Mijery ny boky fandaharam-pampianarana sy ireo zavatra sasany izay mety ho ataon’izy ireo raha ny tokony ho izy rehefa mampianatra io andian-tsoratra masina io izy ireo (ohatra: mametraka fanontaniana, mitarika fifanakalozan-kevitra, manoratra eny amin’ny solaitrabe, mizara hevi-baovao, sy ny sisa).
-
Manontania hoe: “Inona no azoko ampanaovina ny mpianatra ao an-dakilasy amin’ireo zavatra fanaoko mahazatra?”
-
Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana azonao rehefa manao ny drafitry ny lesona ianao ary tanteraho mandritra ny fotoam-pianarana izany.
Ny fanaovana izany dia manome fahafahana bebe kokoa ny mpianatra mba ho mpandray anjara mavitrika ao anatin’ny dingan’ny fianarana, izay afaka manamora ny fivoarana ara-panahy ho lalina kokoa.
Ireo lamina hakan-tahaka sy fanazaran-tena etsy ambany dia ohatra ankapobeny. Hahomby kokoa ny fanofanana raha toa ka mifandray amin’ireo lesona manaraka izay horesadresahina ao amin’ny fandaharam-pampianarana ny lamina hakan-tahaka sy ny fanazaran-tena.
Lamina hakan-tahaka
-
Eo am-panomanany ny lesony manaraka dia te hanasa ireo mpianatra hiroso amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo fitsipika hitan’izy ireo Rahavavy Lawas. Alohan’ny hamoronany ireo fanontaniana horesahan’izy ireo dia manontany tena izy hoe: “Inona no azoko ampanaovina ny mpianatra ao an-dakilasy amin’ireo zavatra fanaoko mahazatra?” Nanapa-kevitra Rahavavy Lawas fa hanasa ny mpianany izy hamorona ireo fanontaniana hanaovana ny fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy amin’ity indray mitoraka ity dia soratany ao amin’ny drafitry ny lesony izany.
Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.
Manazatra tena
Inona no mety ho asainao ataon’ny mpianatra ao an-dakilasy amin’izay zavatra efa nomaninao hatao amin’ny maha-mpampianatra anao ao anatin’ireto toe-javatra manaraka ireto?
-
Mikasa ny hanoratra ny valin-tenin’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe ianao rehefa mamaly fanontaniana iray momba ny fifantohana amin’ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo izy ireo.
-
Mikasa ny hizara zavatra niainanao manokana izay mifandray amina fitsipika iray hianarana amin’ny manaraka ianao.
-
Raha eritreretina ny lesona manaraka dia inona no mety ho asainao ataon’ireo mpianatra ao an-dakilasy amin’ny zavatra efa nomaninao hatao amin’ny maha-mpampianatra anao?
Mifanakalo hevitra na misaintsaina
-
Rehefa vita ny fanazaran-tena nataonao dia nahoana raha ny fijerinao azy no manan-danja ny fitadiavana fomba hamelana ny mpianatra hanao ireo zavatra izay tokony hataonao raha ny tokony ho izy ao an-dakilasy?
-
Inona avy ireo fomba hafa tsapanao fa azo nanaovana izany tao ao an-dakilasy niaraka tamin’ny mpianatra?
Mampiditra fahalalana
-
Rehefa manomana ny lesonao manaraka ianao dia makà fotoana hieritreretana ny zavatra izay tokony hataonao ao an-dakilasy raha ny mahazatra dia apetraho amin’ny tenanao ilay fanontaniana hoe: “Inona no azoko ampanaovina ny mpianatra ao an-dakilasy amin’ireo zavatra fanaoko mahazatra?” Raketo an-tsoratra ny fahatsapanao ary mitadiava fomba hampidirana azy ireo.
-
Mandritra ny fanomanana ny lesona dia ahoana no ahafahanao mamorona ilay fahazarana mametraka amin’ny tenanao ilay fanontaniana hoe: “Inona no azoko ampanaovina ny mpianatra ao an-dakilasy amin’ireo zavatra fanaoko mahazatra?”
Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?
-
“Ny Mpamonjy dia nanampy ny hafa ho tompon’andraikitry ny fianaran’izy ireo,” ao amin’ny “Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy (2022), Médiathèque de l’évangile
-
David A. Bednar sy Chad H Webb, “Fifanakalozan-kevitra,” (takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 7 feb. 2020), Médiathèque de l’Évangile
Jereo ny fomba nanehoan’ny Loholona Bednar io fahaiza-manao io mandritra ilay andrana natao.