Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra.


“Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao (2023)

“Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao

Jereo amin’ny fomba hijeren’ Andriamanitra azy ireo ny mpianatra.

Fahaiza-manao

Halalino ireo hafatra farany avy amin’ny mpaminany mba hahatakarana ny fomba fahitan’ny Ray any An-danitra ny zatovo.

Sary
Lehilahy mandalina

Mamaritra

Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Mba hanompoana ny hafa amim-pahombiazana, dia mila mijery azy ireo … amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra [isika]” (“Amin’ny fijerin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 94). Lehilahy entanim-panahy hiteny ho an’ny Tompo ireo mpaminany velona. Rehefa mahatakatra ny zavatra ampianarin’ny mpaminany momba ny zatovo ankehitriny ianao, dia afaka mahita ireo mpianatrao amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra azy ireo sy mahafantatra kokoa ny fomba hanampiana azy ireo amin’ny fotoana rehetra. Fomba iray hanaovana izany ny fandalinana ombam-bavaka ireo hafatra avy amin’ny mpaminany mba hamantarana ny valin’ireo fanontaniana tahaka izao manaraka izao:

  • Inona no ampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly momba ny maha izy ny zatovo?

  • Inona no asain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ataon’ny zatovo?

  • Inona no ambaran’ireo mpaminany sy apôstôly momba ny fanantenana, ny faniriana, sy ny fahatsapana, ary ny zavatra andrasan’ny Tompo ho an’ireo zatovo?

Rehefa mandalina ny tenin’ireo mpaminany velona ianao mba hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo na ny sasany amin’ireo fanontaniana noforoninao, dia hitombo ny fahatakaranao ny fomba fijerin’ Andriamanitra ny zatovo ao amin’ny Fiangonana. Rehefa mijery mazava kokoa ny mpianatra amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra ianao dia hotaomim-panahy hampianatra sy hifanerasera amin’ny zatovo amin’ny fomba tsara kokoa sy masina kokoa.

Lamina hakan-tahaka

  • Vao hanomboka ny taona voalohany hampianarany institiota Rahavavy Antel. Alohan’ny hihaonany amin’ny mpianany dia mandalina ny lahatenin’ny Filoha Nelson hoe “Safidy ho an’ny mandrakizay” izy sady misaintsaina ilay fanontaniana hoe “Inona no tian’ny mpaminanin’ny Tompo ho takatro momba ireo zatovo izay ho ampianariko? Takany mazava kokoa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra ireo mpianany rehefa mamaky ity manaraka ity izy: “Voalohany sy farany manan-danja dia zanak’ Andriamanitra ianao. Faharoa, amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anao dia zanaky ny fanekempihavanana ianao. Ary fahatelo, ianao dia mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.”

  • Nitebiteby Rahalahy Mueller satria toa tsy liana tamin’ny lesona ireo mpianatra tao amin’ny kilasin’ny seminera nampianariny. Mikatsaka fanampiana amin’ny alalan’ny fandalinana ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra izy mba hitadiavana ny valin’ny fanontaniana hoe: “Inona no zarain’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny fanantenana, ny faniriana, ny fahatsapana ary ny zavatra andrasan’ Andriamanitra ho an’ireo zatovo?” Miha-mafy orina ny fomba fahitany an’ireo mpianany rehefa mamaky ny tenin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf izy manao hoe: “Ry namako malala, mbola averiko indray, raha mijoro eto ny Mpamonjy androany, dia haneho ny fitiavany tsy manam-pahataperana ho anareo Izy, ny fahatokiany tanteraka anareo” (“I Jesoa Kristy no maha zatovo mahery,” Liahona, nôv. 2022, 12).

Manazatra tena

  • Mandalìna hafatra iray farany avy amin’ny mpaminany dia mitadiava hevi-baovao izay manampy anao hahatakatra ny fomba fahitan’ Andriamanitra ireo mpianatrao.

Mampiditra fahalalana

  • Manaova lisitra ahitana teny nambaran’ny mpaminany tamin’ny taona lasa izay manampy anao hahita ny zatovo amin’ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

Inona no mety ho fiantraikan’ny fahitana ny zatovo amin’ny fomba fijerin’ Andriamanitra eo amin’ny fomba hitondranao azy ireo?

  • Inona avy ireo teny nambaran’ny mpaminany izay nanampy anao hahita ny zatovo amin’ny fomba ahitan’ny Ray any An-danitra azy ireo, ary nanova inona teo aminao izany?

  • Inona avy ireo fanontaniana hafa mety hosaintsaininao eo am-pandalinana ireo hafatra avy amin’ny mpaminany mba hanampy anao hahazo an-tsaina ny manjo ireo zatovon’ny Fiangonana?

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

  • Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizay” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 15 mey 2022), ChurchofJesusChrist.org

  • Dale G. Renlund, “Amin’ny fijerin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 93–94

  • Chad H Webb, “Solontenany” (Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 21 jan. 2022), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org

Hamoaka printy