Tiavo ireo izay ampianarinao Jereo amin’ny fomba ahitan’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra. Halalino ireo hafatra farany avy amin’ny mpaminany mba hahatakarana ny fomba fahitan’ny Ray any An-danitra ny zatovo. “Saino amin’ny fomba selestialy” ny momba ny mpianatrao mba hanampiana anao hahita azy ireo tahaka ny ahitan’ Andriamanitra azy ireo. Katsaho ny hahafantatra azy ireo; takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo. Diniho ny zavatra mahaliana ny mpianatra dia mametraha fanontaniana momba izany.Katsaho ny hahafantatra azy ireo; takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo. Miatoa kely, mieritrereta, dia valio ireo fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika izay miteraka fanahin’ny fahaiza-manavaka sy fitiavana ary fahaiza-miombom-pihetseham-po tahaka ny an’i Kristy mandritra ny fifaneraserantsika amin’ny hafa.Katsaho ny hahafantatra azy ireo; takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo. Katsaho ny hanazava sy hahatakatra ny finiavana marina fonosin’ny fanontaniana sy ny fahatsapana ary ny zavatra inoan’ireo mpianatra.Katsaho ny hahafantatra azy ireo; takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo. Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo. Mivavaha dia angataho ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatrao ary araho ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina.Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo. Asao ny mpianatra hivavaka ho an’ny mpianatra hafa.Mivavaha ho azy ireo amin’ny alalan’ny fanononana ny anaran’izy ireo. Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo. Ampitao fa manome lanja ny mpianatra ianao alohan’ny hanehoany hevitra na rehefa manangana ny tanany izy ireo mba haneho hevitra.Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo. Ampitao fa tsy vitan’ny hoe raisina an-tanan-droa fotsiny ireo mpianatra fa ilaina ihany koa izy ireo.Mamoròna tontolo azo antoka izay hanajana ny rehetra sy hahafantaran’izy ireo fa sarobidy ny anjara biriky entin’izy ireo. Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao. Mandefasa hafatra any amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra iray mikasika ny zavatra tsara tsikaritrao momba ny zanak’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra rehefa sarotra aminao ny mahatsapa na maneho fitiavana an’ireo izay ampianarinao.