Fampitana fanao isan-taona
Fahaiza-miombom-pihetseham-po


Fahaiza-miombom-pihetseham-po

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2021

26 janoary 2021

Tiako ny zavatra nolazain’ny Rahalahy Wilkinson momba ireo izay very olon-tiana sy mijaly amin’ny fomba hafa mandritra izao fotoana izao, ary tiako ianareo hahafantatra fa ianareo dia tena akaiky ny fonay.

Tiako ihany koa ny hanomboka amin’ny fisaorana anareo fotsiny noho ny ezaka ataonareo mandritra ny vanim-potoana misy fanovana lehibe. Ny asa mafy ataonareo hampianarana an-jotra amin’ny fomba mahomby dia tena mahatalanjona. Fantatro fa nahakivy ny andro sasantsasany, ny fiezahana manampy ny mpianatrareo hazoto hatrany eo anatrehan’ireo fanelingelenana maro. Koa dia misaotra noho ny ezaka feno fikirizana ataonareo. Ankasitrahanay koa ny fahavononanareo hampifanaraka amin’ireo fanovana manan-danja hafa, toy ny tetiandron’ny fandaharam-pampianarana vaovao sy ireo fitakiana amin’ny zavatra mila vakina. Tena feno fankasitrahana aho noho ny fahaizanareo sy ny fahavononanareo lehibe hiatrika izany rehetra izany amin’ny finoana tena lehibe.

Amin’ny fotoan’ny fanovana dia misy ny fahaizana iray, mety hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mihitsy, izay heveriko fa manan-danja ny hananantsika tsirairay azy. Mitsiry avy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ilay izy. Dia ny fahafahana mahatoky ny fahombiazana tamin’ny lasa sady miandrandra ny fahazavana fanampiny tian’ny Tompo homena izany. Toy izao no nilazan’ny Loholona Jeffrey R. Holland azy:

“Natao hianarana ny lasa fa tsy hiainana. … Ary rehefa nianatra izay nilaintsika nianarana isika sy nitondra niaraka tamintsika ny tsara indrindra izay niainantsika dia mijery any aloha isika ary mahatsiaro fa manondro mankany amin’ny hoavy foana ny finoana. …

“Miorina eo amin’ny lasa ny finoana fa tsy maniry ny hijanona eo mihitsy. Matoky ny finoana fa Andriamanitra dia manana zavatra lehibe ho an’ny hoavy.”1

Eo am-pihazonana izay tsara rehetra tamin’ny lasa, isika dia tokony hikatsaka ny hanorina eo ambonin’ireo ezaka ireo amin’ny fiezahana mahatakatra ny zavatra tian’ny Tompo ataontsika manaraka. Tokony ho vonona hanontany tena isika hoe “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”2 ary hiezaka hivoatra eo amin’ny lafiny fahalalana, fitondran-tena, toetra, ary fiasa. Fanehoana finoana ihany koa izany.

Mety ho tsaroanareo fa dimy taona mahery izay, ny Loholona Kim B. Clark dia niteny tamintsika hoe:

“Na manao ahoana na manao ahoana ny toe-panahintsika amin’izao fotoana izao, ny halehiben’ny finoana an’i Jesoa Kristy ananantsika; ny tanjaky ny fanoloran-tena sy filofosana misy ao amintsika, ny fankatoavana na ny fanantenana na ny fiantrana ao amintsika; ny talenta sy fahaiza-manao arak’asa efa azontsika, dia tsy ho ampy eo anatrehan’ny asa miandry antsika izany. …

“ … I Jesoa Kristy Tompo dia manana asa lehibe hataontsika amin’ny taranaka vao misondrotra. Asa lehibe kokoa noho izay efa nataontsika hatramin’izay izany.”3

Feno fankasitrahana ny namalianareo an’izany fanasana izany aho. Nahita ny maro aminareo nanatevina ny toe-panahinareo sy ny fanolorantenanareo ary ny talenta sy ny fahaiza-manaonareo aho. Nahita antony maro ny amin’ny maha tena manan-danja izany isika, ary ny maha ilaina ny manatevina ireo toetra amam-pahaizana ireo amin’ny hoavy.

Mamelà ahy hizara ohatra aminareo. Tato ato isika dia niresaka momba ny antony ilana ny fifotorana amin’i Kristy sy ny fifantohana amin’ny mpianatra bebe kokoa. Tsy fehezan-teny hoentina hisarihana na teknika fampianarana fotsiny izany. Ny fifotorana amin’i Kristy sy ny fifantohana amin’ny mpianatra dia fomba iray hampiharana ireo didy roa lehibe indrindra.4 Tokony handrisika antsika hanasa zatovo sy tanora olon-dehibe maro kokoa mba handray anjara izany. Tokony hiantraika amin’ny ezaka ataontsika hampitombo ny herin’ny fampianarantsika izany.

Rehefa tena miezaka mampihatra ilay didy lehibe voalohany amin’ny fampianarantsika isika dia tsy hoe manonona ny Mpamonjy fotsiny rehefa hamarana ny lesona. Ho raisintsika ny fahafahana rehetra azo araraotina hijoroana ho vavolombelona momba Azy sy hanehoana ny fankasitrahantsika Azy. Miala amin’ny hoe manonona ny momba Azy fotsiny isika ary lasa miresaka momba Azy amin’ny fandraisana Azy ho ilay Mpanavotra antsika manokana izay lasa fantatsika sy tiantsika ary itokisantsika.

Rehefa tena miezaka mampihatra ny didy lehibe faharoa amin’ny fampianarantsika isika dia tsy hoe mifantoka fotsiny amin’ny famitana ny loharanom-pitaovana na mampiasa fomba fampianarana manokana mba handraisan’ny mpianatra anjara. Mifantoka amin’ny isam-batan’olona sy ny zavatra ilainy isika, ary maniry mafy isika ny hanampy azy ireo handroso mankamin’ny fiainana mandrakizay. Lasa tsy kilasy feno mpianatra intsony no hitantsika fa zanaka malalan’ Andriamanitra izay afaka ny ho lasa tahaka Azy no hitantsika ao amin’ny mpianatra tsirairay.

Tsy hevi-baovao ireo. Efa naniry ny hanao izany foana isika. Noho izany ny fanontaniako dia ny hoe, ahoana no fomba hiorenana eo amin’ny fahombiazana tamin’ny lasa mba hanatanterahana izany amin’ny fomba mahomby kokoa amin’ny hoavy?

Na dia efa niresaka momba ireo lohahevitra ireo aza aho taloha, mba hanohizana ny fiorenana eo ambonin’ny tsara izay efa natao dia te hizara aminareo ny eritreritra iray fanampiny momba ny tapany tsirairay amin’ireo zavatra voalaza ireo aho, hatomboko amin’ilay hoe fifotorana amin’i Kristy bebe kokoa. Niezaka ny hahatakatra tsaratsara kokoa ny dikan’izany sy ny mety ho endrik’izany ao amin’ny tokantranontsika sy ny efitrano fianarantsika aho. Marina tokoa fa tokony hanohy ny ezaka ataontsika hanampy ny mpianatra hifantoka amin’ireo fiantso, toetra ary ohatra nasehon’i Jesoa Kristy isika.5 Te handroso fomba iray fanampiny aho. Niaraka taminareo dia nampahatsiahivin’ny Filoha Russell M. Nelson mpaminanin’ny Tompo aho fa “ny fanisana ireo fitahiantsika dia tsara lavitra noho ny fanisana ireo olantsika.”6 Nianatra avy aminy momba ireo fitahiana izay ho an’ny Isiraely nanao fanekempihavanana aho, ary ny hoe rehefa mamela an’ Andriamanitra hanjaka isika dia hahazo fanasitranana, hahita valim-panontaniana, handray herim-po hiatrehana fakam-panahy ary tanjaka hiadiana ireo adintsika. Ary araka ny voalazan’ny Filoha Nelson, “hiaina manokana isika fa ny Andriamanitsika dia -Andriamanitry ny fahagagana,- [Môrmôna 9:11].”7 Ny fomba iray hafa ifantohana amin’ny Mpamonjy araka izany dia ny manampy ny mpianatsika hahita ny fomba hanolorany tanana amin’ny fitiavana sy famindram-po an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

Vao haingana aho no nandray anjara tamina fotoam-pianarana tanterahina an-jotra. Ho fanomanana ny fotoam-pianarana dia namaky ny Etera 2:25 ny mpianatra: “Ary indro, manomana anareo hiatrika izany zavatra izany aho; fa tsy afaka mita ity hantsana lehibe ity ianareo raha tsy omaniko ianareo hiatrika ny onjan-dranomasina.”8 Nifanakalo hevitra momba ity andininy ity sy ny fomba nanomanan’ny Tompo ny Jaredita tamin’ny dian’izy ireo ny olona tao amin’ilay kilasy. Nizara ny mpianatra iray fa tao anaty fisedrana izy, izay nofariparitany ho ny zavatra nampivaloharika azy indrindra niainany hatrizay.

Avy eo dia nisy nametraka fanontaniana iray izay inoako fa nentanin’ny Fanahy Masina. Inona no efa nataon’ny Tompo mba hanomanana anao ho amin’izany fisedrana izany, izany hoe mialoha ny nitrangany? Inona avy no traikefa efa nomeny anao ary inona no lesona efa nampianariny anao izay azonao ifotorana? Tena fanontaniana tsara izay mahatonga antsika hieritreritra momba ny fomba anoloran’ny Mpamonjy tanana antsika amim-pitiavana izany, rehefa mampiomana antsika mialoha ny amin’ny zavatra ho avy Izy. Ilay olona nandalo fisedrana dia niresaka momba ireo fomba maro izay nanomanan’ny Tompo azy. Tonga saina izy ny amin’ny fananany traikefa azony nifotorana ary fahatakarana sy fijoroana ho vavolombelona lalina ny amin’ireo fitsipika nilainy nofantarina mba hiatrehana izany fisedrana izany am-pinoana lehibe. Mpianatra maro hafa no nizara ny fomba nanohanan’ny Tompo azy ireo tao amin’ny fitsapany ary ny fomba lasa nahafantarany fa tia azy ireo sy maniry ny hitahy azy ireo Izy.

Eo am-pahitanareo sy ny mpianatrareo ny tanan’ny Tompo mitahy ireo olona izay lasa fantatsika ao amin’ny soratra masina dia afaka hanampy azy ireo hamantatra ny anjara asany eo amin’ny fiainan’izy ireo ankehitriny ihany koa ianareo. Araka ny hanentanan’ny Bokin’ny Môrmôna antsika dia afaka manampy azy ireo “[hahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona” isika.9

Izao aho dia hizara eritreritra vitsivitsy momba ilay tapany faharoa ao amin’ilay fehezan-teny: ny ilana ny mifantoka amin’ny mpianatsika. Isika dia miaina amin’ny fotoana iray izay ananan’ny zatovo sy ny tanora maro olana amin’ireo fanontaniana tsy voavaly ka hahatsapan’izy ireo ho mikorotan-tsaina noho ireo feo maro eto amin’izao tontolo izao. Mba tsy hahavoahelingelina azy ireo dia mila mahatakatra fotopampianarana marina izy ireo. Tahaka ny hatrizay dia mila antsika manana ny herin-tsaina hampianatra sy hijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana mandrakizay izy ireo. Ahoana ary izany no hihazonana izany—sy iorenana eo ambonin’izany—mba hitondrana ny zavatra ilain’izy ireo eo am-pandrosoana? Ahoana no fomba ifantohana tsaratsara kokoa, tsy amin’ny fampianarana fahamarinana ihany fa amin’ny fanampiana ireo mpianatsika hianatra fahamarinana?

Fomba iray hanaovana izany dia amin’ny alalan’ny fahaiza-miombom-pihetseham-po izay toetra tahaka ny an’i Kristy. Ny fahaiza-miombom-pihetseham-po dia ny fahaizana mahazo an-tsaina sy miombona amin’ireo fihetseham-pon’ny olona hafa. Ny fahaiza-miombom-pihetseham-po tena izy dia mampiray ny olona; mampitsiry fifandraisana ary manampy ny olona hahatsapa fa tsy irery izy ireo. Singa fototra amin’ny fanorenana tontolo hahatsapana fananan’ny rehetra toerana izany. Io toetra io dia tena ilaina amin’ny famaliana amin’ny fomba mahomby ny mpianatra iray izay manana fanontaniana sy amin’ny fitarihana amin’ny fomba mahomby fifanakalozan-kevitra ataon’ny vondrona iray, izay sehatra hihainoan’ny mpianatra maro tsara ka ananan’izy ireo fanontaniana ao an-tsaina.

Ny fikarohana dia mampiseho fa ireo izay sahirana amin’ny finoana amin’ny ankapobeny dia tsy miala noho ny antony fotopampianarana. Miala izy ireo satria mametraka ny fanontaniany amin’ny sahan-kevitry ny zavatra niainany manokana izay nahatonga azy ireo hahita ireo olana ireo amin’ny fomba fijery manokana—matetika amin’ny fomba fijerin’ny olona tsy tamàna na niaina zavatra nampalahelo na zavatra nandrandraina tsy tanteraka. Raha toa isika ka mamaly ny fanontaniany tsy amin’ny fahaiza-miombom-pihetseham-po, sady tsy mahatakatra ny manodidina izany, dia mety tsy hitondra ny fanampiana ilainy isika. Mbola loza kokoa noho izany aza, raha toa ka ataontsika an-jorom-bàla ny fanontaniany, na mitsaratsara isika, na masiaka isika, dia hanary ny fitokisany sy ny fahafahana hitondra fiantraikany tsara eo amin’ny fiainany isika.

Ny Mpamonjy no ohatra tonga lafatra amin’ny “[firesahana] ny marina amin’ny fitiavana.”10 Ny fifandraisany tamin’ny hafa dia feno fahaiza-miombom-pihetseham-po, nampifanarahany foana tamin’ny zavatra nilain’ny isam-batan’olona sy takatr’izy ireo. Vokatr’izany, ireo izay nahatsapa fa tsy nahavita azy na tsy nanana ny toerany amin’ny maha mpianatra filamatra dia mbola nahatsapa ny fitiavany foana ary nanatona Azy foana. Nahatsapa izy ireo fa nila Azy.

Ny ohatra tena tsara iray hafa dia avy amin’ny fandalinana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana amin’ity taona ity. Ny fizarana 88 dia mirakitra ny torolalan’ny Tompo ho an’ny Sekolin’ny Mpaminany. Ny mpampianatra dia tokony ho tonga mialoha ny mpianatra ary manomana ny tenany sy ny efitrano. Omena toromarika koa izy hiarahaba ny mpianatra amin’ny alalan’ireto teny ireto:

“Izaho miarahaba anao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo, ho marika na ho fahatsiarovana ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay, dia fanekempihavanana izay andraisako anao amim-pirahalahiana omban’ny finiavana izay mitoetra, tsy miova ary tsy mety lefy, ny mba ho namanao sy ho rahalahinao amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra, ao amin’ny famatoran’ny fitiavana.”11

Na dia tsy dia mety aza ny hanombohana ny kilasin’ny seminera na institiota tsirairay amin’izany fomba izany dia mifono fampianarana sy hevitra betsaka io fiarahabana io. Araka ny nangatahan’ny Rahavavy Virginia Pearce hoe: “Azonareo sary an-tsaina ve ny tontolo fianarana iray izay miorina amin’ny fanehoam-pitiavana sy fanoloran-tena avy amin’ny mpianatra tahaka anareo sy ho an’ny mpianatra tahaka anareo? Azonareo sary an-tsaina ve ny fahatsapan’izy ireo manokana ho tena voaro—ary ny tanjaka izay ho nampiasaina hiarovana azy ireo ka hahafahany mianatra sy mivoatra ary miova? Azonareo sary an-tsaina ve ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny efitrano iray izay nanaovan’ny mpandray anjara tsirairay avy voady ny ho namana sy rahalahy amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra ao amin’ny famatoran’ny fitiavana?”12

Eritrereto fotsiny ny zavatra mety hiova ao amin’ny kilasintsika sy ny fomba hitahian’izany ny mpianatra tsirairay. Eritrereto ohatra ny zatovolahy iray antsoina hoe Alex, izay manontany hoe: “Inona no ataoko raha toa ka misy fenitry ny Fiangonana tsy ekeko?” Ahoana no hamalianao izany amin’ny fomba mampiseho ny fitiavanao sy ny fahaizanao miombom-pihetseham-po? Mazava ho azy fa mila mahatakatra ny anjara asan’ny mpaminany sy ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana izy. Fa izany anefa dia mety ho tsy ny valin-teny manan-danja indrindra avy hatrany tokony homenao, ary mety ho tsy ampy ho an’ny olona iray izay tena mitolona marina ao anatin’ny olana iray. Mialoha ny hamaliana fanontaniana iray na hitarihana fifanakalozan-kevitra dia tokony hataontsika tsara aloha ny mikatsaka ny hahatakatra ny mahazo an’ilay olona izay mametraka fanontaniana na ny vondrona izay manao ny fifanakalozan-kevitra. Noho izany, raha manana fahafahana hiresahana marina amin’i Alex ianao, dia inona koa no mila fantatrao, ary inona koa no ilainy avy aminao?

Ho fanombohana dia afaka mivavaka isika mba hahazo ny fahafahana mipetraka eo amin’ny toerany ary miezaka ny haka sary an-tsaina ny zavatra tsapany. Azo inoana fa tsy mametraka ity fanontaniana ity ho fampiasan-tsaina fotsiny na mba hahatakarana fotsiny ny fotopampianarana i Alex. Manana tantara i Alex. Manana zavatra niainana sy fifandraisana taman’olona izy, ny sasany tsara ary ny hafa tsy tsara. Raha ny marina, amin’ity tranga ity, i Alex dia mahatsiaro ho voailika rehefa mandeha any am-piangonana sy ao amin’ny institiota. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara dia mahatsapa ho hafa amin’ny olona maro izay mandray fitenenena izy. Manontany tena izy raha toa ka misy olona hafa mitovy aminy, saingy toa tsy misy mametraka mihitsy izany fanontaniany manokana izany. Izany zavatra niainany izany no nahatonga azy hahatsiaro ho irery ao am-piangonana. Rehefa niezaka nizara ny fomba fijeriny izy dia tsy nahatsapa hoe nisy nihaino na nisy nitsetra. Tamin’ny fotoana iray hafa dia nilaza zavatra momba ny volombavany ny mpampianatra iray. Taty aoriana dia nanamaivana zavatra iray izay noheverin’i Alex fa tena manan-danja be ny mpiara-mianatra iray. Nanomboka nahatsapa ho notsaraina izy ary nisy fotoana tezitra mihitsy aza.

Saingy misy anefa ny zavatra iray mila fantatrareo sy tsaroanareo momba an’i Alex. Mbola eo foana izy. Tonga ao an-dakilasy izy. Tonga izy satria tiany ny filazantsara sy ny Fiangonana. Miezaka mihazona ny finoany izy, ary miezaka manao izay marina izy. Miezaka ihany koa izy manivana ireo zavatra rehetra henony sy niainany ao amin’ny Fiangonana, ny hoe inona no fotopampianarana marina ary inona no fenitra ara-kolontsaina na zavatra tsy marina mihitsy izay nampitapitain’ny mpikambana tsara sitrapo fotsiny. Tafiditra ao anaty tolona ara-pihetseham-po izy, ary mikatsaka ny hahafantatra ny sitrapon’ny Tompo. Ahoana no hahalalanao an’izany rehetra momba an’i Alex izany raha toa ka tsy nihaino sy nikatsaka ny hanana fahaiza-miombom-pihetseham-po ianao? Noho ianao mahafantatra an’i Alex bebe izao dia tonga saina ianao fa tsy manontany momba ny fenitry ny Fiangonana fotsiny izy. Ny fanontaniany dia tsy hoe “marina ve ny Fiangonana?” fotsiny. Tiany ho fantatra ny hoe “tsara ve ny Fiangonana?” “Misy toerana ho ahy ve ato?” ary “Aiza ho aiza ny toerako satria toa izaho ihany no manana fisalasalana sy fanontaniana?”

Afaka manampy an’i Alex hieritreritra ireo fanontaniany sy mametraka izany amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ianao. Indraindray ny fametrahana ny fanontaniana tokony hapetraka dia ampahany manan-danja amin’ny fandraisana valiny avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Saingy ny fananana fitiavana sy fahaiza-miombom-pihetseham-po sahaza mba hahatakarana ny mahazo azy sy hanekena ny sahan-kevitry ny fanontaniany dia hanampy anao hitondra ny fanohanana sy fitarihana ilainy. Tsy mora izany ary mety ho toa somary mampatahotra mihitsy aza. Tsy mangataka anareo ho tonga lafatra amin’ny fitarihana ny fifanakalozan-kevitra rehetra na ny famaliana ny fanontaniana rehetra anefa aho. Ny angatahako anareo dia ny mihaino, ny hahay hiombom-pihetseham-po, ary ny hanampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo. Azonareo sary an-tsaina ve ny fahatsapana ho voaro ananan’i Alex sy ny mpiara-mianatra aminy, ary ny hery izay ho nampiasaina teo aloha hiarovana azy ireo ka hahafahan’izy ireo izao mianatra sy mivoatra ary miova? Azonareo sary an-tsaina ve ny herin’ny Fanahy Masina ao amin’ny efitrano iray heniky ny finamanana sy ao amin’ny famatoran’ny fitiavana?

Tadidinareo ve ny torohevitry ny Loholona Dale G. Renlund tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany farany teo? Nilaza momba ny marary iray izay naiditra hôpitaly imbetsaka izy ho fitsaboana ireo aretina nifandray tamin’ny fisotroana toaka. Ny mpitsabo vao niofana iray dia nilaza ny fahatsapany fa tsy rariny ny handaniany ora marobe hikarakarana io marary io satria izy ihany no nahatonga ny zavatra nanjo ny tenany.

Ny Loholona Renlund dia naheno mpitsabo iray hafa namaly nilaza hoe: “Lasa mpitsabo ianao mba hikarakara ny olona sy hiasa hanasitrana azy ireo. Tsy lasa mpitsabo ianao mba hitsara azy ireo. Raha toa ka tsy takatrao ny fahasamihafan’izany dia tsy manana zo hiofana ato amin’ity toerana ity ianao.”13

Izaho sy ianao dia tsy lasa mpampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mba hitsara ny mpianatsika. Lasa mpampianatra isika satria maniry ny hitondra azy ireo ho ao amin’ilay Tompo Mpanasitrana isika. I Jesoa Kristy ihany no manan-jo hitsara, ary Izy ihany no afaka manasitrana. Ny fifantohana Aminy isan’andro ihany—amin’ny ohatra nasehony, ny fampianarany, ary ny fampanantenany—no ahafahantsika manampy azy ireo hahita ny fanasitranana sy fitarihana ilain’izy ireo. Na manao ahoana na manao ahoana fanovana amin’ny fomba fiasa amin’ny fampianarana sy fifandraisana amin’ny mpianatsika dia misy ny zavatra iray izay tsy hiova mihitsy. Ny fomba tokana manan-danja indrindra izay hahafahantsika manampy amin’ny fampitomboana ny finoana ao amin’ny taranaka vao misondrotra dia ny fametrahana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fampianarantsika sy ny fianarantsika amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo ho tonga amin’ny fahafantarana Azy, hianatra avy Aminy, ary hilofo amim-pahatongavan-tsaina mba ho tonga tahaka Azy. Rehefa ampiarahana amin’ny fitiavana lalina ny mpianatrareo ny firedaredan’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo dia ho amin’ny toerana tsara indrindra mba hanampy azy ireo hahatakatra sy hiantehitra amin’ireo fampianarany sy ny Sorompanavotany ary ho mendrika ireo fitahiana nampanantenainy ianareo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Izao dia hamonjy an-dRahalahy Bigelow sy Rahalahy Smith aho.

Hamoaka printy