Fampitana fanao isan-taona
Fifanakalozan-kevitra ataon’ny vondrona


Fifanakalozan-kevitra ataon’ny vondrona

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2020

9 jona 2020

Rahalahy Jason Willard: Miarahaba anareo izahay na aiza na aiza misy anareo, tongasoa amin’ity valan-dresaka ity. Jason Willard no anarako ary mpitantan-draharaha mpanampy ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara no asako. Tena faly izahay tafiaraka amin’ireto vahiny miavaka manaraka ireto anio: Rahavavy Reyna Aburto, Mpanolontsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany; Rahavavy Michelle Craig, Mpanolontsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany; Rahavavy Jill Johnson, vadin’ny mpiandraikitra antsika, Loholona Paul V. Johnson; ary Rahalahy Chad Wilkinson sy Bert Whimpey, izay mpitantan-draharaha mpanampy ao amin’ny Seminera&Institiota ihany koa. Misaotra ny tsirairay aminareo miaraka aminay anio.

Ny tanjon’ity valan-dresaka ity dia ny mba hifanakalozantsika hevitra momba ny fanontaniana vitsivitsy izay antenainay fa hanampy amin’ny karazana toe-javatra misy samihafa eo ampikatsahanareo ny hitahy amin’ny fomba mahery kokoa ireo zatovo sy tanora tokan-tena manerana izao tontolo izao. Nikatsaka ny fanampian’ny lanitra izahay raha teo am-piomanana amin’ny fifanakalozan-kevitra androany ary manasa anareo izahay hanao toy izany koa.

Eny ary! ’Ndeha hatomboka amin’ny fanontaniantsika voalohany! Toa mia misy foana ny mpampianatra sy mpianatra ary fianakaviana izay miatrika fahaketrehana, fanahiana, arerahan-tsaina sy fanamby ara-pietsehampo. Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo?

Rahavavy Reyna I. Aburto: Mieritreritra aho fa raha ny marina dia mila fanasitranana amin’ny zavatra iray isika rehetra kanefa mieritreritra aho fa zava-dehibe ny hanampiantsika ireo mpianantsika hahatakatra fa raha miatrika na sahirana amin’ireo fietsehampony izy ireo dia tsy hoe akory simba izy ireo, fa ny fietseham-po dia tafiditra ao anatin’ny toetoetrantsika mandrakizay. Kanefa kosa raha mahatsapa alahelo maharitra isika dia mety mila mangataka fanampiana. Noho izany ny soso-kevitra azoko omena dia ny manaraka ny ohatry ny Mpamonjy. Nametraka fanontaniana izay nanome fahafahana ny olona haneho ny fahatsapany Izy. Namela ny olona haneho ny fanaintainany Izy, ohatra rehefa nametraka fanontaniana an’i Maria sy Marta Izy rehefa maty i Lazarosy. Teny an-dalana nakany Emaosy dia niresaka tamin’ireo mpianany koa Izy ary nametraka fanontaniana azy ireo mba hanomezana azy ireo fahafahana haneho ny ahiahiny sy ny fanaintainany satria namoy ny Mpamonjiny izy ireo. Torak’izany koa tamin’i Maria Magdalena teo akaikin’ny fasana ary rehefa nametraka fanontaniana tamin’ny olona samihafa Izy mba hanomezana azy ireo fahafahana haneho ny fahatsapany.

Mahatsapa fa raha manorina tontolo isika izay hahazoan’ireo mpianatra antoka fa afaka mizara ny fahatsapany izy ireo, ary tsy voatery ho ao an-dakilasy ihany izany na amin’ny izy samy izy, fa mba hahazoan’izy ireo antoka fa afaka mizara ny fahatsapany izy ireo mety an-tsoratra izany, mety amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviany, mety amin’ny namana iray ary indrindra amin’ny Ray any An-danitra. Afaka mametraka fanontaniana izay manome fahafahana azy ireo haneho ny fahatsapany isika. “Inona ny ahiahinareo momba ireo namanareo, ny fianakavianareo?” “Ahoana no ahafahantsika mifanampy?”

Nahatsikaritra aho fa rehefa manontany ny hevitra na ny fanambarana na fitaomam-panahy raisin’ny olona momba ny fomba hanampiana ny hafa isika dia mandray izany fitaomam-panahy izany izy ireo raha toa ka mivavaka momba izany izy ary afaka mandeha ary manampy ny hafa izy. Noho izany raha manorina tontolo iray isika izay hahatsapan’ny olona fa tsy tsaraina izy dia hanampy azy ireo amin’izany isika ary manampy azy ireo hahatakatra fa tsy misy valin-teny diso azony omena, fa afaka mametraka fanontaniana malalaka ary ahatsapany ho malalaka sy hahazoany antoka hizarana ny fahatsapany. Ary indrindra raha sahirana amin’ny zavatra iray izy ireo dia tsy mila miatrika izany irery fa afaka manatona ny Raintsika any an-danitra ary ny Mpamonjintsika ary izy samy izy. Ary na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo dia zanak’ Andriamanitra ny tsirairay amintsika ary afaka mitodika amin’ny Ray any An-danitra isika. Mpianakavy daholo isika ary afaka mifanatona. Mpanaradia an’i Kristy daholo ihany koa isika ary afaka mitodika any Aminy.

Rahalahy Whimpey: Tena tiako ny Loholona Holland. Raha tsaroanareo nandritra ny lahateny nataony tamin’ny volana Ôktôbra 2013. Niresaka momba ny tolona manokana natrehany tamin’ny fotoana iray nahaketraka azy izy. Avy eo izy dia nilaza hoe: “Tsy tokony hisy hahamenatra intsony ny fanekena azy ireny [ireomihoatra noho ny fanekena ny ady atao amin’ny fiakaran’ny tosi-drà na ny fipoiran’ny fivontosana iray tampoka miendrika homamiadana.”1 Hoy izy hoe tsy MANINONA mihitsy ny firesahana momba izany na ny fanehoana izany ary raha ny marina aza dia mizara izany mihitsy. Avy eo dia tena tiako ireo zavatra telo nozarainy: “Aza manary finoana mihitsy an’ny Rainao any An-danitra. … Katsaho ny torohevitr’ireo izay mihazona fanalahidy ho an’ny fahatomombananao ara-panahy,” ary avy eo raha ilaina “mitadiava ny torohevitry ny olona fanta-daza izay nahazo fiofanana manokana voamarina momba izany, sy matihanina ary manaja ny soatoavina.”2

Mieritreritra aho fa zava-dehibe ny maneho ireo zavatra ireo ary miresaka momba azy ireny ary handraisany ny fanampiana izay ilainy, tsy ho an’ireo mpianantsika fotsiny ihany fa ho an’ireo mpampianantsika ihany koa. Tena zavatra mahafinaritra amin’ny asantsika koa ny manatona olona mpiandraikitra fitadiavana olona iray mba hijery ireo tombontsoa sy ireo toerana izay ahitan’izy ireo fanampiana ary ny tranonkalan’ny Fiangonana ihany koa dia toerana mahafinaritra iray ahitana loharanom-pitaovana.

Rahalahy Willard: Misaotra anao ry Rahalahy Whimpey ny amin’izany. Ity fanontaniana manaraka ity dia momba ireo zatovo, tanora sy mpivady vao herotrerony ary ny fomba hanampiantsika azy ireo hahatakatra ny maha manan-danja ny Fiangonana amin’ny fiainan’izy ireo, nahoana izy ireo no mila ny Fiangonana ary nahoana no mila azy ireo ny Fiangonana.

Rahavavy Michelle Craig: Fanontaniana tena manan-danja izany raha ny eritreritro ary tena mino aho fa ireo zatovontsika sy ireo tanora tokantenantsika dia tsy maintsy mahatsapa fa ny maha mpikambana azy ireo ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mihoatra ny lisitra iray mitanisa lalàna na zavatra mila atao fotsiny ihany. Mihoatra lavitra ny fikambanana ara-tsosialy iray. Mila mahatakatra izy ireo fa ny votoatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny fitiavana. Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa izany. Ary rehefa mianatra sy miaina ny filazantsara izy ireo dia hahafantatra sy hahatsapa ny famantarana sy ny tanjon’izy ireo.

Ny zatovontsika ankehitriny dia manaiky ny fitsipika toy ny fitiavana ny hafa sy manatona ireo izay ahilikilikin’ny fiarahamonina, ny mitia. Mila antony izy ireo ary maniry ny hitondra fiovana eto amin’ity izao tontolo izao ity. Manantena aho fa hahatakatra izy ireo raha toa ka mahatoky fa hanana fahafahana kokoa hitondra fiovana amin’ny fomba tsara eto amin’ity izao tontolo izao ity izy ireo ao anatin’ny firafitry ny Fiangonana toa izay anaty firafitra hafa.

Isan’ny zavatra tiako amin’ny Filoha Nelson sy ny lalana raisin’ny Fiangonana dia ny fisian’ny tena fifantohana amin’ireo zatovo sy tanora tokantena mihoatra noho ny tamin’ny fotoana hafa izay tsaroako. Ary amin’ny maha olon-dehibe antsika dia mila mihemotra isika ary manome fahafahana ireo zatovontsika hitarika sy hanao drafitra ary hikatsaka fanambarana sy mankato izany fanambarana izany. Mila manaja ny faharanitantsain’izy ireo isika ary mila mianatra ireo lesona Izay ampianariny antsika. Tsy ampitombo isa akory no ilantsika azy ireo fa mila azy ireo kosa isika satria izao tontolo izao dia tena mangetaheta ny zavatra izay azon’izy ireo atolotra. Ary ny Fiangonana dia manana ny firafitra izay manome ny fahafahana hamaly ireo filàna ireo ho an’ny olona tsirairay. Mino aho fa ny zavatra rehetra izay ianaran’ireo zatovontsika sy tanora tokantenantsika any an-tokantrano sy any am-piangonana ary mandritra ny seminera sy institiota dia hitarika azy ireo ampiasa ny fon’izy ireo sy ny tanan’izy ireo hanatonana sy hitiavana ny olona hafa ary hanompo ireo izay mifandray amin’izy ireo. Satria izany ny vokatra mandeha ho azy avy amin’ny fitiavana an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavana ny hafa.

Raha ny eritreritro dia mifototra amin’i Jesoa Kristy daholo ihany ny zava-drehetra. Ny zava-drehetra ataontsika sy ampianarintsika amin’ny maha mpampianatra antsika sy amin’ny maha mpitia antsika ary mpifanerasera antsika amin’ireo zatovo sy tanora tokan-tena ary ankizy dia tokony hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fiainana sy ny asa nanirahana ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ary izay fotsiny ny momba an’io. Mieritreritra aho fa raha manao izany isika dia enga anie afaka ny ahafantatra izy ireo fa ity ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, filazantsarany ity ary ny fitahiana amin’ny maha mpikambana ao amin’ny filazantsarany dia lehibe ary ilaina avokoa isika rehetra mba hanao ny asany. Tena Asany tokoa ity.

Rahalahy Willard: Voalazanao tsara tokoa izany. Mankasitraka. Inona no ho ampianao amin’izany ry Rahalahy Wilkinson?

Rahalahy Chad Wilkinson: Tena miombon-kevitra amin’ny zavatra voalazan’i Rahavavy Craig aho. Nieritreritra momba ny kilasina institiota iray nampianariko mihitsy aho izay misiônera tafaverina ny ankamaroany raha teo ampiresahana izy. Ary niresaka momba ny tolona lehibe indrindra atrehany mifandray amin’ny fodiana avy manompo satria dia tena nifantoka tamin’ny olon-kafa izy ireo nandritra ny 18 volana na 2 taona ary rehefa tafody izy ireo dia lasa mifantoka amin’izy ireo dhaolo ny zava-drehetra. Ao anatin’ny filazantsara sy ao an-dakilasy dia afaka manome fanasana azy ireo isika izay afaka mitarika azy ireo ieritreritra momba izany na mitadiava fomba vitsivitsy hanaovana ireo zavatra ireo sy hitodika any ivelan’izy ireo.

Rahalahy Willard: Inona no ampianao amin’izany ry Rahavavy Johnson?

Rahavavy Jill Johnson: Rehefa mihevitra momba ity fanontaniana ity aho dia nanana eritreritra hafa momba ny hery ao amin’ny fanekempihavanana izay azontsika raisina ao anatin’ny fiangonana iray izay manana ny fahefana sy herin’ Andriamanitra. Ary eto amin’izao tontolo izao ity izay tena feno fanerena ireo zatovo sy mitarika azy ireo hanalavitra ny Fiangonana dia mila ampifandraisana amin’ny hery azo avy amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana. Afaka mahatsapa ho irery isika ao anatin’ity izao tontolo izao ity ary tsy ampy hery mba hiatrehana ireo zavatra izay manjo antsika, ireo fitsapana sy fakam-panahy mahazo antsika. Fa ireo fanekempihavanana izay hitanao ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany irery ihany sy amin’ireo toerana masina dia manana hery lehibe kokoa noho ny herin’ireo zavatra ireo. Ary tena mieritreritra aho fa zavatra iray azon’ny Fiangonana omena izany. Azontsika ampahafantarina ireo mpianantsika izany sy hijoroantsika ho vavolombelona ary asehontsika amin’ny fiainantsika manokana fa misy zavatra mihoatra ao amin’ny Fiangonana izay mihoatra lavitra noho ny fanaovana soa irery ihany. Misy hery ao amin’ireo fanekempihanana.

Rahalahy Whimpey: Tiako izany nolazainao izany ry Rahavavy Johnson. Tafaresaka tamina tanora tokantena izay efa nilaza zavatra toy izao tamiko aho: “Afaka mahatsapa akaikin’ny Ray any An-danitra aho na tsy makany am-piangonana aza.” Ary hoy aho hoe “Miombon-kevitra amin’izany aho. Fa ny tonjoko dia tsy ny ho akaiky an’ny Ray any An-danitra fotsiny ihany; te ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra aho. Ny tanjoko dia ny ho asandratra.” Ary mieritreritra aho fa hanampy ireo zatovontsika sy ireo tanora tokantenantsika rehetra aho hahatsiaro fa ny tanjon’ny fiainana an-tany dia ny ho lasa tahaka ny Rain’izy ireo any An-danitra. Ao am-piangonana no ahitan’ireo ireo ny fanalahidin’ny fisoronana sy ireo ôrdônansy ary ireo fanekempihavana araka ny zavatra voalazan’i Rahavavy Johnson teo. Fanjakan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany izany ary misy zavatra ho azon’izy ireo eto izay hanampy azy ireo ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra izay tsy ho azony amin’ny toeran-kafa na amin’ny fomba hafa.

Rahalahy Willard: Tena marina tokoa izany. Tsy hoe manana tanjona iray fotsiny ihany fa angamba efa voalaza ihany nandritry ny fihaonambe maneran-tany vao aingana fa tokony hanana “tanjona mitovy amin’ny an’i Kristy.” Ary izany ny zavatra atolotr’ireo fanekempihavanana antsika. Tena misaotra betsaka amin’izany! Inona ny karazana zavatra sasantsasany bitika sy tsotra azontika atao mba hampitomboana ny herintsika hitahiana ireo mpianantsika sy mba hampianarana amin-kery kokoa ary mba tena hanana fampianarana mahatalanjona?

Rahalahy Wilkinson: Tiako izany fanontaniana izany. Efa nifampiresaka sy nampianatra ary nampiofana imbetsaka isika momba ny fahaizana mampianatra sy ny fomba hampianarana ary zavatra maro isan-karazany ary zava-dehibe avokoa ireo rehetra ireo. Fa rehefa mametraka ny tenantsika ho mpampianatra isika, ny dikany dia hoe ny Fanahy Masina no ilay mpampianatra, rehefa mametraka ny Fanahy Masina ho mpampianatra antsika isika ary manasa azy ao an-dakilasy dia hitranga izany hery izany, hitranga izany fampianarana mahatalanjona izany.

Nampianatra ahy ny Loholona Johnson indray mandeha fa i Satàna dia mety tsy hahavita hanosika mpampianatra Seminera&Institiota na ny olona hijangajanga na handika ny Tenin’ny Fahendrena na hanao zavatra iray tena ratsy na lehibe. Afaka ny hanao zavatra bitika izay hanosika antsika hanary hery izy. Afaka ny hanasa antsika hitaraina ohatra izy na hipetraka amin’ny latabatra iray ary hilaza zavatra ratsy momba ny olona iray hafa na maneso mpianatra iray na miomehy momba ny zavatra iray na manao zavatra bitika izay raha ataontsika dia hanary ny Fanahy Masina isika na tsy afaka ny hiaraka amintsika araka ny tokony ho izy ny Fanahy Masina.

Mieritreritra momba an’i Akana ao amin’ny Testamenta Taloha aho izay nodidiana raha nandeha niady tamin’i Jeriko izy ireo tsy haka amin’ireo zavatra voahozona na amin’ireo entana na amin’ny harena tao Jeriko. Ary dia nanao an’izany i Akana ary tsy nisy olona hafa nahafantatra izany. Ary nandritra ny ady manaraka izay toa ho novinavinaina ho resin’izy ireo raha niady tamin’ny tanànan’i Ai fa dia resy izy ireo ary lehilahy 36 no namoy ny aina.

Misy fitsipika iray eto izay milaza fa ny zavatra ataontsika dia manan-danja. Ireo zavatra kely izay mety holazaintsika na ireo fitarainana na ny fimonomononana na inona na inona izay mety hanakana ny fiasan’ny Fanahy Masina amin’ny fomba mahery kokoa eo amin’ny fiainantsika dia manan-danja. Ary izany dia mety hitondra amin’ny fahaverezan’ny hery iray manontolo. Zavatra tena manan-danja izany. Te hanasa antsika fotsiny aho hanao ireo zavatra kely ireo. Mifantoha amin’ireo zavatra bitika sy tsotra izay hanasa ny Fanahy Masina na hanampy antsika hanana ny fitaoman’ilay Mpampianatra amin’ny fomba tsara indrindra.

Rahalahy Willard: Rahalahy Whimpey, nanana zavatra holazaina ve ianao?

Rahalahy Whimpey: Rehefa tena mifototra eo amin’ny Mpamonjy isika, izany no ato an-tsaiko raha mipetraka eto aho ary mieritreritra an’ireo mpianatro aho ary ireo lesona, amin’izany aho dia tena mifototra amin’i Kristy. Tiako ireo mpianatro ahafantatra ny toetoetrany. Noho izany eo no fiandohany raha mifantoka amin’ny Mpamonjy aho.

Avy eo dia mihevitra aho fa ny zavatra faharoa dia ny tena hifantohako amin’ireo mpianatro. Tena hankasitrahako ny Loholona Bednar izay raha tsaroanareo niresaka momba ny traikefa iray nananany niaraka tamin’ny zanany lahy tao amin’ny andian-dahatsoratra Leadership Enrichment, rehefa nangataka fanampiana mba ahafantarany ny tokony ho omaniny amin’ny fiaraha-mientana natao ho an’ny mpisorona sy ny Ravintsara. Noho izany dia namaky tamin’ny ny tao amin’ny Jakôba 1:5ny Loholona Bednar: “Fa noho ny finoana sy ny fanahiana lehibe, dia efa natao miharihary taminy marina tokoa ny momba ny olonay, izay zavatra hihatra aminy.” Raha tsaroanareo ilay tantara dia somary naka fotoana ela ho an’ilay zanaka lahin’ny Loholona Bednar ny nahatakatra fa nilaza izao ny loholona Bednar: “Inona no tokony hitranga?” Alohan’ny hametrahana drafitra ho amina fiaraha-mientana iray dia eritrereto aloha hoe traikefa toy ny ahoana no ilain’ireo mpianatra? Raha jerentsika hoe “Inona ny traikefa ilain’ny mpianatra?” ao anatin’ny fiomanantsika.

Avy eo ny zavatra fahatelo, araka ny nolazain’i Rahalahy Wilkinson, dia tokony mahatsiaro tena isika hoe mamela ny Fanahy Masina hanao ny anjarany sy ny asany eo amin’ny fiainantsika. Tena manan-danja izany. Mieritreritra aho fa ny boky torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara ao amin’ny fizarana 2.1dia tsara averintsika vakiana eo ampieritreretantsika momba ny anjara asan’ny Fanahy Masina. Ary ny mahatakatra momba an’izay fotsiny ihany sy mamela ny Fanahy Masina hanao ny anjara asany ao an-dakilasy dia efa tena zava-dehibe.

Rahavavy Craig: Zavatra iray tsotra izay hitako dia ny hoe raha mampianatra aho ary mahatsapa fa tsy eo ny Fanahy, raha mijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra aho dia tonga ny Fanahy Masina. Izany no asan’ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra. Noho izany raha mijoro ho vavolombelona aho, fijoroana ho vavolombelona tsotra dia ho tonga ny Fanahy.

Rahalahy Willard: Niresaka momba ny fomba ampianarana amin-kery kokoa mba hifotorantsika kokoa amin’i Kristy izahay. Fa eo ampikatsahantsika ny hifantoka kokoa amin’ireo mpianatra dia inona no azon’ny mpampianatra atao mba hahafahan’ny fiomanan’izy ireo ho manan-danja sy natao manokana ho an’ireo mpianatra?

Rahavavy Johnson: Tamin’izaho namaky an’io fanontaniana io voalohany dia nanontany tena aho hoe inona ny dikan’izany hoe manompo ireo mpianatra tsirairay? Midika ve izany fa tokony hahafantatra tsirairay manokana azy ireo aho? Azo fantarina manokana ve izy ireo? Miaraka amin’izy ireo mba hahafantarantsika azy ireo kokoa? Avy eo dia nieritreritra aho hoe mety ho samihafa ity fanontaniana ity ho an’ny mpampianatra iray izay any Orem izay manana mpianatra mihoatra ny 100. Mety ho asa goavana ny mikasika ny fiainan’ny tsirairay amin’ireo mpianatra ireo raha oharina amin’ny mpampianatra iray any Frankfurt, Alemana izay manana mpianatra enina izay miaraka aminy any am-piangonana ary tena akaiky amin’ny sasantsasany amin’ireo ao amin’ny fianakavian’izy ireo. Noho izany aho mieritreritra fa mety tena hahakivy ny mahatsapa amin’ny maha mpampianatra anao fa ny andraikitrao dia ny ahafantatra ny tsirairay amin’ireo mpianatra amin’ny fomba manokana, toy ny mamangy ny fianakavian’izy ireo sy manatrika ireo hetsika karakarainy. Mety hanana hetsika maro izy ireo ary mety ho tena reraka ianao.

Noho izany misy hevitra vitsivitsy ireto mba hamantarantsika ny filan’izy ireo. Nieritreritra aho fa mila manontany isika. Mila hanontaniantsika ireo mpianatra hoe inona ireo filana hananany. Mila manontany ireo mpampianatra hafa isika momba ny zavatra izay hitan’izy ireo amin’ny mpianatra izay mitovy sokajin-taona amin’izy ireo ary mitovy kolontsaina amin’izy ireo satria ity Fiangonana ity dia misy manerana izao tontolo izao ary betsaka ireo tsy fitoviana ara-kolontsaina. Fa ambonin’ny zava-drehetra manontania ny Raintsika any An-danitra ary miankina amin’ny Fanahy sy ireo fampanantenana izay nomena antsika fa raha manao ny zava-drehetra azontsika atao isika dia ho voatahy amin’ny fitaomam-panahy ilaintsika mba hahafantarantsika ireo mpianatra sy ny zavatra tokony ho ampianarintsika azy ireo. Ao anatin’ity izao tontolo sarotra izao ity sy ireo fanamby hatrehan’ireo zatovo dia zava-dehibe kokoa ny hananantsika izany fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra izany rehefa mampianatra azy ireo.

Rahavavy Aburto: Raha ny eritreritro dia raha mila hevitra amin’izy ireo isika ary mahafantatra azy ireo dia ho fantantsika kokoa izy ireo. Tena manan-danja koa ny mandinika azy ireny ihany koa sy ny mihaino ireo famantarana izay homen`izy ireo antsika. Ny fanehoan-kevitra aroson’izy ireo na ny tsy fahampian’ny fanehoan-kevitra na ireo fanontaniana hapetrak’izy ireo dia hanome fahafahana antsika hahafantatra azy ireo kokoa. Angamba dia afaka mamela azy ireo hametraka fanontaniany na tsy mitonona anarana aza izy ireo. Indraindray dia mahatsapa ho malalaka kokoa izy ireo hilaza ny ao am-pony raha tsy fantantsika ny anaran’izy ireo. Maka antoka ihany koa fa ampifandraisanareo amin’ny zavatra mitranga amin’ny fiainan’izy ireo ankehitriny ireo fitsipika sy ireo fotopampianarana izay ianarantsika, tsy voatery ny amin’ny hoavy fa ankehitriny, mba hahitan’izy ireo ny tenan’izy ireo ao amin’ny soratra masina, mba hahitan’izy ireo ny tenan’izy ireo eo ampanangonana an’i Isiraely ary mba hahitan’izy ireo ny tenan’izy ireo ao amin’ny asa famonjena sy fisandratana. Ary afaka hanao jery todika amin’ny fiainany manokana ary mahita ireo fotoana izay nitahian’ny Tompo azy ireo mba ho tsaroany hoe iza izy ireo ary vonona ny hitahy azy ireo foana Izy. Ampio izy ireo hahita izany fifandraisana izany. Ary mba hanaovana izany dia mila fantarinao hoe inona ny mitranga amin’ny fiainan’izy ireny.

Rahalahy Wilkinson: Mieritreritra fotsiny aho hoe tena mahafinaritra ireo fanehoan-kevitra ireo. Hitako amin’iny andro voalohany ianarana iny fa manoratra taratasy ho ahy mihitsy ireo mpianatra. Tsy tiako izy ireo hilaza amiko akory hoe inona ireo fahotany na zavatra ohatra izany fa fotsiny hoe lazao amiko ny momba ny tenan’izy ireo. Inona ny zavatra ilaiko fantarina momba anareo izay tena afaka hanampy ahy hanompo anareo amin’ny maha mpampianatrareo ahy, ilay hampianatra anareo mandritra ny enim-bolana na mandritry ny taona. Tantarao amiko ny momba ny fianakavianareo sy ny asanareo ary ireo zavatra ataonareo amin’ny andavanandro. Lazao amiko ny zavatra antenainareo avy amin’ity kilasy ity. Na hiteny mihitsy aza hoe “Manana fahasahiranana aho amin’ny finoako” na koa hoe “Mitolona amin’ny zavatra iray aho.” Avy eo dia maka sary ireo mpianatra tsirairay aho dia paingoriko amin’ilay taratasy izany. Ary rehefa mamaky izany taratasy izany aho dia fantatro ilay mpianatra ary azoniko ao an-tsaiko ireo zavatra ireo eo ampiomanana. Ireo dia vitsivitsy angamba vitsivitsy amin’ireo fomba hampiharana ireo zavatra ampianarin’i Rahavavy Johnson sy Rahavavy Aburto antsika.

Rahalahy Willard: Ny fanontaniantsika manaraka dia natao ho an’ireo mpampianantsika mba hanampian’izy ireo amin’izany. Ahoana no handajalanjana ity andraikitra nomena antsika ity ny hampianatra fotopampianarana amin’ny fomba mazava ary marina sy ny famporisihana ireo mpianatra izay ao anatina toe-javatra maro samihafa sy avy amina kolontsaina samihafa hizara ny hevin’izy ireo sy ny fahatsapany amin’ny fomba maha mety izany? Inona no azontsika lazaina amin’ny mpampianatra iray izay miezaka haka antoka fa manam-peo ao an-dakilasy ireo mpianatra, fa afaka miteny izy ireo ary afaka mizara ny heviny sy ny fahatsapany izay mety hifanohitra amin’ny zavatra resahina ao an-dakilasy kanefa dia mbola mampianatra fotopampianarana ihany izany mpampianatra izany?

Rahalahy Whimpey: Sarotra ny mandajalanja ireo zavatra ireo ao amin’ny kilasy iray indraindray. Mihevitra aho fa tokony ho tsaroantsika fa ny andraikintsika dia ny hampianatra fahamarinana fa tsy hampianatra hevitra. Mila fantatr’ireo mpianantsika fa rehefa tonga ao an-dakilasy izy ireo dia handre fahamarinana. Izay ny antony ilantsika mifantoka amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, amin’izay rehefa tonga ireo mpianatra dia any anatin’izy ireny no ho alehantsika ary anatin’izy ireny no hahitantsika ireo valintenintsika. Ary ihany koa, tsarovy ilay tanjona dia ny hanampy ireo zatovo sy tanora tokan-tena hahatakatra sy hiantehitra amin’ireo fampianarana sy Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mila manampy ireo mpianatro aho hahatakatra.

Fa mihevitra ihany koa aho fa mila tsaroantsika fa ireo mpianantsika dia manana andraikitra vokatr’izany. Tadidio ny ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 50: fa hitory ny tenin’ny fahamarinana isika ary ireo mpianantsika koa avy eo dia mila mandray ny tenin’ny fahamarinana. Mila mino izy ireo rehefa tonga ao an-dakilasy. Noho izany raha afaka ny ho lasa tahaka ny laboratoara angamba ny kilasintsika, ka rehefa tonga ireo mpianantsika ary tsapany fa tontolo iray izay ampianarana fahamarinana izany ary azony antoka fa afaka mizara ireo fanontaniany na ireo traikefany sy ahiahiny izy ireo. Fa avy eo amin’ny maha mpampianatra antsika dia natao hanampy ireo mpianantsika hianatra ny fomba fianarana isika, hianatra ny fomba hahatsapana ny Fanahy sy ny fianarana ho an’ny tenany manokana ao anatin’izay tontolo izay ary hizara ny eritreritr’izy ireo. Ary angamba izany dia hitondra amin’ny fifanakalozan-kevitra, mitondra amin’ny soratra masina ary amin’ny tenin’ireo mpaminany mba hanampiana antsika hahita ny fahamarinana fa tsy hahita fotsiny hevitra na izay mety holazaina eto amin’ity izao tontolo izao ity.

Fa aoka isika hifantoka amin’ny atao hoe fahamarinana. Eritrereto ny lamina hahazoana fahalalana ara-panahy. Raha tena afaka ny hifantoka amin’izany lamina izany isika ary manampy ireo mpianantsika hianatra hanao zavatra amim-pinoana sy hanana fomba fijery mandrakizay ary avy eo dia hikaroka anaty loharano notendrena avy any an-danitra mba hahitana valiny ary avy eo rehefa tonga ao an-dakilasy izy ireo dia izay no antony maha eo azy ireo mba hahafahan’izy ireo mianatra fahamarinana ary mba hahafahany ho tonga tahaka ny Rainy any An-danitra.

Ny iray amin’ireo tale misahana ny Vondrom-paritra dia nizara tamiko traikefa iray. Tao amina kilasy iray izy ary nisy tanora tokan-tena iray nizara hevitra iray izay tsy tena nifanaraka firy tamin’ny fampianaran’ny Fiangonana. Avy eo dia namaly toy izao ilay mpampianatra. Hoy izy “Ahoana no ahafahan’ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny fahatakaranao manokana ny drafitry ny famonjena manampy anao hamaly izany fanontanianao izany? Manomboka amin’ny dingam-pinoana, amin’ny zavatra fantatrao sy ny tsapanao, ndao resahina avy amin’izany fomba fijery izany ireo zavatra ireo.” Avy eo dia nilaza fa nahita tanora tokan-tena iray izy nandray fanambarana teo no eo raha nanandrana hanao zavatra amim-pinoana ary mijery izy amin’ny fomba fijery mandrakizay. Niresaka momba ny zavatra fantany sy ny zavatra tsy mbola fantany izy ireo ary ny antony mahatonga azy ireo mbola te hiezaka hamantatra izany. Noho izany tsy mbola nanana ireo valim-panontaniana rehetra izy ireo fa tao anatin’izany tontolo izany dia tafiaraka mba hahafantatra ny fahamarinana nandinika an’izany, manao zavatra amim-pinoana ary mino avy amin’ny zavatra efa fantatr’izy ireo.

Ahoana no hanampiako anao hianatra ny fomba fianarana sy ny fomba hahitanao ny valim-panontanianao raha eo am-pivoarana ianao ao anatin’izany antsonao izany? Mihevitra aho fa tokony hitandrina isika indraindray, raha tsy mamela ireo fitsipika sy fotopampianarana hanova antsika isika indraindray dia isika no manandrana manova ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara mba hifanitsy amin’ny toe-javatra misy antsika sy ny zava-misy. Raha tena afaka milaza isika hoe “Ray any An-danitra o, te ho ohatra anao aho. Ampio aho hianatra ny fomba hanampian’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipiky ny filazantsara ahy” ary ao anatin’izay fanahy izay hoe “Mbola manana fanontaniana sy ahiahy aho kanefa aho dia tena te hahafantatra ny atao hoe fahamarinana.” Mihevitra aho fa amin’ny maha mpampianatra antsika dia afaka ny hanorina tontolo toy izany isika, amin’ny alalan’ny fomba hamaliantsika ireo fanontaniana. Fa manampy ireo mpianantsika hitodika amin`ny soratra masina sy ny mpaminany mba hianatra fahamarinana sy hanampy azy ireo ao anatin’ny tolona atrehany mba tena hahafantarana ny zavatra izay marina. Te hiteny koa aho hoe aza manambany ny herin’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny maha vavolombelona. “Ary amin’ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no hanorenana ny teny rehetra.”3 Ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ny mpaminany ary ny fijoroana ho vavolombelony manokana ny amin’ny izay marina. Ary avy eo rehefa mijoro ho vavolombelona izany Fanahy izany dia ho vitan’ireo zatovontsika ny manao azy ary hianatra ny fomba fianarana ho an’ny tenany manokana izy ireo ary ny fomba fianarana ny fahamarinana ho azy manokana.

Rahalahy Willard: Tiako ilay zavatra nolazain’i Nefia hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany Izy; na dia eo aza izany, dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra.”4 Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatra fantany fa marina i Nefia.

Rahalahy Wilkinson: Iray amin’ireo zavatra tonga tato an-tsaiko dia ny ohatr’ilay vehivavy janga sy ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Tsy nitsoaka ny andraikiny hampianatra fahamarinana izy, Nampianatra azy ny fotopampianarana izay nilaza fa tsy AZO atao ny nataony. Kanefa dia nanao izany tamin’ny fomba izay hiarovana azy izy ary toerana azo antoka fa hanampy azy hanana traikefa.

Rahavavy Johnson: Dia nitovy tamin’izay ihany no noeritreretiko fa raha afaka mahatsapa kokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny herin’ny Sorompanavotana ireo mpianatra, hery izay tsapa kokoa rehefa mampianatra ireo didy isika sy ny vokatry ny tsy fitandremana azy ireny. Raha fahatsapana fa misy olona tena tia azy ireo no entiny miala ao an-dakilasy sy avy amin’ny lesona iray, fa misy fomba izay hahafahany mandray ny herin’ny Sorompanavotana ka rehefa avy manao hadisoana isika ary tsy maintsy hanao izany daholo ny rehetra dia misy zavatra ilantsika ny Sorompanavotana. Ny lafin-tsaran’izany rehetra izany no entin’ny mpianatra miala ao an-dakilasy. Mahatsapa izy ireo fa misy fanantenana. Ary tena mila izany izy ireo ao anatin’ity izao tontoldo izao ity, izany no eritreretiko.

Rahalahy Willard: Misaotra anareo noho ireo fanehoan-kevitra ireo. Raha ny tena marina ity fanontaniana farany ity dia misy hidiran’izany ihany koa: Ahoana ny fomba hanampiantsika ireo zatovo hahatsapa fa misy mahita izy ireo ary tena manan-danja ireo fanontanian’izy ireo? Rahavavy Craig, Inona no hanampianao ireo?

Rahavavy Craig: Nieritreritra soratra masina iray ao amin’ny Marka aho izay tena fantatrareo rehetra tsara. Nisy zatova mpanaka mpanankarena iray nanatona ny Mpamonjy izay nanontany tena hoe inona no azony atao hahazoany ny fiainana mandrakizay. Dia nanao ny lisitr’ireo didy sasantsasany ny Mpamonjy izay efa tandrovany. Avy eo alohan’ny hangatahiny ity zatovo lahy ity hanao zavatra iray sarotra tena sarotra, ary isika rehetra dia manana zava-tsarotra avokoa, tiako ny ao amin’ny andininy 21: “Ary Jesosy, raha nijery azy,” dia “nitia azy.”5 Tena mieritreritra aho fa ny zava-dehibe indrindra azontsika atao amin’ny fiarahantsika amin’ireo zatovontsika dia ny manampy azy ireo hahatsapa fa misy mitia izy ireo. Tonga saina aho fa tsy mora foana ny manao izany ary indraindray dia hitaky ezaka betsaka sy vavaka avy amintsika ny ananantsika maso mijery tahaka ny fijerin’ny Mpamonjy.

Zavatra iray hafa tonga ato an-tsaiko rehefa mieritreritra momba izany aho dia ny hoe mila mampiasa ny herin’ny fanontaniana isika. Efa voaresaka teto anio izany fa mila mianatra mifanitsy amin’ireo mpianantsika isika ary ireo ampianarintsika ary mametraka fanontaniana tsara, fanontaniana izay manampy antsika handrefy ny fahatsapan’izy ireo sy ny misy azy ireo ary avy eo dia mankahery azy ireo hametraka ny tena fanontaniana ananan’izy ireo fa tsy ireo fanontaniana izay tsapan’izy ireo hoe tiantsika ho apetrak’izy ireo. Ireny fanontaniana ireny indraindray no tsy mampahazo aina ary tsy manana valim-panontaniana mora ary tsy MANINONA izany. Tsy afaka ny ho avelantsika fotsiny amin’izao izy ireny, satria mieritreritra aho fa ny fananan’izy ireo ireny fanontaniana sarotra ireny dia famantarana maneho ny fahalinan’izy ireo. Ary tsy tiantsika ho mpanatrika mipetra-potsiny izy ireo. Tiantsika hametraka fanontaniana izy ireo. Ny asantsika dia ny hanampy hitondra azy ireo amin’ny loharano tsara ambon’ny rehetra dia ny Tompo izany mba handray sy hanaraka ireo fanambarana ho an’ny tena manokana. Ary tokony hanao izany koa isika eo ampanorenana tontolo misy fahatokisana izay hahatsapany fa azo antoka ny maneho ny finoan’izy ireo ary indraindray ireo ahiahin’izy ireo ihany koa. Mieritreritra aho fa raha manorina ireo tontolo azo antoka ireo ary tena manaja azy ireo sy ny faharanitantsain’izy ireo, ny zava-bitan’izy ireo, ny zavatra ampianariny antsika ary ny zavatra azony atolotra ary rehefa manome azy ireo fahafahana hamaly ny antson’ny mpaminany iray sy i Jesoa Kristy ary mirotsaka amin’ny asa famonjena sy fisandratana dia ho vokatra mandeha ho azy ny fahatsapan’izy ireo fa misy mahita sy mandre ary ilaina izy ireo.

Rahavavy Aburto: Mihevitra aho fa tokony hifantoka amin’ireo mpianatra izay avy amin’ny toe-javatra samihafa eo amin’ny fiainana sy ao amin’ny fianakavian’izy ireo isika. Tokony haka antoka isika fa mahatsapa tsy ho voahilikilika ary tena ao amin’ity Fiangonana ity ary amin’ity vatan’i Kristy ity, fa ao anatin’izany isika rehetra. Mahatsapaka aho fa tokony hitandrina koa isika amin’ny teny ampiasaintsika. Ohatra misy ireo mpianatra izay mety tsy miara mipetraka amin’ireo ray aman-dreniny dia azontsika atao fotsiny ny miteny hoe “ny fianakavianao” na koa hoe “ireo olon-tianao” toy izay hoe miteny hoe “ray aman-dreny.” Ny fampisehoana fa marefo koa isika amin’ny hevitro dia manampy azy ireo hahita fa isika rehetra dia mitolona amin’ny zavatra daholo, fa isika rehetra dia manana fahalemena daholo. Noho izany dia mihevitra aho fa ny fanampiana ireo mpianantsika hahatsapa fa tafiditra anatin’ity dia misy antsika rehetra ity izy ireo, fa tsy misy olona tonga lafatra, dia hanampy azy ireo hahatsapa fa manan-danja izy ireo. Ary ihany koa ny fihainoana azy ireo mazava ho azy, ny fihainoana ny fanehoan-kevitri’izy ireo, ny fihainoana ny fanontaniana apetrak’izy ireo. Raha mametraka fanontiana izy ireo dia tokony hatsahatsika ny ataontsika ary miezaka ny manampy azy ireo hahita ny valiny amin` izy tenany ihany, tsy voatery hoe hanome azy ireo ny valiny fa ny ahitan’izy ireo ny valiny izy tenany ihany ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny vavaka sy ny tenin’ireo mpaminany velona.

Rahavavy Johnson: Te hilaza fotsiny aho hoe ny namaliantsika ireo fanontaniana ireo dia nitarika ahy hiverina handinika ireo mpampianatra teo amin’ny fiainako ary ny naha-zava-dehibe azy ireo, mahagaga tsotra izao. Tena feno fankasitrahana aho tao anatin’izay andro farany vitsivitsy izay raha niomana tamin’ity aho, ny nieritreritra momba ireo mpampianatra nananako sy ny fitiavan’izy ireo ary ny fanoloran-tenan’izy ireo amin’ny Mpamonjy ary ny fiantraikany lehibe nananany. Nahatsapa ho nanan-danja aho ary tena misy dikany noho izy ireo sy ny fitiavany ho an’ny Mpamonjy sy ho ahy. Ho feno fankasitrahana mandrakizay aho ho an’ireo mpampianatra lehibe ananantsika ato amin’ity Fiangonana ity. Tena traikefa mahafinaritra tsotra fotsiny izao ny mieritreritra ny hatsaran’izany.

Rahalahy Willard: Rehefa miresaka momba izany isika dia mampiseho izany mazava tsara ny mpampianatra lehibe iray. Izany dia haneho betsaka momba ny fampianarana mandritra ny mandrakizay mihoatra noho ity valan-dresaka ity na ireo lahateny. Ny hany mila ataonao dia ny mieritreritra momba ny mpampianatra iray izay nitahy ny fiainanao, ny mieritreritra olona iray izay nanatona anao ary nanompo anao amin’ny fomba izay nitahy ny fiainanao. Ary fantratro fa izany dia toriteny izay hilaza betsaka kokoa mihoatra noho ny fotoana nananantsika teto androany. Misaotra anao aho noho izany amin’izany fampahatsiahivana izany.

Eto am-pamaranantsika ity fotoana niarahana anio ity dia mamelà ahy ianareo hisaotra ny tsirairay aminareo izay nandray anjara tamin’ity valan-dresaka ity noho ny nampianaranareo anay tsy tamin’ny teny anio ihany fa indrindra tamin’ny ohatra nasehonareo. Mpanaradia an’i Jesoa Kristy ianareo ary voninahitra ho ahy ny niaraka tamin’ny tsirairay taminareo ary nianatra avy taminareo anio. Ho an’ireo mpanatrika izay mihaino manerana izao tontolo izao, amin’ny anaranay tsirairay anatin’ity valan-dresaka ity dia te hilaza izahay hoe tianay ianareo. Misaotra anareo izahay noho ireo fomba maro izay hikatsahanareo ny hitahiana ny zanak’ Andriamanitra. Mijory ho vavolombelona aho fa velona Izy. Asany ity. Ary mivavaka aho mba hahafahan’ireo fitahiana tsara indrindra mirotsaka amin’ny fiainanareo tsirairay avy na aiza na aiza misy anareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy