Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianarana ataony.


“Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianarana ataony,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana (2023)

“Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianarana ataony,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Ampio ny mpianatra mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianarana ataony.

Fahaiza-manao

Tohero ny fironana hamaly ny fanehoan-kevitra sy ny fanontaniana rehetra ary asao ny mpianatra hamaly.

Sary
Lehilahy mampianatra mpianatra

Mamaritra

Azon’ny mpampianatra atao ny manao izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana amin’ny alalan’ny fametrahana lamina izay hifamalian’ny mpianatra ny fanontanian’izy ireo ao an-dakilasy toy izay hamaly ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra na ny hanaovan’izy ireo izany mialoha ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra. Rehefa avelan’ny mpampianatra mizara ny eritreriny mikasika ny fanehoan-kevitra sy ny fanontanian’ireo namany ny mpianatra, dia mijanona amin’ny mpianatra ny fifantohana ary lasa mampirotsaka an-tsehatra kokoa satria mitombo ny fandraisan’ny mpianatra anjara. Fomba iray hametrahana io lamina io ny fametrahana fanontaniana izay mamela ny mpianatra hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ny zavatra nolazain’ny hafa, fa tsy hamaly ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra na hanao izany alohan’ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra.

Lamina hakan-tahaka

Ireto misy ohatra ana fanontaniana azonao apetraka mba hanasana ny mpianatra hizara ny eritreriny momba ny fanehoan-kevitra sy ny fanontanian’ny mpianatra iray:

  • Iza no afaka mizara zavatra niainana mifandray amin’ny zavatra nolazain’i Gary teo?

  • Inona no nanaitra anao na nanan-danja taminao momba ny fanehoan-kevitra nataon’i Lucinda?

  • Iza no afaka mijoro ho vavolomelona momba ny zavatra vao nolazain’i Petera teo?

  • Inona no azonao zaraina momba ny zavatra nianaranao rehefa nisaintsaina izany fanontaniana izany ianao?

Manazatra tena

Ho an’ny tsirairay avy amin’ireto rafi-tantara ireto, dia misafidiana iray amin’ireo fanontaniana fakan-tahaka mba hapetraka amin’ny mpianatra na fanontaniana iray noforoninao, fa aza manao fanamarihana mikasika ny fanontaniana na ny fanehoan-kevitra lazain’ny mpianatra.

  • Mametraka ity fanontaniana manaraka ity i Amy ao anatin’ny fotoam-pianarana: “Ahoana no ahafahako mahafantatra raha toa ka bitsiky ny Fanahy ny eritreritra iray na eritreritro fotsiny ihany?”

  • Mandritra ny lesona iray ao amin’ny Testamenta Taloha dia hoy i Kyle: “Amiko dia mahatalanjona tokoa ny mahita fa manasa an’i Isiraely ny Tompo mba hibebaka sy hiverina Aminy, na dia efa im-betsaka aza izy ireo no nihodina Taminy.”

  • Mieritrereta fanehoan-kevitra na fanontaniana iray avy amina mpianatra nandritra ny fotoam-pianarana vao haingana. Ahoana no ahafahanao mamaly izany amin’ny fampiasana io fahaiza-manao io?

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Eritrereto ny fomba mahazatra hamalianao rehefa misy mpianatra maneho hevitra ao an-dakilasy.

  • Inona no vokatra tsara mety ho azonao rehefa manampy ny mpianatra hifamaly ny fanontanian’izy ireo ianao izay vao maneho hevitra?

Mampiditra fahalalana

  • Rehefa manomana ny lesonao manaraka ianao dia misafidiana vitsivitsy amin’ireo fanontaniana fakan-tahaka na fanontaniana izay noforoninao manokana, mba hamelana ny mpianatra hifamaly ny fanontaniana na ny fanehoan-kevitr’izy ireo.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy