Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana.


“Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana (2023)

“Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana.

Fahaiza-manao

Ampio ny mpianatra amin’ny famoronana tanjona handalinana soratra masina isan’andro.

Mamaritra

Ny fanampiana ny mpianatra hanana fahazarana handalina soratra masina isan’andro dia hamela ny Tompo hampianatra, hampatanjaka, ary hitarika azy ireo amin’ny fomba izay ilain’izy ireo. Afaka manampy ny mpianatra ianao amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hamorona tanjona handalinana soratra masina isan’andro. Azo atao tsara izany amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra:

  • Hahatakatra ireo fitahiana nampanantenaina izay mifandray amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro,

  • Hivavaka mafy rehefa mametraka tanjona handalinana soratra masina isan’andro,

  • Hanapa-kevitra ny amin’ny fotoana sy ny toerana handalinana soratra masina isan’andro, ary

  • Hanapa-kevitra ny amin’izay fomba fandalinana soratra masina ho ampiasaina.

Izany dia azo atao any amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana iray ary averina atao araka izay ilaina mba hanampiana ny mpianatra hanohy hivoatra.

Lamina hakan-tahaka

Ireto misy ohatra vitsy mikasika ny fomba azonao anampiana ny mpianatra hametraka tanjona handalinana soratra masina isan’andro eo am-pikatsahan’izy ireo ny handalina isan’andro ny bokin-tsoratra masina ianarana ao anatin’ny taona itsahina:

  • Angataho ny mpianatra hieritreritra ireo fitahiana azon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina isan’andro.

  • Asao ny mpianatra hikaroka ao amin’ny soratra masina na ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ireo fampanantenana mikasika ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra.

  • Ampahatsiahivo ny mpianatra ny mivavaka mafy rehefa mametraka tanjona handalinana soratra masina isan’andro. Asao izy ireo hikatsaka ny fitarihan’ny Tompo amin’ny zavatra tena ilain’izy ireo indrindra sy amin’ny fomba izay tsapany fa ahafahany mivoatra amin’ireo ezaka nataony teo aloha rehefa manohy mianatra sy mandroso izy ireo.

  • Ampio izy ireo amin’ny fametrahana tanjona mikasika ny fotoana sy ny toerana handalinana amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hisaintsaina ny zavatra fanaon’izy ireo isan’andro. Asao izy ireo hieritreritra fotoana sy toerana iray hanaovana fandalinana isan’andro izay ahafahan’izy ireo maneho fahavitrihana sy mihaino tsara ary mifantoka.

  • Ampio ny mpianatra hanapa-kevitra ny amin’ny fomba tian’izy ireo handalinana ny bokin-tsoratra masina ho an’ity taona ity. Asao izy ireo hieritreritra fomba fandalinana isan-karazany. Asao izy ireo hametraka tanjona voafaritra tsara, sady ampahatsiahivo izy ireo fa azo ovaina sy amboarina ireo tanjona ireo rehefa mandroso izy ireo.

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Ampiasao ny iray na ny maromaro amin’ireto fanazaran-tena manaraka ireto mba hanatsarana ny fahaizanao manampy ny mpianatra hametraka tanjona fandalinana soratra masina isan’andro:

  • Diniho samirery ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenaina mifandray amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro. Afaka ny ho hita ao amin’ny soratra masina mihitsy na ao amin’ireo hafatra avy amin’ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izy ireny. Misafidiana iray amin’ireo fampanantenana ireo mba hozaraina amin’ny mpianatra rehefa manao drafitra ny hanasa azy ireo hitady samirery ireo fampanantenana ianao ao anatina lesona iray vao hatao.

  • Eritrereto ny fomba azonao anasana ny mpianatra hivavaka mafy amin’ny fametrahana tanjona handalinana soratra masina isan’andro. Manorata fanontaniana iray na roa mety hapetrakao amin’ny mpianatra izay hanampy azy ireo hanasa ny Tompo handray anjara amin’ny fametrahan’izy ireo tanjona.

  • Manaova fanazaran-tena manasa ny mpianatra handray fanapahan-kevitra ny amin’ny fotoana sy ny toerana handalinana ny soratra masina isan’andro. Manorata fanontaniana iray azonao apetraka amin’ny mpianatra izay miresaka mikasika ny fandaharam-potoana isan’andro, ny fifantohana, ary ny fanafoanana ireo zavatra manelingelina.

  • Manaova fanazaran-tena manampy ny mpianatra misafidy fomba fandalinana soratra masina amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo safidy azo atao sy ny firesahana ny tombontsoa azo avy amin’izy ireo tsirairay avy. Manaova fanazaran-tena maneho ny sasany amin’ireo fomba ho an’ny mpianatra ireo mba hahafahan’izy ireo mahita ny fomba azon’izy ireo hanamboarana ny fandalinana ataon’izy ireo manokana mba hanomezana ny zavatra ilain’izy ireo eo am-pikatsahany ny handalina isan’andro ny bokin-tsoratra masina ianarana ao anatin’ny taona itsahina.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

Saintsaino ny zavatra nianaranao avy amin’io zavatra niainana io. Azonao atao tsara ny manoratra ny sasany amin’ireo eritreritra ireo ao amina diary fandalinana iray. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataoko teo aloha mba hanampiana ny mpianatra hametraka tanjona amin’ny fandalinana soratra masina?

  • Inona no nianarako avy tamin’io zavatra niainana io izay afaka manatsara ny fahaizako manampy azy ireo hametraka tanjona ho an’ny fandalinana soratra masina?

  • Ahoana no ahafahako manampy ny mpianatro hanohy tsy tapaka hanatratra ny tanjon’izy ireo amin’ny fandalinana soratra masina?

Mampiditra fahalalana

  • Jereo ombam-bavaka ireo anjara asan’ny kilasinao eo am-pandinihana ireo ohatra ao amin’ny fizarana lamina hakan-tahaka sy manazatra tena tena ato amin’ity fanofanana ity. Eritrereto hoe iza amin’ireo ohatra ireo no hanampy indrindra ireo mpianatrao hamorona tanjona handalinana soratra masina. Ampiasao ny iray amin’ireo ohatra na ny ohatra iray noforoninao ka atombohy amin’ny fanovana bitika izay hanampy ny mpianatrao hanana fahazarana tsara amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro. Manokàna fotoana ahafahanao manara-maso tsy tapaka mba hijerena ny fivoaran’izany sy hanampiana azy ireo hanitsy ny tanjony raha ilaina izany.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Mandrafeta ary mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hampifandray ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fandalinana soratra masina izay nataony manokana sy niaraka amin’ny fianakaviana, amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy.

Mamaritra

Ny hoe mampifandray dia mampiaraka na manambatra zavatra roa. Rehefa manampy ny mpianatra hampifandray ny fandalinany soratra masina any an-trano amin’ny zavatra atao ao an-dakilasy ny mpampianatra dia mampiaraka na manambatra ireo traikefa roa ireo izy ireo. Maro ny fomba azo anaovana izany. Fomba iray ny mametraka fanontaniana mitaky valin-teny ankoatra ny eny na tsia izay (1) ahitana ny zavatra niainan’ny mpianatra manokana na ny fianakavian’izy ireo tamin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina tany an-trano, (2) mitrandraka ny fomba ifandraisan’ireo zavatra niainana ireo amin’ny zavatra ianaran’izy ireo ao an-dakilasy, ary (3) manome azy ireo fotoana hisaintsainana sy hitadidiana ny zavatra nianaran’izy ireo tany an-trano.

Azonao atao koa ny manomana fanontaniana miteraka fifanakalozan-kevitra ho an’ny kilasy izay hanampy ny mpianatra hitondra ny zavatra ianaran’izy ireo ao an-dakilasy ary hampiasa izany any an-trano. Mitovy ireo fanontaniana ireo. Manasa ny mpianatra ianao hieritreritra ny traikefa amin’ny fianarana niainan’izy ireo tamin’io andro io sy ny fomba ahafahan’izany mitondra voka-tsoa any an-tokantrano. Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy antsika ho lasa mifantoka kokoa amin’ny ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana ao an-dakilasy sy manomana ny mpianatra hahazo traikefa amin’ny fianarana bebe kokoa any ivelan’ny kilasy fianarana.

Lamina hakan-tahaka

Ireo fanontaniana mampifandray ny fianarana any an-tokantrano amin’ny zavatra iainana ao an-dakilasy:

  • Inona no nianaranareo tato am-pianarana androany izay mifandray amin’ny zavatra ianaranareo any an-tokantrano?

  • Inona no nianaranareo sy ny fianakavianareo momba an’i Jesoa Kristy tamin’ity herinandro ity?

  • Inona no fanontaniana tonga tao an-tsainareo rehefa nifanakalo hevitra momba ireo soratra masina ireo ianareo?

  • Inona no zavatra tianareo indrindra ny nianatra momba azy rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianareo na ny fianakavianareo?

Ireo fanontaniana mampifandray ny fianarana ao an-dakilasy amin’ny zavatra iainana any an-tokantrano:

  • Inona no nianaranareo androany izay ho fitahiana ho anareo sy ny fianakavianareo?

  • Raha nanomana lesona dimy minitra mikasika ireo fahamarinana ireo ianao, dia inona no ho nifantohanao, ary nahoana?

  • Inona no zavatra niainanareo androany izay hitondra voka-tsoa ho an’ny fianakavianareo? Inona no hovainareo na hataonareo amin’ny fomba hafa mba hifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny fianakavianareo?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Fanazaran-tena #1: Ampiasao ireo ohatra ao amin’ilay lamina hakan-tahaka (na ohatra iray noforoninao), dia manapaha hevitra ny amin’ny fomba hampifandraisanao ny zavatra iainan’ny mpianatra amin’ny fandalinana ataon’izy ireo any an-tokantrano amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy miainga avy amin’ireto ohatra ana lesona manaraka ireto.

Fanazaran-tena #2: Mandrafeta fanontaniana hampifandraisana ny zavatra ataon’ny mpianatra ao an-dakilasy amin’ny zavatra iainan’izy ireo any an-tokantrano, miainga avy amin’ireto ohatra ana lesona manaraka ireto.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no nianaranao momba ny fanasana ny olona hianatra amim-pahavitrihana amin’ny alalan’io zavatra niainana io?

  • Inona koa ireo fomba hafa nahafahanao nampifandray ny zavatra iainan’ny mpianatra any an-tranon’izy ireo amin’ny zavatra iainan’izy ireo ao an-dakilasy?

Mampiditra fahalalana

Manokàna telo minitra alohan’ny fotoam-pianarana isan’andro mandritra ireo roa herinandro manaraka mba hijerena anarana mpianatra iray ao amin’ny rejisitrao. Rehefa mahita ny anaran’izy ireo ianao dia saintsaino ny zavatra mety hianarany amin’ny fandalinany manokana sy miaraka amin’ny fianakaviany any an-trano. Mandritra ny fotoam-pianarana dia apetraho amin’ny mpianatra rehetra na amin’izany mpianatra iray izany ny iray amin’ireo fanontaniana izay nanaovanao fanazaran-tena. Azonao atao ihany koa ny manoratra ny zavatra ianaranao rehefa mametra-panontaniana sy mihaino ianao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy