Tsy hoe efa tonga amin’izao dingana lavitra izao isika vao hijanona
Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2020
Talata 9 jona 2020
Mahafinaritra ny tafiaraka eto anio hariva. Manantena izahay fa ianareo sy ny fianakavianareo dia salama sy voaro. Mandritra ity taona ity isika dia mankalaza ny faha-200 taona nitsingerenan’ny Fahitana Voalohany. Feno fankasitrahana aho noho i Joseph Smith sy ny ohatra amin’ny finoana sy faniriana hahafantatra ny fahamarinana nasehony, ary velom-pisaorana aho fa ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia tena tia antsika ka namaly ny vavaka feno fanetrentena natolotr’i Joseph. Samy nahatsapa ny herin’ireo teny ao amin’ilay hira “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah” isika rehefa nihira izany. 1 Ampiako tsotra fotsiny hoe dera ho an’i Jehovah noho ny firesahany indray amin’ny olombelona. Tena mankasitraka ny zavatra tena nisy niainan’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely Masina aho.
Taorian’ny fahitany dia niverina tany an-tranony i Joseph ka nihaona tamin-dreniny ary nilaza taminy hoe, “Milamina ny zava-drehetra. … Ny tenako manokana dia nianatra.”2 Ny lamina narahan’i Joseph tamin’ny fikarohana fahamarinana dia ny lamina tsy maintsy arahan’ny mpianatsika ihany. Ary tahaka ilay hoe nanampy an’i Joseph hianatra mivantana ny zavatra niainany, ny fanantenantsika dia ny hianaran’ny mpianatsika rehetra mivantana ny hoe mahafantatra sy tia azy ireo ny Ray any An-danitra, fa i Jesoa no Kristy, ary Izy no lohan’ny Fiangonany amin’izao andro farany izao.
Hatrany am-piandohan’ny Seminera sy Institiota dia betsaka no voalaza mikasika ny fampianarana sy ny fianarana. Nanomboka tany amin’ireny Charted Course (Tari-dalana ho an’ny lalan-kaleha) ireny ka hatramin’ny Principes fondamentaux de l’enseignement et de l’apprentissage de l’Évangile amin’izao fotoana izao dia nanampy antsika hampianatra am-pahombiazana ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny araka ny ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ireo fitarihana nentanim-panahy noraisintsika ireo. Tsy tokony hisitaka amin’ireny fototra ireny mihitsy isika. Saingy tsy tokony hatahotra hianatra zava-baovao na hanatevina ny fahatakarantsika ny fomba tsara indrindra hanampiana ny mpianatsika hianatra mivantana ihany koa anefa isika.
Feno fankasitrahana aho noho ny fivoarana ataontsika. Tsapako fa mitovitovy amin’ny hoe miara-mihanika tendrombohitra isika. Tsy ho tonga amin’izao toerana misy antsika izao isika raha tsy teo ny traikefa sy ny fanambarana tamin’ny lasa, saingy tsy tokony ho afa-po isika ka tsy hiraharaha firy intsony ary hitsahatra amin’ny fanakarana ny any ambony. Ny fehezan-teny tonga ao an-tsaina dia ny voalazan’ny Loholona Jeffrey R. Holland tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo hoe: “Tsy hoe efa tonga amin’izao dingana lavitra izao [isika] vao hijanona” [Judith Mahlangu (fihaonambe niarahan’ireo tsatòka nitambatra nanodidina an’i Johannesbourg, Afrika Atsimo, 10 nôv. 2019), ao amin’ny Sydney Walker, “Elder Holland Visits Southeast Africa during ‘Remarkable Time of Growth,’” Church News, Nov. 27, 2019, thechurchnews.com].3 Eny antsasa-dalan’ny tendrombohitra isika ary ny Tompo dia vonona ny hanome misimisy kokoa ho antsika.
Noho izany dia nanasa antsika ny Loholona Kim B. Clark tsy handinika ny zavatra ampianarina sy ny fomba hampianarana fotsiny ihany fa ny fomba hahafahantsika mifantoka amin’ny mpandray fampianarana misimisy kokoa ihany koa ary ny dingana sy vokatra avy amin’ny fianarana. Nanasa antsika izy hanontany tena hoe: “Inona no zavatra iainana ilain’ny mpianatro mba hahafahana mampitombo ny hery sy ny fahafahany mianatra lalindalina kokoa?” Eo anatrehan’ny zava-bitantsika miavaka sy ny fitarihana azontsika vao tsy ela dia mety hanontany isika hoe, “Inona no azontsika atao mba hifototra bebe kokoa hatrany amin’i Kristy ary mba hifantoka amin’ireo mpandray fampianarana?”
Nanome ohatra miavaka ny amin’ny hoe mifantoka amin’ny mpandray fampianarana ny Loholona David A. Bednar tamin’ny Takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony farany teo. Mazava tsara fa ny tanjony tamin’izay dia tsy ny hiteny zavatra ho antsika fa ny hianarantsika zavatra kosa. Nametraka fanontaniana sy nandinika izy ary nihaino mba haka antoka fa nahatakatra isika. Nampianatra antsika koa izy ny amin’ny fomba hiatrehana ny fampianarana rehefa nilaza hoe: “Aza mieritreritra hoe -Inona no holazaiko azy ireo?- fa mifantoha kosa amin’ny hoe -Inona no hanontaniako azy ireo?- Ary tsy ny hoe -Inona no hanontaniako azy ireo?- fotsiny fa ny hoe -Inona no zavatra anasako azy ireo mba hataony?- ihany koa.”4
I Jacob Neusener izay profesora sy rabbin fanta-daza dia nilaza hoe, “Ny mpampianatra mahay dia tsy mampianatra. Fa manampy ny mpianatra hianatra.” Azo antoka fa hahasoa ny roa tonta rehefa misy ny fampiarana sy ny fianarana mahomby. Mieritreritra aho anefa fa ny zavatra voalazan’ny Profesora Neusener dia mandroso ny tokony hivelarantsika rehefa mieritreritra ny dikan’ny hoe fampianarana mahomby sy fifantohana bebe kokoa, tsy amin’ny fitenenana, fa amin’ny fanampiana ireo mpianatsika hiaina zavatra izay hanasa azy ireo hianatra. Ho antsika ny dikan’izany dia ny fanampiana ireo mpianatsika hiaina ny fijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana sy ny fitiavan’ Andriamanitra ho azy ireo. Midika izany fa mamorona tontolo izay ahazoan’izy ireo aina hametrahana fanontaniana, sy hahitana fahamarinana, hampifandraisana fotopampianarana, hihainoana fijoroana ho vavolombelona avy amin’ireo hafa mitovy aminy, ary handinihana sy hilazana ny zavatra ao an-tsainy, ny fahatsapany, ary ny fahamarinana ianarany isika. Midika izany fa mamorona zavatra iainana hanentana azy ireo hiaina ny filazantsara ary hahafantatra ny fomba hanaovan-javatra amim-pinoana, hianatra avy amin’ny fahadisoana natao, ary hiezaka indray miaraka amin’ny fanantenana ao amin’i Kristy isika. Amin’izany fomba izany no hianaran’izy ireo mivantana.
Mba hahatakarana feno kokoa ny zavatra iainan’ny mpianatra rehefa tafaraka amintsika dia nanapa-kevitra izahay fa ny zavatra tsara indrindra azonay natao dia ny manontany azy ireo. Niresaka tamina tanora an’arivony avy amin’ny kaontinanta efatra ny ekipa ana mpikaroka iray. Sady nihaona tamin’ireo izay manatrika fotoam-pianarana izy ireo no nihaona ihany koa tamin’ireo izay mbola tsy nisoratra anarana. Rehefa niasa izahay hamintina ireo tahirin-kevitra betsaka dia betsaka voaray dia navondronay ho ao anaty sokajy anakintelo ireo valin-teny azo.
Ny sokajy voalohany dia nantsoinay hoe “Fiovam-po.” Nilaza taminay ireo zatovo sy tanora fa mitady sy mila zavatra iainana hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hanamafy ny fifandraisan’izy ireo Aminy izy ireo. Te-hampitombo ny finoan’izy ireo sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny mba ho lalindalina kokoa izy ireo. Mazava ho azy fa izany mihitsy no iriantsika ho azy ireo.
Ny vaovao tsara dia ny hoe manampy ny hitrangan’izany ireo kilasintsika araka ny zavatra asehon’ilay fikarohana natao. Ireo izay manatrika sy mirotsaka tsy tapaka amin’ireo fahafahana hianatra dia mampatanjaka be ny fijoroany ho vavolombelona ary mampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy. Izany no iray amin’ireo antony maro aniriantsika ny hanasa tanora betsaka kokoa mba handray anjara. Rehefa mianatra miaraka aminareo izy ireo dia hitombo ny finoany sy ny fijoroana ho vavolombelona ananany.
Misaotra anareo amin’ny zavatra rehetra ataonareo mba hanampiana azy ireo hampitombo ny fiovam-pony ho lalindalina kokoa. Nahavita ezaka betsaka isika teo am-pirobohantsika tao amin’ireo fitsipiky ny fampianarana izay hanampy ireo mpianatsika hianatra lalindalina kokoa. Ary mino aho fa mbola vonona hatrany ny hampianatra antsika ny Tompo rehefa mangataka ny fitarihany isika. Eo am-pisaintsainanareo ny fahafahana misy dia moa ve ianareo handinika ombam-bavaka ireo traikefa izay ilain’ny mpianatra mba hampitomboana ny herin’izy ireo sy ny fahaizany mahatakatra ny drafitra sy ny fampianaran’ny Ray any An-danitra ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? Diniho hoe ahoana no ahafahanareo manampy azy ireo hikatsaka sy hamantatra ary handray andraikitra eo anatrehan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina ary avy eo hampihatra finoana sy hibebaka ary hanao sy hitandrina fanekempihavanana. Amin’ny farany ny fanantenantsika dia ny hoe hanampy azy ireo ny traikefany hahafantatra sy hitia an’i Jesoa Kristy ary hiezaka ny ho lasa tahaka Azy.
Ny sokajy faharoa avy amin’ny fihainoana ireo izay nandray anjara tamin’ilay fikarohana dia nantsoinay hoe “Manan-danja amin’ny fitomboan’ny tena manokana amin’ny lafiny ara-panahy.” Ireo izay nohadihadiana dia naneho ny fahatsapany fa manan-danja ireo fotoam-pianarana rehefa manaiky sy manome lanja ny fahasamihafan’ny toe-javatra sy ny foto-piavian’ny mpianatra ireo mpampianatra ka mampifanaraka ny traikefa amin’ny fianarana mba hitondra ny zavatra ilain’ny isam-batan’olona. Naneho izy ireo ny ilana tontolo hahafahana mametraka fanontaniana amin-kitsimpo momba ny fotopampianarana, ny tantaran’ny Fiangonana, ary ireo olana ara-piarahamonina manan-danja amin’izy ireo. Tsy maniry ny hiady hevitra momba ireo zavatra ireo izy ireo. Fa tena manana fanontaniana izy ireo ary mila toerana azo antoka, anjakan’ny finoana, ary ahafahana misokatra mba hanadihadiana ireo fanontaniana ireo. Izy ireo dia mila mpampianatra mamaly ny fanontaniany tsy amim-pinoana ihany fa amim-pahatsorana sy amin’ny fangoraham-po ihany koa. Te-hianatra ny fomba hianarana sy hahatongavana ho mizaka tena ara-panahy ihany koa izy ireo. Te-hampitombo ireo fahaiza-manao hanampy azy ireo hamakafaka foto-kevitra sy hametraka izany ao amin’ny sahan-kevitry ny mandrakizay izy ireo. Te-hahazo fanampiana izy ireo mba hahafahany matoky tena kokoa amin’ny fahaizany manazava ireo fitsipiky ny filazantsara sy ireo fenitry ny Fiangonana amin’ny hafa. Ary te-hampitombo ireo fahaiza-manao mba hampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny olana amin’ny andavanan’andro izy ireo.
Ny zavatra voalazan’ireo mpianatra taminay fa irian’izy ireo sy ilain’izy ireo dia mifanojo amin’ny tari-dalana azontsika tamin’ny taon-dasa avy tamin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Nampahatsiahy antsika izy fa “ny mpianatra dia tsy fitoeran-javatra hofenoina. Fa ny mpianatra dia afo ilaina arehitra.”5
Ny andraikitsika amin’ny maha-mpampianatra antsika dia ny hanampy ireo mpianatra hikolokolo faniriana hianatra sy handray fanambarana ho an’ny tena manokana ary hahita sy hahatakatra ary hiaina ny fahamarinana izay azon’izy ireo manokana. Fa tsy ny hanome ny fahalalana azontsika avy tamin’ny fandalinana sy ny traikefantsika manokana fotsiny. Ary tsy maintsy mahatsiaro isika fa izay toa manan-danja amintsika dia mety tsy dia hanan-danja firy amin’ireo mpianatsika, izy ireo izay ao anaty dingana samy hafa eo amin’ny fiainany. Noho izany dia tena mila mihaino azy ireo isika, mandinika tsara, ary mivavaka mba hahazo fahaiza-manavaka.
Indrisy anefa fa zatovo sy olon-dehibe tanora maro, indrindra fa ireo izay tsy manatrika, no mahatsapa fa ireo fotoam-pianarantsika dia tsy manan-danja loatra. Mino izy ireo fa sahiran-tsaina kokoa amin’ny famitana ny lesona nomanintsika isika mihoatra noho ny fitondrana izay zavatra tena ilain’izy ireo. Ny lesontsika hoy izy ireo dia mifantoka matetika loatra amin’ny zavatra tonga lafatra ka tsy mijery loatra ny zava-misy eo amin’ny fiainan’izy ireo na mamaly ny fanontanian’izy ireo.
Ohatra, alaivo sary an-tsaina ny mpampianatra institiota iray miresadresaka momba ny fotopampianaran’ny fanambadiana selestialy, izay lohahevitra heveriny fa tena hanan-danja amin’ireo tanora tokan-tena. Ireo mpianatra ao an-dakilasy dia efa mino ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana any amin’ny tempoly, saingy misy ireo sasany izay tsy mbola mahalala loatra ny fomba hampiharana ilay fotopampianarana eo amin’ny fiainany. Ny sasany dia matahotra satria avy amina tokantrano rava no iaviany ka tsy azony antoka hoe afaka ny hahomby aminy ve ny fanambadiana. Ny hafa dia manontany tena hoe afaka hahavita ny hanambady sy hanangana fianakaviana ve izy noho ny lafiny ara-bola. Ny hafa dia manontany tena hoe afaka ny hahazo an’izany fahafahana izany ve izy. Ary ny hafa kosa dia mitolona amin’ny fifanintonan’ny samy lahy na samy vavy ka manontany tena hoe manana ny toerany ao amin’ny Fiangonana ve izy. Mizotra araka ny nanomanana azy ny lesona saingy tsy mamela ny fandraisana anjara manan-danja avy amin’ny mpianatra. Mahatsapa ilay mpampianatra fa noho ilay lohahevitra dia nifandray tamin’ireo mpianatra tamin’ny fomba tsara izy. Raha ny marina anefa, na dia nampianarina aza ny fotopampianarana, dia tsy natao tamin’ny fomba izay niheverana ny fanahian’ny mpianatra izany, na nitondrana ny zavatra ilain’izy ireo, na nikasihana ny tena zava-misy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy nararaotina ny fahafahana iray hanampiana azy ireo hahita ny lanjan’ny fotopampianarana ao amin’ny toe-javatra manokana misy azy ireo.
Ny mpampianatra izay miraharaha ny fivoarana ara-panahin’ny mpianany dia vonona ny hanatona azy ireo ao amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Manome azy ireo fanantenana izy ary manampy azy ireo hahita ny fomba ahafahan’ny fiainana ny filazantsara manampy azy ireo sy mampandroso azy ireo mankamin’ny tanjon’izy ireo faratampony. Manampy azy ireo hampitombo fatokisan-tena izy ny amin’ny hoe tena mitondra ny valin’ireo fanontanian’ny fanahy tokoa ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny maha-zava-dehibe sy ny lanjan’ny filazantsara eo amin’ny fiainany dia moa ve ianareo handinika ombam-bavaka ny fomba hamporisihana ny mpianatsika hametraka fanontaniana avy amin’ny fo ary hizara ny fahatakarany sy ny fomba fijeriny? Mila matoky izy ireo fa ianareo dia mahafantatra sy mahazo an-tsaina ny mahazo azy ireo, ary vonona ny hampifanaraka ny fampianarana araka ny zavatra ilain’izy ireo. Ataovy izay hitondrana zavatra iainana hanentana azy ireo handalina ny soratra masina isan’andro ary hitodika amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany maoderina mba hahazoana fitarihana. Ampio izy ireo hianatra ny fahaizana sy ny fomba fahazoana fahalalana ara-panahy mba hahafahan’izy ireo mianatra manokana.
Ny sokajy fahatelo izay lasa takatray avy amin’ny fihainoana ireo mpianatsika ary indrindra indrindra ireo izay tsy manatrika dia mandroso fa izy ireo dia maniry sy mila antsika mamorona tontolo hahatsapana ho tsy vahiny. Lasa mahatsapa ho tamana izy ireo amin’ny alalan’ny fifandraisana sy fiarahana amin’ny Raintsika any An-danitra, sy amin’ny mpampianatra, ary amin’ny mpianatra hafa ao an-dakilasy. Lasa tamana izy ireo rehefa misy tontolo hahatsapan’ny rehetra ho voaray tsara, voatohana, ilaina, ary omen-danja. Ny fahatsapana ho tamana dia mitombo ihany koa rehefa mahatsiaro ny mpianatra fa mandray anjara amina tanjona manan-danja izy ireo.
Te hisaotra anareo indray aho. Tena ankasitrahako tokoa ny nasetrinareo an’ilay fampiofanana hoe “Mijery ny tsirairay” ary ny ezaka ataon’ny isam-batan’olona mba hanampy ny mpianatra tsirairay hahatsapa ho tiavina sy hajaina. Mila manohy ireo ezaka ireo isika satria betsaka amin’ireo izay tsy misoratra anarana ankehitriny no mbola mahatsiaro tsy manana ny toerany. Betsaka amin’izy ireo no nanao tatitra fa ireo kilasin’ny seminera sy institiota dia natao ho an’ireo izay heverin’izy ireo fa Olomasin’ny Andro Farany tonga lafatra tsy mbola nanana olana sy fanontaniana mihitsy ihany. Izany fiheverana diso izany dia mahatonga azy ireo hino fa tsy manana ny toerany izy ireo. Ny sasany ary dia mahatsapa mihitsy fa raha toa ka mametraka fanontaniana amin-kitsimpo na mizara ny fijeriny amim-pahatsorana izy dia hotsaraina na hatao hoe tsy mahatoky. Nilaza koa izy ireo fa mety hanatrika ihany izy ireo raha toa izany ka toerana izay handraisana tsara ny rehetra na inona na inona finoana ao anaty na endrika isehoana ivelany.
Vao tsy ela ny Rahalahy Linford no nahita zatovovavy iray nijoro teo ivelan’ny iray amin’ireo trano fianarantsika. Nampahafantatra ny tenany izy ary nanontany raha toa ka efa nisoratra anarana tao amina kilasy iray izy. Novaliany fa mpikamban’ny Fiangonana izy ary mahafantatra momba ny institiota saingy tsy manatrika izany. Nampiany hoe: “Raha mahafantatra ny momba ahy sy ny lasako ianareo dia hahafantatra fa tsy hanana ny toerako ao aho. Tsy misy toerana ho ahy ao.” Soa ihany fa nanaiky ny fanasan-dRahalahy Linford handroso io zatovovavy io, toerana izay nandraisana azy tamin-kafanana tokoa. Nisoratra anarana tamina kilasy iray izy ary tonga dia nanomboka nanatrika avy hatrany. Fa manontany tena aho hoe firy izay ireo tanora an-jatony, na an’arivony mihitsy aza, nijoro teny ivelan’ny trano fianarantsika, izay ny zavatra atolotry ny kilasintsika mihitsy no nilainy, saingy matahotra ny tsy hanana ny toerany ao?
Tsy vitan’ny hoe mila ny zavatra atolotsika fotsiny izy ireo fa ilaintsika koa izy ireo. Ny mpampianatra izay mamorona tontolo mahatamana dia tena manaiky fa ny mpianatra tsirairay dia manana anjara biriky hoentina mba hahatonga ny fotoam-pianarana ho traikefa tsaratsara kokoa.
Nahita ohatra tena mahafinaritra ny amin’izany aho rehefa nihaona tamina zatovolahy iray tao amin’ny kilasin-dRahalahy Andre. I Michael dia nody talohan’ny fotoana tamin’ny asa fitoriana nataony noho ny antony ara-pahasalamana. Raha niomana hiverina izy dia voadonan’ny fiarakodia ka tapaka ny taolany maro, ary tany amin’ny hôpitaly izy nandritra ny fotoana naharitra. Rehefa nivoaka ny hôpitaly izy dia nilavo lefona tamin’ny nofiny hoe hamita ny asa fitoriana. Tafalatsaka tany amin’ny fanatanjahantena mampidi-doza izy ary niala tsikelikely tamin’ny Fiangonana. Indray andro izy dia irery ka nanapa-kevitra ny hiampita tsy an-kisy fiarovana sy fitaovana ny hantsana be iray. Rehefa tafapita izy dia te hihorakoraka sy hankalaza izany saingy rehefa nijery ny tao ambany izy dia tonga saina fa raha latsaka teo izy dia ho namoy ny ainy.
Tamin’io fotoana io izy dia nanomboka nieritreritra momba ny reniny sy ny zandriny vavy ary ny halahelo be izay ho nananan’izy ireo raha maty teo izy. Ny eritreriny manaraka dia nanoloana ny Mpamonjy sy ny zava-drehetra nataony ho azy, ary dia nameno ny fony ny Fanahy. Niala an’ilay harambato izy ary nanomboka ny dia niverina ho ao amin’ny Fiangonana. Lasa nahatakatra amin’ny fomba tena mahavariana ny famindram-po sy ny fitiavana ary ny herin’ny Mpamonjy mba hanavotra antsika izy.
Taty aoriana dia teny amin’ny tora-pasika i Michael nahatsiaro ny nanatrehany institiota talohan’ny asa fitoriana tamin’ny fotoana feno. Tonga dia niala avy hatrany teo amin’ilay tora-pasika izy nankany amin’ny trano fianarana institiota ka tonga minitra vitsy mialoha ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana. Tamin’io fotoana io Rahalahy Andre dia tsy nahalala ny ankamaroan’ny zavatra izay nozaraiko taminareo. Ny zavatra fantany dia ny hoe nila teo i Michael ary betsaka ny zavatra azony natolotra. Nanasa an’i Michael mba hijanona Rahalahy Andre saingy nahatsapa i Michael fa mety tsy handray azy tsara ny olona. Akanjo filomanosana no nanaovany ary ankanjo ambony maivana mampiseho ny sandriny izay nahitana tombokavatsa nanomboka ny hatotanany ka hatramin’ny vozony. Nilaza izy fa naleony aloha hisolo akanjo ary hanao akanjo lava tanana mialoha ny hidirana ao an-dakilasy. Ny zavatra navalin-dRahalahy Andre dia hoe, “Tsisy hahatsikaritra akory izany.” Nijanona i Michael. Saingy rehefa tonga ireo mpianatra hafa dia tsy nisy nipetraka teo akaikiny. Taorian’ny fotoam-bavaka fanokafana dia nangataka an’i Michael Rahalahy Andre handroso eny anoloana mba hampahafantarana ny tenany amin’ny rehetra. Noteneniny ireo mpianatra hafa fa tiany i Michael, fa i Michael dia olona tsara ary manana zavatra betsaka hatolotra. Avy eo dia nangatahany i Michael hizara ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Niaraka tamin’ny ranomaso i Michael no niresaka momba ny fitiavan’ Andriamanitra, ny hatsaram-panahiny sy ny fangoraham-pony ary ny fahavononany hamela heloka. Ny rehetra izay nanatrika tamin’io andro io dia notahian’ny fijoroana ho vavolombelon’i Michael.
Nahita zavatra izay mety tsy hitan’ny hafa tao amin’i Michael Rahalahy Andre. Amin’ny maha-mpampianatra azy dia nomeny lanja ny foto-piaviana sy ny toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainana, ary nahatakatra izy fa ny tsirairay dia manana zavatra atolotra. Noho izany dia nampisy zavatra iainana izay mamela ny mpianany hifankahery izy avy amin’ny faniriana iombonana ananan’izy ireo mba hahazo ny fiadanana sy fanasitranana ary fahasoavan’ny Mpamonjy. Zavatra nisongadina iray hafa no nitranga taorian’ny fotoam-pianarana rehefa hitako ny mpianatra maro nanodidina an’i Michael mba handray azy tsara sy haka antoka ny fahafantarany fa nilaina izy.
Araka ny voalazako teo aloha, ny ampahany iray hafa amin’ny famoronana tontolo mahatamana dia ny mirotsaka ao amin’ny tanjona manan-danja iray. Ireo mpianatsika dia manam-paniriana handray anjara amina tanjona manasoa ny mpiara-belona amin’izy ireo ary hampisondrotra ny hafa mba hanana fiainana feno hasina, fitovian-jo, ary fahafahana hivoatra. Amin’ny ankapobeny dia tsy ampifandraisin’izy ireo amin’ny tanjona toy izany ny zavatra ianaran’izy ireo na ny fahafahana omena azy ireo. Ary na dia ny tanjona ao amin’i Kristy sy ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly aza no tanjona lehibe indrindra eto ambonin’ny tany, dia tsy mampifandray ny zavatra iainany ao amin’ny seminera sy institiota amin’izany tanjona izany ny ankabeazan’ny olona.
Moa ve ianareo handinika ireo fanovana azo atao ao amin’ny fampianaranareo, ao amin’ny fifaneraseranareo amin’ny hafa, ary ny tontolo ampianarana mba hahatamana kokoa an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra? Ary tsindraindray ianareo dia mety hila hanao lobaka miloko manga mihitsy. Fa ny zava-dehibe indrindra, moa ve ianareo hikatsaka ombam-bavaka ny hitondra zavatra iainana izay hanampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ary hahatsapa ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo sy ny fahafahany ho tonga tahaka an’ Andriamanitra? Ampio izy ireo hahafantatra fa tena miraharaha azy ireo sy mahita ny lanjan’izy ireo manokana ianao. Ampio izy ireo hifandray amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny kilasy ary hahatsapa hoe ilaina sy ao amina tontolo azo antoka. Amporisiho izy ireo hirotsaka ao amin’ny tanjona ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa handroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Rehefa mampisy izany karazana zavatra iainana izany ianareo dia hahafantatra izy ireo fa manana ny toerany izy ireo.
Fantatro tsara fa tsy vitantsika ny manao ireo zavatra rehetra ireo isan’andro. Saingy afaka mieritreritra azy ireo isika rehefa miomana, ao amin’ny fampianarantsika, ary ao amin’ny fifandraisantsika amin’ireo mpianatra. Na mampianatra seminera na institiota, na mivantana na en ligne, na vao maraina be na amin’ny hariva, ny fampiharana ireo fitsipika ireo dia hitahy ny mpianatsika ary hanampy hitondra ny zavatra iainana ilain’izy ireo.
Efa zavatra tsara betsaka no mitranga ary mbola ho avy ny tsara indrindra. Tsarovy fa tsy hoe efa tonga amin’izao dingana lavitra izao indray isika vao hijanona. Fantatro fa rehefa mikatsaka fanambarana amin-kitsimpo isika dia hanampy antsika hahafantatra ny fomba hitahiana ny zanany ny Tompo. Na ny isam-batan’olona izany na isika miaraka, dia vonona ny hanampy antsika hitondra zavatra iainana izay hampitombo ny fiovam-po ho lalindalina kokoa, hanan-danja amin’ny fivoarana ara-panahy manokana, ary hampisy tontolo mahatamana Izy. Vonona ny hanome antsika misimisy kokoa Izy. Enga anie isika hitodika am-pinoana Aminy mba hahafantatra ny fomba hanampiana ireo mpianatsika hianatra mivantana marina, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.