Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Asao ny mpianatra hiomana hianatra.


“Asao ny mpianatra hiomana hianatra,”Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana (2023)

“Asao ny mpianatra hiomana hianatra,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Asao ny mpianatra hiomana hianatra.

Fahaiza-manao

Mamoròna fanasana izay hanampy ny mpianatra hiomana amin’ny fianarana manaraka.

Sary
Vehivavy manomana lesona

Mamaritra

Rehefa avy nampianatra ny sasany tamin’ireo mpanara-dia Azy tao Amerika fahiny ny Mpamonjy dia nanasa azy ireo “[hanomana ny sain’izy ireo] ho amin’ny ampitso, ary hankaty aminareo indray Aho” (3 Nefia 17:3). Ny fanasana ny mpianatra hiomana hianatra dia ampahan-javatra manan-danja amin’ny fanampiana azy ireo hahafantatra fahamarinana avy amin’ny ezaka ataony (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:20). Ireo fanasana ireo dia manolotra fahafahana ho an’ny mpianatra mba hahazo traikefa amin’ny andalan-tsoratra masina na fahamarinana iray alohan’ny hahatongavany ao an-dakilasy. Miseho amin’ny endriny maro ny fanasana mba hiomana. Matetika izy ireny no fehezan-teny fohy sy tsotra izay ahitana:

  • Ny andalan-tsoratra masina na fahamarinana izay hifanakalozana hevitra ao amin’ny lesona manaraka.

  • Fomba iray ahafahan’ny mpianatra mandray anjara mavitrika amin’ny tenin’ Andriamanitra. Ohatra hoe ny mpianatra dia afaka mandalina, mampihatra, miresaka, na mametraka sy misaintsaina fanontaniana momba ny zavatra hianaran’izy ireo.

Ny Fanahy Masina dia afaka mitaona anao mandritra ny fanomanana ny lesona sy mandritra ny traikefa amin’ny fianarana izay ampiasana fanasana afaka manampy indrindra ny mpianatra ho vonona ny hianatra. Matetika ny fandaharam-pampianarana no ahitana ireo karazana fanasana ireo miaraka amin’ny rindran-damina ho an’ny lesona.

Lamina hakan-tahaka

  1. Te hanampy ny mpianany hanana fanantenana Rahavavy Mendez rehefa mandalina ny 2 Timoty izy ireo. Mamorona izao fanasana izao izy: “Rehefa mandalina ny 2 Timoty ianareo amin’ity herinandro ity dia mitadiava andininy izay manome fanantenana anareo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ary mizarà zavatra nianaranareo avy amin’olona hafa.”

  2. Miomana ny hampianatra momba ny asa fanompoana Rahalahy Bradshaw ary mampiasa ny toriteny nataon’i Benjamina Mpanjaka izy amin’izany. Manomana izao fanasana izao izy: “Mitadiava fomba hanompoana olona amin’ity herinandro ity dia tongava aty an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara izany rehefa mandalina ny Môzia 2–4 isika.”

Manazatra tena

  1. Hampianatra momba ny faharetana izay toetra tahaka ny an’i Kristy ianao amin’ny lesona manaraka. Mamoròna fanasana azonao omena mandritra ny fotoam-pianarana androany mba ho vonona ny mpianatra rehefa tonga ao an-dakilasy amin’ny manaraka.

  2. Misafidiana andinin-tsoratra masina na fahamarinana ao amina lesona iray manaraka ao amin’ny fandaharam-pampianarana ary mamoròna fanasana iray izay manomana ny mpianatra hianatra.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao mikasika ny famoronana fanasana mba hanampiana ny mpianatra hianatra?

  • Inona no anjara biriky hitanao fa nentin’ny fiomanan’ny mpianatra tamin’ny traikefa iray ho an’ny fianarana?

Mampiditra fahalalana

  • Manomeza fanasana iray mandritra ny lesona iray manaraka mba hanaovan’ny mpianatra zavatra ivelan’ny fotoam-pianarana hiomanana amin’ny traikefa amin’ny fianarana manaraka. Tombano ny zavatra nianaranao aorian’izay. Mangataha fanamarihana avy amin’ny mpianatrao mba hanohizana ny fanatsarana ny fanasana omenao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy