Fampitana fanao isan-taona
Miezaka ny ho lasa tahaka Azy


Miezaka ny ho lasa tahaka Azy

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I taona 2020

Talata 9 jona 2020

Loholona Ulisses Soares: Ry rahalahy sy anabaviko malala, na aiza na aiza misy anareo dia voninahitra tokoa ho anay mivady ny miaraka aminareo androany. Ampitaiko aminareo rehetra ny fiarahabana avy amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny fitiavan’izy ireo. Ny filoha Nelson manokana dia mampitondra ny firariantsoany ho anareo. Mangataka anay foana izy mba hizara ny firariantsoany tsara indrindra sy ny fitiavany amin’ireo izay ihaonanay. Ankasitrahanay tokoa ny asa fanompoana ataonareo ho an’ireo zanak’ Andriamanitra.

Ry mpiara-miasa amiko malala, mialoha ny hirosoantsika dia te-haneho ny fankasitrahako lalina manokana aho ny amin’ny asa fanompoana lehibe ataonareo ao amin’ny seminera sy ny institiota. Manana tombony ianareo mampianatra sy manampy ny taranaka vao misondrotra hanaraka ny ohatra napetraky ny Mpamonjy izay mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Mampianatra ny sasany amin’ireo zanaka fanahin’ Andriamanitra mahery indrindra izay nohazonina mba hankety an-tany amin’izao vanim-potoana izao eo amin’ny tantara ianareo. Ny mpaminany malalantsika, Filoha Nelson, dia miantso ireo fanahy mahery ireo ho ny ekipan’ Andriamanitra mahery indrindra, ny mpilalaony mahery indrindra, dia ireo izay mandray anjara amin’ity fotoana fanangonana lehibe sady farany ity—dia ny fanangonana an’i Isiraely izany.1 Izany ekipa lehibe izany dia afaka ny hahatanteraka izay tsy hain’ny saina takarina sy hanampy hamolavola ny hoavin’ny fianakaviamben’ny zanak’olombelona.2

Miaraka amiko eto androany amin’ity fivoriana miavaka ity i Rosana vady malalako. Izy no fahazavan’ny fiainako nandritra izay 39 taona lasa izay. Noho ny hatsarany sy ny ohatra tsara asehony dia izy no hery manosika ao amin’ny fianakavianay mba hifanampy ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa. Izaho sy i Rosana dia misitraka ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanay avy amin’ny fampiharana ireo fampianarana noraisinay nandritra ny fahatanoranay avy amin’ireo mpampianatra seminera sy institiota be fanolorantena. Ny asa fanompoan’izy ireo mahatoky dia nisy fiantraikany goavana teo amin’ny fiainanay teo amin’ny fandraisana ireo dingana voalohany ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ireo mpampianatra mahafatrapo ireo dia nanampy anay hamolavola ny fiainanay hifanaraka amin’ireo fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary nitarika anay tamin’ny fiezahanay ny hanao ireo zavatra ilaina hiverenanay any amin’ny Raintsika any An-danitra. te-hanasa ny malalako aho hizara ireo fahatsapany ny tamin’ny fomba nitahian’ny seminera sy ny institiota tamin’ny naha-mpikambana vao niova fo azy tato amin’ny Fiangonana sy ireo ezaka nataony mba hananana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Tianao ve ny hizara izay tianao holazaina izao, ry malala?

Rahavavy Rosana Soares: Misaotra anao, ry malalako, nanasa ahy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Ny fotoana voalohany naharenesako momba ny Fiangonana dia tamin’ny faha-9 taonako teo ho eo. Ary nandritra ny 8 taona aho dia nangataka an-draiko ny fanomezan-dalanany mba hanaovana batisa ahy, fa nandà foana izy. Nilaza izy fa mbola kely loatra aho ny handray fanapahan-kevitra manan-danja toy izany ary nila nanaporofo taminy aho fa izany tokoa no faniriako.

Na dia tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana aza aho dia nahavita efatra taona nianarana seminera isan’andro. Ny kilasin’ny seminera dia nampianarina tany amin’ny trano fiangonana amin’ny 6 ora maraina isan’andro. Tsy navelan-draiko handeha aho raha tsy nalain’ny mpampianatra any an-trano. Soa ihany fa nanana mpampianatra tena nahafinaritra aho izay tonga isan’andro tamin’ny 5 ora sy sasany maraina mba hitondra ahy amin’ny fiara. Nofohazin-draiko tamin’ny 5 maraina aho isa-maraina, ary niakanjo dia niandry an’ilay mpampianatra. Mbola te-hatory be foana aho ary niteny anakam-po hoe: “Enga anie ka tsy ho tonga izy. Enga anie ka tsy ho tonga izy,” saingy tonga foana izy. Soa ihany fa tonga foana izy.

Tena nahatsapa ho voatahy sy feno fankasitrahana aho noho ilay mpampianatra seminera mazoto izay afaka ny ho morakivy ihany tamiko. Kanefa tsy mba kivy izy.

Telopolo taona taty aoriana dia nanana fahafahana nampianatra seminera ny zanako vavy aho nandritra ny fotoana naharitra tao an-trano. Tsy afaka namonjy seminera tany am-piangonana izy tamin’izay taona izay noho ny fandaharam-potoany tany an-tsekoly. Zazavavy be pelipelika be izy tamin’izany ary tsy mba nahaliana azy ny mipetraka tsy mihetsika mandritra 45 minitra, indrindra hoe izaho no mpampianany. Koa nanapa-kevitra aho ny hanomana fotoam-pianarana miavaka ary nandray an’ilay zanako ho toy ny mpianatro seminera tsara indrindra, na dia izy irery aza no hany mpianatro. Tamin’ny faran’izay taona izay dia faly izy ary tsapany ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra azy, ary tsapako ihany koa izany.

Ry anadahy sy rahavavy, tena tiako ilay zanako, fantatro fa afaka manova ny zava-drehetra ao an-tsaintsika, sy eo amin’ny fihetsitsika, ary eo amin’ny fomba ahitantsikany tenantsika sy ny hafa ny tenin’ Andriamanitra.

Tiako hofaranana amin’ny teny mahafinaritra nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring izany:

“Ianareo mpampianatra mahavariana dia efa manao ezaka sy fanoloran-tena lehibe eo amin’ny fiomananareo hampianatra ny teny, sy eo amin’ny fampianaranareo, ary amin’ny fikarakaranareo ny mpianatra. Azonareo ampitomboina izao ny finoanareo fa maro amin’ireo mpianatsika no hanao safidy izay mitondra azy ireo amin’ny tena fiovam-po.”3

Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Loholona Soares: Misaotra ry malalako tamin’ireo teny soa nozarainao. Tena mahafinaritra izy e, sa tsy izany?

Antenaiko fa ianareo dia tsy manambany ny fahafahanareo mitaona sy mandresy lahatra ireo zatovontsika mba hizotra amin’ny fahamarinana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Araka ny nolaizan’ny Filoha Packer malalantsika, izy ireo dia mitombo ao anatin’ny faritry ny fahavalo. Amin’ny alalan’ny asa fanompoana mahafatrapo ataonareo amin’ny fampianarana azy ireo, izy ireo dia afaka mitombo finoana sy fankatoavana ary lasa matanjaka ara-panahy. Hianatra ny fomba hanoherana sy handresena fakam-panahy izy ireo.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, ny fandaharam-pianarana seminera sy institiota dia roa amin’ireo zavatra manan-danja indrindra izay mandray anjara amin’ny fijoroana sy ny tanjaky ny Fiangonana. Afaka manome toky anareo aho fa ny Tompo dia manatanteraka ny “asa[ny] sy ny voninahi[ny]—dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona”4—amin’ny alalan’ny asa fanompoana sarobidy ataonareo Aminy sy amin’ireo zanany. Noho izany ny tanjonareo sy ny tanjoko manan-danja indrindra dia tsy maintsy ny fanavotana sy ny fisandratan’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra hatrany.

Hitantsika ao amin’ny Fampianarana sy fianarana ny filazantsara, boky torolalana tena mahavariana ho an’ireo mpampianatra sy ireo mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara izao teny mahatalanjona izao: “Ny tanjontsika dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rainy any An-danitra.”5

Io andraikitra io dia mifanaraka tsara amin’izay voalaza ao amin’ny General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints (Boky torolalana ankapobeny: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany) manao hoe: “Ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I) dia manampy ireo ray aman-dreny sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’ny fanampiana ireo zatovo sy ireo tanora hitombo ao amin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany tafaverina amin’ny laoniny.”6

Iray amin’ireo fanamby lehibe ho antsika izay mandray anjara ao amin’ity asa mahatalanjona fanavotana fanahy ity ny fikatsahana ny fahatongavana, izany hoe hitombo na ho lasa ilay karazana mpianatra izay andrasan’ny Tompo hahatongavantsika. Avy eo ny Tompo dia hanome hery antsika mba hampisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ireo izay ampianarintsika eo am-pizoran’izy ireo eo amin’ny lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay. Ity fahatongavana resahina ity dia mifandray tanteraka amin’ny iray amin’ireo singa telo ao amin’ny fomba hanatrarana ny tanjony, araka ny voalaza ao amin’ny boky torolalana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara manao hoe: “Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika ary milofo mba hananana ny Fanahy miaraka amintsika. Ny fitondrantenantsika sy ny fifandraisantsika dia ohatra tsara ao an-tokantrano, any an-dakilasy, ary eo amin’ny fiaraha-monina. Mikatsaka hatrany isika ny hanatsara ny zava-bitantsika, ny fahalalantsika, ny fitondrantenantsika, ary ny toetrantsika.”7

Nanoro hevitra antsika ny Apôstôly Paoly amin’ny lanjan’ny fahatongavantsika tahaka an’i Kristy. Izao no teniny tao anatin’ny taratasiny ho an’ireo efesiana.

“Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra;

“Ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin’ny asan’ny fanompoana amin’ny fiangonana, ho amin’ny fampandrosoana ny tenan’i Kristy:

“Mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ny firaisan’ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”8

Angamba ny fanontaniana manan-danja amintsika dia ny hoe ahoana no ahafahantsika mampandroso ny tenantsika ho lasa tahaka an’i Kristy tanteraka amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataontsika eo am-pilofosantsika hanampy ny hafa hanao toy izany koa. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fanampiana antsika mahakasika izany. ‘Ndeha hiara-handinika fitsipika sasantsasany entina hamaliana io fanontaniana io isika.

Ny fitsipika voalohany sady fototra dia ny manaraka mandrakariva ny Mpampianatra, i Jesoa Kristy. Ny fiezahana amin-kitsim-po mba haneho ny hatsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny toetrantsika, sy ny tenintsika ary ny ataontsika dia mampitombo ny fahafahantsika mitaona sy mandresy lahatra ny hafa hiomana sy ho mendrika ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra. Amin’ny fanaovantsika izany dia manampy ireo zatovontsika isika hitia ny Tompo satria ny zavatra tian’izy ireo no hamaritra ny zavatra hokatsahin’izy ireo. Ny zavatra hokatsahin’izy ireo no hamaritra ny zavatra ho eritreretiny sy ho ataony. Ny zavatra ho eritreretiny sy ho ataony no hamaritra ilay olona hahatongavan’izy ireo.

Misolo tena Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao anatin’izao tontolo izao izaho sy ianareo. Ny zava-drehetra ataontsika sy tenenintsika dia maneho ny lazan’ny Fiangonana, sy ireo fahamarinana ao aminy, ary manarak’izany ny Mpamonjy. Rehefa mikatsaka ny hahatakatra tsara kokoa sy hampifanaraka ny fiainantsika amin’ny filazantsara isika dia ho be kokoa ny ezaka tokony hataontsika mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy. Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks:

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no drafitra izay ahafahantsika ho lasa eo amin’ny toerana izay noheverina fa hahatongavan’ny zanak’ Andriamanitra. Io toetra tsisy pentina sy tonga lafatra io dia ho azo avy amin’ny fizorana tsy miovaova amin’ny fanekempihavanana, ôrdônansy, sy asa atao, fitambaran’ny safidy marina, ary avy amin’ny fibebahana mitohy.”9

Vao haingana aho no niresaka tamin’ny sasany tamin’ireo niara-nianatra seminera sy institiota tamiko avy any Brésil, toerana nahalehibe ahy. Nampitolagaga ahy ny zavatra nolazain’izy ireo momba ny fitaomana mitovy amin’ny an’i Kristy nananan’ireo mampianatra azy ireo tamin’ny fotoana iray nandraisan’izy ireo fanapahan-kevitra nanan-danja teo amin’ny fiainan’izy ireo. ‘Ndeha henointsika ny sasany amin’ireo teny nolazain’izy ireo.

Rahavavy Barreto: Eny ary, fony aho zatovo araka ny fihevitro—tsy hoe heveriko, fa azoko antoka—ireo fanapahan-kevitra sy ireo zavatra rehetra nantenaiko, sy nofisiko dia mafy orina rehefa nandalina ny filazantsara aho. Ary ny tena tsaroako mazava tsara indrindra dia ny seminera. Mbola zatovo herotrerony aho tamin’izany raha nanomboka nisy taty Brésil ny seminera ary mbola tsaroako ireo mpampianatra tena tsara, mpampianatra mahafatrapo, ary nanomboka nitia ny Mpamonjy aho. Ary heveriko hoe ny fijoroana ho vavolombelona azoko fony aho mpianatra seminera dia nitombo sy nihalehibe, tena nihalehibe tokoa. Ary izaho amin’ny ankehitriny dia noho ireny fotoana ireny, noho ireny fampianarana ireny, sy noho ireny mpampianatra ireny ary ireo fanapahan-kevitra noraisiko.

Rahavavy Silva: Raha ny amiko dia heveriko fa ny mpampianatro no tena nanan-danja tamin’izany fotoana izany, satria aho mpikambana vao niova fo tamin’izany dia nanampy ahy tokoa izy hahatakatra ireny fitsipika ireny sy ny fomba hampiharana azy ireny eo amin’ny fiainako ary hikatsaka ireo hatsarana ananan’i Jesoa Kristy— toy ny faharetana, fampitomboana fahalalana, fankatoavana ireo mpaminany velona. Izany rehetra izany dia nanampy ahy tamin’izany fotoana izany hampitombo ny fahaizako mihaino ny Fanahy Masina, ireo bitsiky ny Fanahy. Koa izao no tena nanampy lehibe ho ahy satria mpikambana vaovao aho tamin’izany. Dia ny mpampianatra izany. Nanana fahalalana lehibe izy sady nanampy mpianatra maro ihany koa mba hanana izany fahalalana izany. Namaly ny fanontanianay sy ny maro hafa izy. Izany dia nanampy ahy handray fijoroana ho vavolombelona sy hitoetra ho matanjaka ao amin’ny filazantsara.

Loholona Gonçalves: Vantany vao vita batisa aho, tamin’izao niditra voalohany ny efitrano fiangonana dia nampadraisin’ny zatovo sy mpampianatra seminera anjara avy hatrany. Nasainy aho ho avy hanatrika ireo kilasi[n’ny seminera]. Efa nanomboka ny fotoam-pianarana ka tsy maintsy nilomay aho ary namita izay tsy vitako mba ho afaka handray ny marim-pankasitrahana ho an’izay taona izay. Tsy nianatra na inona na inona avy tamin’ny namitana ireo zavatra tsy vita aho, kanefa nianatra nandray anjara aho, ary tena nilaiko izany fandraisana anjara izany. Izany fandraisana anjara izany dia zava-dehibe mba hahafahako mahatsapa faniriana hianatra misimisy kokoa momba ny soratra masina, zavatra izay sady tsy mba nandalo ny saiko taloha sy tsy mbola takatro. Taorian’izay fientanentanana voalohany izay dia nanamboka tafiditra teo amin’ny fiainako ny hafaliana avy amin’ny fandraisana anjara. Lasa mandeha ho azy izany ary nahatsapa faniriana hahafantatra misimisy kokoa momba ny soratra masina sy hampihatra ireo zavatra tsapa hoe marina sy nitahy fiainana maro tamin’ireo zatovo izay hita taratra teo amin’ny zavatra nataon’izy ireo aho. Raha itodihako ny lasa dia tsaroako tsara izao: ny zavatra nataon’ireo zatovo dia nampahita ahy zavatra marina.

Loholona Soares: Ny taratasin’i Paoly Apôstôly ho an’i Timoty dia mampahatsiahy antsika torohevitra manan-danja azontsika arahina mba hahafahantsika mitondra fiantraikany tsara eo amin’ny hafa: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.”10

Ny fitsipika faharoa tiako horesahina dia ny fampianarana ny fahamarinana amin-kerim-po sy mazava tsara. Nantsoina izaho sy ianareo mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy natao hampianatra ny hevitsika manokana na ny tsangan-kevitsika manokana isika, eny na dia mifangaro soratra masina aza izany. Ny filazantsara no “herin’ Andriamanitra ho famonjena,”11 ary amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ihany no hamonjena antsika. Miaraka amin’ny fitarihana sy ny fanampian’ny Fanahy Masina dia tokony hampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara araka izay hita ao amin’ireo soratra masina eken’ny Fiangonana, ary ao amin’ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly maoderina araka ny ampianarana azy ireny amin’izao andro izao isika. Tokony ho fitaovana natao hizarana ny fahamarinana sy hampianarana izany amin’ny fomba mazava tsara isika hany ka tsy ho asafotofoton’ny petrakevitr’izao tontolo izao izy ireo. Kanto ery ny mamaky ny fomba namariparitan’i Almà ny herin’ny tenin’ Andriamanitra ao am-pon’ny olona sy fomba hampantajahan’izany ho azy ny finoana. ‘Ndeha hiarahantsika mamaky ny Almà 32:42:

“Ary noho ny fahazotoanareo sy ny finoanareo ary ny faharetanareo amin’ny teny, amin’ny famahanana azy mba hahazoany miorim-paka ao aminareo, dia indro, raha afaka kelikely ianareo dia hioty ny voany izay tena sarobidy, izay mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy, ary izay fotsy manoatra noho ny rehetra izay fotsy, eny, ary madio manoatra noho ny rehetra izay madio; ary hivoky amin’izany voankazo izany ianareo, mandra-pahavoky anareo ka tsy ho noana ianareo sady tsy hangetaheta.”

Ry rahalahy sy ranabavy, io soratra masina manan-danja io dia maneho ny herin’ny fahamarinana izay afaka ny horaisin’ny fon’ireo zatovontsika ka handresy lahatra azy ireo hanao ny tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Miangavy anareo aho hahatsiaro fa ny fampianarana mahomby no tena fototry ny fitarihana ato amin’ny Fiangonana. Ho avy ny fiainana mandrakizay raha toa ka ampianarina amim-pahombiazana tokoa ireo lehilahy sy ireo vehivavy hany ka hiova sy hifehy ny fiainany izy ireo. Tsy afaka ny hoe hoterena hanao ny marina na ho any an-danitra izy ireo. Tsy maintsy misy mitarika izy ireo, ary izany dia midika hoe fampianarana mahomby.12

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily lasa teo ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra momba ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona.” Any amin’ny faran’ny hafany izy dia nanome asa hatao ho an’ny Fiangonana iray manontolo mba handalina izany sy hisaintsaina ireo fahamarinana [raketiny] ary hieritreritra ny fiantraikan’ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainantsika. Izaho mino fa ny adidintsika dia manoatra izany asa nampanaovina izany. Izaho sy ianareo dia ao anatina vondron’olona nampiandraiketina handray ireo fahamarinana nentanim-panahy ao amin’io fanambarana io hankao am-pon’ireo zatovontsika sy ireo tanorantsika. Amin’ny heviny hafa, ireo mpampianatra ny seminera sy institiota dia rantsana fanampin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara 15 amin’ny andraikitr’izy ireo amin’ny fanambarana fahamarinana amin’ny zatovo ho fanomanana amin’ny famakivakian’izy ireo tontolo tena mampisafotofoto. Izaho sy ianareo dia manana andraikitra lehibe amin’ny fanaovana izay hahatonga io fanambarana io ho zavatra misy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy zoviana amintsika rehetra fa miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika. Miha adinon’izao tontolo izao ny lanja sy ny anjara asan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo ary miha-very ny fahitana ny toetra amin’ny maha-Andriamanitra Azy Ireo. Mahazo vahana hatrany ny fanoloan’ireo petrakevitr’izao tontolo izao toerana ireo fahamarinana faratampony masin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny olona. Izaho sy ianareo dia manana fahafahana lehibe ny ho fitaovana eo am-pelantanan’ny Tompo hitahiana ireo zatovontsika sy hitondrana ireo fahamarinana nambara mazava tsara sy mahery vaika ao amin’io fanambarana io hankany am-pon’izy ireo.

Mamelà ahy hizara aminareo ny sasany amin’ny teny nolazain’ireo namako ny amin’ny fomba nampiorim-paka azy ireo ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy noho ny fahamarinana izay nampianarina mazava tsara sy tamin-kerim-po.

Loholona Silva: Ho ahy ny zavatra voalohany tonga ao an-tsaina dia ny ohatra asehon’ireo mpampianatra satria izany no loharanon’ny zavatra jerentsika ary iriantsika ny ho tahaka azy ireo. Nieritreritra foana aho hoe: “Azo heverina ve ny hananako fianakaviana toy izany indray andro any? Azon’ny saina eritreretina ve hoe indray andro any aho dia tena hanao ireo zavatra ireo?” Ny vokatra sasany hoentin’ny fotopampianarana, ny vokatr’izay zavatra ampianarina voalohany indrindra amin’ny alalan’ny ohatra, araka ny lazaina—dia mila mampihatra ny fotopampianarana isika ary mampifanaraka izany amin’ny toe-javatra iainantsika sy ny toe-piainantsika. Niezaka aho ny hanao izany tamin’ny fomba tsara indrindra vitako, nifanaraka tamin’ny fahafahako manao zavatra sy ny fahaizako mba hahafahako ho tena ho tonga tsaratsara kokoa isan’andro sy ho afaka ny hanao ireo safidy tsara indrindra—tahaka ny safidy indrindra nataoko, tamin’ny fisafidianana ny vadiko, izay iray amin’ireo zavatra nanampy ahy koa.

Rahavavy Barreto: Nandrandraiko ho toy ny ohatra foana ireo mpampianatra ahy. Mbola tadidiko hatrany, indrindra ny iray amin’izy ireo. Tanora be izy tamin’izany, tsy mbola nanambady. Misiônera vavy tafaverina izy, saingy rehefa mijery azy mampianatra anay aho dia tao an-tsaiko ny hoe : “te-ho tahaka azy aho. te-ho tahaka azy kokoa aho” satria toy ny Mpamonjy izy. Tena tiany be izahay, ary isaky ny mampianatra izy dia tsapako ny fitiavany, sy ny fahazotoany amin’ny zavatra ataony. Zavatra noheveriko ho nanan-danja teo amin’ny fiainako—tsy mpikambana niova fo aho, kanefa nanana fotoam-piovam-po. Lehibe tato amin’ny Fiangonana aho, ka rehefa miresaka momba ny tantaranay aho, dia somary hafa kely ny tantarako satria tsy tsaroako hoe nanana fisalasalana na tsy nino ny Fiangonana sy ny filazantsara aho. Mandeha ho azy avokoa ny zavatra rehetra ho ahy. Kanefa heveriko— azoko antoka fa misy fotoana tsy maintsy hoe hahafantaranao ho an’ny tenanao ary izany mihitsy— fa izany dia ny seminera sy ny institiota, indrindra ny fotoana nanatrehako seminera. Rehefa manao jery todika izany aho ary mieritreritra izany dia izany no fotoana manan-danja nilaiko nanapahana hevitra hoe nahoana aho no mpikamban’ny Fiangonana—raha toa ka tena hoe marina amiko ny Fiangonana, raha nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara sy momba an’i Jesoa Kristy aho. Ka izany no naha toy izao ahy ankehitriny noho ireny fotoana ireny.

Rahavavy Gonçalves: Voalohany, rehefa manana ireo mpampianatsika sy ireo mpitarika antsika isika dia tsy hoe tonga lafatra izy ireo, saingy isika dia mieritreritra ny tenantsika hitovy amin’izy ireo, sy hanana fianakaviana toy ny an’izy ireo, hanana fahatakarana mitovy amin’ny an’izy ireo, handray fahalalana mitovy amin’ny azy ireo. Nisy mpitarika maro nitondra fiantraikany tamiko sy nampiseho ohatra ho ahy ka mampiteny ahy hoe: “te-ho tahaka azy ireo aho rehefa lehibe.” Izany dia nampiezaka ahy hatrany mba hanao fanapahan-kevitra hendry teo amin’ny fiainako. Ary dia nandroso tsikelikely aho. Araka ny nolazain’ny Loholona Bednar momba ny fiovam-po, izany dia tsy tonga eo no ho eo; tonga tsikelikely izany, fiovan’ny fo, fiovan’ny fisainana, fiovan’ny fitondrantena, ary mifantoka lalandava amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Koa ny sitrapon’ Andriamanitra aloha, ary avy eo ireo mpampianatra ireo dia nanampy ahy hahatakatra ny soratra masina sy hianatra ny hitia ny soratra masina. Koa dia lasa singa iray teo amin’ny fiainako izany. Nikatsaka ny hanao safidy tsara izay nifanaraka tamin’ny sitrapon’ Andriamanitra aho.

Loholona Soares: Fitsipika iray hafa tiako horesahina androany ny adidintsika mba hampianatra ireo mpianatsika amin’ny alalan’ny Fanahy. Izaho sy ianareo, isika dia manatanteraka asa nanirahan’ny Tompo. Solontenany isika, ary nahazo lalana sy nomena andraikitra hisolo tena Azy sy hanao zavatra eo amin’ny Toerany. Amin’ny maha-solontenany antsika, dia manan-jo hahazo ny fanampiany isika. Azo antoka fa andrasana amintsika ny hiomanantsika hampianatra ny lesona tsirairay amim-pahavitrihana, ny hifehezantsika ireo teknika fampianarana ary hianarantsika ny fomba hanampiana ireo mpianatsika hampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy ho amin’ny fahamarinana. Saingy mazava ho azy fa mba hahazoana ny fanampian’ny Tompo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mandritra ireo lesona ampianarintsika dia ilaina ny manana fiainana izay mendrika izany fanampiana izany.

Hoy ny Fiadidiana Voalohany raha niresaka tamin’ireo mpampianatra: “Ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny asa fanompoana ataonareo dia ny fiomananareo ara-panahy isan’andro, anisan’izany ny vavaka sy ny fandalinana soratra masina ary ny fankatoavana ireo didy. Mamporisika anareo izahay mba hanokan-tena hiaina araka ny fampianaran’ny filazantsara amin’ny tanjona lehibe kokoa mihoatra noho ny tany aloha.”13 Ary avy eo mangataka ny fanampian’ny Tompo isika, dia homeny ny Fanahiny isika hahafantarana ny tokony hatao. Miangavy aho ny hahatsiarovanareo fa ny Fanahy dia manampy antsika hampianatra ireo mpianatra amin’ny fomba izay hahafahan’izy ireo mahatakatra kokoa ireo fitsipiky ny filazantsara ary avy eo izy ireo harisika ny hampihatra azy ireny eo amin’ny fiainan’izy ireo: “Koa izay mitory sy izay mandray dia mifankahazo ka samy mahazo hery sy miara-mifaly.”14 Mety ho zavatra efa takatra tsara izany kanefa manome toky anareo aho fa ireo mpianatsika dia tsy afaka mandray fahamarinana mandrakizay amin’ny alalan’ny Fanahy raha tsy rehefa ampianarina amin’ny alalan’ny Fanahy.

Tiako ny fomba nanazavan’i Nefia an’io hevitra tena tsara io: “Ary ankehitriny, izaho Nefia dia tsy afaka manoratra ny zavatra rehetra izay efa nampianarina teo anivon’ny oloko; sady tsy dia mahery amin’ny fanoratana toy ny amin’ny fitenenana aho; fa rehefa miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny olona iray, ny herin’ny Fanahy Masina dia mitondra izany hankany am-pon’ny zanak’olombelona.”15 Tena anjara asa lehibe tokoa no sahanin’ny Fanahy ao amin’ny fampianarantsika, dia ny mitondra ny fahamarinana hankany am-pon’ny zanak’olombelona.

Ry rahalahiko sy anabaviko malala, mety ho mahay mandaha-teny tokoa isika ary mahay miteny ampahibemaso tsara; saingy raha tsy misy ny Fanahy ireo fahaizantsika dia tsy hampiova na inona na inona. Vao tsy ela ny Filoha Russell M. Nelson no nampianatra fa “tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny amin’izao ankehitriny izao ny hoe tsy maintsy hamantarana kokoa ny fomba hiresahan’ny Fanahy amin[tsika].” Nampiany hoe “ao amin’ Ny Andriamanitra dia ny Fanahy Masina no mpampita hafatra. Izy no hitondra eritreritra ao an-tsain[tsika] izay tian’ny Ray sy ny Zanaka ho voarain[tsika]. Izy no ilay Mpampionona. Hitondra fahatsapana fiadanana ao am-pon[tsika] Izy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana Izy ary hanamafy izay marina rehefa mandre sy mamaky ny tenin’ny Tompo [isika].”16

Ny fitsipika fahefatra tiako horesahina dia ny fampianarana avy amin’ny fo. Misy mpampianatra mahay manamboatra fehezan-teny tsara lahatra, sy tsara rafitra ary mpampianatra izay mampihaiky volana sy mahafinaritra ny mihaino azy. Saingy ireo mpampianatra manana hevitra mahaliana, mahakasika ny fo rehefa miteny, no ireo izay tena afaka ny hitaona antsika hampihatra ireo zavatra ianarantsika. Ny sasany amin’ireny mpampianatra ireny dia mety ho votsavotsa amin’ny lahateny ampahibemaso, kanefa rehefa mihaino azy ireny ireo mpianatsika dia manokatra ny masony ho amin’ny fahatakaraka tsara kokoa izy ireo. Ireny mpampianatra ireny dia afaka ny mamboly faniriana ao am-po sy ny sain’izy ireo; faniriana izay hitaona sy handresy lahatra azy ireo eo amin’ny fikarohan’izy ireo ny hatsarana sy ny fikatsahan’izy ireo ny fisandratana. Ireo mpampianatra izay nampianatra ahy avy tamin’ny fony no nitondra fiantraikany indrindra teo amin’ny fiainako. Tsy olona faran’izay havanana tamin’ny teknikan’ny fampianarana izy ireo saingy afaka miteny avy amin’ny fo. Ny fitaomana ananan’izy ireo dia zara raha misy ifandraisany amin’ny fanarahana fotsiny ny drafitry ny lesona efa voarafitra na ireo teôrian’ny fampianarana fa misy ifandraisany kokoa amin’ny fiahiana tena izy, fahatsoram-po, sy fitiavana, ary ny faharesen-dahatra. Araka ny nolazain’i Parker Palmer, mpanoratra amerikana sady mpanabe hoe: “Ireo mpampianatra mahay dia manana fahaizana mifandray. … Ny fampifandraisana ataon’ireo mpampianatra mahay dia tsy avy amin’ny fomba fampianarany fa ao amin’ny fon’izy ireo—izany hoe ny fo araka ny dikany fahiny amin’ny maha sehatra hihaonan’ny faharanitan-tsaina sy ny fihetseham-po ary ny fanahy ao amin’ny tenan’ny olombelona.”17

I Jesoa Kristy Tompontsika no ohatra tonga lafatra amin’izany fitsipika izany. Namela ny dian-tongony teny amin’ny fasiky ny morontsiraka Izy kanefa namela dia ara-panahin’ireo fampianarany teo amin’ny fo sy teo amin’ny fiainan’ireo izay nampianariny. Nampianatra ireo mpianany tamin’izay andro izany Izy, ary miteny mitovy amin’izany amintsika Izy hoe: “Manaraha Ahy ianao.”18

‘Ndeha ary horenesintsika ny teny farany nataon’ireo mpiara-mianatra tamiko sy ireo namako. Angamba tsy mbola nampahafantariko anareo izy ireo. Ireo mpivady telo ireo dia ry Glaucia sy Reinaldo Barreto, Lucelia sy Mauro Gonçalves, ary Celia Maria sy Ramilfo Silva. Efa hatramin’ny fahazazanay no nahafantarako ny ankamaroan’ireo olona mahafinaritra ireo. Nandinika azy ireo aho nandritra ny fiainan’izy ireo ary nianatra avy amin’ny ohatra feno fahamarinana nasehon’izy ireo. Izy ireo dia mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany mahatoky, sy mahari-pery, ary mahafatra-po izay nobeazin’ny fianakavian’izy ireo tao amin’ny filazantsara ary nanompo tamin’ny fo tokoa tamin’ireo andraikitra niantsoan’ny Tompo azy ireo.

Loholona Barreto: Nanana maodely tena tsara maro aho teo amin’ny fiainako avy amin’ireo profesoran’ny seminera sy institiota, ireo mpampianatra, ary koa avy amin’ireo mpandrindra sy tompon’andraikitra misahana ny seminera sy institiota. Nisy finamanana tena tsara teo aminay hatramin’izany fotoana izany. Tsy ho ampy ny fanehoam-pakantsitrahana asetriko azy ireo sy ny amin’ny ohatra napetrak’izy ireo teo amin’ny fiainako. Tena namana tsara ihany koa izy ireo. Tsy nisalasala mihitsy aho niresaka tamin’izy ireo momba-na inona na inona. Nanoro sy nampianatra ahy, sy nampianatra ny filazantsara ahy izy ireo kanefa ny ohatra nasehon’izy ireo no tena nahatalanjona. Tena nisy fiaintraikany lehibe teo amiko izy ireo.

Rahavavy Gonçalves: Tena velom-pankasitrahana aho manana ny filazantsara sy afaka nitaiza ny fianakaviako tao anatin’izany ka mahita ankehitriny ny vokatr’izay rehetra niara-niasa ho amin’izany hatramin’ny fahakeliko. Tsaroako indray mandeha aho nijoro teo anoloan’ny tempoly tamin’ny fotoana nanokanana izany ary nanana tombony aho niara-nihira tamin’ny Filoha Kimball. Rahavavy Lobo no mpitarika hira tamin’izay. Nisy olona vitsy teo afaka niditra tao amin’ny efitra selestialy ary afaka nahatsapa tao anatatin’ny tempoly fa nody ventiny ny zavatra rehetra nianarako tamin’izany sy izay niarako tamin’ny naha-zatovo ahy ary tena nampisy faniriana tao amiko mba hanohy izany hatrany amin’ny mandrakizay. Manana tanjona avokoa ny zava-drehetra eo amin’ny fianana, ary ny tanjoko dia ny ho afaka hiverina eo anatrehan’ny Ray any An-danitra miaraka amin’ny fianakaviako sy ireo namako.

Loholona Silva: Ny eritreritra tonga ao an-tsaiko voalohany dia ny fanehoam-pankasitrahana ho an’ireo mpampianatra mahery fo, ireo izay manolotena an-tsitra-po sy manohy mahafoy fotoana manoman-tena hampianatra. Tsy haiko refesina ny fiantraikany tsara afaka hoentin’ireo mpampianatra sy tena ananan’izy ireo eo amin’ny mpianatr’izy ireo. Indraindray tsy hitantsika izany raha tsy taona maro aty aoriana. Saingy misafidy mihitsy izy ireo ny hanao izay marina ary ny hijanona eo amin’ny lalana marina. Ary tena feno fankasitrahana ny amin’izany aho. Manana fijoroana ho vavolombelona aho fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Nisy zavatra niainako izay tsy afaka andavako fa mpaminan’ Andriamanitra i Joseph Smith. Tenin’ Andriamanitra ny Bokin’i Môrmôna. Ankehitriny isika dia manana mpaminany iray izay mitarika antsika sy mandray fanambarana ary fantatro fa i Jesoa Kristy dia tena mitarika ny Fiangonana. Izay rehetra izay no tenikoa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Loholona Soares: Misaotra anareo ry namana malalako. Enga anie ny Tompo hitahy anareo rehetra eo am-pitozoanareo amin’ny fanomezana ohatra tsara amin’ny zavatra nianaranareo fony ianareo zatovo ka hanohy hampiorim-paka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-pon’ny hafa.

Ny fitsipika farany sy manan-danja lehibe tiako hozaraina dia ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny zavatra fantatsika fa marina. Ry mpiara-dia amiko ao amin’ny filazantsara, ny herin’ireo fijoroana ho vavolombelona matanjaka anananareo dia hanova ny fiainan’ireo mpianatrareo mandrakizay. Izany mihitsy no nitranga tamintsika tsirairay avy na tamin’ireo razambentsika raha nahare ireo misiônera nizara ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo. Ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka atao amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina no hery manohana ny fiainana mahomby sy manome fiadanana, fampitoniana, ary toky. Izany dia miteraka finoana fa rehefa ankatoavina tsy tapaka ny fampianaran’ny Mpamonjy dia ho tsara ny fiainana, ho azo antoka ny hoavy ary hisy ilay hery handresena ireo olana izay mitranga eny amin’ireo lalantsika. Ireo fijoroana ho vavolombelona matanjaka anananareo dia hanohana ny finoan’ireo mpianatrareo ary hanampy azy ireo hampitombo ireo fijoarana ho vavolombelona manokana ananan’izy ireo ho an’ny filazantsara. Ireo fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo dia ho anisan’ireo andry izay hanampy azy ireo hamantatra ny hery masin’ny sorona manavotr’i Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Rehefa mampihatra am-pahamarinana ireo fijoroan’izy ireo vavolombelona izy ireo dia afaka manome toky anareo aho fa ireo fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo dia afaka ny ho lasa ampinga fiarovana amin’ny ezaka ataon’ilay fahavalo hampihena ny finoan’izy ireo sy handetika tsy finoana ao an-tsain’izy ireo mandritra ny fiainan’izy ireo. Izany fototra izany no hanome azy ireo herim-po hanambara amim-pahasahiana ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’izao tontolo izao.

Toy izao no lazain’ny hiran’ny Kilonga: “He velona ny Ray ary izaho dia tiany hatrany. / Ny Fanahy no mibitsika hoe marina izany, / Ka fantatro avy hatrany.”19

Miainga avy amin’izany dia tiako hofaranana amin’ny fizarana ny fijoroako ho vavolombelona manokana aminareo ny lahateniko androany, fijoroana ho vavolombelona izay nivoatra andalana anampy andalana sy mitohy mitombo hatrany noho ny fikatsahako tsy tapaka omban’ny faniriana marina ny hahatakatra misimisy kokoa ny tenin’ Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ireo misiônera mahafinaritra izay nampianatra ny fianakaviako tamin’ny fahazazako no nambolena voalohany ny voan’izany fijoroana ho vavolombelona izany. Tamin’izany, dia nokolokoloin’ireo ray aman-dreniko mahatoky izay nampianatra ahy tamin’ny alalan’ny ohatra sy ny ny fifikirana tamin’ny Tompo izany. Nony farany dia namelana ny voan’izany fijoroana ho vavolombelona izany noho ny fihainoako ny fampianaran’ireo mpampianatra seminera mahatalanjona ireo sy noho ny fahatsapako fitaomana hampihatra azy ireny teo amin’ny fiainako tamin’ny fahakeliko.

Fantatro fa i Jesoa no Kristy. Fantatro fa velona Izy. Fantatro fa nijaly ho an’ny fahotako Izy sy nitsangana tamin’ny maty ary nanolotra fahafahana mba hanovako ny fitondrantenako. Fantatro fa nanadino ny Tenany ho ahy Izy; navelany ny fanirian’ny Tenany manokana ary nanao an-tsakany sy an-davany izay nasain’ny Ray ho ataony Izy. Na dia amin’ireo fotoam-pijaliana lehibe Azy dia nandà ny Tenany Izy ary nataony izay nampanaovin’ny Rainy Azy.

Fantatro fa velona sy miaino antsika ny Raintsika any An-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho fa mahatakatra ny atao hoe fijaliana Izy. Fantatro fa ity no Fiangonana marina an’i Jesoa Kristy. Natomboky ny Tompo marina tokoa ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny fisoronany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Tiako ny Mpamonjy ahy sy ny Raiko any An-danitra, ary tiako ny manompo Azy. Miezaka hatrany aho ny hampiseho ny Tompo ny fitiavako mandritra ny fiainako manontolo amin’ny alalan’ny fanompoana ireo zanak’ Andriamanitra. Ry rahalahy sy anabaviko malala, velom-pankasitrahana tokoa aho ny amin’ireo mpampianatra seminera sy institiota izay tsy nikely soroka tamin’ny fitaomana ahy tamin’ny alalan’ny fanompoan’izy ireo ny Tompo tamim-pahazotoana sy tamim-pitiavana. Niantomboka tamin’izany fotoana izany ny zava-drehetra, ary feno fankasitrahana tokoa aho ny amin’izany.

Tiako ianareo ry rahalahy sy ranabavy. Tiako ny fahafahako niaraka taminareo androany. Mamerina misaotra anareo aho ny amin’ny zavatra rehetra izay ataonareo ho an’ny Tompo sy ny vahoakany eto an-tany. Izany dia ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson sy i Wendy Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), fanampin’ny New Era aog. 2018.

  2. Jereo ny Russell M. Nelson, “The Lord Uses the Unlikely to Accomplish the Impossible” (Fampaherezam-panahin’i Brigham Young University–Idaho, 27 jan., 2015), byui.edu.

  3. Henry B. Eyring, “We Must Raise Our Sights,” ao amin’ny Scott C. Esplin and Richard Neitzel Holzapfel, ed., The Voice of My Servants: Apostolic Messages on Teaching, Learning, and Scripture, (2010), 17.

  4. Mosesy 1:39.

  5. Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara 2012], x.

  6. General Handbook: Serving in The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints (2020), 15.0.

  7. Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara, x.

  8. Efesiana 4:12–13.

  9. Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 33.

  10. 1 Timoty 4:12.

  11. Romana 1:16.

  12. ”How to Be a Teacher When Your Role as a Leader Requires You to Teach,” General Authority Priesthood Board Meeting, Feb. 5, 1969).

  13. Enseigner l’Évangile à la manière du Sauveur: Guide pour Viens et suis moi: Documentation pour l’apprentissage des jeunes (2012), 2.

  14. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:22.

  15. 2 Nefia 33:1.

  16. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” mey 2020, 90.

  17. Parker J. Palmer, The Courage To Teach: Exploring the Inner Landscape of a Teacher’s Life (1998), 11.

  18. Jaona 21:22.

  19. He! Velona ny Ray,” Bokin-kiran’ny ankizy, 8.

Hamoaka printy