Fampitana fanao isan-taona
Solontenany


Solontenany

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2022 iarahana amin’ny Filoha Ballard

Zoma 21 janoary 2022

Indray andro dia tafalahatra tany amin’ny seranam-piaramanidina iray tao aorian’ny rabbin Jiosy iray aho. Ilay olona teo alohany dia lehilahy nihazona pasipaoro Meksikana, manao dia miaraka amin’ny zanany vavy mbola kely. Ary teo alohany dia nisy Amerikana manao fanamiana sy satroka maneho ny ekipana fanatanjahantena tiany indrindra. Nanomboka nanontany tena aho hoe, iza amin’ireo olona telo ireo no manana zavatra iraisana amiko indrindra? Tamin’ny voalohany aho dia nieritreritra hoe ilay Amerikana. Mety ho niaina zavatra tena mitovy angamba izahay rehefa nihalehibe, ary mety samy nandany fotoana be loatra izahay nieritreritra momba ny ekipana fanatanjahantena tianay indrindra. Dia nodinihako indray ny momba ilay lehilahy faharoa teo amin’ny filaharana. Noho ny fitiavako an’i Meksika dia azo heverina tsara fa mety hitovy ny karazana sakafo Meksikana sy ny mpilalao mariachi tianay indrindra. Fa lehibe kokoa noho izany, dia nahatsapa fifandraisana taminy aho rehefa nijery azy nifanerasera tamin’ny zanany vavy ka nieritreritra momba ny maha-raina zanaka vavy enina ahy. Ary farany dia nieritreritra ilay rabbin aho. Ny ankamaroan’ny olona nijery anay teo amin’ny filaharana dia mety nihevitra fa tsy dia misy zavatra iraisana izahay. Saingy izaho sy izy dia samy manana faniriana hanolotra ny fiainanay amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra, hianatra sy hampianatra ny teniny, ary hiezaka ny ho mpankatò ireo didiny.

Raha mbola nisaintsaina ny fanontaniako aho rehefa niditra tao anatin’ny fiaramanidina, dia naka taratasy aho ka nanomboka nanoratra. Nanomboka tamin’ny teny tsotra hoe “Izaho dia ”, ary avy eo nosoratako daholo izay tonga tao an-tsaiko. Zanak’ Andriamanitra aho, mpianatr’i Jesoa Kristy, ary vady. Nosoratako ireo toetra, fifandraisana, antso ao amin’ny Fiangonana, ary andraikitra nampanaovina. Nampidiriko tao koa ny zavatra tiako manokana toy ny hoe “Tiako be ny gadona Motown sy ny frômazy raclette.” Tsy mbola vitako akory ilay izy dia efa nahasoratra zavatra 300 teo ho eo aho hamaliana ny fanontaniana hoe “Iza moa aho?” Avy eo dia nalahatro araka izay manan-danja indrindra amin’izay tokony hifantohako sy ho laharampahamehako eo amin’ny fiainako izany. Ohatra, na dia sady raibe no mpankafy golf tsy dia mahay aza aho, ny nametrahako ny maha-raibe ahy eo amin’ny fiantombohan’ny lisitro ary ny fitiavako golf eny ambanimbany dia mampahatsiahy ahy hoe inona no tokony handaniako kokoa ny fotoanako sy ny heriko ary inona no hosafidiako raha toa ka mila misafidy amin’ireo zavatra roa ireo aho.

Taty aoriana dia lasa takatro ny naha-tena zava-dehibe an’io zavatra niainako io raha namaky ny zavatra voalazan’ny Filoha Henry B. Eyring aho hoe: “Ny zavatra avalinao amin’ilay fanontaniana hoe iza moa ianao dia hisy fiantraikany saika amin’ny zavatra rehetra mihitsy.” 1

Vao haingana aho no nisaintsaina io fanontaniana io ary nieritreritra momba ireo mpianatsika. Naka taratasy hafa aho ary nanomboka nanoratra—ary tamin’ity indray mitoraka ity dia nanomboka tamin’ny teny tsotra hoe “Ny mpianatsika dia …”

Mino aho fa tena izay nolazain’ireo mpaminany mihitsy no mamaritra ny maha-izy azy ireo mpianatsika. Zanaka malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra izy ireo, izay nisafidy ny hanaraka ny drafitry ny Ray ary nandresy ilay fahavalo tamin’ny finoan’izy ireo ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra sy ny herin’ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. 2 Nitahiry azy ireo ny Tompo, araka ny voalazan’ny Filoha Russell M. Nelson, mba halefa ety an-tany “ho amin’izao fotoana izao indrindra, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao.” 3 Nosafidiany izy ireo “[h]anampy amin’ny fanomanana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany].” 4 “[Izy ireo] no fanantenan’i Isiraely, -zanaky ny andronampanantenaina- [”Ô vaillants guerriers d’Israël, Cantiques, no. 169].”! 5

“Mangetaheta ny zavatra mikasika ny ara-panahy [izy ireo]. Maniry mafy ny hianatra ny filazantsara … ary te-hahazo izany mivantana sy tsy misy fangarony. Tsy mpiahiahy izy ireo fa mpikaroka, mpikatsaka ny fahamarinana. …

Mangetaheta finoana izy ireo ary maniry ny hampihatra izany amin’ny asa.” 6

Marina ihany koa fa ny olona sasany dia nanadino ny maha-izy azy, dia ny maha-zanak’ Andriamanitra izany, na lasa nifantoka be loatra amin’ny zavatra tsy maharitra na tsy manan-danja firy. I Satana no mpisandoka lehibe indrindra. Ny fitaka ataony no nahatonga ny olona sasany ho misavorovoro saina na variana noho ny tontolo misafotofoto sy tsy mitsaha-miova izay maneso ny finoana sy ny fahadiovan-toetra ary ahitana fampahalalana na aiza na aiza aleha, kanefa zara raha ahitana fahendrena—ilay andro naminaniana hoe “mianatra mandrakariva nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina” 7 tontolo izay milaza ny “ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy,” 8 izay maro no “[mandeha] amin’ny lelanafon[y] sy amin’ny zana-tsipika misy afo izay narehi[ny]” 9 nefa mandà ilay Fahazavan’izao tontolo izao.” 10

Mahafantatra zavatra iray hafa momba ireo zatovo sy tanorantsika anefa isika. Hoy ny Mpamonjy hoe:

“Zanaky ny mpaminany ianareo; ary avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely; … Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra amin’ny tany.

“Ny Ray, rehefa avy nanangana Ahy ho anareo aloha, sy naniraka Ahy hitahy anareo amin’ny fampihodinana ny tsirairay avy aminareo hiala amin’ny helony; ary izany dia noho ianareo zanaky ny fanekempihavanana.” 11

Nampanantena ny Tompo fa ho avy amin’izy ireo mba hamonjy azy ireo tsy ao amin’ny fahotany fa hamonjy azy ireo kosa amin’ny fahotany. 12 Izany no antony tsy maintsy hanampiantsika ny mpianatsika ho lasa mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hanana fahatakarana marina ny amin’ny drafitra mandrakizain’ny Ray sy ny fotopampianaran’ny Mpamonjy tena marina. Mila mahafantatra izy ireo hoe iza izy ireo ary inona no tian’ny Tompo ataon’izy ireo 13 —ary ahoana no fomba anaovana izany.

Mino aho fa ny fanampiana ny mpianatsika hahafantatra ireo zavatra ireo dia miankina betsaka amin’ny fahafantarantsika hoe iza isika amin’ny maha-olona izay mampianatra sy manompo ary mitondra fanohanana ato amin’ny seminera sy institiota antsika. Izany eritreritra izany dia nitarika ahy hamorona lisitra fahatelo. Naka taratasy iray hafa aho ary nanoratra tao anatin’ny pejy maro ireo toetoetra izay ankasitrahako sy ankafiziko aminareo rehetra. Teo am-panoratana dia hitako fa voasarika foana any amin’ny hevitra iray tena manan-danja aho. Mino aho fa ny valiny manan-danja indrindra amin’ilay fanontaniana hoe iza isika dia ny hoe angatahana isika ho solontenan’i Jesoa Kristy. 14

Ny tokony ifantohan’ny ezaka ataontsika dia ny manampy ny zatovo sy ny tanora hahafantatra an’i Jesoa Kristy sy hiantehitra Aminy sy ny Sorompanavotany. Mijery Azy isika mba ho Ohatra ho antsika ary miantehitra amin’ny fahasoavany hanatanterahana ny sitrapony. Na dia eo aza ireo olan’ny tena manokana sy ireo fahadisoam-panantenana dia miaina amin’ny fanantenana sy ny fijerena ny lafitsaran-javatra foana isika. Noho isika mibebaka tsy tapaka, dia efa nanandrana ny fitiavany sy ny famindrampony isika, ary manolotra izany famindrampo izany amin’ny hafa isika rehefa mampianatra avy amin’ny fo efa niova sy feno fankasitrahana. Miresaka matetika ny Aminy isika, mijoro ho vavolombelona momba Azy, mifaly amin’ny fahatsarany sy ny halehibeny, ary manampy ny hafa hahafantatra “ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.” 15 Miezaka isan’andro ny ho solontenany isika.

Fony aho misiônera tanora dia nianatra ny lanjan’izany hevitra izany raha nandondòna varavaran’olona izaho sy ny mpiara-mitory tamiko. Toy izao no nanombohako teo amin’ny trano iray hoe, “Salama, izahay dia solontenan’i Jesoa Kristy.” Mialoha ny nahafahako nanohy dia nanapaka ahy ilay lehilahy ka nanao hoe, “Diso izany. Tsy fantatrareo akory ny dikan’izany.” Nanazava izy fa ny solontena dia olona iray mijoro ho eo amin’ny toeran’ny olona iray hafa, milaza sy manao izay zavatra ho nataon’io olona io raha teo izy. Nofaranany tamin’ny fitenenana hoe: “Raha toa ka solontenany ianareo dia hilaza amiko ny zavatra izay ho nolazainy tamiko raha toa ka teto mivantana Izy.” Nihaino tsara aho dia niombon-kevitra tamin’io lehilahy io ny amin’ny hoe marina ny fahatakarany ny dikan’ny hoe solontena. Dia nisaotra azy aho avy eo ary nanontany raha toa ka afaka mamerina miteny indray, miaraka amin’izany fahatakarana izany. Dia hoy aho hoe, “Manahoana. Izy no Elder Aranda ary Elder Webb no anarako. Izahay dia solontenan’i Jesoa Kristy ary tonga mba hizara aminao hafatra iray avy Aminy.”

Samy nametrahana fitokisana masina isika. Rehefa mivavaka na mamarana ny fampianarantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ny Anarany isika dia milaza fa manambara ny sainy sy ny sitrapony ny zavatra izay voalaza. Mba tsy hivadihana amin’izany fametraham-pitokisana izany dia tsy maintsy manana fitiavana sy fahatakarana lalina ny filazantsarany isika ary vonona ny hanefa ny sarany takina mba hahafantatra ny soratra masina sy ny fotopampianarana ampianarin’izy ireo. Koa satria mahatakatra isika fa ny tenin’ Andriamanitra dia manana “fiantraikany mahery kokoa” mihoatra ny zavatra hafa rehetra 16 ary izany dia tena mirakitra ny valin’ireo fanontaniana eo amin’ny fiainana, dia ny soratra masina no loharano fototry ny zavatra iainantsika miaraka amin’ny mpianatsika. Rehefa manohy manavao hatrany ny fomba fampianarantsika isika mba hifandraisana bebe kokoa amin’ny mpianatra dia tsy tokony hanalavitra ny fiorenam-paka lalina ao amin’ny soratra masina ny fanavaozana entintsika.

Manan-danja sahala amin’izany koa ny fampifikirana ny saintsika sy ny fontsika amin’ireo mpanompo voafidin’ny Tompo, indrindra fa ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao, ka tsy handà velively ny fampianaran’izy ireo, tsy handiso ny fampianarana izany, na hampifanohitra izany amin’ny “filôzôfiantsika, na avy aiza izany na avy aiza, ary na toa mahaliana na mitombina tahaka ny inona aza izany.” 17 Ao anatin’ny tontolo izay ahitana feo maro manentana ary tanjona ara-piarahamonina maro, dia fitahiana tsy voavidy vola ny mahafantatra ny sain’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpaminaniny velona. Rehefa mampifanaraka ny fampianarantsika, ny fanoavantsika, ary ny laharampahamehantsika amin’ny an’ny Tompo sy ny mpaminaniny isika, dia ho eo amin’ny fototra azo antoka, ary toy ny sampan’ilay hazom-boaloboka tena izy, dia hanana hery hamokarana voany maro isika. 18

Indraindray dia toa mifanipaka ny fampianarana fahamarinana sy ny fanehoana fitiavana. Izany no izy satria samy misy sandoka izy ireo, izay mety hampisavorovoro saina antsika. Mety hahatsapa ianareo hoe eo amin’ny laharana voalohany amin’ny fiezahana mamaly fanontaniana sarotra sy lalina ka raha milaza ny fahamarinana dia mety hisy olona haratra na ho tafintohina. Mba hamaliana amin’ny fomba feno fitiavana sy mitondra fanampiana dia tsy maintsy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika, fa Izy dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo izay notendreny hitarika izany. Tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo fanampiana ary hamporisika ny mpianatsika hitodika amin’ny Ray any An-danitra, hitondra ny fanontanian’izy ireo sy ny ahiahiny eo Aminy. I Jesoa Kristy no fahazavana ho an’ireo izay ao anatin’ny savorovoron-tsaina sy ny haizina. Izy no ohatra tonga lafatra amin’ny fampianarana fankatoavana mazava tsara, kanefa Izy koa no balsaman’i Gileada ho an’ireo izay mijaly noho ny vokatra nateraky ny hadisoan’izy ireo. Izy no ohatra tonga lafatra amin’izay anaovantsika ezaka mba hahatongavana amin’ny maha mpampianatra mampianatra ny fahamarinana amim-pitiavana antsika.

Antony iray maha-tena zava-dehibe ny hanehoantsika ny fitiavan’ny Mpamonjy 19 ny fanoherana atrehan’ny mpianatsika. Ny fanadihadiana iray nijerena zavatra mitovy natao vao haingana momba ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany dia mampiseho fa ireo izay manana olana amin’ny fihazonana ny finoany ary hijanona ho mazoto ato amin’ny Fiangonana dia miatrika ny iray na ny maromaro amin’ireto olana voafaritra manokana ireto amin’ny ankapobeny:

  • Mahatsapa ho voatsaratsara izy ireo noho ny fiovana eo amin’ny toe-javatra iainan’izy ireo, toy ny fisarahan’ny ray aman-dreniny na olona ao amin’ny fianakaviany izay mandao ny Fiangonana.

  • Mahatsapa ho meloka sy kivy izy ireo noho ny hadisoana nataony.

  • Na mino izy ireo fa mbola tsy niaina zavatra ara-panahy. 20

Eo am-piezahantsika mitia kokoa tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy dia afaka hanampy ny mpianatsika hamakivaky ireo toe-javatra iainana tsirairay ireo isika.

Ahoana no hanampianao tanora iray mahatsapa ho voatsaratsara? 21 Izany dia mety hanomboka amin’ny fahatakarana fa ireo fiovana goavana eo amin’ny fifandraisana sy ny toe-javatra iainana dia afaka miteraka fisalasalana ny amin’ny maha-izy azy ireo, ka ny mpianatra dia lasa hametra-panontaniana hoe iza izy ireo ary moa ve izy ireo tena manana toerana tokoa. Mandritra izany fotoana izany indrindra dia afaka manampy azy ireo hahatsiaro ny fifandraisany tsy miova amin’ny Rainy any An-danitra ianareo. Mahafantatra zatovovavy iray izay aho izay nampifototra ny lanjany manokana tamin’ny toe-javatra niainany sy ny eritreritry ny hafa momba azy. Nahatsapa ho very izy rehefa tsy nahafantatra hoe iza izy. Nanomboka nivavaka izy mba hahazo fanampiana. Indray andro izy dia nahazo fahatsapana nazava tsara fa raha toa ka te hahafantatra hoe iza moa izy, dia nila nahafantatra ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy aloha izy. Izany eritreritra izany dia nampitsiry tanjona tao aminy. Nanomboka nandalina ny soratra masina izy, nivavaka sy nanompo, niaraka tamin’ny fifantohana tamin’ny fahafantarana an’ Andriamanitra. Rehefa nandeha ny fotoana dia nanomboka naneho ny Tenany taminy ny Tompo. Nahatsapa ny fitiavany sy ny fampiononany ary ny fahatakarany izay mahazo azy Izy. Rehefa lasa nahafantatra ny Ray any An-danitra izy dia lasa nahafantatra ny tenany ary nahatakatra ny fifandraisany Aminy. Lasa nahafantatra ny maha-zanak’ Andriamanitra azy sy ny lanjany izy. Izany fahatakarana izany dia nitondra fahazavana sy fifaliana ho azy.

Afaka manampy ny mpianatrao izay miatrika olana ianao amin’ny fanampiana azy ireo hahafantatra fa tian’ny Ray any An-danitra izy ireo. Afaka mampiseho ny fitiavanao azy ireo ianao amin’ny alalan’ny fotoanao, ny fahaizanao miombom-pihetseham-po, ary ny fahavononanao hihaino. Mety hangataka ny Ray any An-danitra ianao hanampy anao hahita ny maha-izy azy ireo tsirairay avy ary hahatsikaritra ny olany sy ny lalana misokatra ho azy ary ny filan’izy ireo manokana. Rehefa manana fanontaniana na olana amin’ny fijoroany ho vavolombelona izy ireo dia afaka manampy azy ireo mba hahatsapa fiadanana ary hahafantatra hoe aiza no itodihana ianao.

Ahoana no fomba anampiantsika ireo izay manana olana amin’ny fahatsapana ho meloka sy hakiviana noho ny fahadisoana nataony? Toy ny Mpamonjy dia tsy milavo lefona amin’izy ireo isika. Manaja ny tolona ataon’izy ireo mba hiezaka hanao ny marina ao anatin’ny tontolo sarotra isika. Ampianarintsika izy ireo fa ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy misy kilema. 22 Manampy azy ireo hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fifaliana avy amin’ny fibebahana, manampy azy ireo hahafantatra fa izany dia ivon’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Manampy azy ireo isika hahafantatra fa mbola tia azy ireo foana Izy ary vonona hatrany ny hanampy azy ireo.

Tiako ny lesona ampianarina ao amin’ny Mosesy 4, izay nianarantsika rehetra vao tamin’ny herinandro lasa izay. Taorian’ny nandikan’i Adama sy i Eva lalàna dia nahiratra ny mason’izy ireo, ary tonga saina izy ireo fa niboridana. Ny andrana voalohany nataon’izy ireo mba hanaronana ny fitanjahany dia ny fanjairana ravin’aviavy. Rehefa nahare ny feon’ny Tompo tao amin’ilay saha izy ireo dia nanapa-kevitra ny “[h]anafina ny tenany tsy ho eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitra tao anaty hazo” (Mosesy 4:14).” Mahaliana ny manamarika ny hoe iza no nilaza tamin’izy ireo mba hiafina amin’ Andriamanitra. Tsy tiako ho tsinontsinoavina izany, fa ahoana moa no hampety izany? Azonareo an-tsaina ve ny Raintsika any An-danitra, mamakivaky ireo zavaboariny tsy voatanisa, mizotra ho amin’ity rafi-masoandro misy antsika ity, ity planeta ity, ary ilay saha, kanefa dia tsy afaka mahita an’i Adama sy i Eva ao anatin’ireo hazo? Teo dia nametrahan’ny Tompo fanontaniana izy ireo hoe: “Nankaiza ianao?” (Mosesy 4:15). Na ao amin’ny Testamenta Taloha dia hoe “Aiza moa hianao?” (Genesisy 3:9). Mino ve ianareo fa azo heverina hoe tena tsy fantany? Koa inona ary no nanontaniany? Mety ho zavatra toy izao: Nandika lalàna ianareo, ho aiza amin’izay ary ianareo izao? Hiafina amiko ve ianareo, sa hanatona Ahy ary hamela Ahy hampiakanjo anareo? Ny teny hoe sorompanavotana amin’ny endriny Hebreo niandohana dia kippur, izay midika hoe “manarona.” 23 Ny Raintsika any An-danitra dia manana fomba tsara kokoa ankoatra ny ravin’aviavy sy ny hazo hanonerana ny fahotantsika. Saingy ny fahavalo dia mibitsika lainga mba hahatonga antsika hiafina amin’ Andriamanitra. Miezaka mandresy lahatra antsika izy fa tsy tia antsika Andriamanitra ary tsy hamela heloka antsika Izy satria tokony nitandrina kokoa isika, na satria lehibe loatra ny fahotantsika.

Indray mandeha izay aho nanasa zatovovavy iray handeha any amin’ny tempoly niaraka tamina andian-jatovo. Ny valinteniny dia hoe tsy mendrika ny handeha any amin’ny tempoly izy. Nolazaiko azy fa handehandeha ao ivelany fotsiny izahay ary mba tiako hiaraka aminay izy. Hoy ny navaliny hoe, “Aoka aloha. Tsy tiako hahatsikaritra ahy Andriamanitra amin’izao.” Rehefa manao fahadisoana isika dia matetika tsy te hivavaka, hamaky soratra masina, na handeha any am-piangonana. Mety manantena angamba isika hoe tsy hahatsikaritra antsika Andriamanitra.

Miangavy aho hoe ampio ny ankizy hahafantatra fa rehefa manao fahadisoana izy ireo dia afaka mahazo famelana sy fiadanana rehefa miantsampy eny amin’ny sandry feno fitiavana sy tsy manavakavaky ny Ray any An-danitra be famindram-po izay nanomana fomba hiarovana antsika. Efa nanomana ny lalana hanavotana antsika Izy.

Ahoana no hanampianao mpianatra iray izay mahatsapa fa tsy mbola niaina zavatra ara-panahy izy? Indraindray ny zatovontsika dia maheno tantara izay toa mahagaga ka lasa tsy mahita fa ny Fanahy Masina dia miresaka ihany koa amin’ny alalan’ny fomba tsotra isan-karazany, toy ny rehefa manana fanontaniana entanim-panahy izy ireo na rehefa mieritreritra ny hanisy marika ny soratra masina. Aoka isika hanampy azy ireo hianatra ny fomba fifandraisan’ny Tompo amin’izy ireo manokana ary tsy handroso hevitra fa ny fomba firesahan’ny Tompo amintsika no hany fomba tokana hahafahany miresaka amin’izy ireo. Aoka isika hitandrina tsy hiteny amin’ny mpianatsika hoe oviana izy ireo no mahatsapa ny Fanahy Masina. Tsy hoe satria mety mahatsapa ny Fanahy isika amin’ny maha-mpampianatra antsika dia midika koa izany fa mahatsapa zavatra mitovy amin’izany ihany koa ny mpianatra rehetra amin’izay fotoana izay. Tsara ihany koa ny mahatakatra fa mety ho sarotra amin’ireo izay miaina ao anaty fitaintainana sy fahaketrehana ara-pihetseham-po ny miaina zavatra toy izany. Tsy voafetran’ny aretina ara-tsaina anefa ny Tompo. Fantany sy takany ny mahazo azy ireo ary afaka mahita fomba hampitana ny fitiavany sy ny fitarihany Izy. Vitsy ihany ny zavatra azontsika atao mba hanampiana azy ireo mihoatra ny fianarana mandray fanambarana ho an’ny tena manokana sy mandray andraikitra eo anatrehan’izany.

Vao tsy ela aho no naheno tantara iray momba ny tovolahy iray nandeha tao amin’ny oniversite fanta-daza iray tao atsinanan’i Etazonia. Nisoratra anarana tamina kilasy tena sarotra fianarana lojika izy. Koa satria te hahay izy dia nanapa-kevitra ny hanakarama mpampianatra mpanampy iray. Nahavita nanakarama olona iray izay mpanampin’ny profesora sy efa nampianatra izany kilasy izany mihitsy tao amin’ilay oniversite izy. Tena nanampy be ilay mpampianatra mpanampy saingy mbola nitebiteby momba ny fanadinana farany ihany ilay tovolahy. Nilaza ny profesora fa tena ho sarotra be ilay fitsapana koa dia havelany izy ireo hitondra taratasy iray ary hametraka eo amin’izany izay rehetra heverin’izy ireo fa mety ilain’izy ireo. Nanomboka nanoratra faran’izay bitika azony natao ny mpianatra, nampiasa solomaso fanita-jery hanoratana sy hamakiana izay mety ilaina ho an’ilay fanadinana famaranana. Tonga ihany ny fotoan’ny fanadinana famaranana ka niditra tao amin’ny efitrano fianarana ilay tovolahy. Teo akaikiny ilay mpampianany. Nanontanian’ilay profesora ny zavatra nataon’izy ireo, dia namoaka taratasy tsy misy na inona na inona ilay tovolahy ka nametraka izany teo amin’ny tany. Dia nijoro teo amin’ilay taratasy ilay mpampianatra mpanampy. Nanazava ilay tanora hoe, “Hoy ianao hoe afaka mametraka izay rehetra tiako eo amin’ilay taratasy aho. Ny mpampianatra mpanampy ahy no tiako ho eo.” Navela hanala ilay fanadinana miaraka amin’ny mpampianany eo akaikiny mibitsika valim-panontaniana amin’ny sofiny ilay tovolahy.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy izay nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina antsika dia nahoana isika no hiatrika izay mety ho fitsapana eo amin’ny fiainana kanefa tsy hampiasa izay fanampiana misy ho antsika? Misaotra anareo miezaka ny ho mendrika ny Fanahy Masina amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanareo ary mikatsaka ny fitaomany amin’ny zavatra rehetra ataonareo.

Ny vavako dia ny hahafantaran’ny zavoto sy tanorantsika ny Raintsika any An-danitra, ary rehefa mahafantatra izy ireo hoe iza Izy dia hahatakatra izy ireo hoe iza marina izy ireo. Noho ny heriny mba hamela heloka dia afaka ny hadio izy ireo. Noho ny heriny mba hanasitrana dia afaka ny ho sitrana izy ireo. Ary noho ny heriny mba hanadio dia afaka ny ho lasa tahaka Azy izy ireo. Amin’ny maha-solontenan’i Jesoa Kristy antsika, izay mampianatra ny fotopampianarany sy mizara ny fitiavany—dia afaka ny hanampy azy ireo hahafantatra ny maha-izy azy ireo mandrakizay ianareo. Tsy midika akory izany fa ho tonga lafatra foana ianareo. Tsy voatery ho tonga lafatra ianareo. Rehefa miezaka mampianatra ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ianareo—izay mifototra amin’i Jesoa Kristy, mifantoka amin’ny mpianatrareo, ary miorina amin’ny tenin’ Andriamanitra—ny Fanahy Masina dia hamelombelona izany, hanome lanja izany ary hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’izany. Mijoro ho vavolombelona aho fa ianareo sy ny fianakavianareo ary ny mpianatrareo dia zanaky ny andro nampanantenaina, fanantenan’i Isiraely, ary sakaizan’ Andriamanitra. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Henry B. Eyring, “A Steady, Upward Course” (Fampaherezam-panahy an’ny Oniversite Brigham Young–Idaho 18 sept. 2001), 8, byui.edu.

  2. Jereo ny Apokalypsy 12:11.

  3. Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), fanampin’ny New Era sy ny Ensign,12, ChurchofJesusChrist.org.

  4. Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Ensign, Oct. 2016, 24.

  5. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely,” ChurchofJesusChrist.org.

  6. J. Reuben Clark Jr., The Charted Course of the Church in Education , rev. ed. (1994; lahateny natao tamin’ireo mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 8 aog. 1938), ChurchofJesusChrist.org.

  7. 2 Timoty 3:7.

  8. 2 Nefia 15:20.

  9. 2 Nefia 7:11.

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:6.

  11. 3 Nefia 20:25–26.

  12. Jereo ny Almà 11:37, 40.

  13. Izany hevitra izany dia ampianarina ao amin’ny Mosesy 1 rehefa nanambara ny Tenany tamin’i Mosesy ny Tompo, “Izaho no Tompo Andriamanitra Tsitoha” (andininy 3); zanakalahiko ianao” (andininy 4); “Manana asa ho anao Aho” (andininy 6).

  14. Hoy ny Filoha Boyd K. Packer hoe, “Tsy misy ohatra tsaratsara kokoa mety hitantsika rehefa manomboka mandinika ny tenantsika isika sy maniry hampivoatra ny tenantsika amin’ny maha-mpampianatra antsika … mihoatra noho ny mandinika ny tanjontsika sy ny fomba fiasantsika ary mampitaha izany amin’ny an’i Jesoa Kristy?” (Teach Ye Diligently [1991], 22–22). Taty aoriana izy dia nanampy hoe: “Mino aho fa raha ny halehiben’ny asa vitanareo, araka ny fanamby sy ny andraikitra atrehinareo dia tena misoritra eny amin’ny tarehinareo ny endrik’i Kristy. Ary mba hahatrarana ireo tanjona azo tanterahina rehetra, ao amin’izany kilasy izany amin’izany fotoana izany sy ao anatin’ilay fihetsika aseho miaraka amin’ilay fanentanam-panahy dia ianareo no Izy ary Izy dia ianareo” (“The Ideal Teacher” [lahateny natao ho an’ireo mpiasan’ny seminera sy institiota, 28 jona 1962]).

  15. 2 Nefia 25:26.

  16. Almà 31:5.

  17. J. Reuben Clark Jr., La voie Tracée par l’Eglise pour l’éducation , ChurchofJesusChrist.org.

  18. Jereo ny Jaona 15:1–5.

  19. Jereo ny 3 Nefia 18:24; Môrônia 7:48; Jaona 13:35.

  20. Ilay fikarohana dia mampiseho ihany koa fa ireo zatovo izay mitombo aim-panahy dia mahavita izany rehefa mahatsiaro ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra, manana tanjona ara-panahy tiany hotratrarina, na mahita fa misy zavatra ilainy ary mino fa ny Fiangonana sy finoana an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy azy ireo hahazo ireo zavatra ilainy ireo.

  21. Mba hahatakarana tsara kokoa ny fomba hamoronana tontolo hahatsapana firaisam-po dia mamporisika aho ny hamakina lahateny iray nataon’i Phillip D. Rash mitondra ny lohateny hoe “Looking to the Margins: Creating Belonging” ao amin’ny speeches.byu.edu.

  22. Jereo ny Bradley R. Wilcox, “Ny fahamendrehana dia tsy midika hoe tsy fisiana kilema,” Liahona, nôv. 2021, 61–67.

  23. “Ny hevitry ny fototeny Hebreo hoe ‘K-P-R’ {כ-פ-ר}—izay niandohan’ilay hoe ‘Yom Kippur’—raha ny marina dia midika hoe -manarona na manonitra- ary hita ao amin’ny teny Hebreo niandohan’ny teny midika hoe -Seza Fiandrianan’ny Famindram-po- ao amin’ny -Fiaran’ny Fanekena- izay antsoina hoe ‘Kaporet’ {כפורת} (-manarona-) ao amin’ny Baiboly amin’ny teny Hebreo. Ilay fotokevitry ny -fanaronana- ao amin’ny Baiboly Hebreo dia azo takarina ara-tsarinteny ihany koa, amin’ny hoe -fanaronana fahotana-, izay midika hoe -manome fanavotana- Dia araka ny anarana amin’ny teny Anglisy mihitsy izay ilazana ny andro masina indrindra ao amin’ny tetiandro Jiosy, dia ny -Andron’ny Sorompanavotana izany- (‘Yom Kippur’)” (“What Is the Deeper Hebrew Meaning of ‘Yom Kippur’?,” hebrewversity.com).

Hamoaka printy