Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo. Tohero ny fironana hamaly ny fanehoan-kevitra sy ny fanontaniana rehetra ary asao ny mpianatra hamaly. Mifantoha amin’ny zavatra azon’ny mpianatra atao ao an-dakilasy izay zavatra fanaon’ny mpampianatra raha ny tokony ho izy. Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana. Ampio ny mpianatra amin’ny famoronana tanjona handalinana soratra masina isan’andro.Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana. Mandrafeta ary mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinana soratra masina izay nataony manokana sy niaraka amin’ny fianakaviana, amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy.Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana. Asao ny mpianatra hiomana hianatra. Mamoròna fanasana izay hanampy ireo mpianatra hiomana amin’ny traikefa amin’ny fianarana manaraka. Mamoròna fanasana manan-danja mifandray amin’ny vokatra azo avy amin’ny lesona mba hampiasaina any am-piandohan’ny lesona tsirairay. Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany. Ampio ny mpianatra hamorona na hanomboka resadresaka momba ny filazantsara.Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany. Manomàna fanasana mba hifampizaran’ireo mpianatra ny zavatra izay ianarany.Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany. Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianaran’izy ireo. Manaova drafitra mba hiresahana indray ireo fanasana nomena tamin’ny fotoam-pianarana teo aloha ary asao ireo mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa niaina ny zavatra nianarany. Mametraha fanontaniana mampikaroka izay manampy ireo mpianatra hieritreritra hoe iza Andriamanitra sy hieritreritra ireo fitahiana omeny azy ireo.