Fampitana fanao isan-taona
Lovam-piovana ao amin’ny DFF (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana)


16:36

Lovam-piovana ao amin’ny DFF (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana)

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny 2021

Talata 19 janoary 2021

Feno fankasitrahana aho noho ianareo ary fifaliana ho ahy ny hiaraka aminareo mandritra ny minitra vitsivitsy anio. Feno fankasitrahana an’i Chad sy ireo mpiara-miasa aminy izay manan-talenta sy feno fanoloran-tena ka tena miasa amim-pahavitrihana mba hanampy amin’ity asan’ny Tompo ity aho. Fitahiana ny fiarahantsika amin’i Rahavavy Jean B. Bingham anio ary dia miandrandra ny hafatra ho entiny aho. Mpitarika mahery vaika sy mitaona fanahy izy, ary feno fankasitrahana isika noho izy manompo ao amin’ny Birao filan-kevitra misahana ny fanabeazana an’ny Fiangonana.

Rehefa nandalina tao an-tsaina an’ireo fanovana manan-danja ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara (S&I) izahay, dia nisaintsaina lalina ihany koa momba ireo fanovana nanerana ny tantaran’ny rafitry ny fampianarana tato amin’ny Fiangonana aho. Vao haingana izay no nanomboka nampifandraisiko tamin’ny zavatra mitranga ao amin’ny rafitry ny fampianarana eo anivon’ny Fiangonana ny tantaram-pianakaviako manokana. Fony izy ireo tanora vao herotrerony dia niova fo ho amin’ny Fiangonana tao Soisa ny ray aman-drenin’ny reniko, hany ka amin’iny ilan’ny fianakaviako iny, dia ny taranaky ny reniko no nifandray voalohany tamin’ny rafitry ny fampianarana eo anivon’ny Fiangonana. Ny sasany tamin’ny razamben-draiko dia mpikamban’ny Fiangonana efa ela kokoa tato anatin’ny fotoampitantanana. Mamelà ahy hiverina any amin’ireo fampahalalana fototra momba ny sasany amin’izy ireo sy hilaza ihany koa ireo ezaka nataon’ny rafitry ny fampianarana eo anivon’ny Fiangonana nandritra ny vanin’andron’izy ireo. Hahatsikaritra fanovana manerana ireo taona mifandimby ianareo—lehibe tokoa ny sasany amin’izany.

Mbola tovovavy kely i Sarah Jane Angell, renin’ny renibeko raha nipetraka tao Kirtland, Missouri, ary Nauvoo ny fianakaviany. Tonga tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake izy tamin’ny 1848 raha mbola zatovovavy 14 taona, ary nandray fampianarana tao amin’izay sekolim-piaraha-monina teo amin’ireo toerana ireo izy.

I Jarvis Johnson, izay nanambady an’i Sarah taty aoriana, dia niaina tao Nauvoo nandritra ny fahatanorany. Ny fampianarana izay mety ho noraisiny dia tsy maintsy ho avy tamin’iray tamin’ireo sekoly maromaro tao amin’ilay tanàna. Niditra ho mpikamban’ny vondrona miaramila Mormon Battalion izy tamin’ny faha-17 taonany rehefa nandao an’i Nauvoo ireo Olomasina ka nandeha niantsinanana. Nandritra ny fahatanoran’i Sarah sy i Jarvis sy ny taona naha-tanora vao herotrerony azy ireo dia nanolotra fampianarana ny Fiangonana sy ny isam-batan’olona tao amin’ny fiaraha-monina nisy azy ireo, saingy tsy nisy ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana toy ny fantatsika amin’izao fotoana izao.

I Rais zanakalahin’i Sarah sy i Jarvis no raibeko. Lehibe tao Utah izy ary nianatra tao amin’ny sekoly tao amin’ny renivohitra izay antsoina hoe Honeyville. Sady natao fiangonana no sady sekoly ilay trano. I Charlotte, izay nanambady an’i Rais taty aoriana, dia nianatra tao Call’s Fort tao amin’ny trano kely iray vita tamin’ny vato. Mbola zatovo izy ireo tamin’ny faraparan’ny taona 1870 sy fiantombohan’ny taona 1880, taona vitsivitsy talohan’ny nanokafan’ny Fiangonana ireo sekoly fampiofanany. Tsy nomena lalana hampianatra filazantsara ireo sekoly ireo rehefa lasa sekolim-panjakana ny ankamaroan’ny sekoly teny an-drenivohitra nandritra ny taona 1880. Izany dia niteraka fivelaran’ny sekoly fampiofanana an’ny Fiangonana taorian’ny nahavitan’i Rais sy i Charlotte ny fianaran’izy ireo.

Namela fitantarana ny fomba nangatahany ho vady an’i Charlotte izay nantsoiny hoe Lottie i Rais. Hoy izy:

“Nitondra sarety fitondrana entam-barotra i Lottie tamin’ny fotoana voalohany nahitako azy. Nihazona toeram-pivarotana teo anoloan’ny tranon’izy ireo ny rainy. Toy ny voninkazo daisy izy tamin’izay. Taty aoriana dia tafahaona taminy nandritra ny lanonam-pandihizana iray aho, dia nifampisakaiza izahay tsy ampy iray taona akory, ary taorian’izany dia nangataka azy ho vady aho. Hoy izy hoe: -Tsy tia ahy ianao.- Niteny aho hoe: -Tia anao aho.- Nifamofo nandritra ny telo volana izahay.”1

Azoko antoka fa tsy ho nahomby i Rais raha nanao mpanoratra boky tantaram-pitiavana, saingy na izany aza anefa dia nanambady azy ihany i Charlotte, ary nanana zanaka 12 izy ireo.

Iray tamin’ireo zanaka 12 ireo, i Alphalus—izay fantatra tamin’ny hoe “Alph”—dia dadabeko ary izy dia nanatrika ny College Brigham Young tao Logan, Utah. Nianatra tao amin’ny Collège Brigham Young izay anisan’ireo sekoly fampiofanana an’ny Fiangonana ihany koa i Blanche bebeko. Tamin’ny fotoana nianaran’izy ireo dia nitovy tamin’ny fitambaran’ny Lycée sy ny toeram-pampianarana mialoha ny oniversite izany. Tao amin’ireo sekoly fampiofanana ireo, ny mpianatra dia nampianarina ny zavatra tsy ara-pilazantsara sy ny ara-pilazantsara ary dia nanana zavatra natao isan-karazany. Nilalao tao anatin’ny ekipan’ny baseball sy baskety ny dadabeko, ary ny bebeko dia mpanao tsambikina amin’ny tsato-kazo.

Ny fampianarana seminera voalohany any an-tsekoly dia nanomboka tao Salt Lake City tamin’ny 1912 ary dia avy tao no nanomboka niparitaka ho any amin’ny renivohitra hafa ilay fandaharan’asa. Rehefa nanomboka nampiseho fa nanome fototra tsara ho an’ny filazantsara tamin’ireo mpianatra izay nanatrika ny sekoly ara-panjakana ireo seminera ireo, dia nanapa-kevitra ny Fiangonana ny hanaisotra ny tenany tamin’ny ankabetsahan’ireo sekoly fampiofanana ireo, anisan’izany ny collège Brigham Young. Noho izany, ny taranaka nanaraka tao amin’ny fianakaviako dia nanatrika sekolim-panjakana sy seminera.

I Vere, iray tamin’ireo zanakalahin’i Alph sy i Blanche no raiko. Tadidiny nandritra ny fiainany iray manontolo ireo mpampianatra seminerany. Nanatrika seminera sy nianatra tao amin’ny Lycée ihany koa i Winifred reniko, ary dia tadidiny ihany koa ireo mpampianatra seminerany.

Nanomboka tao Moscow, Idaho ny fandaharan’asa Institiota fianarana ny filazantsara tamin’ny 1926, ary tamin’ny 1928 dia tafatsangana tao Logan, Utah ny institiota faharoa. Ireo ray aman-dreniko dia samy nianatra tao amin’ny Oniversite izay fantatra ankehitriny amin’ny hoe Oniversiten’i Utah State tao Logan nandritra ireo taona 1940. Efa tafaorina tsara tao Logan tamin’izany ny fandaharan’asa institiota, ary nisy ifandraisany tamin’ny fiaraha-mientana teo anivon’ny institiota ny nihaonan’ireo ray aman-dreniko voalohany. Nifanambady izy ireo tamin’ny farany, ary taorian’ny fanambadian’izy ireo tao amin’ny tempolin’i Logan dia notontosain’izy ireo tao amin’ny trano fanaovana institiota ny lanonam-panambadian’izy ireo.

Lehibe tao Logan, Utah aho ary nianatra tao amin’ny Lycée sy seminera mitovy tamin’ny natrehan’ny reniko. Izany Lycée izany no collège Brigham Young fahiny. Nandany ny sasany tamin’ny taom-pianarana tany Monticello, Utah aho ary nanatrika kilasin’ny seminera mitovy tamin’ny izay natrehan’ny ankizivavy iray mahafinaritra izay zandriko herintaona. Jill no anarany tamin’izay. Raha ny marina dia mbola Jill ihany no anarany, ary na dia tsy azoko antoka aza raha toa ka mahay mitafatafa ara-pitiavana kokoa noho ny raibeko Rais aho, dia lasa nanambady ahy ihany izy tamin’ny farany.

Nianatra seminera aho tamin’ny faraparan’ny taona 1960 sy ny fiantombohan’ny taona 1970. Izany no vanim-potoana izay nanombohan’ny fivelaran’ny seminera sy ny institiota tany amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao. Efa nisy traikefa maromaro tamin’ny kilasy seminera vao maraina sy fanandramana ny fianarana seminera any an-trano izay nahafahana nanao ny fampivelarana manerana izao tontolo izao. Fotoana feno fanamby izany ho an’ireo izay tao amin’ny S&I. Niezaka nampifanaraka ny fandaharan’asa izay fanao tamin’ny kilasy seminera sy tamin’ny institiota teo anivon’ny toeram-ponenan’ny mpianatry ny oniversite sy ny ireo tranga samihafa nanerana an’izao tontolo izy ireo. Niatrika fanamby goavana tamin’ny resaka fandikan-teny sy fanontana ihany koa izy ireo tamin’ireo andro voalohandohany ireo.

Raha ny marina, fony aho teo am-panaovana misiôna tany Norvege tamin’ny fiantombohan’ny ny taona 1970 no nampahafantarina tany ny seminera tamin’ny taona nahatongavako. Tsaroako ny nanampiana zatovolahy iray, i Tom Rui, tamin’ny enti-modiny tamin’ny lesona seminera—zavatra izay tsy mbola hitako hatramin’izay. Tamin’izay no nahatsapako voalohany fa ny seminera dia afaka ny ho zavatra miavaka amin’ny kilasy iray mandritra ny andro fianarana izay notontosaina teo anilan’ny sekoly.

Izao aho dia hivadika avy amin’ny razambeko ho amin’ny taranakay. Ny zanakay dia nanatrika seminera nandritra ny fandaharam-potoana natokana hanaovana izany amin’ny andro fianarana, ankoatran’ireo zanakay vitsivitsy izay nanatrika seminera vao maraina raha mbola namita hiraka tany Chilie izahay. Efa niova ny fandaharam-pampianarana hatramin’ny fotoana nanatrehanay sy i Jill seminera. Mpampianatra seminera aho fony mbola tanora tamin’ny fotoana nanombohana ny fampianarana soratra masina amin’ny fomba mifanesy arakaraka ny boky. Nananosarotra ny fitadiavana fomba tsara mba hampianarana amin’izany fomba izany. Tsy nandeha ho azy ny fiovana ho amin’izany. Saingy tena ilay zavatra nilaina ho an’ilay taranaka nampianarina ny vokatr’ilay izy. Lasa nahafantatra bebe kokoa ny soratra masina izy ireo, ary vokatr’izany, dia nentanin’ny fanahy ho azy kokoa izy ireo tamin’ny alalan’ny soratra masina ary lasa nanana fitokisana tamin’izy ireny. Manana raki-peon’ny ray aman-dreniko maromaro hatramin’ny taona vitsivitsy talohan’ny nahafatesan’izy ireo izahay, ary ny reniko dia niresaka momba ny tsy fitoviana izay tsikaritrany.

Henoy ny fanamarihana nataony:

“Tsy nahazo fampianarana tsara tao amin’ny seminera toy ny azon’ny ankizyamin’izao fotoana izao izahay, ary izahay ihany koa dia tsy mba nanana fahazarana namaky ny soratra masina toy ny ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao. Nanana boky kely—Tantara avy ao amin’ny Soratra Masina—ny reniko ary dia ireny no novakiany. Saingy tsy tsaroako hoe namaky soratra masina izahay. Angamba ny zanakay, na ireo zafikelinay manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa satria izy ireo dia mahatakatra ny filazantsara bebe kokoa ary dia manana tokoa izy ireo—Manomboka mamaky izany izy ireo raha mbola kely ary dia tena vakian’izy ireo ny soratra masina. Ary mihevitra aho fa nanampy hery lehibe ho azy ireo izany.”2

Amin’izao fotoana izao ny sasany amin’ireo zafikeliko dia efa amin’ny taona fanaovana seminera ary ireo zokiny indrindra dia efa amin’ny taona fanaovana institiota. Mbola mahita fiovana hafa foana ao amin’ny S&I izy ireo, toy ny fampifanarahana ny zavatra izay nampianarina tao amin’ny seminera amin’ny zavatra izay halalinina any an-trano miaraka amin’ny Avia, Hanaraka Ahy. Noho ny valan’aretina amin’izao fotoana izao dia mila mianatra tokoa ny fomba fampianarana ampitain-davitra isika. Tena manohana anareo rehetra aho raha eo am-panaovana fanovana izay hifanaraka “amin’ny toe-piainan’ny”3 taranaka vao misondrotra isika. Manohana mafy kokoa aho satria ao anatin’izany taranaka vao misondrotra izany ny zafikelinay.

Tena sarotra ny manao fanovana goavana. Indraindray mazava tsara ny lalana hizorana, saingy mety ho feno fanamby ny fanatanterahana azy. Eritrereto ireo zanakalahin’i Môsià. Nanana tanjona mazava izy ireo fa “hanambara ny famonjena amin’ny olona tsirairay”4 ary “ angamba mba ho azon[’izy ireo] vonjena ny fanahy … sasany.”5 Mora ny mifantoka fotsiny ihany amin’ny fahombiazan’izy ireo izay feno fahagagana ka manadino ny fahasarotan-javatra. Nandraman’izy ireo ny zava-drehetra. Efa 14 taona no niezahan’izy ireo hampianatra ny vahoaka, ary tao anatin’ny traikefa niainan’izy ireo ny fiaretana karazana tsy fisiana; mampianatra eny an-dalana, ao an-trano, ao amin’ny tempoly, sy synagoga; sy voaroaka, notsiratsiraina, nororaina, novelesina, notorahina, nofatorana ary nampidirina am-ponja.6 Saingy naharitra izy ireo, nanohy nifantoka, ary dia nandray ny herin’ny Tompo mba hanatontosa ny iraka nampanaovina azy ireo.

Vao tsy ela aho no namaky indray ny traikefan’i Loholona Russell M. Nelson, loholona no fiantso azy tamin’izay, tao Eoropa—tao Eoropa Atsinanana raha ny marina kokoa—fony izy nanana andraikitra tao amin’izany ampahany amin’izao tontolo izao izany nanomboka tamin’ny 1985 ka hatramin’ny 1990. Nanompo tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izy tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny 1985, rehefa nampandraiketina azy i Eoropa sy Afrika dia nomena andraikitra manokana izy mba hanokatra ireo firenena ao Eoropa Atsinanana (izay tamin’izany dia mbola teo ambany ziogan’ny kominisma) ho amin’ny fitoriana ny filazantsara.7 Izany andraikitra izany dia nomena 4 taona talohan’ny nahalavoan’ny mandan’i Berlin, ary enina taona talohan’ny niafaran’ny firaisana Sovietika.

Nazava ny tanjon’ny Loholona Nelson, saingy tena sarotra ilay andraikitra. Tsy nihena mihitsy ny fifantohany tamin’io andraikitra manokana io. Notsidihany “im-pito amby roapolo ilay URSS fahiny… ary maherin’ny im-polo ny vondrona firenena tatsinanana tao anatin’ny firaisana Sovietika.”8 I Sheri Dew dia nanoritsoritra ny asany tamin’izao fomba manaraka izao tao amin’ny bokiny Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson (Lesona manan-danja avy amin’ny fiainan’ny Mpaminany: Russell M. Nelson):

“Tsy nilaina mihitsy izy ary mahalana no mba noraisina tsara ny fahatongavany. Maro tamin’ireo mpitondra fanjakana no tsy nanome fotoana mihitsy mba hihaonana amin’ny lehilahy izay naneho fa nanana finoana an’ Andriamanitra. Taty aoriana dia sady voasakantsakana izy tamin’ny ezaka nataony no sady nandray fanampiana ihany koa tao anatin’izany; notsiratsiraina tamin’ny tranga hafa ary noraisina tamin-katsaram-panahy tamin’ny fotoana hafa; notsikilovin’ny polisy miafina ary taty aoriana dia noarahabain’ireo manam-pahefana izay lasa nahafantatra azy ho toy ny namana; nananan’ny olona ahiahy tany amin’ny toeran-kafa raha toa ka nokatsahin’ny hafa tamin’ny resaka fitsaboana. Toy ny tsy nisy dikany tanteraka ny dia sasany, raha toa ka ny sasany indray dia varavarana nisokatra izay tsy ho nampoiziny mihitsy na nomaniny mialoha.”9

Rehefa niova tsy ho tao Eoropa intsony ny andraikitry ny Loholona Nelson dia nandeha nanao tatitra tany amin’ny Filohan’ny Fiangonana, Filoha Ezra Taft Benson, izy sy ny Loholona Oaks—izay nandimby azy amin’ilay andraikitra—fa ankehitriny dia efa miorina any amin’ny firenena rehetra manerana an’i Eoropa Atsinanana ny Fiangonana.10 Rahavavy Dew dia namariparitra misimisy kokoa ny traikefan’ny Filoha Nelson:

Taty aoriana rehefa nanontaniana momba ny zavatra izay nianarany avy tamin’ny andraikitrany mba hanokatra ny firenena tao Eoropa Atsinanana ho amin’ny fitoriana ny filazantsara izy, indrindra noho ireo fiatoana sy fanombohana maro, ireo fivoriana tsy nahomby, ireo fiakarana sy fidinana, dia namaly tamin’ny fomba tsotra ny Loholona Nelson nanao hoe: “Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka. Azony natao ny nilaza tamin’i Mosesy hoe, “hihaona aminao eny antsasa-dalana aho.” Saingy tsy maintsy nihanika hatreny an-tampon’ny tendrombohitra Sinay i Mosesy. Nitaky ezaka avy tamin’i Mosesy, Josoa, Joseph Smith ary avy tamin’ireo Filohan’ny Fiangonana rehetra taty aoriana Izy. … Vonona ny hanao zavatra tena sarotra ve ianao? Rehefa nasehonao fa vonona ny hanao ny anjaranao ianao, dia hanampy anao Izy.’”11

Tena nanan-danja tokoa tamin’izany fiovana goavana izany izay niteraka ny fahafahan’ny zanak’ Andriamanitra an-tapitrisa hisitraka ny filazantsara ny ezaka feno fahamarinan-toetran’ny Loholona Nelson.

Mitaky asa mafy ny fahagagana. Hitaky ezaka avy aty amintsika ireo fahagagana izay irintsika.

Indraindray dia mila fotoana ny hahatsapana ny vokatra feno avy amin’ny ezaka sy ady mafy nataontsika mba hanao ireo fanovana ilaina. Amin’ny tranga hafa dia mety tsy ho hitantsika maso ny fotoam-piotazana feno ny vokatry ny ezaka nataontsika niaraka amin’ny herin’ny Tompo. Saingy zava-dehibe ny fivoarantsika, ary isika dia afaka sy hanao ezaka mba hanao ireo fanovana izay hitahy ny fiainan’ireo izay tompointsika. Izany ihany koa dia mamelatra ny fototra ho an’ny taranaka manaraka—ireo zafiafintsika. Mbola tsy manana izaho sy i Jill, saingy tsy ho ela dia hanomboka ho tonga eto an-tany izy ireo, ary alohan’ny hahafantarako izany dia efa ao amin’ny kilasinareo izy ireo.

Mazava ny tanjontsika ao amin’ny S&I—mbola tsy niova izany. Isika dia mbola miezaka tsy tapaka ny hitahy ireo zatovo sy tanora ireo ary hanampy azy ireo “hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra.”12 Isika miezaka ny hanatratra an’izany tanjona izany no antony mampisokatra antsika amin’ny fiovana ao amin’ny fandaharan’asantsika, ny fanatsarana ny fomba fampitana lesona, ny fanavaozana ny institiota, ary ny ezaka hafa ho fanatsarana. Vonona ny hiasa tsara izahay, ny hanandrana zava-baovao, ary hangataka ny hery sy fitarihan’ny Tompo amin’ny ezaka ataonay rehetra satria tianay ny tanora.

Enga anie ny Tompo hitahy anareo ihany koa amin’ireo fanamby izay atrehanareo manokana, amin’ny ezaka ataonareo mba hitahy ny fiainan’ireo taranaka vao misondrotra. Tiako ianareo ary mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany, Jesoa Kristy aho. Velona Izy ireo.

Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Rais A. Johnson, The Story of Rais A. Johnson, fitantaran’ny olona iray ny tantarany manokana.

  2. Winifred A. Johnson, raki-peo, 19 feb. 2001.

  3. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:15.

  4. Môzià 28:3.

  5. Almà 26:26.

  6. Jereo ny Almà 34:27–29

  7. See Sheri Dew, Insights from a Prophet’s Life: Russell M. Nelson (2019), 140.

  8. Dew, Insights from a Prophet’s Life (Fomba fijery avy amin’ny fiainan’ny Mpaminany), 157.

  9. Dew, Insights from a Prophet’s Life (Lesona manan-danja avy amin’ny fiainan’ny Mpaminany), 153.

  10. Jereo ny Dew, Insights from a Prophet’s Life (Lesona manan-danja avy amin’ny fiainan’ny Mpaminany), 158.

  11. Dew, Insights from a Prophet’s Life (Lesona manan-danja avy amin’ny fiainan’ny Mpaminany), 157– 58.

  12. Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara (2012), x.