Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany.


“Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana (2023)

“Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Amporisiho ny mpianatra hizara ireo fahamarinana izay ianarany.

Fahaiza-manao

Ampio ny mpianatra hamorona na hanomboka resaka momba ny filazantsara.

Mamaritra

Nangataka ny zatovo sy ny tanora ny Tompo mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Ny fizaran’izy ireo ny zavatra inoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany dia hiteraka fianarana bebe kokoa sy hampitombo ny fiovampony ho an’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Ny mpianatra sasany dia sahirana rehefa mamantatra ny fomba hanombohana ireo fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara ireo. Afaka manomboka fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara amin’ny hafa ny mpianatra amin’ny alalan’ny (1) fandinihana ny zavatra ianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, (2) ny fisaintsainana izay olona hahazo tombontsoa avy amin’ilay fifanakalozan-kevitra, ary (3) ny fanapahan-kevitra mikasika ny fomba hanentanan’izy ireo fifanakalozan-kevitra amin’izany olona izany. Azo atao amin’ny alalan’ny fomba isan-karazany izany, toy ny fampianarana lesona Avia, hanaraka Ahy, ny fitarihana fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy, ny fanoratana fanamarihana, ny fandefasana hafatra an-tsoratra, na ny fizarana lahatsoratra momba ny Fiangonana. Tsy ny hizara ny zavatra inoana na ny zavatra niainana no tanjona fa ny hanomboka fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara. Ny fanaovana izany dia manasa ny hafa hametraka fanontaniana sy mamporisika ny fanaovana fifanakalozan-kevitra amin’ny ho avy.

Fanamarihana: Raha manana mpianatra matahotra ny hanao izany ianao dia diniho ny fomba ahafahanao manampy azy ireo hifandray amin’i Jesoa Kristy. Hanampy azy ireo Izy rehefa manokatra ny vavany izy ireo mba hizara ny fahamarinany.

Lamina hakan-tahaka

Rehefa hifarana ny fotoam-pianarana dia asao ny mpianatrao hisaintsaina izay olona tian’izy ireo hizarana zavatra. Asao izy ireo hanoratra fanamarihana fohy na handefa hafatra an-tsoratra izay hanome azy ireo fahafahana hanao fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara amin’izany olona izany rehefa mifankahita izy ireo. Ohatra, afaka manoratra izy ireo hoe:

  • “Nisy zavatra nampieritreritra ahy anao androany tao amin’ny seminera. Ampahatsiahivo ahy izany rehefa mifankahita isika.”

  • “E! Nieritreritra momba ny fahaizan’ny Mpamonjy mamela aho. Afaka manampy ahy hieritreritra zavatra momba Azy ve ianao? Raha eny dia rahoviana no fotoana tsara hifampiresahana?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Mamoròna fehezan-teny telo hafa azonao ampiasaina hatao ohatra mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no nianaranao momba ny fanampiana ireo mpianatra hamorona na hanomboka fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara?

  • Rehefa ampiana ny mpianatra hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra inoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany dia ahoana no ahafahan’izany manampy ny traikefan’izy ireo amin’ny seminera sy institiota ho tena traikefa mifantoka amin’ny ao an-trano?

Mampiditra fahalalana

Zarao amin’ny mpianatrao ny ohatra vitsivitsy amin’ny zavatra azon’izy ireo soratana mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara, ary avy eo dia manaova fanazaran-tena hizara izany amin’ny iray kilasy. Asao ny mpianatra sasany hanampy azy ireo hanatsara izany. Asao izy ireo hanomboka ilay fifanakalozan-kevitra rehefa vonona.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Manomàna fanasana mba hifampizaran’ny mpianatra ny zavatra izay ianarany.

Sary
zatovovavy sy zatovolahy mandalina

Mamaritra

Ny fanasana izay manampy ny mpianatra hizara ny zavatra ianarany dia tsotra sy mazava ary voafaritra tsara. Torolalana manampy ny mpianatra hampianatra, hanazava, hizara, hametraka fanontaniana, na hijoro ho vavolombelona amin’izy samy izy ireo fanasana ireo. Matetika ireo fanasana ireo no ahitana singa toy ireto manaraka ireto:

  • Ny antony hizaran’izy ireo zavatra.

  • Ny zavatra hozaraina.

  • Ny fotoana sy ny olona izay hizaran’izy ireo zavatra.

Mety ho ilainao ny manome fotoana ny mpianatra hiomanana hizara ny eritreritr’izy ireo. Izany dia mety ho fanasana mba hizara zavatra amin’ny olona iray, na ao anatina vondrona kely maromaro, na amin’ny iray kilasy. Ny fanasana ny mpianatra hifampizara ny zavatra ianarany dia asa atao amim-pinoana izay mamela ny Fanahy Masina hampahery ny mpianatra rehetra izay mandray anjara ao anatin’ilay fifampiresahana.

Lamina hakan-tahaka

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny mety ho endrik’ izany ao anatin’ny sehatry ny fampianarana ao an-dakilasy:

  • “Misaotra nanokana fotoana hamakiana ny 3 Nefia 11:10–15. Te hanome anareo fahafahana aho hizara ny zavatra nianaranareo momba an’i Jesoa Kristy sy antony maha manan-danja izany aminareo. Afaka mitodika any amin’ny olona iray mipetraka eo akaikinareo ve ianareo dia hifandimby hizara ny zavatra nianaranareo momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo andininy ireo sy antony maha manan-danja izany aminareo?

  • “Makà fotoana kely fanampiny hanoratana ny zavatra nianarareo avy amin’ny zavatra niainan’i Petera niaraka tamin’i Jesoa Kristy ao amin’ny Matio 14:22–33. Fantatro fa manana zavatra manan-danja hozaraina ny tsirairay avy aminareo. Iza no vonona ny hanomboka amin’ny alalan’ny fizarana zavatra iray nianaranareo avy amin’ny zavatra niainan’i Petera niaraka tamin’i Jesoa Kristy?”

  • “Afaka fotoana fohy dia hizarazara ho vondrona kely maromaro isika mba hifanakalo hevitra momba ny zavatra ianaranareo momba ny fampitomboana finoana an’i Jesoa Kristy. [Omeo fotoana kely ny mpianatra, ary avy eo dia omeo ny ampahany faharoa amin’ilay fanasana.] Afaka mizarazara ho vondrona ahitana olona telo na efatra ve ianareo? [Na azonao atao ny mametraka azy ireo ao anatina vondrona raha betsaka ny mpianatra.] Rehefa mizarazara ho vondrona ianareo dia mifandimbiasa mizara zavatra niainana izay nampatanjahana ny finoanareo an’i Jesoa Kristy.”

Manazatra tena

  • Jereo ny drafitry ny lesona nataonao farany indrindra dia manomàna fanasana ho an’ireo mpianatrao mba hizara ny zavatra ianaran’izy ireo ao anatina vondrona ahitana olona roa na telo.

  • Mijere andian’andinin-tsoratra masina ao amin’ny fandaharam-pampianarana izay ho ampianarinao any aoriana. Manomàna fanasana izay mamela ny mpianatra hizara zavatra niainan’ny tena manokana na fijoroana ho vavolombelona amin’ny olona iray hafa izay mipetraka eo akaikin’izy ireo.

Mampiditra fahalalana

  • Rehefa manomana lesona ianao ao anatin’ireo herinandro vitsy manaraka dia alaovy antoka fa mampiditra fahafahana iray ianao farafahakeliny ao amin’ny lesona tsirairay mba hifampizaran’ny mpianatra ny zavatra ianarany, na fifampizaran’olon-droa izany na fifampizarana ao anatina vondrona kely.

Mifanakalo hevitra sy misaintsaina

  • Hanova inona amin’ny fandraisan’ny mpianatra anjara izany?

  • Inona avy no tombontsoa efa hitanao avy amin’ny fifampizarana ataon’ny mpianatra?

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy