Fampitana fanao isan-taona
Mampianatra fahamarinana amin’ny alalan’ny fitenim-pitiavana


19:0

Mampianatra fahamarinana amin’ny alalan’ny fitenim-pitiavana

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2021

Talata 19 janoary 2021

Ry rahavavy sy anadahy isany, fotoana mahatalanjona ahafahana mihaino sy mianatra izao! Tsy fantatro hoe firy ny isanareo mandray anjara amin’ity fivoriana ity saingy mamelà ahy haneho ny fankasitrahako lalina ho an’ny tsirairay aminareo izay mananika ny 56.000 isa nantsoina ho mpampianatra seminera sy institiota sy ianareo mpampianatra mihoatra ny 2.200 isa miasa ho an’ny DFF mba hampianatra ity vondrona lehibe ity—dia ny taranaka vao misondrotra izany! Isaorana ny asa fanompoana feno fanokanan-tena sy ireo ezaka feno herim-po ataonareo, maro amin’ireo zatovo sy tanora sarobidy no misafidy ny hahatoky sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Manan-danja lehibe amin’ny fampiorenan’izy ireo ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ireo fampianarana sy zavatra iainana ara-panahy omenareo. Ary singaniko sy deraiko manokana ireo mahery fo tsy voalaza matetika, dia ny vadin’ireo mpampianatra izany. Raha tsy eo ny fanohanana matanjaka ara-pihetseham-po sy ara-panahy omenareo sy ny ankohonanareo dia tsy hahomby ity ezaka ity. Noho izany dia fisaorana lehibe amin’ny foko manontolo no atolotro anareo!

Aty am-piandohan’ny taona vaovao iray, izay antenaintsika rehetra fa hitondra rivo-panantenana na angamba sentom-pahafahana amin’ilay iray farany teo, dia tsara ny manana fijery vaovao ho an’izay zavatra ataontsika amin’izao fotoana izao. Mazava ho azy fa te ho matihanina avokoa isika amin’ny asantsika kanefa ny manan-danja indrindra dia ny faniriantsika hitondra fiovana tsara eo amin’ny fiainan’ireo mpianatsika.

Rehefa miara-miasa amin’ny taranaka vao misondrotra ianareo dia tianareo ny hanampy ireo mpianatrareo hahatakatra ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo, sy ny tanjon’izy ireo ety an-tany, ary ny olona afaka hahatongavan’izy ireo. Ny fanirianareo lalina dia ny hanampy azy ireo hanatratra ny fahafahan’izy ireo ho lasa andriamanitra. Tafiditra ao anatin’ny tanjona ôfisialin’ny Seminera sy ny Institiota ny fanampiana ireo mpianatra hianatra sy hiantehitra amin’ireo fampianarana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary manomana azy ireo amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana any amin’ny tempoly sy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Eo am-piezahanareo manatontosa ireo tanjona ireo dia mampirongo azy ireo fiadiana hanoherana ireo “zana-tsipikan’ny fahavalo”1 ianareo ary koa mampatanjaka azy ireo ho Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izay miandrandra ny fiavian’ny Mpamonjy. Manampy azy ireo ianareo amin’izany hiomana ho amin’ireo andraikitr’izy ireo amin’ny hoavy ao amin’ny fianakaviana, Fiangonana, ary eo anivon’ny fiarahamonina amin’ny maha-mpitarika mandala fahamarinana sy ohatra amin’ny fanaovan-tsoa azy ireo.

Teo am-pieritreretana ireo lohateny mety hanampy anio aho dia nieritreritra ireo fitahiana lehibe noho ny fananana ny fandaharam-pianaran’ny seminera izay mifanaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy sy ny hery izay entin’izany ho an’ireo zatovo sy ny fianakavian’izy ireo. Nieritreritra momba ireo tanora izay mipetraka lavitra ny tokantranon’izy ireo aho sy ny amin’ny fomba ahafahan’ny fampianarana ny filazantsara “mifototra any an-tokantrano” ao amin’ny institiota hiantraika amin’izy ireo. Koa nieritreritra ireo fomba hampanan-danja ny fampianarana amin’ny zatovo sy ireo tanora aho. Rehefa nandinika aho dia notsoahiko fa amin’ny alalan’ny fikatsahana fanambarana ho an’ny tena manokana ary ny filana hevitra amin’ireo mpampianatra hafa sy ireo mpiandraikitra dia afaka ny hahita valiny amin’ny fanatontosana ireo zavatra noresahiko tetsy ambony ianareo.

Kanefa dia tiako ny hifantoka amina fitsipika vitsivitsy. Ireo fitsipika tiako horesahina dia voasokajy ao anatin’ilay hoe: “Ny zavatra niriako ho fantatra fony aho mpampianatra seminera.” Fahafahana tsara sy fitahiana ho ahy ny fanompoako tamin’ny naha-mpampianatra seminera vao maraina ahy nandritra ny enin-taona. Nahitana vondrona iray nisy mpianatra maro izay nianatra tamin’ny toeram-pianarana 10 samy hafa ny paroasy nampianarako. Niparitaka tamin’ny toerana samy hafa izy ireo kanefa miombona ho iray. Iriako raha mba afaka ny hilaza aho hoe mpampianatra miavaka aho, saingy afaka milaza kosa aho fa nianatra zavatra vitsy nandritra ireny taona ireny, ary te hizara ny roa monja amin’izany aminareo aho.

Ny fitsipika voalohany nianarako dia ny manome “hena” ara-panahy ny mpianatra. Mila “hena” ara-panahy an’ny filazantsara ireo zatovo sy tanora an’izao andro farany izao mba hahafahana mamaly ireo fanontaniana sarotra izay hipoitra ary hanampiana azy ireo hahatohitra ireo tsindry izay mety hisintona azy ireo hiala amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Zakan’izy ireo izany hena ara-panahy izany. Ilain’izy ireo izany! Tsy maintsy maka fotoana isika hivavahana sy hanomanana—tsy ireo boky fampianarana ihany fa fotoana ihany koa hahafantarana ireo mpianatra mba hahafahana mahafantatra ireo mpianatra ka hahafahantsika mahatakatra ny zavatra ilain’izy ireo ary avy eo mahafantatra izay hampiasaina avy amin’ny fanomanantsika. Isika dia afaka mamaly ilay antso manao hoe: “fa noana Aho, dia nomenareo hanina.”2 Mamelà ahy hizara ohatra vitsivitsy.

Raha nanatrika seminera aho fony aho zatovo tany amin’ny Morontsiraka Atsinanan’i Etazonia dia niparitaka tamina faritra midadasika ireo mpikambana. Mpianatra roa hafa monja ankoatra ireo rahavaviko no mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny lycée nianarako. Nirongatra ireo fitaoman-dratsy teo amin’ny fiaraha-monina. Fotoan’ireo tranga feno hotakotaka sy mampisavoritaka tamin’izany, isan’izany ny korontana teo an-drenivohitra, nanampy trotraka izany ny fifandonana amin’ireo mpitandro filaminana, ny fihanaky ny fikomiana vokatry fanavakavaham-bolon-koditra, ireo ady tany amin’ny ilabolan-tany, ary ireo fanoherana ny ady teo an-toerana. Fomba fiainana nanjakan’ny “fifankatiavana malalaka” sy ny fampiasana malalaka ny marijuana sy ireo rongony mampiova ny fisainana dia nahatonga tontolo iray manindraindra ny fahavitan-tena sy famelana tsy misy henatra akory ireo fenitra ara-pitondran-tena. Ireo vono olona ara-politika sy ny fahasamihafana lehibe ara-kevitra ny amin’ny fomba tokony hampandehana ny governemanta dia nampisara-bazana ny olona ho lasa antoko mifandona ara-pomba fijery. Nifarana tamina zavatra tsara ihany izany folo taona nisian’ny hotakotaka izany tamin’ny fotoana nanitsahan’ny olombelona voalohany teny amin’ny volana.3 Mitovitovy amin’ny tontolo ara-piarahamonina atrehan’ireo zatovo sy tanorantsika ankehitriny ve izany?

Ho ahy ny fianarana tany amin’ny lycée dia nanomboka tamin’ny fotoana nahitana zava-baovao sy fanaovana safidy manoloana tontolo midadasika ivelan’ny tonkantrano nisy ahy sy ny fianakaviako. Nihanjahanja tamin’ireo filôzofian’olombelona aho, ary nanomboka nisalasala tamin’ireo fahamarinana rehetra nampianarin’ireo ray aman-dreniko mahatoky sy ireo mpampianatra ahy tao am-piangonana nandritra ny fahazazako. Ny mpampianatra ahy voalohany dia Rahavavy Thomander, vehivavy iray fotsy volo tsy milefitra amin’ny hadaladalana sy nanana traikefa maro tato am-piangonana sy fijoroana ho vavolombelona lalina amin’ny filazantsara. Nomeny fanamby izahay hamaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’izay taona izay ary hiomana mialoha isan’andro ka hiresaka ao an-dakilasy ireo zavatra novakinay.

Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako ny fampianarana mampadinika sy manentam-panahy nataon-dRahavavy Thomander. Fantatro tsy misy fisalasalana fa fantany fa marina ny Fiangonana, satria niomana tsara izy mba hanazava amin’ny fomba mazava tsara ireo andininy novakinay ary nijoro ho vavolombelona ny amin’ireny fahamarinana ireny. Niharihary fa nanokana fotoana izy hiomanana mba hizarana ny zavatra tsapany fa manan-danja indrindra. Tsy tsaroako ireo kilalao na fety na sakafo, saingy tsaroako tsara hoe nentanim-panahy hiova aho, nahazo hery ara-panahy ary novokisana ara-panahy isan’andro. Tsy ahitana zava-manintona ny lesona rehetra saingy isan’andro kosa dia nahazoana valin-teny sy antoka noho izy mamaly amim-paharetana sy amim-parisihana ireo fanontaniana avy amin’ny fo apetrak’ireo mpianatra. Nitondra fiovana tsy hita pesipesenina teo amin’ny fiainako ireo fanasana mivantana sy ireo zavatra lehibe nandrandrainy. Rahavavy Thomander no isan’ireo olona tiako ho hita sy hisaorana rehefa any amin’ny tontolon’ny fanahy aho.

Hampitahaiko amin’ny taona iray nianarako tao amin’ny kilasy ho an’ny zatovo efa lehibe kokoa izany. Nahafinaritra sy sariaka ilay mpampianatra seminera, kanefa, nahagaga fa zara aho raha nahatsapa fifandraisana. Herinandro maro no lasana hatramin’ny nampianaran’ilay lehilahy ny boky fampianarana tamin’ny fomba maivamaivana. Ary mazava ho azy fa tsy noraisin’ny mpianatra tamim-pahamatorana izy: ilaozan’ireo zatovovavy mipetraka any aorina manala vernis amin’ny hohon-tanany, raha ireo ankizilahy kosa nifananihany, ary ny ambiny kosa mifanipy taratasy nentina nampiala voly. Na dia azonay antoka aza hoe nanana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny filazantsara izy, amin’ny maha-misiônera nahavita asa fitoriana azy, dia tsy nianatra nametraka fanontaniana izahay, satria matetika ireo valin-teniny no tsotsorina na tsy mazava loatra hany ka tsy azonay antoka raha ho afaka hamaly na te hamaly azy ireny izy. Lasa ny fifaneraserana no nibahana tao amin’ny seminera fa tsy nampiaina zavatra ara-panahy.

Tsy zoviana aminareo ilay fanontanian’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina manao hoe: “Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, iza no hiomana hiady?”4 Amin’ny maha-mpampianatra ny filazantsara ny taranaka vao misondrotra antsika dia tsy maintsy “trompetra mamoaka feo marina no tsofintsika”. Tamin’ny vaninandron’ny Testamenta Taloha ilay trompetra dia anjombona, tandroka osilahy, izay manana feo tsotra sy marina. Nampiasaina izany hiantsoana ny vahoakan’ny Tompo hivory mba hiara-hitsaoka, sy hampitandremana amin’ny loza, ary hanomezana toromarika amin’ny fotoan’ny ady. Ireo ady sy ireo horakoraka ary tabataban’ady taloha dia niteraka savorovoro. Raha toa ireo mpitarika ka tsy afaka nampita hafatra mazava tsara tamin’ireo andian-tafika, dia tsy azo nihodivirana ny faharesen’ny tafika. Noho izany dia “trompetra mamoaka feo marina” no namboarina. Nofanina ireo miaramila hamantatra ilay feo, koa na amin’ny fotoan’ny fisavorovoroana aza dia ho hain’ny tsirairay raha toa ka ka handroso izy ireo na hihemotra, raha toa ireo takifa amin’ny vondrona havia na havanana no tafihana.5

Izany karazana trompetra izany Rahavavy Thomander tamiko. Tsy maintsy ho izany trompetra izany isika, ilay feo azo antoky ny fahamarinana mandrakizay manoloana ireo soatoavin’izao tontolo izao izay tsy mitsaha-mitombo haingana. Tsy maintsy milaza ny fahamarinana amin’ireo mpianatsika isika hanampiana azy ireo hahatakatra ny antony ao ambadik’ireo zavatra ampianarina sy ireo zavatra ampianarina. Azontsika atao “amin’ny fahamorana sy amin’ny halemem-panahy,”6 izany saingy tsy maintsy ataontsika. Araka ny nitenenan’ny mpampianatra seminera iray izay azy hoe: “Tsy tsofintsika eo am-poto-tsofin’ny olona ilay trompetra, no sady tsy zara raha tsofintsika; fa tokony ho tsara sy tsy misalasala ary mamoaka feo marina sy azo antoka ilay antso.”7 Raha nampianatra ny kilasiko manokana aho dia nianatra fa marina tokoa fa tia mianatra amin’ny alalan’ny kilalao mahafinaritra sy nila fifaneraserana tamin’ny mpiara-mianatra izy ireo, saingy nangetaheta valiny marina tamin’ireo fanontaniana ara-pilazantsara ary sosokevitra mahomby ny amin’ny fomba hampiharana ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Ny fitsipika faharoa hitako ho manan-danja dia ny fifandraisana omban’ny firaharahiana marina. Ahoana no hifandraisantsika amin’ny mpianatsika amin’ny araka ny tokony ho izy sy amin’ny fomba manan-danja? Afaka manova zavatra tokoa ny fiteny ampiasaintsika. Ohatra, raha manandrana miteny Q’eqchi’ amina mpianatra izay tsy mahatakatra afatsy Tagalogy aho dia tsy hahomby mihitsy aho amin’ny fampitana ny hafatra tiako hambara. Soa ihany fa misy fiteny roa iraisana maneran-tany izay takatry ny zatovo sy ny tanora rehetra: dia ny fitenin’ny Fanahy sy ny fitenin’ny fitiavana.

Ny fiteny voalohany, ny an’ny Fanahy, dia fantatr’ireo rehetra mikatsaka fahamarinana. Araka ny nampianarin’ny Lohololona Joseph B. Wirthlin hoe: “Tsy misy sakana ara-pitenenana ato am-piangonana. Misy hery mahery vaika izay manoatra ny herin’ireo hafatra izay ampitaina amin’ny alalan’ireo teny fotsiny, ary izany dia ny herin’ireo hafatra ampitain’ny Fanahy amin’ny fontsika. … tsy mifidy fiteny na tenim-paritra. Izany dia mpampita hafatra ho an’izao tontolo izao amin’ny fo tsirairay izay vonon-kihaino izany.”8

Mampita hafatra mivantana amin’ny fo ny Fanahy. Nampatsiahy ireo Olomasina tany Roma i Paoly hoe: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’ Andriamanitra isika.”9 Rehefa mikatsaka, sy mihaino sy hanaraka ireo fitaoman’ny Fanahy Masina isika dia handray fitaomam-panahy ny amin’ny fomba izay hiresahantsika amin’ireo mpianatsika amin’ny alalan’ny Fanahy amin’ny fomba izay ahafahan’izy ireo mahatakatra izany. Ny fiomanana tsara, amin’ny alalan’ny fampiasana boky izay nosoratana mpanoratra fandaraham-pianarana nentanim-panahy, dia manampy antsika hiorim-paka amin’ireo fotopampianarana fototra, izay fantatsika fa manana ny hery lehibe indrindra hanovana fo sy fiainana. Ny manan-danja indrindra dia ny mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana ny amin’izay zavatra tokony hozaraina sy ny fomba hizarana ny zavatra nomaninao. Ny fitenin’ny Fanahy dia hampita zavatra maro lavitra noho izay azonao lazaina.

Ilay fiteny iray hafa izay hanampy anao hifandray amin’ireo mpianatra dia ny fitenin’ny fitiavana. Koa satria avy amin’ Andriamanitra koa ny fitiavana, dia mifandray mivantana amin’ny fo ihany koa izy. Nizara izao fahamarinana tsotra izao ny Apôstôly Jaona, vavolombelona nahita maso ny Mpamonjy: “Isika tia, satria izy efa tia antsika taloha.”10 Marina koa izany amin’ny fifandraisana eo amin’ny samy olombelona. Efa renareo ilay fitenana manao hoe: “Tsy raharahian’ny olona firy izay fahalalanao any mandra-pahafantarany hoe hatraiza ny firaharahianao azy ireo.”11 Amin’ny maha-mpampianatra antsika, ny hery mitaona maharitra ananantsika dia mifandray mivantana amin’ny fitiavana araka ny an’i Kristy izay ananantsika ho an’ireo mpianatsika.

Mety ho mahazatra anareo angamba ilay fotokevitra hoe “fitenin’ny fitiavana.”12 Indreto misy fomba fanehoam-pitiavana izay ho takatra sy heken’ny hafa, miankina amin’ny toetoetran’izy ireo sy ny zavatra nitrangra teo amin’izy ireo taloha. Mety ho raisin’olona samihafa mora kokoa noho ny karazany iray hafa ny karazana fitenin’ny fitiavana, saingy ireo mpianatra rehetra dia hahay hamantatra ny firaharahiana asehonao farafaharatsiny ao amin’ny iray amin’ireo fomba telo hozaraiko anio.

Karazana fitenin’ny fitiavana iray ny teny feno fanohanana. Izany dia teny mankahery sy manandratra, toy ny hoe “Vitanao io” na “Tena mivoatra mihitsy ianao” na “Midera anao aho amin’ny asa mafy ataonao.” Ireny teny ireny dia milaza amin’ny mpianatra iray fa lalaina sy mahavita zavatra izy. Ohatra lehibe amin’io karazana fitenin’ny fitiavana io ny teny mamy feno fanohanana nataon’ny Mpamonjy tamin’i George Miller, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana. Toy izao no nolazain’i Jesoa Kristy momba azy rehefa avy nofaritany ho lehilahy “tsy misy fitaka,” izy: “azo itokiana izy noho ny fahitsian’ny fony; ary noho ny fitiavana izay ananany amin’ny tenivavolombeloko, Izaho Tompo dia tia azy.”13 Maro amintsika no tsy mahatsiaro ny anaran’io mpikambana vao niova fo io, saingy azo sary an-tsaina fa tena nankahery ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i George momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny fitiavany ny Mpamonjy tokoa ireo teny feno fanohanana ireo.

Anisan’ireo teny mahery vaika indrindra ny teny toy ny hoe “Misaotra” sy ireo teny hafa maneho fankasitrahana. Amin’ny maha-mpampinanatra zatovo na tanora be fiahiana sy be fitiavana anareo dia afaka mahatsikaritra ireo zavatra tsotra ataon’ny mpianatra iray ho anareo na ho an’ny hafa ao amin’ny kilasy, na mihaino ireo zavatra tsara renareo momba ny zavatra ataon’izy ireo any am-pianarana na eo amin’ny fiaraha-monina ianreo ka maneho fankasitrahana azy ireo. Ny fandefasana taratasy any amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra iray maneho ny zavatra tsara tsikaritra fa ataon’ny zatovon’izy ireo dia hampitombo ny fahatsapan’ilay mpianatra ho mahavita zavatra sy manan-danja. Ireny karazana teny feno fanohanana ireny dia manorina sy mampifamatotra fifandraisana, mampitombo ny fahatsapana ny firaharahiana tena marina eo amin’ny mpampianatra sy mpianatra, izay avy eo manome vahana ny fitarihan’ny Fanahy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fitenin’ny fitiavana iray hafa ny fanaovana asa fanompoana. Asa fanompoana goavana sy fanehoam-pitiavana izany hoe afaka mivonona isan’andro izany mba ho fitaovana fankaherezana sy fananarana izany. Mety tsy ho tsikaritr’ireo zatovo mandrakariva ny fanomezanareo ny fotoanareo sy ireo ezaka ataonareo isan’andro kanefa rehefa mandeha ny fotoana dia hitombo ny fahatsapan’izy ireo ara-panahy ka “[hi]dera anareo [izy ireo] hoe sambatra,”14 tahaka ny hiderako an-dRahavavy Thomander.

Mamelà ahy hizara fomba anehoan’ny mpampianatra roa ny fitiavan’izy ireo amin’ny alalan’ny asa fanompoana. Misy mpampianatra iray any Zimbabwe nantsoina ho mpampianatra seminera taloha kelin’ny namelezan’ilay valaneratina maneran-tany. Faly ery ireo mpianatra ny hihaona mialohan’ny hianarana isan’andro ary nanjary lasa zatra ilay fandaharam-potoana rehefa tsy afaka niara-nivory mivantana intsony. Sahiran-tsaina ilay mpampianatra: maro amin’ireo mpianatra no tsy manana internet any an-tranony, koa noho izany dia tsy azo natao ny fianarana an-jotra. Koa mba hahazoana antoka fa mahazo sakafom-panahy avokoa ireo mpianany dia nanomboka namorona lesona ahitana soratra masina, fanontaniana mampieritreritra, memes, sy horonan-tsary azo alefa ho azy ireo amin’ny alalan’ny WhatsApp, tamba-jotran-tserasera efa ananan’ireo mpianany izy. Amin’izao ireo mpianany dia “[voafahana] amin’ny teny soan’ Andriamanitra”15 na dia amin’izao fotoana isian’ny elanelana ara-pahasalamana izao aza.16 Hitan’izy ireo sy raisin’izy ireo ho toy ny fanehoam-pitiavana asehony ireo asa fanompoana ireo. Valian’izy ireo amin’ny fahatsapana ara-panahy tsapan’izy ireo izany ary tsindrindaona ery izy ireo handray vatsi-na fitarihana ara-panahy sy fankeherezana mifototra amin’ny soratra masina.

Miatrika fanamby mifanohitra amin’izany ny mpampianatra iray any Norvezy. An-jotra fotsiny ny kilasy satria miparitaka manerana ny firenena ireo mpianany. Kanefa na aiza na aiza handehanany eo amin’izao tontolo izao na amin’ny firy na amin’ny firy any amin’izay misy azy, dia vonona ny hampianatra ireo mpianatra seminera vao maraina amim-pitiavana sy amin’ny nahim-po tokoa izy. Na dia eo aza ireo elanelan-tany misy eo aminy sy ireo mpianany, izay zara raha hitany mivantana, dia mahafantatra zavatra momba ny toetoetra sy ny zavatra mahaliana ny tsirairay izy. Na hitany mivantana amin’ny camera ny tarehin’izy ireo na tsia dia raisiny tsara izy ireo ary mangataka ny hevitr’izy ireo izy. Manome toerana azo antoka izay ahafahan’ireo mpianany mametraka fanontaniana tsy amin-tahotra ny hahatsapa tena ho tsy mahay izy. Omeny sakafo feno otrikaina ara-panahy izy ireo, feno fahafahana tsy tapaka mba hihainoana ny fijoarany ho vavolombelony ny amin’ireo fitsipiky ny filazantsara, sy hanasany azy ireo hizara ny zavatra ara-panahy nianaran’izy ireo.17 Toa anareo, ireo mpampianatra ireo dia miresaka amin’ny fitenin’ny fitiavana amin’ny alalan’ireo asa fanompoana feno fanoloran-tena.

Ny fitenin’ny fitiavana farany horesahiko dia ny fanomezana fotoana feno fifantohana. Ny fanaovana ny fotoana ianarana ho manan-danja araka izay tratra, izany hoe mifantoka amin’ireo zavatra iainana ara-panahy, dia fanomezana izay tsy lany laniana. Ho solon’ny hoe mandany fotoana amin’ny kilalao izay mampifandray fotsiny na fandaniana fotoana lehibe hanamboarana taratasy zaraina manara-penitra izay mety ho tavela amin’ny tany rehefa lasa ny mpianatra, ny fifantohanao amin’ny fanaovana izay hianaran’ny mpianatra ny fomba hamantarana ny Fanahy sy hampiharana ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo dia hitondra voka-tsoa lehibe tokoa. Rehefa valianao amin’ny valin-teny manan-danja sy voalanjalanja ireo fanontaniana dia hipaka tsy misy sakantsakana ireo ezaka ataonao hampita hafatra am-pitiavana. Ny fanomezana lanja ny fandraisan’anjaran’ny mpianatra, izany hoe mihaino amim-panajana ny hevitra sy ny fanontanian’izy ireo ary mamaly izany amin’ny teny fanamafisana, dia manampy ireo mpianatra hahafantatra fa miraharaha ny olana sy ny filan’izy ireo ianao fa tsy mifantoka amin’ny fampianarana ny lesona tsy maintsy vitainao io andro io fotsiny. Ny fahavononana ny hihemotra kely mba hamaly ireo fanontaniana tsy nampoizina na mamerina izay valin-teny izany amin’ny fomba hafa mandra-pahatakarana tanteraka ilay fotokevitra dia maneho ny fanirianao marina ny amin’ny fivoaran’izy ireo ara-panahy sy ny tenan’izy ireo manokana. Izany hoe maneho ny fitiavanao araka an’i Kristy.

Ankoatra izay dia tamin’ny naha-mpampianatra seminera ahy dia isan’ireo fitahiana lehibe ho ahy ny fahafahana mandalina sy mianatra momba ny filazantsara avy tamin’ireo boky vokarin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana. Kanefa ny tanjon’izany fandalinana izany dia ny ho vonona tanteraka ny hanome ireo mpianatra ny zavatra ilain’izy ireo fa tsy ny ho afaka ny hamelabelatra amim-pientanentanana tamin’ireo zava-baovao hitako. Nanana sy mbola hanana fahafahana ianareo hianatra sy hampianatra ny filazantsara ao amin’ny seminera sy ny institiota, kanefa ireo mpianatrareo dia mbola ho voatahy lavitra noho ny fifantohanareo amin’ny fianaranan’izy ireo toy izay amin’ny anareo.

Amin’ny maha-mpampianatra seminera vao maraina antsika dia takatro ireo fahasarotana amin’ny mampifandrindra ny filan’ny fianakaviana, ny asa, na ireo adidy ara-piaraha-monina. Takatro ireo olana atrehina amin’ny fitadiavana fotoana ampy hanomanana, sy hananana torimaso ampy, ankilan’ireo andraikitra samihafa! Mijoro ho vavolombelona aho fa hanampy anareo ny Tompo rehefa mangataka, sy mitady ary mandondona ianareo. Rehefa mivavaka, sy mandalina, ary manaraka ireo fitaomam-panahy raisinareo ianareo dia ho afaka ny hanome ireo mpianatra sarobidinareo ny henan’ny filazantsara, dia ny tohana ara-panahy ilain’izy ireo hahatongavan’izy ireo ho mpitarika, ray, sy reny tian’izy ireo hahatongavana sy tsy maintsy hahatongavan’izy ireo amin’izao andro farany izao. Ho afaka ny hampita fahamarinana amin’ny fitenin’ny Fanahy sy ny fitenin’ny fitiavana ianareo. Ho afaka ny hifandray omban’ny firaharahiana marina, sy fanehoana ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy an’ireo zanany ianareo amin’ny alalan’ny teny feno fanohanana, sy asa fanompoana, ary ny fotoana feno fifantohana omenareo amin’ny fihainoana sy famaliana ireo fanontaniana manitikitika azy ireo.

Hitozo hampianatra fahamarinana sy hanome fitiavana amin’ny fomba izay hampiorina fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao amin’ireo taranaka vao misondrotra anie ianareo. Hikatsaka ny hanomana azy ireo hanatratra ny fahafahan’izy ireo ho lasa andriamanitra eo am-panangonan’izy ireo an’i Isiraely amin’izao andro farany izao anie ianareo. Izany no vavaka mafy sy fanasana ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.