Fampitana fanao isan-taona
Maheno ny feony amin’ny fotoana sarotra


Maheno ny feony amin’ny fotoana sarotra

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2020

Talata 9 jona 2020

Voninahitra lehibe ny miaraka aminareo androany. Tena feno fitiavana anareo rehetra izay miasa amim-pahazotoana tokoa ao amin’ny Seminera sy Institiota (S&I) aho. Nanomboka nampianatra seminera amin’ny fotoana feno aho 42 taona lasa izay ary manontany tena aho hoe lasa aiza daholo izany fotoana izany. Sarobidy amiko ireo fahatsiarovana ananako an’ireo mpianatra sy mpampianatra namana ary ireo mpiara-miasa hafa izay niara-nanompo tamiko nandritra ny taona maro tao anatin’ny fanendrena samihafa. Talanjona aho noho ny amin’ireo mpampianatra voantso an’alina maro izay manolotra betsaka amin’ny fotoany sy ny fony mba hitahiana ny fiainan’ireo zatovo. Efa tao amin’ny kilasin’ny sasany amin’izy ireo aho tao amin’ny firenena maro maneran-tany ary efa voakasiky ny zava-miseho ao amin’ireo kilasy ireo. Eo amin’ny vanim-potoana amin’ny fiainanay izay maha-lehibe ireo zafikelinay ka afaka manatrika seminera sy institiota izao izaho sy i Jill, ary feno fankasitrahana izahay noho ianareo izay maneho ohatra ho azy ireo. Misaotra anareo rehetra izay manolo-tena ao anatin’ity asa lehibe ity.

Tamin’ny fiandohan’ity taona ity dia namoaka horonan-tsary ny Filoha Russell M. Nelson izay mitondra ny lohateny hoe “How Do You #HearHim?”1 (Ahoana no fomba hahenoanareo Azy?). Tao anatin’izany horonan-tsary izany dia nilaza izy hoe: “Amin’ity taona miavaka izay hankalazantsika ny faha-200 taonan’ny fahitana voalohany dia manasa anareo aho hieritreritra lalina sy matetika an’ity fanontaniana tena manan-danja ity: Ahoana no hahenoanareo Azy? Manasa anareo ihany koa aho hanao ireo dingana ilaina hahenoana Azy tsaratsara kokoa sy matetitetika kokoa.” Nisaintsaina io fanasana io aho, indrindra fa ho fanazavana ilay valanaretina COVID-19 izay nanomboka niely patrana nanerana izao tontolo izao nanodidina ny fotoana izay namoahana ilay horonan-tsary sy ny vokatr’izany.

Nieritreritra mihitsy aza aho hoe fahafahana manokana hanatsarana ny fomba fahenoako Azy ireo volana mazo lasa. Olona maro no namoy olon-tiana tamin’ity areti-mandoza ity. Nanova ny fiainantsika sy ny fandaharam-potoanantsika ilay valanaretina ary nanala ny maro amin’ireo zavatra fanaontsika isan’andro izay mahazatra antsika. Nanova ny toerana fampianarantsika sy fitsaohantsika ary fialam-bolintsika izany. Voatery nanao zavatra amin’ny fomba hafa isika. Nanome antsika ato amin’ny S&I fotoana izany mba handinihana ny zavatra ataontsika sy ny fomba hanaovantsika izany sy hahita raha toa ka tian’ny Tompo hanisy fanovana isika. Hitarika antsika Izy raha toa ka hihaino Azy isika.

Matetika ireo fotoan-tsarotra sy fotoanan’ny tebiteby dia toa fotoana manokana isian’ny fitarihana avy any an-danitra ho an’ireo izay misokatra ho amin’izany. Eritrereto ny zavatra nitarika ho amin’ny fahitana voalohany. Fotoana izay isian’ny “sahotaka sy fisarahana tsy dia madinidinika teo anivon’ny vahoaka”2izany ary fotoan’ny “fifanjevoana lehibe sy fihetseham-po ratsy.”3 Nilaza ny mpaminany Joseph Smith fa “voasarika ho amin’ny fandinihina lalina sy ny fahasahiranana lehibe ny sai[ny].”4 Nahatsapa izy “fa tokony ho ory noho ny fahota[ny] manokana sy ny fahotan’izao tontolo izao [izy].”5 Tao anatin’io fotoan-tsarotra io no nandehanany tao amin’ilay ala kely sy nisokafan’ny lanitra.

Ary ahoana ny momba ny fotoana naha tao amin’ny fonjan’i Liberty azy? Tena ratsy ny toe-javatra niainany manokana, ary mety ho tena navesatra taminy ny zavatra tsapany rehefa noroahina hiala tao Missouri ireo olomasina raha tao am-ponja izy. Kanefa tao anatin’izany toe-javatra sarotra izany dia nosokafan’ny Tompo ny masom-pahatakaran’i Joseph.

Rehefa nandalo fahasarotana tamin’ny fiatrehana ireo olana tao amin’ny Fiangonana i Almà tamin’ny nanotan’ireo mpikambana “dia sahiran-tsaina”6 izy ary nanontany tena ny amin’ny fomba hifehezana ireo mpikambana izay nandika ny lalàn’ Andriamanitra ireo. “Natahotra izy fandrao hanao hadisoana eo imason’ Andriamanitra,”7 koa dia “noborahiny tamin’ Andriamanitra ny fanahiny manontolo,”8 dia nampianarin’ny Tompo azy ny fomba hifehezana ireo mpandika lalàna.

Eritrereto ireo toe-javatra mampivarahontsana niaraka tamin’ny fahafatesana sy ny faharavana nitranga tany amin’ny ilabolatany andrefana niaraka tamin’ny fanomboana ny Mpamonjy. Tao anatin’ny haizin-kitroka izy ireo dia nandre ary nahatakatra ny feon’ny Mpamonjy.9 Taty aoriana rehefa tafavory nanodidina ny tempoly ny vahoaka dia nandre ny feon’ny Ray izy ireo saingy tsy nahatakatra izany raha tsy tamin’ny fahatelo rehefa “nosokafany ny sofiny handre izany; ary ny masony dia tany amin’ilay feo.”10 Tamin’izany no naharenesan’izy ireo ny Ray nampahafantatra ny Zanany sy naharenesany ny teny manao hoe “henoinareo Izy.”11 Izany no nanombohan’ireo tranga mahatalanjon’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy tamin’ireo olona izay nanana ny tombontsoa ny nandre Azy.

Ao amin’ireo ohatra tsirairay ireo dia nisy firotsahan’ny fanambarana izay fitahiana ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao, ho an’ny olona tamin’izany sy ny olona mandritra ireo taona izay mbola ho avy. Ireo olona voakasik’izany koa dia nandray fanambarana sy fitahiana ho an’izy ireo manokana.

Nandritra ny zavatra niain’i Joseph tao amin’ilay ala masina, ankoatra ny nahitany fa tsy tokony hiditra na amin’iza na amin’iza amin’ireo fiangonana izy, dia nampianarina “zavatra hafa maro” izy.12 Nolazain’ny Tompo ihany koa izy fa voavela ny helony.13

Tao amin’ny fonjan’i Liberty i Joseph dia nampanantenaina fa “ny madio am-po sy ny hendry ary ny ambony sy ny tsara toetra kosa hikatsaka torohevitra sy fahefana ary fitahiana lalandava avy eo ambanin’ny tananao.”14

Tsy notoroina hevitra ny amin’ny fomba hifehezana ireo mpandika lalàna fotsiny i Almà rainy fa nandray hafatra ho an’ny tenany manokana ihany koa izy. Nolazaina izy fa hahazo ny fiainana mandrakizay.15

Ireo vahoaka izay nandre ny Mpamonjy tamin’ny nitsidihany ny tanin’i Soafeno dia tsy nampianarina ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fampianarana hafa manan-danja fotsiny ihany, fa samy nomena fahafahana hikasika ny fery teo amin’ny vatany ihany koa izy tsirairay avy ary lasa vavolombelona manokana ny amin’ny maha-tena misy ny Mpamonjy.16

Tsy afaka ny hiandrandra hahazo fitarihana sy aingam-panahy fotsiny isika amin’ireo fanapahan-kevitra amin’ny andraikitra nanendrena sy ny antso nomena antsika, fa ny Tompo dia tena tia antsika ka mbola manome antsika fitahiana sy fanentanam-panahy manokana mandritra ireo fotoan-tsarotra.

Ao amin’ny faran’ny bokin’i Almà isika dia mamaky fa “noho ny faharetan’ny ady izaitsizy tokoa teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita, dia maro no efa nanjary nihamafy fo …; ary maro no efa nihanalefaka noho ny fahoriany, hany ka nanetry ny tenany teo anoloan’ Andriamanitra izy, tao amin’ny halalin’ny fanetrentena mihitsy.”17 Eo am-piatrehantsika izao fotoan-tsarotra izao dia afaka mihamalefaka sy manetry ny tenantsika isika. Mahatonga izany ho fotoam-pahafahana, fotoana mahavariana, handrenesana Azy izany.

Ampy ireo fiovana nitranga tato anatin’ny volana vitsivitsy mba hanampiana antsika hahafantatra ireo zavatra azo esorina, zavatra izay mety niasa tsara tamintsika saingy tsy manan-danja entina miroso ary mety hampihena ny fivoarantsika mihitsy aza raha toa ka ifikirantsika. Mety ao anatin’ny fotoana ahafahantsika manitsy sy manomana antsika amin’ny hoavy isika izao izay tsy dia misy faneriterena mihoatra ny mety efa hitantsika tamin’ny lasa.

Manontany tena aho indraindray raha tsy efa nantsoina imbetsaka saingy “tsy te hihaino.”18 Ny toe-java-misy amin’izao dia mety hanampy antsika handresy izany. Tsapako hoe manana fahafahana manova sy manomana amin’ny “fomba izay tsy fahita na oviana na oviana”19 isika.

Tohanako ireo ezaka atao hanatratrarana ny tanjontsika amin’ny fifantohana amin’ny fomba tsara indrindra hitahiana ny fiainan’ny taranaka vao misondrotra amin’izao fotoantsika miovaova izao. Nahagaga ahy fa rehefa nampianatra ny Fiangonana momba ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny Tompo dia nanazava fa “omen’ny Fanahy Masina ny sasany ny hahafantatra ny maha-samihafa ny asa fanompoana … izay mampifanaraka ny famindram-pony araka ny toe-piainan’ny zanak’ombelona.”20 Miova ny toe-piainan’ny zanak’olombelona, ary ampifanarahany arakaraka izany toe-piainana izany ny famindram-pony Mila an’io fanomezam-pahasoavan’ny fahafantarana ny maha-samihafa ny fitantanana io isika mba hahafahantsika mitondra fanampiana arakaraka ny toe-piainan’ny zanak’olombelona. Efa niova ireo toe-piainana ireo ary mbola hiova amin’ny hoavy.

Eo am-pianarantsika ny handre azy tsara kokoa sy handray ny fanampiana ilaintsika hampianarana ireo mpianatra sarobidintsika dia tsapako fa hanana zava-tsarobidy sy fahalalana manokana ihany koa isika izay homena antsika, tahaka an’i Joseph Smith sy i Almà ary ireo vahoaka tao Soafeno. Ireo hafatra manokana ireo dia ho tonga amintsika rehefa manetry tena sy manaiky ny fitarihan’ny Tompo isika. Mety ho tonga amin’ny fomba tsy nampoizina izany, araka ny fanaon’izany amin’ireo izay mifantoka amin’ny hafa, saingy fitahiana mahery vaika izany.

Tamin’ny fahavaratra lasa teo dia niara-nanao fampisehoana tamin’ny Amboarampeon’ny Tabernakely sy ny Orkesitra tao Temple Square ilay mpihira nôrveziana antsoina hoe Sissel. Nihiria hira iray mahafinaritra mitondra ny lohateny hoe “Slow Down” (Mandehana mora) izy.21 Nampihetsi-po sy tena nahery vaika izany. Manasa anareo aho mba hitady sy hijeryizany ao amin’ny YouTube.com. Toa tena mihatra manokana amin’izao fotoana miavaka izao ilay hafatra. Indreto misy sombiny amin’ny tonon’izany:

Rehefa tojo ahy ny adin-tsaina,

ka mila fanampiana aho re.

Raha tsy milamina ity saiko,

dia feo tony no injao re:

Moramora, moramora, mitonia.

Ny Fanahin’ny Tompo re no andrandrao

Moramora, henoy ny feony,

fa Izy no Andriamanitrao.

Rehefa tojo ireo fitsapana,

ka feno ahiahy re aho,

raha manafotra ahy ireo onja,

feo tony no tonga ao am-poko ao:

Moramora, moramora, mitonia re anaka!

Ny Fanahin’ny Tompo re no andrandrao

Moramora, henoy ny feony,

fa Izy no Andriamanitrao.

Andeha hararaotintsika ity fotoana manan-tantara ity. Mandehana mora. Henoy Izy. Dia mandrosoa. Hanova zavatra eo amin’ny fiainan’ireo tanora izay ezahintsika tahiana izany, ary hanova zavatra eo amintsika manokana koa.

Mivavaka aho ny hitahian’ny Tompo anareo tsirairay avy, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy