Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Katsaho ny hahafantatra azy ireo—takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo.


“Katsaho ny hahafantatra azy ireo—takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao (2023)

“Katsaho ny hahafantatra azy ireo—takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao

Katsaho ny hahafantatra azy ireo—takaro ireo toe-javatra iainan’izy ireo, sy ireo zavatra ilain’izy ireo ary ny tanjak’izy ireo.

Fahaiza-manao

Diniho ny zavatra mahaliana ny mpianatra dia mametraha fanontaniana momba izany.

Mamaritra

Afaka mianatra momba ny toe-javatra iainan’ireo mpianany ny mpampianatra ary mamantatra ny sasany amin’ireo zavatra ilain’izy ireo amin’ny fianarana amin’ny alalan’ny fandinihana sy ny fametrahana fanontaniana momba ny zavatra mahaliana azy ireo. Matetika no mora indrindra ny manao ireo resadresaka ireo aloha sy aorian’ny fotoam-pianarana, kanefa azo atao mandritra ny fotoam-pianarana koa izany. Misy fomba isan-karazany azon’ny mpampianatra hanaovana izany. Ny mpampianatra iray dia mety hahatsikaritra boky, tetikasa, taratasy mandraiki-tena, fitaovana fanaovana fanatanjahan-tena, na zavatra hafa izay entin’ny mpianatra iray ao an-dakilasy. Na ny mpampianatra iray dia mety hahatadidy hetsika iray nandraisan’ny mpianatra anjara dia mametraka fanontaniana momba izany amin’izy ireo. Ny fanontaniana apetratsika dia hanampy antsika ho lasa mahafantatra ny mpianatra sy ny zavatra mahaliana azy ireo ary ahitana andian-teny tahaka ireto:

  • “Lazao ahy bebe kokoa hoe ny momba …”

  • “Inona no tianao momba …”

  • “Liana aho ny hahafantatra …”

Rehefa mahitsy fo sy marina ny mpampianatra amin’ny fanontaniana apetrany dia afaka mamantatra bebe kokoa ny zavatra iainan’ireo mpianany sy ny zavatra ilain’ireo mpianany amin’ny fianarany izy ireo, ary ny mpianatra dia hahatsapa fa tena miraharaha azy ireo ny mpampianany. Rehefa tsapan’ny mpianatra fa tena miraharaha azy ireo marina ny mpampianany dia mazoto kokoa izy ireo ny ho tonga ao an-dakilasy vonona ny hianatra sy hizara ny heviny sy ny zavatra iainany amin’ny mpampianany sy ireo olona hafa ao amin’ny kilasy.

Lamina hakan-tahaka

  1. Tadidin’i Hermana Muñoz fa nandray anjara tamin’ny lalao baolina kitra lehibe izay nampitebiteby azy i Rosa. Rehefa nahita an’i Rosa i Hermana Muñoz dia mijanona ka manontany azy hoe ahoana ny fahitany ny fandehan’ilay lalao.

  2. Misy fanalahidy maromaro mipetraka eo ambonin’ny latabatr’i Auro. Rehefa mandalo ianao dia mahatsikaritra saina avy amin’ny firenena iray hafa eo amin’ny rojon’ny fanalahidiny. Lian-kahafantatra ianao dia miteny hoe: “Auro, mba resaho amiko hoe ilay saina eo amin’ny rojon’ny fanalahidinao.” Mitantara i Auro fa nandeha nitory filazantsara tany Brésil ny anabaviny, ary nandeha tany niaraka tamin’ny fianakaviany izy mba hitsena ny anabaviny rehefa vita ny asa fitoriana nataony. Manohy ilay resaka ianao dia manontany hoe: “Inona no tianao tamin’ilay nandeha nijery ny anabavinao tany amin’ny toerana nitoriany filazantsara?

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Manazatra tena

Fanazaran-tena #1: Inona no hitanao ao amin’ny tsirairay avy amin’ireto sary manaraka ireto ka afaka manampy anao hamantatra ny toe-javatra iainan’ireo mpianatrao na ny zavatra ilainy amin’ny fianarany?

Sary
Zatovovavy milalao baskety
Sary
Zatovovavy mitendry ukulélé
Sary
Zatovo mipetraka ao anatina antsasaka faribolana

Fanazaran-tena #2: Inona no fanontaniana azonao apetraka mba hamantarana kokoa ny zavatra mahaliana ny mpianatrao?

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no nianaranao rehefa nanao fanazaran-tena nandinika sy nametra-panontaniana momba ny zavatra mahaliana ny mpianatra ianao?

  • Afaka maneho ny fitiavanao ny mpianatra amin’ny fomba ahoana ny fandinihana sy ny fanontaniana ny zavatra mahaliana ny mpianatra?

Mampiditra fahalalana

  • Mitadiava fahafahana ao an-dakilasy amin’ity herinandro ity mba hanontaniana ny mpianatra mikasika ny zavatra mahaliana azy ireo sy ireo hetsika nandraisany anjara, na ny toe-javatra iainany. Asehoy marina fa miraharaha ny zavatra nianaranao momba azy ireo ianao. Jereo hoe amin’ny fomba no iantraikan’izany amin’ny traikefan’izany mpianatra izany amin’ny fianarana vokatr’izany. Manokàna dimy minitra aorian’ny fotoam-pianarana mba hanoratana ny zavatra nianaranao momba ireo mpianatrao sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao hamorona traikefa amin’ny fianarana izay mitarika ho amin’ny fiovampo, ny fahatsapana ho manan-danja ary ny fiombonana.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Miatoa kely, mieritrereta, dia valio ireo fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika izay miteraka fanahin’ny fahaiza-manavaka sy fitiavana ary fahaiza-miombom-pihetseham-po tahaka ny an’i Kristy mandritra ny fifaneraserantsika amin’ny hafa.

Ity fampiofanana ity dia mamelabelatra ny voalohany amin’ireo fahaiza-manao anankitelo mifandray izay hanampy antsika hahatakatra fa mety hahita ireo fahamarinana mandrakizay amin’ny fomba fisainana hafa noho ny antsika ireo mpianatra. Rehefa mahatakatra kokoa ny fomba fijerin’ireo mpianatsika isika, dia hitombo kokoa ny fahaizantsika maneho fihetsika feno fitiavana sy fahatakarana rehefa manampy azy ireo hanorina finoana an’i Jesoa Kristy isika.

Ho tafiditra ao anatin’ireo fampiofanana ireo ny:

  1. Famantarana ny petra-kevitry ny mpianatra iray amin’ny alalan’ny fiatoana kely, ny fisaintsainana ary ny famaliana ireo fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika mandritra ny fanomanantsika lesona sy mandritra ny fotoana ifantohantsika amin’ireo hevitra nozarain’ny mpianatra na ny fanontanian’izy ireo tao an-dakilasy;

  2. Fikatsahana hanazava sy hahatakatra ny finiavana marina fonosin’ny fanontaniana sy ny fahatsapana ary ny zavatra inoan’ny mpianatra iray; ary

  3. Fanampiana ny mpianatra handinika sy hanova ny petra-kevitr’izy ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Ny fampiofanana faharoa sy fahatelo dia homena ao aoriana kely ao.

Ity fampiofanana ity dia hifantoka amin’ity fahaiza-manao manaraka ity:

  • Famantarana ny petra-kevitry ny mpianatra iray amin’ny alalan’ny fiatoana kely, ny fisaintsainana ary ny famaliana ireo fanontaniana izay apetratsika amin’ny tenantsika mandritra ny fanomanantsika lesona sy mandritra ny fotoana ifantohantsika amin’ireo hevitra nozarain’ny mpianatra na ny fanontanian’izy ireo tao an-dakilasy.

Mamaritra

Ny mpianatra rehetra dia tonga mianatra miaraka amin’ny zavatra niainana sy fifandraisana samy hafa izay manefy ny fomba fisainany sy ny zavatra tsapany momba ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Ireo fomba fijery ireo dia miteraka toerana iray iaingana, izay antsoina matetika hoe petra-kevitra ho an’ny fomba fisainan’ny olona iray. Ny famantarana ny petra-kevitry ny olona iray dia afaka manampy antsika hampianatra fahamarinana amim-pahaizana miombom-pihetseham-po sy fitiavana, tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy. Tsy manova ny fotopampianarana ireo petra-kevitra isan-karazany, fa mamela antsika kosa hahatakatra ny fomba fijerin’ny olona iray hafa amin’ny fomba izay hampitombo ny fahatakarantsika ny zavatra ilain’ny mpianatra tsirairay, izay mampitombo ny finoana an’i Jesoa Kristy avy eo.

Mandritra ny fanomanana lesona dia afaka misaintsaina ireo fahamarinana mandrakizay ny mpampianatra rehefa miato kely, misaintsaina ary mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?

  • Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro noho ny toe-javatra iainan’izy ireo?

Eo am-pifantohana amin’ny fanehoan-kevitra ataon’ny mpianatra iray na ny fanontaniana apetrany mandritra ny fotoam-pianarana na ao anatina fifanakalozan-kevitra, dia afaka manontany tena ireo mpampianatra hoe:

  • “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?”

  • “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Ireo fanontaniana ireo dia afaka manasa ny Fanahy masina sy manasa ny fanahin’ny fahaiza-manavaka sy ny fitiavana ary ny fahaiza-miombom-pihetseham-po tahaka ny an’i Kristy ao anatin’ny fifanakalozana ataontsika. Izany dia afaka manampy antsika ihany koa hisoroka ny fanehoan-kevitra manilikilika na mitsara na miaro tena manoloana ny mpianatra. Afaka manampy antsika izy ireny mba hampianatra fahamarinana amin’ny fomba izay afaka mitahy ilay kilasy sy manampy ny hafa hanorina finoana an’i Jesoa Kristy.

Lamina hakan-tahaka (mandritra ny fanomanana ny lesona)

Eo am-panomanako lesona mikasika ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy Masina dia misaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto aho: “Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?” sy “Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro satria tsy mifanaraka tsara amin’io fotopampianarana io ny toe-javatra iainan’izy ireo?

Dia mamaly aho hoe: “Mety manana mpianatra aho izay mahatsapa fa tsy mbola nandray fitarihan’ny Fanahy mihitsy teo aloha, na tsy mahatsapa fa miresaka amin’izy ireo ny Fanahy Masina. Mety manana mpianatra vitsivitsy aho izay mahatsapa fa tsy mendrika izy ireo. Mety hisy fotoana ireo mpianatro tsy hahazo antoka hoe avy amin’ny Fanahy Masina ve ilay bitsika sa tsia. Mety hisy mpianatra reraka mihaino tantara avy amin’ny hafa mikasika ny fanarahana ny Fanahy satria toa diso mahagaga loatra foana izany ary tsy mitranga amin’izy ireo mihitsy izany.”

Mampihatra (mandritra ny fanomanana ny lesona)

Rehefa manomana lesona momba ny 1 Nefia 3:7: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo” dia:

  • Saintsaino sy valio ny hoe: “Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?” sy “Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro satria tsy mifanaraka tsara amin’io fotopampianarana io ny toe-javatra iainan’izy ireo?”

Eo am-panomanana lesona momba ny maha-lahy na ny maha-vavy izay toetra fototra iray mamaritra ny maha-isika antsika sy ny tanjontsika mandrakizay ao amin’ilay lesona mitondra ny lohateny hoe “Ny maha-lahy na maha-vavy sy ny maha-izy azy mandrakizay” dia:

  • Saintsaino sy valio ny hoe: “Ahoana no mety hanefen’ny zavatra iainan’ireo mpianatro sy ny fifandraisany aman’olona ny fomba ieritreretany sy ahatsapany ary iainany ireo fahamarinana ireo?” sy “Rehefa mandalina ity fahamarinana ity izahay, dia mety hisy hahatsapa ho voailikilika na manana olana, na malahelo ve amin’ireo mpianatro satria tsy mifanaraka tsara amin’io fotopampianarana io ny toe-javatra iainan’izy ireo?”

Lamina hakan-tahaka (mandritra ny fotoam-pianarana)

  • Rehefa mifanakalo hevitra mikasika ny fotopampianaran’ny andro Sabata dia mizara hevitra ny mpianatra iray hoe: “Tia mijery hetsika ara-panatanjahan-tena ny fianakaviako rehefa alahady.” Rehefa mifantoka amin’ny fanehoan-kevitra nataon’ilay mpianatrao ianao dia mieritreritra hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” na “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Mampihatra (mandritra ny fotoam-pianarana)

Eo am-piresahana mikasika ny asa fitoriana dia manontany ny mpianatra iray hoe: “Inona no maha-zava-dehibe an’ilay hoe tokony hanao asa fitoriana ny zatovolahy tsirairay?”

  • Mieritrereta mangina hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” sy hoe “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Mandritra ny fifanakalozan-kevitra iray momba ny mpaminany sy ny fanambarana dia manontany ny mpianatra iray hoe: “Rahoviana ny Fiangonana vao hanova ireo fitsipika mifehy ao anatiny mba hitovy amin’ny an’izao tontolo izao?”

  • Mieritrereta mangina hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” sy hoe “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?”

Tsindrio eto raha hijery horonan-tsary maneho io lamina hakan-tahaka io.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no ianaranao momba ny fampianarana ny fahamarinana amim-pahaizana miombom-pihetseham-po rehefa manao fanazaran-tena mamantatra ny petra-kevitry ny mpianatra ianao mialoha sy mandritra ny fotoam-pianarana?

  • Ahoana no ahafahan’io fanazaran-tena io manampy anao hampianatra tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

Mampiditra fahalalana

Misafidiana iray amin’ireo fanazaran-tena etsy ambony mba hifantohana ao anatin’ireo herinandro roa manaraka. Manaova drafitra mikasika ny fomba hanohizanao mampihatra ireo fahaiza-manao ireo. Ohatra:

  • Ho an’ny fahamarinana tsirairay omaninao dia afaka misafidy ny hanokana dimy minitra ianao mba hiatoana kely, hisaintsainana ary hamaliana ireo fanontaniana izay manampy anao hamantatra ny petra-kevitry ny mpianatra iray.

  • Alohan’ny fotoam-pianarana dia misafidiana mpianatra iray ary eritrereto ny fanehoan-kevitra na fanontaniana iray izay mety hananany mikasika ny fahamarinana tsirairay. Avy eo dia mieritrereta mangina hoe: “Inona no mety ho zavatra iainana na fifandraisana aman’olona ananan’ity mpianatra ity ka mety mahatonga azy hanana fomba fisainana hafa amin’ny ahy?” sy hoe “Inona koa no tokony ho fantatro mba hahatakarako tanteraka ny fomba fijeriny?” Izany fomba izany dia hanampy anao hanao izany mandritra ny fotoam-pianarana rehefa mifantoka amin’ireo fanehoan-kevitra sy fanontaniana napetraky ny mpianatra ianao.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Fahaiza-manao

Katsaho ny hanazava sy hahatakatra ny finiavana marina fonosin’ny fanontaniana sy ny fahatsapana ary ny zavatra inoan’ireo mpianatra.

Sary
Lehilahy mampianatra mpianatra

Ity fampiofanana ity dia mamelabelatra ny faharoa amin’ireo fahaiza-manao anankitelo mifandray izay hanampy antsika hahatakatra fa mety hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay amin’ny fomba fisainana hafa noho ny antsika ireo mpianatra. Rehefa mahatakatra kokoa ny fomba fijerin’ireo mpianatsika isika, dia hitombo kokoa ny fahaizantsika maneho fihetsika feno fitiavana sy fahatakarana rehefa manampy azy ireo hanorina finoana an’i Jesoa Kristy isika. Ireo fampiofanana ireo dia afaka ihany koa manampy antsika hivoatra amin’ireo dingana voalohany amin’ny famaliana ireo fanontaniana sarotra apetraky ny mpianatra. Ho tafiditra ao anatin’ireo fampiofanana ireo ny:

  1. Famantarana ny petra-kevitry ny mpianatra iray amin’ny alalan’ny fiatoana kely, ny fisaintsainana ary ny famaliana ireo fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika mandritra ny fanomanantsika lesona sy mandritra ny fotoana ifantohantsika amin’ireo hevitra nozarain’ny mpianatra na ny fanontanian’izy ireo tao an-dakilasy.

  2. Fikatsahana hanazava sy hahatakatra ny finiavana marina fonosin’ny fanontaniana sy ny fahatsapana ary ny zavatra inoan’ny mpianatra iray.

  3. Fanampiana ny mpianatra handinika sy hanova ny petra-kevitr’izy ireo amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Mamaritra

Tafiditra ao anatin’ny fikatsahana hanazava sy hahatakatra ny finiavana marina fonosin’ny fanontaniana sy ny fahatsapana ary ny zavatra inoan’ny mpianatra iray ny fahafantarana misimisy kokoa momba ny zavatra niainana, ny toe-javatra iainana, na ny fahatsapana izay nanosika ilay fanontaniana. Rehefa avy nizara fanontaniana, fahatsapana, na zavatra inoana iray ny mpianatra iray dia afaka misaotra azy ianao noho ny zavatra nozarainy ianao, ary avy eo dia manontany raha toa ilay mpianatra ka vonona ny hamaly ireo fanontaniana fanombanana fahatakarana. Raha mandà ilay mpianatra dia omeo toky izy hoe tsy maninona izany, dia ilay fanontaniana na teny nambara tany am-boalohany no resaho. Raha manaiky ilay mpianatra dia mametraha fanontaniana fanombanana fahatakarana izay manasa ilay mpianatra hizara zavatra bebe kokoa momba ny antony nahatonga ilay fanontaniana na ilay teny nambara. Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao sy ny hafa ao amin’ny kilasinao mba hifankahazo resaka kokoa sy hamaly amim-pangorahana sy amim-pitiavana.

Lamina hakan-tahaka

  1. Eo am-pampianaran-dRahavavy Garnier momba ny fisoronana ao amin’ny soratra masina no misy mpianatra iray manontany hoe: “Nahoana ny lehilahy mainty hoditra no tsy navela hihazona ny fisoronana raha tsy tamin’ny taona 1978?”

    • Rahavavy Garnier: Misaotra anao nanontany izany. Fanontaniana efa noeritreretin’ny maro amintsika izany. Azoko hametrahana fanontaniana vitsivitsy hampitomboana ny fahatakarana ve ianao?

    • Mpianatra: Tsy maninona ka!

    • Rahavavy Garnier: Inona no nahatonga anao hametraka izany fanontaniana izany?

  2. Eo am-pampianaran-dRahalahy Monet momba ny fisoronana ao amin’ny soratra masina no misy mpianatra iray manontany hoe: “Nahoana ny lehilahy mainty hoditra no tsy navela hihazona ny fisoronana raha tsy tamin’ny taona 1978?”

    • Rahalahy Monet: Misaotra anao nanontany izany. Fanontaniana efa noeritreretin’ny maro amintsika izany. Azoko hametrahana fanontaniana vitsivitsy hampitomboana ny fahatakarana ve ianao?

    • Mpianatra: Tsia.

    • Rahalahy Monet: Tsy maninona izany. Faly aho fa nanontany izany ianao. Andao ary horesahantsika ilay fanontaniana.

Ohatra hafa amin’ny fanontaniana fanombanana fahatakarana izay azonao apetraka:

  • Ankasitrahako ny fahavononanao hizara izany aminay. Misy zavatra niainana na toe-javatra nahatonga izany [fanontaniana, eritreritra, zavatra inoana] izany ve?

  • Misaotra anao nanontany. Azonao lazaina ahy misimisy kokoa ve ny nahatonga izany fanontaniana izany?

  • Misaotra anao nanontany. Afaka manampy ahy ve ianao mba hahatakatra ny antony nahatonga izany fanontaniana izany na nahatonga anao te hahafantatra izany?

Manazatra tena

Katsaho ny hahatakatra sy hahazo fanazavana mikasika ny antony nahatonga ny fanontaniana, fahatsapana, na zavatra inoana ao anatin’ireto toe-javatra iainana manaraka ireto:

  1. Mandritra ny lesona iray momba ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay tendrin’ Andriamanitra, dia manontany ny mpianatra iray hoe: “Fa maninona isika no tsy tia ireo olona ao anatin’ny fiaraha-monina LGBTQ? Fa maninona izy ireo no tsy afaka mivady raha mifankatia?

  2. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra iray momba ny asa fitoriana dia mizara izao ny mpianatra iray: “Amiko dia tsy manan-tsafidy ny zatovolahy hoe handeha hanao asa fitoriana na tsia, fa ny zatovovavy anefa dia manan-tsafidy.”

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Nahoana isika, araka ny hevitrao, no tokony haka fotoana mba hahatakarana mazava tsara ny zavatra zarain’ny mpianatra? Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny ezaka ataontsika mba hahatakatra ny finiavana marina ananan’ny mpianatra iray manova ny zavatra iainana ao an-dakilasy? Ahoana no hanampian’ny fahatakarantsika ny finiavana marina ananan’ny mpianatra antsika hampifandray azy amin’i Kristy?

Mampiditra fahalalana

  • Rehefa ao an-dakilasy dia henoy tsara ny zavatra zarain’ny mpianatra ary eritrereto tsara hoe inona amin’izay lazainy no ilanao fanazavana misimisy kokoa. Rehefa avy misaotra ilay mpianatra nametraka fanontaniana ianao dia mametraha fanontaniana hampitomboana ny fahatakarana mba hamelana ilay mpianatra hanazava.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Asking Follow-Up Questions” (horonan-tsary), ChurchofJesusChrist.org

  • Randall L. Ridd, “Living with Real Intent [Miaina omban’ny tena finiavana],” Ensign, Oct. 2015, 12–15

Hamoaka printy