Fampitana fanao isan-taona
Horonan-tsary momba ny seminera ao Matnog, Nosy Filipina


Horonan-tsary momba ny seminera ao Matnog, Nosy Filipina

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2020

Richard Manahan: I Matnog dia anisan’ireo boriborintany ao amin’ny faritan’i Sorsogon. Io no toerana mampitohy an’i Luçon amin’ny faritra Visayas. Raha toa i Matnog ka vavahady hidiran’ny mpandeha an-tapitrisany avy any Luçon mankany Visayas sy ny avy any Visayas mankany Luçon, ny seminera ihany koa dia toy ny vavahady hidiran’ny mpianatra seminera mankany amin’ny fahafahana tsara kokoa eo amin’ny fiainana.

Alex Castidades: Alex Castidades no anarako, mpampianatra seminera sy filoha vaovaon’ny sampana Matnog aho. Tiako ny ho fantatry ny rehetra fa niantomboka tamin’ny mpisoratra anarana 22 ny fandaharanasa seminera tamin’ny taona 2012 ary mitohy mitombo izany hatramin’ity taona ity. Nitombo isan-taona ny fisoratana anarana tato aminay, isan’izany ny fahavitana fianarana.

Richard Manahan: Dia nitohy izany, nanomboka tamin’ny 55 ary mandrak’ankehitriny dia misy mpianatra 110 amin’izao. Raha fehezina dia 100% ny tahan’ny fisoratan’izy ireo anarana. nahavita nampisoratra anarana ny mpianatra rehetra tokony hianatra seminera izy ireo. Nataon’izy ireo izany nanomboka tamin’ny 2015, 2016, 2017, 2018, 2019, saika ho 100% izy rehetra, satria mino izy ireo fa tena afaka manova fiainana ny seminera.

Edilberto Gabelo: Edilberto Gabelo no anarako, avy ao amin’ny Sampana Matnog. Nantsoina ho filohan’ny sampana aho enin-taona lasa izay. Nijery ny rafitra firaketana ny maha-mpikambana anay aho. Hitako ny lisitr’ireo zatovo tokony ho mpianatra seminera. Nisy olana maro satria tsy nisy olona nifantoka tamin’ny seminera. Nanao dinidinika tamin’ireo misiônera niverina aho. Ny Rahalahy Alex no voalohany. Nanolotena izy.

Richard Manahan: Izy ireo no rahalahy sy rahavavy natolotra mba hampianatra seminera. Dia Rahahaly Alex Castidades sy Rahavavy Margie. Teo no tena nanomboka izany, satria hitako fa tena tian’izy ireo ilay fandaharanasa.

Alex Castidades: Tsy afaka nanatrika seminera ny zatovo teo aloha, na ny institiota koa aza. Izany no nitranga satria tsy mpikamban’ny Fiangonana ny fianakavian’izy ireo tamin’ny ankapobeny. Faharoa, satria nipetraka lavitra ny trano fiangonana izy ireo.

Margie Adiong: Amin’ny maha-mpampianatra vaovao ahy dia tsy fantatro ny toetoetran’ilay antsoko hoe mpampianatra seminera. Sarotra be ny nanomboka ilay fandaharanasa, indrindra fa tamin’ny famporisihana ny zatovo. Tsy niraika mihitsy izy ireo tamin’izany.

Edilberto Gabelo: Nila nanana ny fitaoman’ny Fanahy Masina aho. Anisan’izany ny fangatahana ny fitarihan’Andriamanitra mba hahafahana manokatra ny fon’ny zatovo, ary koa ireo ray aman-dreny mba hanome ny fankatoavany sy fahavononany ary fanohanany ny zatovo.

Alex Castidades: Amin’ny naha-mpampianatra seminera ahy tamin’izany dia niaraka tamin’ny fiadidian’ny sampana sy ireo mpitarika rehetra tao amin’ny Fiangonana aho nanao fivoriam-pilankevitra, dia tao no niresahanay izay tokony hatao voalohany. Nanome sosokevitra ny misiônera iray mba hifadian’ny sampana iray manontolo hanina, mba hanampiana ireo izay very.

Richard Manahan: Nitovy hevitra avy hatrany izahay. Nitovy tanjona izahay, dia ny hanolo-tanana azy ireo satria laharam-pahamehan’ny Fiangonana ny hanasantsika amin-kitsimpo araka izay azo atao ireo mpianatra tokony hianatra seminera. Ka dia nataonay fotsiny izany. Tena nandeha sy nitsidika azy rehetra izahay. Nampiditra, nampiditra, nampiditra, ary avy eo dia nampiasa ihany koa ireo mpianatra seminera mazoto mba hanampy anay tamin’ny fampidirana.

Stephanie Pantone: Rehefa vita ny fianarana dia nifampiandry teo amin’ny vavahadin’ny sekoly izahay, ary teo no nifanaovanay fotoana hiara-handeha hamonjy ny kilasin’ny seminera.

Alex Castidades: Mampianatra kilasy vao maraina ao amin’io sampana io aho. Mifoha amin’ny 3 maraina aho hiomanana ho any amin’ny trano fiangonana, hampianatra seminera amin’ny 5 maraina. Tokony ho tonga any am-palohan’iangonana ny mpianatra aho mba hahafahako manomana ireo fitaovana izay hampiasainay amin’ny seminera. Tonga dia mandeha miasa aho aorian’ny seminera. Mandeha mandritra ny adiny roa aho avy any am-piangonana mankany amin’ny toeram-piasako. Tena sahirana aho tamin’ny voalohany. Dia tokony ho tafaverina any am-piangonana any Matnog aho ny tolakandro amin’ny 5 hariva mba hampianatra seminera indray. Rehefa tonga ao Matnog aho amin’ny 3 tolakandro, ary raha mbola manana fotoana, dia mila mitsidika ireo mpianatro seminera sy ny ray aman-drenin’izy ireo. Izany hoe mandehandeha aho ary mitsidika ireo mpianatro seminera saika ho isan’andro.

Margie Adiong: Dia nantsoina ho mpampianatra seminera isan’andro izy, ary lasa mpampianatra seminera any an-trano aho. Sarotra ny mifantoka amin’ny zatovo, indrindra ireo izay mipetraka lavitra, tsy metatra vitsivitsy monja fa kilaometatra maro lavitra ny trano fiangonana. Mila mitsidika azy ireo any an-trano ianareo mba hahafahan’izy ireo mandray anjara amin’ny fandaharanasa seminera. Manana mpianatra manaraka fampianarana any an-trano 23 aho, ary tsidihako tsirairay izy ireo isan-kerinandro.

Richard Manahan: Tsy azontsika tsinontsinoavina ny mety hahatongavan’ny olona iray. Raisiko amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra sarobidy azy izy ireo. Tena resy lahatra aho fa tena afaka manova ny fiainan’izy ireo ilay fandaharanasa. Izany no mahatonga anay ho tena tia ilay fandaharanasa. Hatreto dia manana misiônera 12 izay nandeha tamin’ity taona ity izy ireo, ary mbola hanana ankoatra ireo.

Margie Adiong: Manao zavatra maro ireo mpitarika toy ny famoronana hetsika ho an’ny zatovo hahafahan’izy ireo mifankatia, sady afaka mifanentana amin’ny fandaharanasa seminera izy ireo.

Erica Villareal: Tena nitahy ahy ny seminera satria nampatanjaka ny finoako izany ary nanampy ahy ho matanjaka sy miantehitra amin’ny tanjaky ny Tompo.

Arnold Cariso: Manomana ny tenako hanao asa fitoriana aho amin’ny alalan’ny fanatrehana ny seminera.

Margie Adiong: Tena faly aho! Hitako fa mila fikarakarana ny sasany amin’ireo zatovo, reny ihany koa aho, ary tiako hahatsapa ho tiana ihany koa izy ireo. Isaky ny tsy afaka manatrika kilasy ny mpianatra iray dia malahelo aho satria fantatro fa misy olona any, ary te hiantso azy ireo sy hahalala ny antony aho. Koa na dia mipetraka lavitra aza izy ireo dia ataoko izay vitako hitsidihana azy ireo hampisehoana aminy fa manan-danja izy ireo sady miavaka.

Richard Manahan: Araka ny nolazaiko dia tsy ho gaga aho raha toa ka ho lasa mpitarika ato amin’ny Fiangonana eto amin’ity faritra ity sy angamba any amin’ny distrika ny ankamaroan’ireo zatovo ireo.

Ireo mpandray anjara:

Richard ManahanMpiandraikitra ny seminera sy institiota

Alex CastidadesMpampianatra seminera

Edilberto GabeloFilohan’ny sampana teo aloha

Margie AdiongMpampianatra seminera ho an’ny ankizy manaraka fandaharam-pianarana any an-trano

Stephanie PantoneMpianatra seminera

Erica VillarealMpianatra seminera

Arnold CarisoMpianatra seminera

Hamoaka printy