Fampitana fanao isan-taona
Zava-dehibe ny andraikitr’ireo mpampianatra


Zava-dehibe ny andraikitr’ireo mpampianatra

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I

Talata 9 jona 2020

Misaotra anao ry malalako nanasa ahy hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako.

Ny fotoana voalohany naharenesako momba ny Fiangonana dia teo amin’ny faha-9 taonako. Ary nandritra ny 8 taona dia nangataka tamin-draiko ny fanomezan-dalany hatao batisa aho, fa nandà foana izy. Nilaza izy fa mbola kely loatra aho ny handray fanapahan-kevitra manan-danja toy izany ary nila nanaporofo taminy aho fa izany tokoa no faniriako.

Na dia tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana aza aho dia nahavita efatra taona nianarana seminera isan’andro. Ny kilasin’ny seminera dia nampianarina tany amin’ny trano fiangonana amin’ny 6 ora maraina isan’andro. Tsy navelan-draiko handeha aho raha tsy nalain’ny mpampianatra any an-trano. Soa ihany fa nanana mpampianatra tena nahafinaritra aho izay tonga isan’andro tamin’ny 5 ora sy sasany maraina mba hitondra ahy amin’ny fiara. Nofohazin-draiko tamin’ny 5 maraina aho isa-maraina, dia niakanjo ary niandry ny mpampianatra. Mbola te-hatory be foana aho ary niteny irery hoe: “Enga anie ka tsy ho tonga izy. Enga anie ka tsy ho tonga izy,” saingy tonga foana izy. Soa ihany fa tonga foana izy.

Tena nahatsapa ho voatahy sy feno fankasitrahana aho noho ilay mpampianatra seminera mazoto izay afaka ny ho mora kivy tamiko foana. Tsy kivy mihitsy anefa izy.

Telopolo taona taty aoriana dia nanana fahafahana nampianatra seminera ny zanako vavy aho nandritra ny fotoana naharitra tao an-trano. Tsy afaka namonjy seminera tany am-piangonana izy tamin’izany taona izany noho ny fandaharam-potoany tany an-tsekoly. Zatovovavy mavitribitrika izy ary tsy dia liana loatra amin’ny fipetrahana fotsiny mandritra ny 45 minitra, indrindra hoe izaho no mpampianatra. Koa dia nanapa-kevitra ny hanomana fotoam-pianarana miavaka aho ary handray an’ilay zanako vavy ho toy ny mpianatro seminera tsara indrindra, na dia izy irery aza no hany mpianatro. Tamin’ny fiafaran’izany taona izany dia faly izy ary tsapany ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra azy, ary tsapako ihany koa izany.

Ry ranadahy sy rahavavy, tena tiako ilay zanako vavy, fantatro fa afaka manova ny zava-drehetra ao an-tsaintsika, sy ao amin’ny fihetsitsika, ary ao amin’ny fomba ahitantsika ny tenantsika sy ny hafa ny tenin’ Andriamanitra.

Tiako hofaranana amin’ny teny mahafinaritra nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring izany:

“Ianareo mpampianatra mahavariana dia efa manao ezaka sy fanoloran-tena lehibe eo amin’ny fiomananareo hampianatra ny teny, sy eo amin’ny fampianaranareo, ary amin’ny fikarakaranareo ny mpianatra. … Azonareo ampitomboina izao ny finoanareo fa maro kokoa amin’ireo mpianatsika no hanao safidy izay mitondra azy ireo amin’ny tena fiovam-po.1

Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “We Must Raise Our Sights,” ao amin’ny Scott C. Esplin and Richard Neitzel Holzapfel, eds., The Voice of My Servants: Apostolic Messages on Teaching, Learning, and Scripture, (2010), 17.

Hamoaka printy