Fampitana fanao isan-taona
Valandresaka ifanakalozan-kevitra


Valandresaka ifanakalozan-kevitra

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I, taona 2021

Talata 19 janoary 2021

Rahalahy Chad H Webb: Misaotra anareo miaraka amiko eto. Izy no Rahalahy Rory Bigelow. Mpitantana mpiara-miasa misahana ny fampandehanan-draharaha izy, toy ny fikarakarana ny mpiasa sy ny fitantanam-bola ary ireo trano sy ny fananan’ny Fiangonana ato amin’ny Biraon’ny Fiangonana. Izy no Adam Smith, mpitantana mpiara-miasa misahana ny fampianarana, izay miara-miasa amin’ireo sampan-draharaha ato amintsika toy ny Fanofanana sy ny Fandaharam-pampianarana ary ny Sampan-draharaha misahana ny mpianatra sy ireo hafa.

Eto am-panombohantsika dia te haka fotoana kely fotsiny aho hanomezana sahan-kevitra sy hampahazoana an-tsaina ny tanjona tiantsika hotratrarina. Ankehitriny isika ao amin’ny Seminera sy Institiota (S&I) dia manao asa mahatalanjona amin’ny fanomezana ny zavatra ilain’ny maro amin’ireo mpianatsika amin’izao. Fa ny zava-misy marina dia hoe mazàna no mpikamban’ny Fiangonana izay mandray anjara mavitrika sy manolo-tena ireo izay manatrika. Tsy voakasik’izany amin’ny ankapobeny ireo hafa, ary ny marina dia mihena ny fisoratana anarana maneran-tany amin’ny fandaharam-pianarana S&I.

Ny fanantenantsika lehibe indrindra dia ny hanova izany. Manantena izahay fa afaka mitana anjara asa manan-danja kokoa amin’ilay filàna maika ny “hanangona” taranaka zatovo sy tanora iray manontolo ny S&I. Tsaroanareo angamba fa ny Filoha Nelson dia nampianatra fa ny fanangonana an’i Isiraely no asa manan-danja indrindra eto amin’izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin’izany mazava ho azy ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly, kanefa nilaza ny Filoha Nelson fa tafiditra ao anatin’izany koa ny fampiorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona ao am-pon’ireo izay tompointsika. Nilaza izy fa isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika mba hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manangona an’i Isiraely izay isika.

Matahotra isika hoe mitsoaka an-daharana ny sasany amin’ireo zatovo sy tanorantsika. Ho solon’ny fitenenana hoe very na hita, ny soratra masina dia miresaka izany matetika ho toy ny hoe naely patrana sy nangonina. Ao ireo izay manana olana amin’ny finoana. Kanefa fantatsika hoe aiza no misy azy ireo. Tsy very izy ireny ho antsika. Naely patrana noho ny fitaoman’izao tontolo izao izy ireo ary mety nanaisotra ny tenany tsy hiaraka amintsika. Manana fahafahana miavaka isika ary tena mila manampy haingana amin’ny “fanangonana” io ampahany amin’i Isiraely io.

Hataontsika izany amin’ny alalan’ny famoronana traikefa izay mitarika mankany amin’ny fiovam-po, ny fahatsapana zavatra manan-danja ary ny fahatsapana ho tsy vahiny sy amin’ny alalan’ny famelana olona maro araka izay atao hisitraka izany traikefa izany. Ary izany dia hataontsika sady tsy miala amin’ny fototra niaingantsika ihany isika. Tsy hoe manova zavatra isika satria te hanova fotsiny ihany. Hanohy hampianatra ny filazantsara araka ny hita ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina isika. Fa mba hamoronana ireo zavatra iainana ireo dia mila manova zavatra vitsivitsy isika.

Isika dia mila miala:

  • Amin’ny firesahana sy ny fitantarana ka miroso amin’ny fanoloran-tena sy ny fanasana.

  • Amin’ny fitenenana amin’ny mpianatra ny toerana tokony halehany ka miroso amin’ny fihaonana amin’izy ireo any amin’izay misy azy.

  • Amin’ny fiderana izay tsara fotsiny ihany ka miroso amin’ny fanomezan-danja ihany koa ny ady hatrehana.

  • Amin’ireo zavatra atao eo anivon’ny fiaraha-monina ka miroso amin’ny fifaneraserana manan-danja eo anivon’ny fiaraha-monina.

  • Amin’ny fifantohana amin’ny isa tratrarina sy ny fahavitana fianarana ao an-dakilasy ka miroso amin’ny fifantohana amin’ny fivoarana sy izay hiafarana ara-panahy.

  • Amin’ny maha-mpianatra manaiky fotsiny izay omena atsika eo ka miroso amin’ny maha-mpandray anjara mavitrika izay fitaovana eo ampelatanan’ny Fanahy Masina.

Izahay dia hihaona amin’ireo mpitantana ny fandaharam-pianarana, ireo talen’ny seminerantsika, talen’ny institiota, ary mpandrindra mba hanampy amin’ny famaritana mazava kokoa ny traikefa sy ny zavatra andrasana amin’ny fampianarana sy ny fianarana, mba hanome fampiofanana sy fampianarana, ary mba hanolotra fitaovana hoentina manao tomban’ezaka hanampiana antsika hahafantatra raha mahomby isika.

Ny fampiofanana sy ireo loharanom-pitaovana izay horaisinareo sy ireo fanovana hatao dia hotontosaina noho ny tanjona hanangona an’i Isiraely, amin’ny alalan’ny famoronana traikefa manolotra ny zavatra ilain’ny zatovo sy ny tanora rehetra sy amin’ny alalan’ny famelana izany ho azon’ny maro kokoa ampiasaina. Hifantoka amin’io tanjona io isika ao anatin’ireo telo taona manaraka farafahakeliny. Hataontsika tomban’ezaka ny fandrosoantsika amin’izay ary hanao fanovana bebe kokoa isika.

Manasa ny tsirairay aminareo aho mba hiaraka amin’ny Filoha Nelson amin’ilay asa manan-danja indrindra eto an-tany, dia ilay filàna maika sy ilay fahafahana hanangona an’i Isiraely, hanangona ireo izay hamela an’Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany. Hisy zavatra mahatalanjona hitranga, na fahagagana mihitsy aza. Fitahiana lehibe tokoa ny mandray anjara amin’izany.

Ka alohan’ny hanontaniako anareo mikasika ny sasany amin’ireo fanovana amin’ny Seminera sy institiota, dia afaka manontany fotsiny ve aho hoe: “inona no tsy hiova mihitsy?”

Rahalahy Rory Bigelow: Ny zavatra iray heveriko fa tsy hiova dia ny tanjontsika amin’ny ankapobeny. Misy isika mba hanampiana ny zatovo sy ny tanora hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Tiantsika ny hanampy azy ireo ho mendrika ny hahazo sy hiomana ho amin’ireo fitahiana miandry azy ireo. Ary tsy hiova mihitsy izany. Ho amin’ izy ireo no hifantohantsika amin’ny ankapobeny, ary ho tia azy ireo isika. Manan-danja izy ireo. Ary te hanampy azy ireo tsirairay isika hahazo ilay traikefa tsara ao amin’ny Seminera sy Institiota.

Rahalahy Adam Smith: Te hanampy koa aho hoe hifantoka foana amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra isika, izay noresahanao teo, hoe mila tena mahafantatra izay ilain’ireo mpianatsika isika mandritra ny fotoam-pianarana, hoe ivon’ny zavatra ataontsika hanomezana izany zavatra ilaina izany ny soratra masina, ary hoe ny Mpamonjy no ivon’io zavatra iainana manontolo io.

Mino koa aho fa zavatra roa hafa tsy hiova mihitsy ny hoe ho mahatoky foana amin’ireo laharam-pahamehana avy amin’ny faminaniana sy ireo toromarika raisintsika avy amin’ny mpaminany sy ny apôstôly isika. Ary hiezaka foana isika ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika eo amin’ny fiainantsika manokana, sy rehefa miomana, ary indrindra rehefa ao an-dakilasy miaraka amin’ny mpianatra.

Rahalahy Webb: Misaotra anao nilaza izany. Mino aho fa tena manan-danja izany. Tsy hiova velively ireo zavatra manan-danja indrindra ireo. Tsy hiova mihitsy ny fototra maha isika antsika.

Mahakasika ny zavatra miova, dia tsy mitovy amin’ny taloha ity fampitana ity. Araka izany dia Takariva iarahana amin’ny Manampahefana Ambony iray no fanaontsika tamin’ny vanim-potoana toy izao isan-taona ka izao lasa fampitana fampiofanana maneran-tany izao. Ka misy aminareo ve afaka miresaka mikasika ny antony nanaovana izany fanovana izany?

Rahalahy Bigelow: Betsaka ny antony, fa antony roa lehibe no hitako fa tsara ho fantatra. Ny voalohany dia nampifantohantsika nandritra ny fotoana maharitra, nanomboka tamin’ny 1912 izay nanombohantsika ny Granite Seminary, tamin’ny karazana tetiandrom-pianarana mifototra amin’ny aty Etazonia ny ankamaroan’ny fizotran’ny fampiofanantsika. Niova ny toe-javatra ho antsika tamin’ny 1991. Tamin’ny 1991 raha ny marina dia betsaka kokoa ny mpianatsika tao amin’ny institiota tany ivelan’i Etazonia raha nampitahaina tamin’ny teto Etazonia.

Ka noho ny fitohizan’ny fitomboantsika maneran-tany dia tsy mitombina ny hanohizantsika miasa amin’ny tetiandro izay nifototra tamin’ny tetiandrom-pianarana eto Etazonia. Izay ary ny iray amin’ireo antony, faniriana ny hivadika hampiasa tetiandro mifanaraka kokoa amin’ny tetiandro sivily fa tsy amin’ny tetiandrom-pianarana aty amin’ny ila bolantany avaratra.

Ilay zavatra iray hafa, raha afaka manampy kely aho, araka ny fiheverako azy dia fiovana eo amin’ny fotodrafi-kevitsika sy ny fomba hanaovantsika fampiofanana. Saika toy ireny hoe manao hazakazaka mifampita tapa-kazo ireny isika nandritra ny fotoana maharitra. Manomana fampiofanana sy laharam-pahamehana ny birao foibe, ary avy eo dia ho natolotra an’ireo tale anivon’ny vondromparitra ilay tapa-kazo mandritra ny fivorian’ireo tale anivon’ny vondromparitra. Izy ireo indray avy eo no mandeha manolotra izany any amin’ny vondrom-paritra misy azy mandritra ny fampiofanana anivon’ny vondromparitra.

Ary ankehitriny isika dia mijery izany ho toy ny hevitra azo avy amin’ny fivorian’ireo tale anivon’ny vondromparitra na hoe hiompana kokoa amin’ny fiaraha-midinika sy ny fiarahana mamolavola toromarika ny fampiofanana. Ary ankehitriny, ny famindrana ny fivorian’ireo tale anivon’ny vondromparitra tsy ho volana aprily intsony fa ôktôbra dia hahafahanay hiara-hivory amin’izy ireo ny volana ôktôbra ary avy eo dia ho vonona, tahaka izao ankehitriny izao, ny volana janoary, ho amin’ny fampitana fampiofanana ho an’izao tontolo izao.

Rahalahy Webb: Miresaka fanovana iray hafa koa izany. Raha ny marina dia antsasak’izay nananantsika teo aloha ny isan’ny tale anivon’ny vondromparitra amin’izao. Ary nasaina handray anjara bebe kokoa noho ny teo aloha izy ireo amin’ny filankevitsika. Ary izany dia ahafahana mamelabelatra kokoa ireo filàna ao amin’ny vondrom-paritra tsirairay manerana izao tontolo izao ao amin’ireo filankevitra ireo sy mampisosa kokoa ny fizarana hevitra, amin’ny maha-filankevitra azy. Koa zavatra manan-danja izany amiko.

Eny ary, fiovana iray hafa izay be mpanontany tokoa, ary ankasitrahanay tokoa ny fahavononan’ny rehetra hizatra hiaina izany fanovana izany eo am-pandrosoantsika amin’ny fampiasana ilay tetiandro vaovao manaraka ny tetiandron’ny Avia, hanaraka Ahy isan-taona fa tsy ny tetiandron’ny oniversite amin’ny fandaharam-pampianarantsika. Adam, azonao resahina ve izany fanovana izany?

Rahalahy Smith: Eny, mahafaly ahy ny hanao izany. Tany ho any amin’ny martsa 2019 tany no nanapahantsika hevitra ny hanao izany dingana voalohany izany mba hampifanarahana ny fandaharam-pampianaran’ny Seminera sy Institiota amin’ny bokin-tsoratra masin’ny Avia, hanaraka Ahy. Nitondra teny nambaran’ny Loholona Clark aho izao izay tiako hovakina araka ny nilazany azy satria hitako hoe tena manan-danja.

Tamin’izany nambara tamin’izao tontolo izao dia hoy ny Loholona Clark: “Nijoro nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny mpaminanin’ny Tompo dia niteny hoe -Mila fampianarana ny filazantsara mifantoka amin’ny ao an-tokantrano, tohanan’ny Fiangonana isika.-1 Ary nanova ny zavatra rehetra ny filazany izany.”

Noho izany dia nanapaka izahay fa ny fararanon’ny 2019, raha tadidinareo, dia niroso tamin’ny Testamenta Vaovao isika, ary tamin’ny Bokin’i Môrmôna ny volana Janoary 2020. Tany amin’ny fararanon’ny 2019 tany dia nisy mpampianatra fandaharam-pianarana seminera any an-tsekoly nanatona anay dia nanontany raha afaka manandrana zavatra vaovao. Te hanandrana izy ireo hampianatra ny fandaharam-pampianaran’ny seminera atao mifanaraka akaiky amin’ny fandaharam-potoan’ny Avia, hanaraka Ahyamin’ny famakian-teny. Dia nihevitra izahay fa mety afaka hianatra zavatra tena mahaliana isika, ka dia nasainay hanao izany izy ireo.

Dia niantso vondron’olona mpikaroka izahay mba handeha sy hiresaka amin’ireo mpianatra sy ray aman-dreny ary mpampianatra sy mpitantana ny seminera dia hampitaha ny vokatra sy ny traikefan’izy ireo amin’ireo fandaharam-pianarana manaraka fandaharam-pampianarana sivy volana araka ny mahazatra, tsy mihataka amin’ny bokin-tsoratra masina kanefa mbola mampianatra ny fandaharam-pianarana Seminera ao anatin’ny tetiandrontsika maharitra sivy volana ihany.

Ny zavatra nianaray avy amin’izany fikarohana izany dia hitako fa tena nahazoana hevitra ilay izy. Somary tsy dia nampoizina koa. Nianatra izahay fa tsy nanelingelina ny mpianatra ireo fiverimberenan-javatra. Hitanay ihany koa fa nitovy ny fahatakaran’ny mpianatra ilay bokin-tsoratra masina.

Ny olana dia hoe rehefa manaraka ny tetiandron’ny Avia, hanaraka Ahy dia misy zavatra tsy ho ataon’ny ankizy ao amin’ny kilasin’ny Seminera noho ny fialan-tsasatry ny fahavaratra, na ny lohataona, na ny fararano. Fa voaporofo fa mitovy ihany anefa ny fahatakaran’ny mpianatra ilay bokin-tsoratra masina.

Fa ny zavatra nampiavaka azy no tena nanintona ny sainay. Lehibe, ary tena lehibe tokoa araka ny antontan’isa, ny fitombon’ny isan’ny mpianatra tonga nianatra ka efa niomana hianatra ny lesona hianarana tamin’izay andro izay, fitomboana lehibe teo amin’ny isan’ny mpianatra nanao fanamarihana manan-danja, nandray anjara tamin’ny fomba manan-danja tao an-dakilasy.

Ary ny tena hitako ho nahafaly indrindra dia hoe nisy fitomboana lehibe teo amin’ny isan’ny mpianatra namaky soratra masina tany an-trano ivelan’ny seminera. Ka rehefa nahita io voka-pikarohana io sy ilay fampitahana izahay dia tena takatray fa hitahy ireo mpianatra izahay amin’ny fanaovana izany fanovana izany, ary hitahy fianakaviana. Nanamafy zavatra hafa nampianarin’ny Loholona Clark antsika matetika ihany koa izany fony izy niandraikitra antsika.

Nampianatra antsika izy hanampy ny mpianatra hanana traikefa hianarana lalina sy traikefa manova fo mandritra ny fotoana iarahany amintsika. Ary ny fampifanarahana izany amin’ny Avia, hanaraka Ahy araka ny hevitro dia somary manamaivana io enta-mavesatra mikasika ny famitana fandaharam-pianarana sy izay ilaintsika ho vitaina. Tsy hisintaka amin’ny soratra masina mihitsy isika izany. Hitana anjara toerana fototra foana izy ireo. Ary ny Avia, hanaraka Ahy dia ahafahantsika mamita bokin-tsoratra masina iray manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Fantatsika anefa fa tsy afaka hampianatra izany manontolo isika, koa dia afaka mifantoka amin’ny zavatra ilain’ny mpianatra isika, mampifandray azy ireo amin’ny Mpamonjy, manao izany ao amin’ny soratra masina, ary manao izany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Kanefa tsy tianay hodian-tsy hita fa misy ny olana, misy fialan-tsasatra foana ao anatin’ny tetiandron’ny sekoly rehetra, na aiza na aiza eto an-tany, ka tsy any an-tsekoly izy ireo, mandritra ny eo amin’ny roa ka hatramin’ny telo volana eo raha ny mahazatra. Votoatin-tsoratra masina mandritra ny roa ka hatramin’ny telo volana tsy ho voarain’ny mpianatra ao amin’ny seminera izany. Ary amin’ny maha-mpampianatra soratra masina antsika dia misy antony hiasantsika saina izany.

Ka raha nanan-danja foana ny Fifehezana Fotopampianarana hatramin’izay nampidirana azy izay, dia heveriko fa vao mainka izany manamafy ny maha-manan-danja azy ary mampitombo ny lanjany. Raha mifantoka amin’ny fampianarana ny lesona amin’ny Fifehezana Fotopampianarana isan-kerinandro ny mpampianatra, na dia eo aza ny tetiandrom-pianarana manerana izao tontolo izao, dia hahazo ireo zavatra tena ilaina sy manan-danja indrindra ny mpianatra. Mihevitra aho indraindray fa noho ny mpampianatra mahay tokoa ka te hampianatra manontolo ilay ampahan-tsoratra masina dia mety ho tavela any amin’ny farany ny Fifehezana Fotopampianarana “rehefa manam-potoana hanaovana izany aho”, kanefa dia tsy manam-potoana mihitsy isika. Be dia be tokoa ny zavatra tokony hampianarina.

Ary indraindray ny Fifehezana Fotopampianarana dia mety horaisina ho toy ny zavatra tsy dia manan-danja amin’ny zavatra ataon’ny seminera. Kanefa tena manan-danja lehibe amin’ny zavatra ataontsika ny Fifehezana Fotopampianarana. Tena manampy antsika izany hanatratra ny tanjontsika sy hamita ny zavatra nasain’ny mpaminany nataontsika. Ka rehefa mifantoka amin’ny Fifehezana Fotopampianarana isika dia tena afaka mameno ilay banga amin’ny zavatra izay tsy nampianarina tao anatin’ny tetiandrom-pianarana, ary afaka mampifanaraka izay ataontsika amin’ny Avia, hanaraka Ahy amin’ny fomba izay mitondra fitahiana ho an’ireo mpianatra sy ny fianakaviana.

Rahalahy Webb: Tadidiko ny fotoana nampisehoantsika an’ilay voka-pikarohana tamin’ny Loholona Johnson sy niresahana momba io zavatra azo atao io. Avy hatrany dia tiany kokoa ny hampifanaraka izany amin’ny Avia, hanaraka Ahy noho ny fomba hitahian’izany ireo fianakaviana sy hifandraisan’izany amin’ny fandalinan’izy ireo ao an-trano. Kanefa nanahy mafy koa izy, tahaka anay, ny amin’ireo banga izay tsy hianarana amin’ireo lohahevitra sasany any amin’ny toerana sasany eto amin’izao tontolo izao noho ny fahatongavan’ny fialan-tsasatra any an-tsekoly. Mety tsy ho ampianarina amin’ny Seminera ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy, na ny Fahitana Voalohany na ireo trangan-javatra sy fitsipika sasany tena manan-danja ao amin’ny filazantsara.

Ka araka izay nolazainao, rehefa noresahantsika ny momba ny fahafahana mifantoka amin’ireo lesona Fifehezana Fotopampianarana sy ny fampidirana izany amin’ny lesona, na dia tsy natao aza izy ireny nandritra ny fialan-tsasatra, ary na dia mamorona lesona famintinana vitsivitsy aza, lesona mampitohy hanampiana azy ireo tsy ho very raha miverina avy niala sasatra izy ireo ary tsy manaraka avy hatrany an’ilay tetiandron’ny Avia, hanaraka Ahy fa manomboka amin’ny lesona mampitohy vitsivitsy momba izay zavatra tsy nianarany, ary avy eo dia manohy indray ny fandaharam-pamakian-tenin’ny Avia, hanaraka Ahy dia ho afaka mahazo ireo tombontsoa nofariparitanao isika noho ny fanarahana ny tetiandron’ny Avia, hanaraka Ahy ary hanafoana ihany koa ireo ahiahy nananantsika noho ny zavatra izay mety tsy nianaran’izy ireo. Ary aorian’izay isika dia mila ihany koa matoky ireo fianakaviana sy olona tsirairay izay handalina ireo fizarana ireo rehefa tsy miaraka amintsika mba hahazoana traikefa ary hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ireo zavatra ilainy ianarana. Eny ary, fanazavana tena tsara tokoa izany. Misaotra anao.

Ary ny iray hafa izay be mpanontany tokoa dia ilay fiovana ao amin’ireo zavatra takina amin’ny famakian-teny—miantomboka amin’ilay fitakiana ny hamakiana ny vakiteny amin’ny lesona ka hatrany amin’ny fahazarana isan’andro handalina soratra masina. Koa inona ary no holazainareo anay momba izany fanapahan-kevitra izany?

Rahalahy Smith: Fantatsika rehetra ireo zavatra takina hahavitana seminera sy hahazoana ny diplaoman’ny seminera: ny hanarahantsika maso ny fanatrehana sy ny hanasantsika azy ireo hamaky ny vakiteny ho an’ny lesona. Avy eo isika dia manao ny tomban’ezaka momba ny fianarana. Ary asiantsika fanamboarana kely ny vakiteny takina ka tsy ny famitana ireo soratra masina efatra nankatoavin’ny Fiangonana mandritra ny fotoana hanaovan’izy ireo seminera intsony no atao fa ny fanasana azy ireo hanana fahazarana hamaky ny soratra masina isan’andro.

Nandany fotoana maro izahay niaraka tamin’ireo tale anivon’ny vondromparitra, ary niaraka tamin’ny talen’ny faritra maro be ihany koa, manerana izao tontolo izao mba hiresadresaka ny zavatra tena iriantsika hitranga eo amin’ny fiainan’ny mpianatra sy ao an-tsainy ary ao am-pony noho ny zavatra iainan’izy ireo na ao amin’ny seminera na ao amin’ny institiota.

Ary rehefa niresaka momba ny fianarana seminera izahay sy ny zavatra antenainay hitranga eo amin’ny fiainan’ny mpianatra iray, dia niresaka mikasika ny fiverenana amin’ny fitakina famakiana soratra masina amin’ny seminera. Saingy tonga saina izahay fa ny zavatra tena tianay hohamafisina, ny zavatra izay manan-danja indrindra, dia ny fahafahanay manampy mpianatra iray hanorina fahazarana isan’andro izay tsy hisaraka aminy mandritra ny androm-piainany.

Mbola nitondra teny nindramina iray hafa koa aho. Nalaina tao amin’ny boky torolalantsika Fampianarana sy fianarana ny filazantsara izy ity, kanefa heveriko fa mahafintina azy tsara. Izao ilay izy: “Misy zavatra vitsivitsy azon’ireo mpampianatra atao izay ho fitaomana mahery vaika sy maharitra kokoa hitarika any amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ireo mpianany noho ny fanampiana azy ireo hianatra hitia ny soratra masina sy handalina azy ireo isan’andro.”3 Koa raha tiantsika mba ho tandindon’ny traikefa manan-danja sy lalina ary manova fo nandritra ny efa-taona ny diplaoman’ny seminera dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’izany ny fandalinana soratra masina.

Ary maro be ireo fomba azontsika handrefesana ny fanoloran-tenan’ny mpianatra amin’ny soratra masina, saingy tianay ny hifantohana amin’ny fandrefesana ny zavatra manan-danja indrindra, ary izany dia amin’ny fanampiana ny mpianatra hanorina fahazarana hamaky soratra masina isan’andro. Noho izany dia nampiarahanay tamin’ity ny loharanom-pitaovana tena tsara ho an’ny mpitarika amperinasa izay antenainay fa ho azon’ireo mpampianatra sy ireo mpitarika amperinasa ampiasaina. Satria tena mameno ny zavatra takina izany amin’ny alalan’ny fanampiana ny mpianatra hahazo fahaiza-manao sy hametraka tanjona ary hianatra ny fomba hifandraisana marina amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra sy ny Mpamonjy azy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ao amin’ny soratra masina. Kanefa tena mihevitra izahay fa tena mitondra mankany amin’ny zavatra manan-danja indrindra io fepetra takina io sy amin’ny zavatra tena iriantsika mba hasehon’ny diplaoma.

Rahalahy Webb: Noho izany dia mbola hamporisihantsika hatrany ny hamakiana ny vakiteny ho an’ny lesona. Ny marina dia tokony ho ao amin’ny lesona hohalalinina ny zavatra takina na andrasana amin’ny vakiteny isan’andro.

Koa manantena isika fa mbola hamaky ny lesona hohalalinina ny mpianatra seminera rehetra. Manantena isika fa mbola hametraka tanjona izy ireo mba hahatonga izany ho manan-danja tahaka ilay nolazainao. Fa ny fepetra takina mba hahazoana ny isa tratrarina dia fanatrehana ny 75 isan-jaton’ireo andro ao anatin’ny fe-potoana ianarana. Tsy hofaritantsika ny dikan’ny hoe mamaky teny isan’andro. Fa rehefa manolo-tena ny handalina ny soratra masina ho an’ny lesona isan’andro amin’izay fomba tiany izy ireo, mandritra ny 75 isan-jaton’ny fotoana, dia ho hery hamporisika azy ireo izany hanana izany traikefa izany mandritra ny fotoana ianaran’izy ireo seminera.

Rahalahy Bigelow: Tena faly aho noho ny nilazanao fa mety tsy hitovy ny tanjona ary ny vokatra iriantsika ho an’ny tsirairay dia ny hirobohan’izy ireo ao amin’ny soratra masina isan’andro isan’andro. Any amin’ny toerana sasany eto an-tany izay misy seminera dia tsy manana soratra masina vita printy akory izy ireo ahafahana mamaky izany. Ka mba hamoronana fenitra mety amin’izao tontolo izao, dia ahafahana manao izany ity. Ahafahantsika miteny hoe: “Tianay ny hanatsaranao ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny teny.” Ary izany dia hitranga ao anatin’ny fahazarana isan’andro mandalina ny tenin’Andriamanitra.

Rahalahy Webb: Koa araraoty isan’andro ny fahafahana mihaino ny feony.

Rahalahy Bigelow: Izay mihitsy.

Rahalahy Webb: Ary mampita ny fatokisantsika any amin’ireo mpampianatra koa izany, sa tsy izay? Hiara-hiasa tsirairay amin’ny mpianatra mba hampifanaraka ny traikefan’izy ireo amin’ny zavatra ilainy sy ny zavatra hainy. Ary matoky anareo izahay. Ary izany no tsy hamaritanay ny dikan’izany mihoatra noho ny efa natao tany aloha.

Rahalahy Bigelow: Izay mihitsy.

Rahalahy Webb: Misaotra anareo. Ireo fanovana ireo noho izany mazava ho azy dia efa nambara sy nampiharina, ary ankasitrahanay ny ezaka rehetra ataonareo hampihatra azy ireny amin’ny fomba tsara indrindra azo atao mba hitahiana ny mpianatra. Fiovana iray hafa, na koa ny zavatra iray mibaribary toy ny tafika andrefan-tanàna angamba, dia ilay valanaretina sy ireo zavatra nitranga tao anatin’ireo volana maro lasa tany amin’ireo kilasintsika izay nahitana fiatoana sy fiovana im-betsaka tamin’ny fianarana en ligne na ireo fanovana hafa izay napetraka noho ilay valanaretina. Inona ry Rory no holazainao fa nianarantsika avy tamin’ilay valanaretina, ary inona no hiova amin’ny ho avy vokatr’izany?

Rahalahy Bigelow:Ny zavatra eritreretiko voalohany indrindra, ary efa nolazainao izany tamin’ny fanamarihana nataonao hanombohana ny androany, dia ny hoe hitantsika fa manana olona mahafinaritra isika izay miara-miasa sy miara-manompo amintsika. Ary raha atambatra amin’izany ireo sekolin’ny Fiangonana sy ny misiônera rehetra, sy ireo mpampianatra voantso sy mpiasa amin’ny fotoana feno, ary mpiasa tsy raikitra , dia olona mihoatra ny 6 alina maneran-tany izany. Ary tena mahay izy ireo. Fa amiko ny zavatra nitranga noho ilay valanaretina dia toa niteraka fanairana kely izany mba hiezahana hanana fahaiza-manao izay mety tsy mbola nananantsika.

Somary hizara zavatra niainana manokana aho, izaho sy ny vadiko, teo amin’ny fito taona lasa teo izay, dia nasaina nanompo mba ho mpitarika misiônera tany amin’ny misiônan’i Brésil. Dia nandeha tany izahay rehefa avy nianatra Pôrtogey. Nanompo tany amin’ny tany miteny Espaniôla aho fony zatovolahy, ka noho izany dia fiteny vaovao ilay izy ho anay, ary nihevitra izahay fa mba nahay niteny Pôrtogey kely ihany.

Dia tadidiko ilay andro voalohany, rehefa tonga tao amin’ny misiôna izahay ka nitondra anay tao amin’ilay trano ny filohan’ny misiôna teo aloha. Tao ny talen’ny FM (Departemanta misahana ny trano sy ny fananan’ny Fiangonana) tamin’izay, ary rehefa nankao an-dakozia aho dia hoy izy hoe: “Jereo anie e, toa mila mividy rano ianao.” Somary natehiny teo amin’ilay zinga ny tanany, dia hoy izy hoe: “Toa mila mividy tavoahangin-drano vaovao ianao.” Dia nikoropaka tanteraka aho, satria tonga saina fa tsy nahay niteny hoe tavoahangin-drano tamin’ny teny Pôrtogey. Izany hoe zavatra hafa no nianarako. Nianatra izahay ary nihevitra fa nahazo izany. Dia hoy aho taminy hoe “Afaka manao izany ho ahy ve ianao? Azonao atao ve azafady?” Dia hoy izy hoe “Tsy maninona ka.”

Ny zavatra tsy hitany dia rehefa niantso an-telefaonina izy dia nitodi-damosina azy aho, dia naka karatra kely iray ary nanoratra tsirairay ireo teny ampiasaina rehefa hividy rano. Dia nieritreritra aho hoe ho faty izaho sy ny fianakaviako afaka roa herinandro satria mety tsy hahazo rano.

Fotoana nitondra fahazavan-tsaina izany zavatra niainana izany satria nampiseho ahy fa tsy nahafantatra ny zavatra noheveriko fa fantatro aho. Ary ilay valanaretina araka ny hevitro dia nanao izany ho antsika. Ny lenta na ny fahaizantsika. Ny lentan’ny fahaizantsika manolotra fampianarana filazantsara ampitaina amin’ny tambajotra dia tsy mbola tsara araka izay nilaina. Ary vetivety ny sasany dia nahay niaina nifanaraka tamin’izany, efa hatrany am-bohoka ny fahaiza-manaon’izy ireo, efa toetra raikitra tao anatiny, ka dia afaka nanao izany izy ireo. Mety tsy dia tahaka izany ny sasany.

Ka noho izany dia mihevitra aho fa anisan’ny zavatra nianarantsika sy mila tohizantsika--mila manohy mampitombo ny fahaizamanaontsika angamba isika--dia ny andian-teny ampiasaina. Mila mitady fomba isika hanatsarana ny fahaiza-manaontsika.

Nisy zavatra nolazainao tamin’ny lahateny fanokafana nataonao. Miverina miresaka ilay izy foana aho, saingy heveriko fa tena manan-danja izany. Avy amin’ny Loholona Clark, rehefa niteny izy hoe: “Na manao ahoana na manao ahoana ny fatran’ny fankatoavantsika na ny fatran’ny fanantenantsika na ny fiantrana ananantsika; na inona na inona talenta sy fahaiza-manao arak’asa mety efa azontsika, dia tsy ho ampy izany ho an’ny asa izay miandry antsika any aoriana.”4

Ary isan’ny zavatra heveriko fa naterak’ilay valanaretina ho ahy manokana ny faniriana lalina hihatsara, haka antoka fa mahafeno ireo fepetra andrandraina amiko aho, ilay fiandrandrana tsy mitsaha-mitombo avy amin’ny Tompo eto amin’ity tontolo izay tena hafa iainantsika ankehitriny ity. Koa inona ary no ho fiantraikan’izany amin’ny zava-misy en ligne? Tsy haiko. Adam, inona no ho fiantraikan’izany amin’ny fampianarana en ligne ataontsika? Ianao angamba no tsara mamaly izany fanontaniana izany.

Rahalahy Smith: Eny, ny teninao ihany no averiko. Amiko dia nianatra zavatra roa tena manan-danja avy amin’ilay valanaretina isika, izay ho ampiasaintsika amin’ny ho avy. Ny iray dia araka ilay nolazainao hoe miara-miasa amin’olona tena tsara indrindra tokoa isika. Tena feno fahavononana sy mahafinaritra ary mahafoy tena tokoa ireo mpampianatsika amin’ny fotoana feno sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ato amintsika. Tena tafaroboka anaty toe-javatra sarotra izy ireo kanefa tena nahavita tsara ny asany.

Nianatra momba ny fahafahana hihatsara ihany koa isika. Ary ho ahy dia nianatra tsara kokoa isika ny fanontaniana tokony hapetratsika mba hahafantarana ireo valin-teny ilaintsika ianarana.

Ny zavatra iray nataonay tao amin’ny trano misy ny birao foiben’ny Fiangonana dia ny nanorina sampan-draharaha iray misahana ny fitantanana ny fianarana amin’ny endriny nomerika. Ny dikan’izany dia hoe andian’olona manana ny fahaizana manokana hanampiana antsika hivoatra amin’ireo zavatra aroso en ligne amin’ny seminera sy institiota. Ny antony niantsoana izany hoe Fitantanana ny fianarana amin’ny endriny nomerika dia satria mety hidika zavatra maro hafa ilay teny hoe an-tambajotra. Fa ny tena tiantsika ambara dia hoe izay mety ho karazana fampitana zavatra avy lavitra amin’ny alalan’ny teknôlôjia, na fanaovana visioconférence manontolo izany na amin’ny ampahany, na fifandraisana tsy mivantana, misy fomba maro tokoa azontsika handraisana izany.

Fa ny zavatra nianarantsika araka ny hevitro dia ny hoe inona no fanontaniana tokony hapetratsika? Ary manomboka mametraka ireo fanontaniana ireo isika izao mba hahafahantsika mamorona loharanom-pitaovana sy fotodrafitrasa ary fandaharanasa hanohanana izay ho lasa tolotra amin’ny endriny nomerika mihamahazo vahana ho an’ny kilasin’ny seminera sy ny institiota.

Azo antoka fa rehefa ho foana ny COVID, izay antenaintsika rehetra hoe tsy ho ela intsony, dia tsy ho goavana toy ny amin’izao ny filana izany, kanefa ho betsaka noho ny teo aloha izany satria raha ny marina dia vitantsika ny nifandray tamin’ny mpianatra izay tsy mbola azontsika nifandraisana teo aloha. Ho afaka ny hitahy fiainana sy fianakaviana tsy voatahintsika teo aloha isika satria azo lazaina fa voatery nampiasa ity fomba fampitana ity isika, ary hitantsika ankehitriny ny tombontsoa avy amin’izany. Haintsika izao ny fanontaniana tokony hapetraka mba hahasoa antsika, ary manao farimbon’ezaka tokoa isika mba hahafantarana ireo valin-teny ireo. Noho izany dia mino aho fa hisy zavatra maro mampientanentana mbola ho avy.

Rahalahy Webb: Nanontany ny olona sasany hoe: “Moa ve isika hahatratra ihany izany hoe tena manana mpiasa manolo-tena amin’ny asa en ligne?” Dia hoy fotsiny aho hoe mbola mandinika ireo fanontaniana ireo izahay. Azo heverina tsara mihitsy ny hahatongavan’ny andro izay hisian’ny mpampianatra seminera amin’ny fotoana feno mampianatra an-tambajotra fotsiny ihany. Fa marina ihany koa fa mila manana fahatakarana fototra isika rehetra mikasika ny fomba hampianarana en ligne amin’ny fomba mahomby. Mety hisy fotoana hiantsoana na iza na iza amintsika hanao izany. Ary rehefa antsoina isika dia mazava ho azy fa iriantsika ny hanao izany tsara araka izay tratrantsika. Nahita mpampianatra nanao izany tsara tamin’ny fomba miavaka isika. Nahita mpampianatra isika izay nampitombo avo efatra heny ny nisoratra anarana tamin’ny fandaharam-pianarana institiota satria mahomby tokoa ny fampitan’izy ireo lesona en ligne. Koa manan-danja lavitra noho ilay rafitra ny hoe moa ve isika afaka mianatra ireo fahaiza-manao ilaina mba hampitana fampianarana en ligne amin’ny fomba mahomby ka tena hitahy olona marina amin’ny alalan’izany fomba fampitana izany?

Ary rehefa mianatra kokoa momba izany isika dia hizara misimisy kokoa momba izany amin’ireo fotoana ahafahana mampiofana mba hahafahan’ny olona manao izay tsara indrindra amin’ny fampitana traikefa amin’ny fianarana ny filazantsara izay mahomby. Tena fanamarihana tsara tokoa izany. Misaotra anao.

Rahalahy Bigelow: Io fanovana amin’ny fampianarana en ligne io dia inoako fa tsy fanariana tanteraka ny zavatra nataontsika teo aloha. Saingy mila manova zavatra isika, angamba aza mila mandray mpampianatra institiota sy mpampianatra seminera amin’ny ampaham-potoana betsaka kokoa. Manome fahafahana ny olona hampianatra ny fampiasana internet, ary tsy voatery ho enta-mavesatra ho azy izany.

Rahalahy Webb: Kanefa tsy misy olona ho terena hanaraka ireo fiovana ireo. Hanao izany fanovana izany fotsiny isika eo am-pandrosoantsika ary rehefa misy fahafahana hanatanterahana izany. Tiako holazaina fohy ny iray amin’ireo anton’izany. Mihamitombo ny isan’ny vehivavy miasa ato amintsika. Ary feno fankasitrahana izahay noho ny anjara biriky entin’izy ireo. Ary nisafidy ny sasany tamin’izy ireo noho ny toe-javatra iainan’ny fianakaviana ny hampianatra amin’ny ampaha-potoana angamba, na en ligne na inona na inona antony.

Marina ihany koa fa noho ny fananantsika vehivavy betsaka kokoa eo anivon’ireo olona miasa ato amintsika dia nitombo ny fahafahan’izy ireo manompo amin’ny toeran’ny mpitarika. Raha tsy hilaza fotsiny aho hoe misy talen’ny sampan-draharaha miisa 10 ao amin’ny foiben’ny biraon’ny Fiangonana, ary vehivavy ankehitriny ny telo amin’izy ireo. Ary tsy notendrena na noraisina ho amin’ireo toerana ireo izy ireo satria hoe vehivavy, fa izy ireo no mpitady asa mendrika indrindra ireo toerana ireo ary mitondra anjara biriky mahatalanjona amin’ny asa izay ataontsika.

Fa ohatra fotsiny izany, araka ny fivelaran’ny rafitra misy antsika dia mitranga koa izany eo anivon’ireo talen’ny faritra sy ireo mpitantan-draharaha eo amin’ny fampianarana, na mpitantana fandaharam-pianarana. Ary hilaza izany koa aho noho ireo antony ireo satria fiovana eo anivon’ny mpiasa ato amintsika izany, ary mila mahatsikaritra izany isika. Ary ireo mpitantana fandaharam-pianarana dia mila mahafantatra kokoa ireo fomba fijery samy hafa ary miara-midinika sy misintona lesona avy amin’ny zavatra niainan’ny olona ary mandray zavatra avy amin’ny fomba fijerin’izy ireo.

Mihevitra fotsiny aho fa ilaintsika ny mahatsapa fa mitondra soa ho antsika ny fananana mpiasa maro karazana kokoa. Ary fantatro fa natokana ho an’ny mpiasa izany, kanefa marina ihany koa izany ao anatin’ny tontolo feno mpampianatra lahy sy vavy, avy amin’ny foto-piaviana isan-karazany, izay antsoina ho mpampianatra, izay manana zavatra maro tokoa atolotra ka ilaintsika henoina sy ho takarina ny fomba fijerin’izy ireo sy ny traikefany mba hahafahantsika mitahy ireo mpianatsika ato anatin’ny rafitra misy antsika.

Rahalahy Bigelow: Maro no mety tsy mahafantatra an’ity, fa efa manomboka manangana ekipa eny ifotony isika. Hahafahanao manana mpanoratra fandaharam-pampianarana avy any amin’ny faritra manerana izao tontolo izao izany sy olona ao amin’ny sampan-draharaha mpampiofana, ary ekipa ao amin’ny sampan-draharaha mpampiofana, angamba avy amin’ny faritra samihafa maneran-tany. Ary izany dia hahafahantsika mahita tsara lavitra kokoa ny zavatra mitranga manerana an’izao tontolo izao fa tsy fomba fijery tery kely fotsiny.

Rahalahy Webb: Misaotra anareo. Adam, azo averina aminao ve ny fitenenana? Maro be ny zavatra nitranga mahakasika ny fanavaozana ny institiota, maro be ny olona liana amin’izany ary nitondra anjara biriky tamin’izany. Inona no atolotrao anay mikasika ny vaovao farany momba ny fanavaozana ny institiota?

Rahalahy Smith: Azo antoka fa nanokana fotoana sy loharanom-pitaovana maro isika, ary tale sy mpampianatra institiota maro nijerena ireo zavatra toy ny fanovana ny toeram-pianarana na ny fanomezana tolotra vaovao amin’ny taranja, na koa aza fanovana fotsiny ny lohatenin’ireo taranja. Ary mahafinaritra daholo izany. Ny zavatra manan-danja indrindra ataontsika angamba dia ny fihainoantsika ireo mpianatra institiotantsika, indrindra fa ny fifantohana amin’ny fihainoana ireo mpianatra izay tokony hiaraka amintsika kanefa tsy miaraka. Mety hoe tonga indray mandeha izy ireo dia tsy niverina intsony, na angamba tsy mbola tonga nanatrika institiota mihitsy. Noho izany dia tena mifantoka amin’ny fihainoana azy ireo isika.

Ny fanavaozana manan-danja indrindra azontsika atao angamba raha ny hevitro dia ny manova kely ny fomba fampianarantsika. Araka ny voalazanao ry Rory dia tsy fanovana tanteraka izany. Fanitsiana kely ihany ilay izy, fanovana kely eo amin’ireo zavatra ataontsika matetika. Ary ho ahy ry Rahalahy Webb dia ilay lahateninao taminay tamin’ny jona lasa teo, izay nanamafisanao ny famoronana kilasin’ny fiovam-po, hahatsapana zavatra manan-danja ary ahatsapana ho tsy vahiny, izay no tena fomba hanavaozantsika ny institiota.

Ny marina dia te hizara tantara iray aho izay nozarain’ny tale anivon’ny vondromparitra iray mikasika ny mpampianatra institiota iray. Niomana hampianatra ny fiaraha-mivory voalohany nataony tamin’ny alalan’ny Zoom izy ho an’ny taranja Fianakaviana mandrakizay. Ka ho fiomanana tamin’izany dia nanasa ny mpianany tsirairay izy hanao horonan-tsary kely mampahafantatra ny momba azy ireo.

Ary nanapa-kevitra ny iray tamin’ireo mpianany lehilahy ny hampahafantatra ny tenany tamin’ilay kilasin’ny institiota fa lehilahy tia lehilahy izy ary nozarainy fa manana olana izy amin’ny foto-kevitra ijoroan’ny Fiangonana momba ny fianakaviana sy ny fanambadiana. Ary fantatr’io mpampianatra io fa efa hiditra ny efitra izy ary hampianatra ny fotopampianarana sy ny fitsipiky momba ny fianakaviana. Dia nanapa-kevitra izy ny hieritreritra sy hitandrina ary hivavaka tsara momba izany. Nanatona io zatovolahy io tamin-kitsim-po tanteraka izy dia nampahafantatra azy fa tiany ny kilasin’ny institiota mba ho toerana izay tsy hoe hahafahany fotsiny mampianatra mazava tsara ny fotopampianarana sy mampianatra ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly, fa ho toerana ihany koa ahafahan’ny mpianatra mahatsapa ho voaro sy tsy tsaratsaraina, hizaran’izy ireo ny fanahiany sy ny olany ary ny fanontaniany.

Rehefa nanolo-tanana an’io tovolahy io izy dia nozarain’ilay tovolahy tamin’ny mpampianany fa niomana ny hangina fotsiny izy mandritra ilay lesona manontolo satria izany no efa fataony mahazatra. Rehefa misy olona manomboka mampianatra momba ny fianakaviana na aiza na aiza eto amin’ny Fiangonana, dia somary tsy dia mifantoka izy ary mangina fotsiny. Saingy noho ny fifandraisan’io mpampianatra io tamin’ilay mpianatra tamin’io fomba io, dia nanapa-kevitra ilay mpianatra fa hanatrika kilasy sy handray anjara. Dia niaina zavatra tena nahafinaritra ilay kilasy satria tena mpandray anjara mavitrika tokoa io tovolahy io, ary nanampy tamin’ny fanamorana tokoa ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja ireo ahiahiny sy fanontaniany satria natao tao anatina tontolon’ny finoana ilay izy izay nampianarana ny fahamarinana ary nahafahana nametraka fanontaniana marina sy mahitsy ary tena avy amin’ny fo.

Taorian’ilay zavatra niainana tao an-dakilasy dia nanoratra izao teny izao tamin’ilay mpampianatra ilay mpianatra, ary nozaraina tamiko. Ary amiko izany dia tena milaza ny zavatra tena iriantsika atao mba hanavaozana ny institiota. Hoy izy:

“Te hisaotra anao fotsiny aho tamin’ny fizotran’ny lesona. Somary natahotra an’ilay izy aho, ary tsy te hiteny na inona na inona, fa rehefa vita ilay lesona dia efa saika hihiaka mafy aho hoe ‘misaotra’. Nahatalanjona ilay lesona. Ampitahaiko amin’ny lesona iray nomena ahy taorinan’ny nanaborahako hoe lehilahy tia lehilahy aho tamin’ny mpampianatra seminera iray tany amin’ny Lycée, izay tena nanohana ahy taorian’ny nitenenako taminy ny zavatra nitranga tamiko tany amin’ny kilasy iray hafa. Feno fitiavana sy fanampiana ny lesona nomeny sy ny anao ary nanova ny fiainako manontolo. Mahatsapa faniriana miboiboika ato amiko aho hijanona ao amin’ny filazantsara sy hanao fanoloran-tena vaovao ny hanao izay rehetra azoko atao hiaina io lamina io. Manova fiainana ilay izy. Misaotra anao. Ary misaotra anao namaly ny fanontaniako sy naniry ny hahafantatra ahy ary nanohana ahy tokoa. Nosoratako ny zavatra tsapako momba ny zavatra rehetra satria tena nahatsapa ny Fanahy tokoa aho. Nosoratako tao amin’ny diary fianarako soratra masina fa feno fankasitrahana sy feno fifaliana aho. Latsa-dranomasom-pifaliana aho amin’izao. Misaotra anao, hoy ny rahalahinao sady zanak’ Andriamanitra.”

Hitantsika fa nifandray tamin’ny fomba manan-danja tamin’ny mpianatra iray ity mpampianatra ity, izay nanome azy fanantenana sy risi-po hanatona ny Mpamonjy ary hanohy handroso amin’ny lalan’ny fanekempihavanany. Ary nitranga izany satria toeran’ny fiovam-po sy hisian’ny zavatra manan-danja ary hahatsapana ho tsy vahiny ny kilasin’io mpampianatra io.

Rahalahy Webb: Tiako ny fomba namalianao an’ iny fanontaniana iny. Hanao ezaka amin’ny fanovana ny tontolo sy ireo rindran-damin’ny lesona ary zavatra maro isan-karazany isika. Ary arakaraka ny ahitanareo fomba azo ampiasaina tsara hanavaozana ny institiota no mahatonga ny institiota lasa manasa mpianatra betsaka kokoa izay tsy mandray anjara amin’izao fotoana izao. Ary avy eo, rehefa tonga izy ireo hiaina zavatra toy izany, izay hihazona azy ireo sy hampifandray azy amin’ny Ray any An-danitra, dia izay mihitsy no tanjon’ity asa rehetra ity, ka dia misaotra anareo.

Mamelà ahy hametraka fanontaniana iray farany dia asaiko ianareo mba samy hamaly izany. Niresaka zavatra betsaka efa fantatry ny olona isika, fa ny zavatra izay mety tsy mbola fantatr’izy ireo dia ireo fanovana izay hatao amin’ny boky torolalana iray, dia boky torolalana Mampianatra sy mianatra ary zavatra hafa mifandray amin’ny fampiofanana izay hatambatra amin’ireo boky torolalantsika vaovao. Koa inona ary no holazainareo azy ireo momba ireo zavatra vaovao ho avy mahakasika ny fampiofanantsika?

Rahalahy Smith: Tena mampitombo ny ezaka ataontsika isika mba hifantohana sy hanatsorana ary hampiraisana. Ary maika ery isika noho ny fahafahana ananantsika hiara-hiasa amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany ao amin’ny Departemanta misahana ny fisoronana sy ny fianakaviana mba hananana boky torolalana iray ho an’ny mpampianatra ato amin’ny Fiangonana.. Hatambatra ho iray ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny Fampianarana sy fianarana ny filazantsara ary hotsorina sy hatao mazava tsara ary hampiraisina mba hanome antsika famaritana mazava tsara momba ny fampianarana, ny tokony ho toetry ny zavatra iainana ao an-dakilasy, sy ny zavatra tokony hiainan’ny mpianatra iray rehefa miaraka amintsika. Hitambaran’ny mpampianatra voantso sy ireo mpampianatra Seminera sy Institiota izany.

Ka mba hanohanana izany dia manomboka mandrafitra ny zavatra iray antsoinay hoe Tahirin’ireo loharanom-pitaovana fampiofanana izahay, ka rehefa misy mpampianatra iray mamaky ny famaritana ny fahaiza-manao iray, dia fantatr’izy ireo fa misy toerana azon’izy ireo aleha ka ahafahana mamolavola sy manazava izany fahaiza-manao izany, izay ahafahan’izy ireo mandray fampiofanana momba izany ary fanasana azy hizatra sy hampihatra ilay izy. Koa manantena tokoa izahay ny hanampy ireo mpampianatsika hamantatra fahaiza-manao iray izay tiany hatsaraina ary hahazo ny loharanom-pitaovana hanatsarana izany. Ary miaraka amin’izany dia tena irianay ny hahita fomba handrefesana hoe tena ny zavatra antenaintsika hotanterahina ve no ataontsika? Manatanteraka ny tanjontsika eo amin’ny fiainan’ny tanora ve isika?

Ary mitady fomba mahomby sy manan-danja isika mba handrefesan’ny mpampianatra sy hanaovany tomban’ezaka momba ny tenany, hanatsarana ny fomba hanampiana ny mpampianatra iray amin’ny alalan’ny mpanara-maso iray izay afaka manatona azy ary manampy azy ireo hivoatra sy hivelatra ary ho lasa tsaratsara kokoa ary koa manontany ny mpianatsika mikasika ny zavatra niainan’izy ireo sy ny zavatra tena mitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ary antenaintsika fa izany rehetra izany dia hatao ao anatin’ny toe-tsain’ny famporisihana sy ny fandrosoana ary ny fivoarana ary ho fahafahana ho antsika hampiasa izay loharanom-pitaovana misy mba ho lasa mpampianatra tsara kokoa.

Mahafantatra isika rehetra fa miaina ao anatin’ireo fotoana mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika, ary isan’ireo olona tsara indrindra tonga teto amin’ity tontolo ity ireo tanora tonga ao amin’ny kilasintsika. Ary mila mahay tsara isika satria tena mahay izy ireo. Noho izany dia te ho lasa tsaratsara kokoa fotsiny isika.

Rahalahy Bigelow: Mahaliana ny zavatra nolazain’i Adam. Izany dia ilay hevitra hoe afaka mamaritra ny zavatra antenaintsika hitranga ve isika? Afaka manazatra tena amin’izany ve isika mba hahatratrarana ny zavatra andrandraina? Ary tena manan-danja io fanombantombanana io. Efa noresahantsika aza ireo fomba hiezahana mampiseho izany fomba fanaovana tomban’ezaka izany ary avy eo dia mametraka tanjona vitsivitsy mifototra amin’ny hoe aiza ho aiza no misy azy ireo ary te ho lasa toy ny ahoana izy ireo.

Rahalahy Webb: Hitanareo, rehefa miresaka momba ny fitantanana ny fomba hamitantsika zavatra isika na zavatra hafa, ary io teny matihanina io no ampiasaintsika, dia mieritreritra ny olona hoe: “Mampianatra ny filazantsara aho, ary mahatonga ahy hitebiteby izany.” Tia ny mpianatrareo ianareo rehetra. Te hitahy azy ireo ianareo rehetra. Ka ny fisian’ny olona iray eo anilanareo hanampy anareo amin’izany fivoarana izany, izany faniriana hitahy ny mpianatra izany, ary mba ho fitaratry ny zavatra mitranga ao an-dakilasy sy hanome fanampiana anareo amin’ny fanirianareo hivoatra sy hitahy ny mpianatra, tsy hoe noho ianareo rehetra te ho lasa mpampianatra tonga lafatra avokoa fa noho ianareo maniry ny hampisy ny zavatra iainana tsara indrindra ho an’ireo mpianatrareo.

Ka amiko dia zavatra tena mampientanentana izany, ary mino aho fa hitanareo izany, rehefa hitanareo ny zavatra ho avy amin’ireo boky torolalana, sy ny Tahirim-pitaovana enti-mampiofana, ary na ireo zavatra nantsointsika hoe fanaovana tomban’ezaka aza, dia zavatra tena tsara avokoa izany ary zavatra tena manampy izay heveriko fa hahaliana anareo ery ny hahita azy. Izay aloha izao no antenaina, sa ahoana?

Rahalahy Smith: Eny tokoa.

Rahalahy Webb: Misy zavatra tianareo ambara ve alohan’ny hamaranako—

Rahalahy Bigelow: Eny, misy lafin-javatra iray heveriko fa tena manan-danja, dia ity izany. Matetika isika no mifantoka amin’ny fampianarana sy ny fanatsarana ny fampianarana ary manao tsinontsinona ilay ampahany maha-mpitarika na ilay ampahany maha-mpitantan-draharaha amin’ny maha-talen’ny seminera na mpandrindra na talem-paritra, tale eo anivon’ny vondrom-paritra, na inona na inona ilay andraikitra. Ary miezaka manisy lanja izany isika izao. Izay nametrahantsika ho tarigetra ny hevitra hoe andao hanolotra tahirin-kevitra mirakitra ny anjara asa mba hanampiana ny tale hahalala ny zavatra andrasana aminy. Ka rehefa miresaka tomban’ezaka isika dia tsy tomban’ezaka momba ny fampianarana fotsiny izany, fa tomban’ezaka momba ny fitarihanao koa. Ka tamin’ny fotoana nangatahana ahy ho tale taona vitsy lasa izay, dia ho noraisiko an-tanandroa ny zavatra izay resahintsika izao.

Raha mba afaka nanome izany an’ireo mpiasa aho, sy ireo olona tao amin’ny toeram-pianarana nisy ahy, ary ireo mpanampy tamin’ny fitantanan-draharaha, dia niteny hoe: “Ampio aho hahalala hoe manao ahoana ny fanaovako ny asako,” mifototra amin’ny fenitra iray, “ary ampio aho hahafantatra izay azoko atao mba hihatsarana.” Te ho lasa ilay mpitarika tsara indrindra azoko ahatongavana aho, ary ny hany fomba ahafahako manao izany dia ny fahafantarako hoe aiza ho aiza aho izao, hatraiza no tokony hahatongavako, ary inona no azoko atao hahatongavana amin’izany. Ny zavatra rehetra noresahantsika dia ao anatin’ilay sahan-kevitra hoe andao hanampy zatovo sy tanora bebe kokoa, hanana traikefa tena tsara, ary avy eo dia ampihariko amin’ny fitarihako koa izany.

Rahalahy Webb: Zava-dehibe ny manamarika fa hitranga haingana tokoa ny sasany amin’ireo fanovana ireo, ao anatin’ireo volana ho avy, ary mila fotoana elaela kokoa ny hafa.

Misaotra. Alohan’ny hamaranantsika ity ampahany amin’ny fampitana ity dia te hilaza zavatra iray fanampiny fotsiny aho momba ny fanovana amin’ny ankapobeny. Afaka mamorona ireo fandaharam-pianarana sy loharanom-pitaovana vaovao rehetra eto amin’izao tontolo izao isika, fa tsy hisy tena hanan-danja amin’ireo, ary tsy hisy tena hahomby raha tsy miray hina isika ary raha tsy manaraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra. Hitaky ny tsara indrindra azontsika atolotra izany. Hitaky ny hamelantsika an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika izany. Hitaky ny fahavononantsika hanaiky sy handray amim-pifaliana ny fanovana izany. Mba hananana hery hanovana fiainana dia tsy maintsy mampianatra sy mijoro ho vavolombelona avy amin’ny fo efa nandalo fiovam-po isika.

Enga anie isika hampiray ny fontsika amin’ny firotsahana tanteraka amin’ny asan’i Kristy. Ary enga anie isika hiantehitra tanteraka kokoa Aminy. Raha manao izany isika dia ho afaka hiaina tsara izay fanovana mety ho avy na inona izany na inona. Hanampy antsika ny Fanahy Masina hahita sy hanova ireo zavatra ilaintsika ovaina eo amin’ny fiainantsika manokana sy eo amin’ny fampianarantsika. Ary hiainantsika manokana ny fahatsapana fa Andriamanitry ny fahagagana ny Andriamanitsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 6–8.

  2. Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara: Boky Torolalana ho an’ireo Mpampianatra sy Mpitarika ao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny Filazantsara (2012), 20.

  3. Kim B. Clark, “Hodidinin’ny afo” (Lahateny natao tamin’ny Fampitana amin’ny alalan’ny zanabolana ny Seminera sy Institiota Fianarana ny Filazantsara, Aog. 4, 2015), ChurchofJesusChrist.org.

Hamoaka printy