Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Mamoròna tontolo isian’ny fanajana ny rehetra sy hahafantarany fa sarobidy ny anjara biriky entiny.


“Mamoròna tontolo isian’ny fanajana ny rehetra sy hahafantarany fa sarobidy ny anjara biriky entiny,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra (2022)

“Mamoròna tontolo isian’ny fanajana ny rehetra sy hahafantarany fa sarobidy ny anjara biriky entiny,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra

Tiavo ireo izay ampianarinao

Mamoròna tontolo isian’ny fanajana ny rehetra sy hahafantarany fa sarobidy ny anjara biriky entiny.

Fahaiza-manao: Ampitao fa manome lanja ny mpianatra ianao alohan’ny hanehoany hevitra na rehefa manangana ny tanany izy ireo mba haneho hevitra.

Mamaritra

Afaka maneho fitiavana ho an’ireo mpianatsika isika amin’ny alalan’ny fampitana amin’izy ireo fa omentsika lanja ny fandraisan’izy ireo anjara. Indraindray rehefa manao fanamarihana ny mpianatra dia mety ho toy ny tsy liana amin’izany isika na variana amin’ny fieritreretana ny zavatra handeha holazaintsika manaraka. Mora ny hitodihantsika any an-kafa na hanombohantsika mijery ny ao anatin’ny soratra masintsika rehefa mieritreritra ny fomba hamaliana isika. Zava-dehibe ny mitadidy fa te hahatsapa ho henoina sy raisina tsara ary misy mahita ny mpianatra. Azontsika atao ny manampy ny mpianatra hahatsapa izany amin’ny alalan’ny fifantohana tanteraka amin’izy ireo rehefa mizara fanamarihana izy. Fomba iray hanatanterahana izany ny fampitodihana ny vatanao hanatrika azy ireo, mijery ny masony, ary mifantoka amin’izy ireo mandritra ny fotoana rehetra hizarany ny heviny. Fomba iray hafa ny filazana am-bava fa manome lanja ny fandraisan’izy ireo anjara ianao na dia alohan’ny hanehoan’izy ireo hevitra aza. Rehefa manangan-tanana ny mpianatra dia afaka miteny zavatra toy izao ianao: “Jordan a, tianay ny maheno ny hevitrao. Mba lazao anay ny zavatra eritreretinao,” na “Thabo a, faly izahay ny hiana-javatra avy aminao. Inona no mba tianao hozaraina?” Ireo fihetsika tsotra ireo dia afaka mampita amin’ny mpianatra fa omena lanja ny fandraisan’izy ireo anjara ary ilaina amin’ny traikefa amin’ny fianarana.

Lamina hakan-tahaka

Sary
mpampianatra sy mpianatra ao an-dakilasy

Jereo ny fihetsik’ity mpampianatra ity rehefa mihaino ny fanehoan-kevitry ny mpianatra iray izy. Mifanatrika sy mijery ilay mpianatra izy. Tsy mifantoka amin’ny mpianatra hafa, na ny soratra masina, na ny zavatra hafa izy. Mbola misy zavatra hafa ve azonao ianarana avy amin’ity sary ity momba ny fampitana amin’ny mpianatra fa omena lanja izy ireo?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Amin’ity herinandro ity dia ampiharo io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ny fanakalozan-kevitra ataonao miaraka amin’ny olona hafa sy ny fampitana fa manome lanja ny fandraisan’izy ireo anjara ianao. Mifanatreha amin’ilay olona dia jereo ny masony rehefa miresaka aminy ianao. Esory ireo zavatra tsy mampifantoka rehetra ary mifantoha tanteraka amin’ilay olona.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no nianaranao momba ny maha-zava-dehibe ny fampitan-javatra amin’ny fomba hafa na am-bava rehefa milaza amin’ny hafa fa manome lanja azy ireo ianao?

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahanao milaza amin’ny mpianatra fa manome lanja ny fanehoan-kevitr’izy ireo ianao?

  • Makà fotoana kely dia mieritrereta fotoana nanehoan’ny Mpamonjy io fahaiza-manao io tamin’ny alalan’ny ohatra.

Mampiditra fahalalana

Mandritra ny lesonao manaraka dia ampiharo io fahaiza-manao io amin’ny alalan’ny fanatrehana ny mpianatrao, ny fametrahana ny soratra masinao, ary ny fijerena ny mpianatra amin’ny maso rehefa mizara hevitra izy ireo.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Gospel Topics, “Communication,” topics.ChurchofJesusChrist.org

  • Mark Ogletree, “Speak, Listen, & Love,” Ensign, Feb. 2014, 14–17

Hamoaka printy