Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany.


“Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana (2023)

“Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana

Asao ny mpianatra hiaina ny zavatra izay ianarany.

Fahaiza-manao

Manaova drafitra mba hiresahana indray ireo fanasana nomena tamin’ny fotoam-pianarana teo aloha ary asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa niaina ny zavatra nianarany.

Sary
Vehivavy manomana lesona

Mamaritra

Rehefa manomana fanasana ho an’ny mpianatra ianao mba hampihatra ny zavatra ianaran’izy ireo, dia azonao atao koa ny miomana hamerina hiresaka izany indray. Ireny fotoana hamerenana miresaka fanasana ireny dia azo atao amin’ny fiantombohan’ireo fotoam-pianarana aty aoriana, amin’ny alalan’ireo fifandraisana ivelan’ny fotoam-pianarana, mandritra ny fotoam-pivavahana fanombohana, na ifanaovan’ny mpianatra. Mba hanomanana ireo fotoana hamerenana miresaka fanasana dia afaka manontany tena ianao hoe:

  1. Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ny fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo?

  2. Rahoviana no fotoana tsara hamerenana miresaka izany?

Ny fametrahana ireo fanontaniana ireo dia manasa ny Fanahy hitarika anao rehefa miomana ny hamerina hiresaka ny fanasana ianao. Ny fanaovana drafitra hamerenana miresaka fanasana amin’ny mpianatra dia hanampy azy ireo hahatsapa ho tompon’andraikitra sy haniry ny hanatanteraka ny fanoloran-tenany, izay afaka mitarika ho amin’ny fiovam--po ho an’i Jesoa Kristy.

Lamina hakan-tahaka

  • Eo am-panomanan-dRahalahy Dalton amim-bavaka ny traikefa amin’ny fianarana manaraka ho an’ny mpianany, dia manontany tena izy hoe: “Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ny fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo? Rahoviana no fotoana tsara amin’ny fotoam-pianarana manaraka mba hamerenana miresaka izany? Tonga tao aminy ny eritreritra mba hanome fotoana ny mpianatra any am-piandohan’ny fotoam-pianarana manaraka mba hanoratra ao amin’ny diarin’izy ireo momba ny ezaka nataony mba hiaina ny fahamarinana iray izay nianaran’izy ireo tamin’ny lesona farany.

Manazatra tena

Manaova fanazaran-tena mametraka ity fanontaniana manaraka ity rehefa manomana ireo lesona manaraka ianao:

  1. Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ireo fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo?

  2. Rahoviana no fotoana tsara hamerenana miresaka izany?

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Hampahalalina ny fiovampon’ny tanora ampianarinao amin’ny fomba ahoana ny famerenana tsy tapaka ireo fanasana?

  • Ahoana avy no efa nitaoman’ny Fanahy Masina anao mba hanampy ny mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ny zavatra nianarany?

  • Ahoana no ahafahanao manao ny fizaran’ny mpianatra ny ezaka ataony mba hiaina ny filazantsara ho toy ny zavatra efa mahazatra mandritra ny taranja ao anatin’ny fe-potoam-pianarana iray.

Mampiditra fahalalana

Mametraha fotoana hametrahana ireto fanontaniana ireto ao anatin’ny fanomananao ny lesona:

  • “Inona no fanasana azoko omena ny mpianatra izay hanome fahafahana azy ireo hizara ny zavatra niainany rehefa niaina ireo fahamarinana nianarany nandritra ny fotoam-pianarana teo aloha izy ireo?

  • Rahoviana no fotoana tsara hamerenana miresaka izany?

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy