Fampitana fanao isan-taona
Valandresaka ifanakalozan-kevitra


Valandresaka ifanakalozan-kevitra

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2022 iarahana amin’ny Filoha Ballard

Zoma 21 janoary 2022

Rahavavy Becky Scott:Tonga soa eto amin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny seminera sy institiota. Araka ny hitantsika dia manaja ny elanelana isika androany ka ’ndeha hoesorintsika ny aro vavantsika. Mahafinaritra ny mahita ny rehetra anio ary ankasitrahanay ny fandraisan’anjaran’ny rehetra. Amin’ny alalan’ny teknôlôjia no ivoriantsika anio miaraka amin’ny mpandray anjara avy amin’ny faritra rehetra maneran-tany misy ny S&I. Tonga soa daholo ianareo, ary misaotra anareo miara-mandray anjara aminay anio. Adam, afaka manome antsipiriany kokoa momba ny resatsika anio ve ianao?

Rahalahy Adam Smith: Am-pifaliana tokoa. Voalohany dia feno fankasitrahana tokoa izahay miaraka aminareo tsirairay avy eto anio. Tianay sy ankasitrahanay ny mpampianatra seminera sy institiota, ny mpandrindra, mpandraharaha mpanampy, misiônera, ary ireo mpitantan-draharaha tsirairay maneran-tany. Betsaka ny zava-tsoa ataonareo ary mitahy olona maro ianareo. Misaotra. Fantatray fa miredareda ao am-pon’ny tsirairay avy aminareo ny fitiavana ny tanjon’ny seminera sy ny institiota—fa te hanampy ireo zatovo sy tanora rehetra ianareo mba hahatakatra sy hiantehitra amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra sy i Jesoa Kristy, mba hahafantatra sy hitia Azy Ireo ary hanaraka Azy Ireo kokoa. Tianareo ilay tanjona satria tianareo ny mpianatrareo, ary indrindra satria tianareo ny Mpamonjinareo. An-taonany maro tokoa ny S&I no nahomby tamin’ny fanampiana ny mpianatra tsirairay hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy. Fa miaiky isika eo amin’ny tontolontsika ankehitriny fa misy hamehana hanangona zatovo sy tanora bebe kokoa hanatona an’i Jesoa Kristy, aryamin’ny fanorenana traikefam-pianarana mitondra fiovam-po, sy zavatra manan-danja, ary fifandraisana am-po no anaovana izany. Fantatsika fa hitranga tokoa ireo traikefam-pianarana ireo rehefa tomorintsika ireo filàn’ny mpianatsika rehefa afantotsika amin’i Jesoa Kristy, sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ny iraka fanavotana nataony ny traikefam-pianarana tsirairay, ary rehefa afantotsika amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona ny fampianarantsika rehefa mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy isika. Fantatsika fa rehefa manao ireo zavatra ireo isika dia hanasa ny Fanahy Masina hanao ny anjara asa izay Izy ihany no afaka manatanteraka azy, dia ny manampy ireo tanora ireo ho lasa miova fo ao amin’ny Tompo, hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanany, hanavaka ny marina amin’ny diso, ary ho voangona tsy misy nanombinana eo amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy azy ireo ka hiverina any amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra.

Ny tanjon’ireo loharanom-pitaovana izay hampahafantarinay anio dia ny hamaritana ny dikan’izany hoe manampy ny mpianatra hiaina fiovam-po, sy zavatra manan-danja, ary fifandraisana am-po izany, hamariparitra amin’ny fomba mifototra amina fitsipika ireo fahaiza-manao sy fampiharana azon’ny mpampianatra iray ampidirina mba hanampiana ireo mpianatra. Izahay koa dia namorona loharanom-pitaovana fiofanana ahitana modely sy fanasana mba hampihatra sy hampiasa. Ary tianay hatsaraina koa ny fandrefesana ny fiantraikan’ny zavatra ataonay eo amin’ny fiainan’ny mpianatra mba hahafahanay mahita ireo asa tsara vitanay ka hahafahanay manohy mampivoatra izany sy mamantatra ihany koa ireo fahafahana manome tsaratsara kokoa ny zavatra ilain’ny mpianatra. Manantena izahay fa amin’ny faran’ity fotoana iarahantsika anio ity dia ho takatrareo ireo loharanom-pitaovana ireo ary hientanentana sy hanana fanantenana mamirapiratra ianareo mba handroso hatrany amin’ny fampiasana azy ireo sy ny fampiharana azy ireo indray omban’ny tanjona tokana diaf ny hanampy ny mpianatra tsirairay hahafantatra an’i Jesoa Kristy. Izany no antony iarahantsika eto anio. Misaotra Rahavavy Scott.

Rahavavy Scott: Misaotra. Ankasitrahanay ny fanatrehanareo rehetra eto anio. ‘Ndeha ary isika hanomboka amin’ny fanontaniana voalohany. Manana fanontaniana ho antsika Rahavavy Jessica Brandon avy any amin’ny faritra Andrefan’i Amerika Avaratra anio. Mihaino anao Rahavavy Brandon.

Rahavavy Jessica Brandon: Misaotra. Raha nijery ireto tahirin-kevitra fampiofanana ireto aho dia ity no fanontaniako: Misy lamina manokana ve ny amin’ny fomba tokony hifantohantsika amin’ireo fahaiza-manao sy ireo lafin-javatra ifantohana ireo? Misy filaharany ve ireo?

Rahavavy Lori Newbold: Misaotra betsaka ry Jessica amin’izay fanontaniana izay. Mino aho fa tsia ny valin-teny fohy ho an’izany. Saingy raha jerena amin’ilay fisainana hoe iza no tokony halefa aloha, dia hoy aho hoe ny zavatra voalohany, ary izay foana no voalohany, dia ny manomboka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy, mahafantatra fa afaka manampy anao Izy hanaraka na hampihatra izay mety ho fitsipika safidianao amin’ny farany. Ary amin’ny alalan’ireo fitaovana fanombatombanana nomena antsika, izay fitaovana tena tsara hanampy anao hamantatra ny zavatra iainan’ny mpianatrao no hanaovanao ny safidinao.

Rahavavy Brandon: Izay mihitsy. Misaotra.

Rahalahy Chad Wilkinson: Misy zavatra iray azoko anampiana angamba. Misaotra betsaka Rahavavy Brandon. Aza asarotina be ilay izy. Aza dinihana be ilay izy. Fitaovana natao hanampy ireo. Fahaiza-manao natao hanampy anareo ireo. Nisy eritreritra tonga tao an-tsaiko mahakasika ny fanontanianao. Misy andininy tsy zoviana amintsika ao amin’ny Almà 48. Milaza toy izao ny andininy 17. I Môrmôna no manao fanamarihana eto. Hoy izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, raha ny olon-drehetra no efa nitovy sy nitovy ary ho nitovy mandrakizay tamin’i Môrônia dia indro, ny fahefan’ny helo mihitsy no efa ho nohozongozonina mandrakizay; eny, ny devoly dia tsy ho nanam-pahefana na oviana na oviana tamin’ny fon’ny zanak’olombelona.”

Inona no zavatra momba azy izay nahatonga an’i Môrmôna hanao io fanamarihana io? Heveriko fa isan’ireo fitsipika maro azontsika resahina ny hoe naka fotoana nisinisy ihany izy hanamafisana orina ireo tanàna malemy. Koa nifantoka tamin’ireo toerana malemy izy ary nampatanjaka izany. Noho izany, amin’ny alalan’ny tomban’ezakao manokana, amin’ny alalan’ny fanamarihana ataon’ireo mpiandraikitra na ireo izay nasainao nanampy, ireo mpiara-miasa, ary koa ny fitsapan-kevitra nataon’ireo mpianatrao, no ahafahanao manomboka mamantatra ireo mety ho toerana malemy, dia miainga avy amin’izany.

Rahavavy Brandon: Misy hevitra iray monja tiako anampiana ny nolazain’ny Rahavavy Newbold. Amiko dia mety hampatahotra ilay fiovana, ary mampatahotra amiko ny manome fanombanana ezaka amina vondrona zatovo sy tanora ary manontany tena hoe inona no ho azo avy eo. Ho ahy dia anisan’ireo zavatra tena nanampy ahy an-taonany maro ny miaiky fa ny zatovo sy tanora tsirairay dia iray amin’ireo zanaka sarobidin’ny Ray any An-danitra. Ary raha mifantoka amin’izany isika fa tsy mifantoka amin’ny tahotra sy ilay lafy maha-olon’ny nofo ny amin’ny hoe “Ahoana no ahitan’ny olona ahy?” fa mifantoka kosa amin’ilay fahamarinana hoe ny Ray any An-danitra dia tia ny tsirairay avy amin’izy ireo tokoa, sy ny hoe anisan’ny antsontsika na ny asantsika ny manampy azy ireo hahafantatra ny Mpamonjy ho an’ny tenan’izy ireo, dia hitako hoe manampy kely izany. Ary te hiteny aho hoe tiako mihitsy ilay fifantohana amin’ny fanorenana ny fifandraisan’ny tsirairay avy amintsika amin’ireo mpianatsika mba hahafahantsika manampy azy ireo hanatratra izany tanjona izany.

Rahalahy Smith: Misaotra Jessica. Araka ny hevitro ireo loharanom-pitaovana rehetra ireo dia nezahinay mafy mba hifantoka amin-javatra tokana, sy ho tsotra, ary hitambatra ho iray ary manamafy ireo zavatra nianarantsika an-taonany maro. Ny fitadiavana ireo fotopampianarana sy fitsipika hita ao amin’ny soratra masina dia iray amin’ireo Zavatra manan-danja ao amin’ny Fampianarana sy Fianarana ny filazantsara. Ho hitanareo ireo singa mandrafitra ny “Fianarana Lalina”. Ho hitanareo ny hery mitaona avy amin’ireo izay mitarika antsika ny amin’ny fifantohana amin’ny Mpamonjy, ny fihainoana, ny fandinihana, sy ny fanavahana, ary ny fampirehetana afo ao am-pon’ireo mpianatsika. Nezahinay mihitsy ny hahatsotra sy hampifantoka izany amin-javatra tokana. Koa na dia nozarazaraina ho tahirin-kevitra samy hafa aza ireo loharanom-pitaovana ireo dia antenainay fa ho zavatra iray ihany no ahitanareo izany. Izany zavatra iray izany dia hoe ny asantsika dia ny manampy ny mpianatra iray hahafantatra tsara kokoa ny Mpamonjy. Tsy vitantsika izany raha tsy misy ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Ny fomba voalohany indrindra hanasana ny Fanahy Masina dia ny mitia ireo mpianatsika, mifantoka amin’i Jesoa Kristy, ary miantehitra amin’ny fahombiazan’ny tenin’ Andriamanitra. Fantatsika fa ny Ray any An-danitra dia dodona sy maniry fatratra ny hanampy antsika rehefa miezaka ny hanampy Azy sy hanampy azy ireo isika. Ary fantatsika fa rehefa mikatsaka ny Ray any An-danitra amim-bavaka amin’ny alalan’ny fandinihan-tena, sy rehefa manontany ny mpianatsika ny zavatra ilain’izy ireo amin’ny alalan’izany tomban’ezaka izany, ary manontany mpiandraikitra na mpiara-miasa iray mba ho avy sy hanome antsika fampahalalana misimisy kokoa, dia izany rehetra izany no mitondra amin’ny fanasana fanambarana, mba hahafahantsika manampy tanora iray hahafantatra an’i Jesoa Kristy.

Rahavavy Scott: Rahavavy Sara Bradley, izay miaraka amintsika eto anio avy ao amin’ny Vondromparitra Utah Salt Lake, azonao zaraina aminay ve ny traikefanao?

Rahavavy Sara Bradley: Eny, am-pifaliana tokoa. Taorian’ny nampiasako avy hatrany ireo loharanom-pitaovana ireo dia tena talanjona tamin’ny fahatsorany sy ny firindrany aho. Ho ahy dia tena tsotra ilay dingana. Natomboko tamin’ireo fitaovana fanombatombanana avy hatrany. Nampiasa ilay fanombatombanana atao amin’ny tena sy ny an’ny mpianatra aho, dia nanampy ahy ny mpiandraikitra ahy. Ka notombatombananay hoe aiza ho aiza no misy ahy. Avy eo dia nofaritako niaraka tamin’ny mpiandraikitra ahy ny zavatra mila ifantohako mifototra amin’ny tombatombana nataoko sy ny an’ny mpianatro momba ny toerana nisy ahy. Dia niroso aho avy eo. Nankao amin’ilay Boky torolalana vaovao ho an’ny Fampianarana sy fianarana ny filazantsara aho. Nankao amin’ilay loharanom-pitaovana “Ireo fahaiza-manao fampivoarana ny mpampianatra” aho. Ary nitondra ahy ho amin’ny zavatra tiako nifantohana izany. Novakiko sy nohalaliniko ireo zavatra ireo ka rehefa niverina tany amin’ny kilasiko aho dia niezaka mafy ny hampihatra tamin’ny fomba maro ilay fomba fampianarana, sa tsy izany? Enga anie aho ka nampitombo ny fahafahan’ny mpianatro hiaina fiovam-po sy zavatra manan-danja ary fifandraisana am-po. Ary zava-dehibe dia niverina aho ary nampiasa indray ilay fanombatombanana mba hijerena ny fivoarako hahitana raha nisy fiovana. Ka dia manomboka mampiasa izany fitaovana fanombatombanana izany indray ianao hahafantarana izay hizorana manaraka. Avy eo dia miverina indray amin’ireo loharanom-pitaovana mba hanampy anao hivoatra sy handroso hatrany.

Rahalahy Gary Lowell: Inona no sosokevitrareo ho ana-olona iray izay misalasala hampiasa ireo fitaovana ireo, indindra rehefa mety ho sarotra ho antsika ny miatrika ny famantarana sy ny fandraisana an-tanana ireo fahalemena? Fanampin’izany, dia moa ve hisy manam-pahaizana na tompon’andraikitra misahana ny fanaovana matetika ireny fitsapan-kevitra ireny?

Rahavavy Newbold: Afaka manampy amin’izany ve aho? Tiako ny hilaza izao am-pitandremana, saingy avy tamin’ny traikefako aho dia nianatra fa indraindray isika dia matahotra be rehefa misy olona ao amin’ny kilasintsika, raha toa ka manao hadisoana isika. Koa indraindray dia ilay olon’ny nofo ao amintsika no mahatonga antsika hatahotra sao dia hotsikerain’ny olona. Satria aho manome ny tsara indrindra avy amiko an’ireo zatovolahy sy zatovovavy izay tiako amin’ny foko manontolo ireo. Noho izany dia sarotra ny miditra ao amin’ny efitrano dia miteny hoe: “Lori a, mila manatsara ny fonao ianao.”

Ary heveriko fa tsy izany no matetika tianay lazaina amin’ny hoe fandrefesana. Ny tena tianay holazaina dia ny hoe andao hotohizantsika ny famoronana kolontsaina amin’ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy Mpamponjy mba hahafahantsika miova, mba hahafahantsika mitombo. Ary izany ny zavatra holazaiko amin’ny olona iray. Fitaovana miompana amin’ny fitomboana ireo. Mitranga amin’ny alalan’ny fibebahana ny fitomboana. Miompana amin’ny fiovana ny fibebahana. Ary noho ny Mpamonjy ihany no mahatanteraka izany. Koa asa raha azonareo an-tsaina ilay andro izay hilazan’ny mpampianatra rehetra amin’ny olona hoe: “Afaka tonga hijery ahy ve ianao? Mendrika ny tsara indrindra azoko omena ireo mpianatra ireo, ary fantatro hoe tsy manampy ny sasany amin’izy ireo aho. Afaka tonga manampy ahy ve ianareo?”

Rahalahy Bert Whimpey: Afaka milaza izao koa ve aho? Satria amin’ity sehatra ity, noho ireo mpampianatsika mahatalanjona eny anivon’ny tsatòka, ireo izay mampianatra ny ankabeazan’ireo tanora mahafinaritra ireo, dia loharanom-pitaovana ireo fitaovana fanaovana tomban’ezaka ireo. Ary andrasana amin’ireo mpampianatsika miasa amin’ny fotoana feno ny mampiasa izany. Ary hianarantsika ny fomba fampiasana izany am-pahombiazana kokoa. Hiezaka ny hametraka izany kolontsaina izany isika. Ho an’ireo mpampianatra voantso eny anivon’ny tsatòka kosa dia loharanom-pitaovana azonareo ampiasaina araka izay ilainareo sy irianareo izany. Izay mety heverinareo fa hanampy anareo.

Rahalahy Wilkinson: Tsara be ilay fanontanianao ry Gary ary ankasitrahanay ny zava-drehetra ataonao amin’ny tomban’ezakao. Misaotra. Nametraka fanontaniana tian’ny rehetra apetraka ianao. Ampahany amin’ny fandrefesana, maro be ireo fanontaniana nentanim-panahy ao amin’ny soratra masina, fa misy anankitelo izay nitahy ahy tokoa ao. Dia ho hitanao izany singa fandrefesana izany. Nanontany ilay tovolahy mpanankarena hoe: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” 1 Io fanontaniana io, io fandrefesana io dia nitondra fanambarana avy amin’ny Mpamonjy. Nanana safidy izy avy eo ny hanaraka na tsia ilay izy. Tahaka izany koa i Paoly, na i Saoly, teo amin’ny lalana nankany Damaskosy raha nanontany ny Tompo ny zavatra tiany ho ataony. 2 Mbola fandrefesana ihany koa izany. Ny fahatelo dia i Joseph Smith nikatsaka famelana ny fahotany talohan’ny fitsidihan’i Môrônia voalohany. Fa ilay fanontaniana dia toy izao koa hoe: “Inona no toerako eo anoloan’ny Tompo?” 3 Amiko dia ireo karazana fanontaniana mifono fandinihan-tena ireo no hanaovantsika fandrefesana. Tsy hoe resaka olona manombatombana ny ezaka ataoko izany fa “mahatonga ahy hanatona ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy, ary mamela Azy Ireo hilaza amiko hoe aiza ho aiza no misy ahy.” Rehefa vonona ny hanao izany isika dia ho tonga ny fanambarana, ary ho lasa tsara lavitra mihoatra noho izay vitantsika samirery isika.

Rahalahy Jack Menez: Tiako tsotra izao, araka ny reko avy tamin’ireo fanamarihana maromaro, ilay resaka fambolena kolontsaina fivoarana, sy ny fianteherana amin’ny Mpamonjy, eny fa na dia ny fandrenesana ny sasany amin’ireo fanahiana zary mavesatra amintsika mpampianatra aza. Ao anatin’ny andraikitro amin’izao ankehitriny izao ny manampy ny mpampianatra hafa hivoatra. Noho izany dia iray amin’ireo zavatra lasa mahavelom-pankasitrahana ahy ny herin’ny Mpamonjy izay manampy antsika hanampy mpampianatra hafa sy ireo manodidina antsika, ireo mpiara-miasa amintsika. Ary amin’ny farany dia manampy ireo mpianatsika izany. Rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy ireo mpampianatsika dia afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahasoavany izy ireo.

Efa voalaza teo ny amin’ilay tovolahy mpanankarena. Tiako ny ohatra nomen’ny Mpamonjy raha niteny Izy hoe: “Ireto no zavatra tokony hataonao, ary efa manao ireo zavatra ireo ianao. Tsara izany,” ary avy eo dia nomeny zavatra iray fanampiny mba hivoarany. Indraindray noho izany, araka ny hevitro, dia isan’ireo zavatra azontsika mpitantana atao ny miteny hoe: “Tsara ny zava-bitanao. Manao izay mahafinaritra ny Tompo ianao. Mino aho fa hahafaly ny Tompo ireo zava-tsoa rehetra ataonao, ary afaka ny hiombom-pinoana ao amin’i Jesoa Kristy ve isika mba hanao zavatra iray fanampiny?” Ary izany, rehefa mamboly izany kolontsaina vaovaon’ny fivoarana izany isika, dia afaka manampy hiala amin’ireo fahatsapana ho tsy mahavita azy na fahatsapana ho toy ireny hoe tsy ampy ireny ny ezaka ataontsika, na ny fahatsapana hoe tsy ho tafavoaka izany mihitsy isika. Fa afaka mampitambatra kosa ny fahasoavan’i Jesoa Kristy amin’ireo ezaka ireo isika mba hamokatra zavatra mahomby lavitra kokoa. Hanenika ny efitrano fianarana izany ka afaka ny hijoro ho vavolombelona kokoa amin’ireo mpianatsika isika ny amin’ny herin’i Jesoa Kristy izay mampatanjaka antsika amin’ny fanaovana zavatra izay tena sarotra ka tsy ho vitantsika samirery.

Rahavavy Scott: Rahavavy Sorenson, azonao zaraina aminay ve ilay fanontanianao?

Rahavavy Jamie Sorenson: Eny. Ireto avy ireo tanjontsika: ireo vokatra 3 andrasana amin’ny mpianatra dia ny fiainana zavatra manan-danja, fifandraisana am-po, fiovam-po; ireo fomba 5 hanampiana ny mpampianatra hanatratra ireo vokatra ireo; ary fomba fampiharana miisa 25 izay afaka manampy ahy hanatontosa ny andraikitro amin’ny maha-mpampianatra ahy. Miampy ny tokony hifantohako amin’i Kristy, sy ny soratra masina ary ny mpianatra. Ary mampiasa fitaovana fanombatombanana telo aho hanampy ahy hametraka tanjona matihanina ho an’ny fitomboana. Toa somary mavesatra ilay izy. Be loatra. Ka inona ary izany no tokony hifantohana?

Rahalahy Whimpey: Ny tanjona dia ny hanampy ny zatovo sy ny tanora hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany, ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay. Izany no ezahintsika atao. Ary ao anatin’izany tanjona izany dia ny manampy no anjarantsika. Ahoana ary no ahafahako manampy? Hitako indrindra eo anivon’ireo mpampianatsika eny anivon’ny tsatòka hoe mahita ireo loharanom-pitaovana izy ireo dia miteny hoe: “Toa be loatra izy izany.” Ny mpampianatra iray dia afaka miteny hoe: “Izay ilay tanjona. Ahoana no hanatratrarako izany?” Mahafaly ahy ny nanontanianao izany. Ny fomba tsara indrindra hanaovana izany dia ny manampy ny mpianatrareo hiaina fiovam-po, sy zavatra manan-danja ary fifandraisana am-po. “Eny ary, misaotra ny amin’izay, saingy ahoana no ahafahako mampisy ireo traikefa ireo?” Mahafaly ahy ny nanontanianao izany. Ny fomba hanaovana izany dia tiako ianareo hitia ireo ampianarinareo, hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy, hifantoka amin’i Jesoa Kristy, sy hampianatra fotopampianarana, ary hanasa ny fahazotoana mianatra. “Eny ary, ahoana anefa no anaovako izany?” Mahafaly ahy ny nanontanianao izany. Satria amin’izao isika dia manana ireo fomba fampianarana, sy fahaiza-manao izay hanampy anao. Saingy miverina any amin’ilay tanjontsika izany rehetra izany.

Rehefa mipetraka ny mpampianatsika, manokatra ny soratra masiny ary mieritreritra momba ireo mpianany, enga anie mba tsy ho ireo zavatra mavesatra ireo no eritreretiny, fa hieritreritra kosa izy ireo hoe: “Ahoana no ahafahako manampy ireto mpianatra tiako ireto? Ahoana no hanampiako azy ireo hahatakatra sy hiantehitra amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana ho amin’ny fiainana mandrakizay?” Rehefa tena eritreretina ilay izy dia ilay lalan’ny fanekempihavanana nasain’ny Filoha Nelson hirotsahantsika amin’ity fanangonana an’i Isiraely ity no resahintsika. Koa raha toa mavesatra ilay izy, raha mieritreritra ianareo hoe: “Tsy haiko raha ho vitako izany rehetra izany,” dia mifantoha fotsiny amin’ny tanjona.

Rahalahy Jason Willard: Jamie, angamba afaka ampiako soratra masina tena tiako avy amin’ny mpampianatra iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Avy amin’ny Rahalahy Nefia ilay izy. Toy izao no nilazany izany ao amin’ny 1 Nefia 6:4: “Fa ny tena fikasako dia ny hahazoako mandresy lahatra ny [mpianatro] hanatona ny Andriamanitr’i Abrahama sy ny Andriamanitr’i Isaka ary ny Andriamanitr’i Jakoba mba hovonjena.” Ny zavatra rehetra nataon’i Nefia dia ny nanampy ireo rahalahiny sy anabaviny mba ho voavonjy, hitoky amin’i Jesoa Kristy amin’ny fomba izay hanampy azy ireo handray ny fiainana mandrakizay amin’ny farany.

Misaotra anao ry Jamie nametraka ny fanontaniana tokony hapetraka. Satria raha ny marina dia adinonao ireo fitsipika fototra 7, sy ireo fampiofanana 16 any amin’ny farany ary ireo fifehezana fotopampianarana tokony holalovan’izy ireo. Rehefa mametraka io fanontaniana io izahay amin’ny manaraka dia hampidirinao ao ny zava-drehetra izay nanontaniana anao. Betsaka ny zavatra angatahina mba hataonareo saingy tsoriko fa manondro zavatra iray izany. Tiako ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy rehefa niresaka tamin’i Maria sy i Marta Izy, ary mitovitovy amin’i Maria ianao ry Jamie, rehefa niteny i Jesoa hoe: “Zavatra iray loha no ilaina; fa Maria no efa nifidy ny anjara tsara.” 4 Feno fankasitrahana izahay ry Jamie fa nifidy ny anjara tsara ianao sy ianareo mpampianatra tsirairay avy manerana izao tontolo izao. Nifidy ny anjara tsara ianareo mba hitoetra eo an-togotry ny Mpamonjy sy hanao Azy ho ivon’ny zavatra rehetra ataonareo. Hotahiana anie ianareo amin’izany ezaka izany.

Rahalahy Smith: Jamie, raha mety dia te hametraka fanontaniana fanamafisana aminao aho. Ny Rahalahy Whimpey sy ny Rahalahy Willard teo dia nampianatra antsika tsara ny amin’ny fifantohana amin’ny tena ilaina indrindra, dia ny tanjon’ny seminera sy institiota. Amin’ny maha-mpampianatra anao anefa ry Jamie dia ahoana no hahafantaranao fa tratra ilay tanjona eo amin’ny fiainan’ireo mpianatrao?

Rahavavy Sorenson: Eny ary. Tsy haiko raha ity no valin-teny hitondra voka-tsoa, saingy tonga tamiko izany nandritra ny fanazavan’ny olona. Amin’ny alalan’ny fiainana zavatra manan-danja sy ny fifandraisana am-po ary ny fiovam-po izay hitako eo amin’ny fiainan’izy ireo, sa tsy izay? Ireo no zavatra telo mampitodika antsika amin’ilay tanjona. Hitako eo amin’ny fifampiresahan’izy ireo izany. Hitako any ivelan’ny seminera izany. Hitako mandritra ny seminera izany rehefa mandray an-tsoratra sy mirakitra ny zavatra iainany izy ireo. Ireo zavatra telo ireo izany. Tena mampitodika antsika amin’ilay tanjona ireo.

Rahalahy Smith: Misaotra betsaka anao. Mino ve ianao ry Jamie fa hitondra voka-tsoa ho anao ny hanontany mivantana ireo mpianatrao raha toa ka mahatonga azy ireo hiaina fiovam-po, sy zavatra manan-danja ary fifandraisana am-po ny traikefan’izy ireo amin’ny seminera na institiota?

Rahavavy Sorenson: Azoko antoka. Ary ireo fitsapan-kevitra omentsika azy ireo, na dia atao amin’ny fomba tsy ôfisialy aza, hoe “ahoana no fandehan’ilay izy? Ahoana no hanaovana izany?” Heveriko fa ho mari-drefy tsara hahitana ny fahombiazan’ilay tanjona izany.

Rahalahy Smith: Misaotra anao. Tiako ianao izao haka sary an-tsaina hoe napetrakao tamin’ireo mpianatrao io fanontaniana io ary nahita zavatra tsapan’izy ireo fa hahatonga ny seminera ho tsara kokoa izy ireo. ‘Ndeha hatao hoe eo amin’ny sehatry ny fifandraisana am-po, dia miteny izy ireo hoe “Mahafinaritra Rahavavy Sorenson: tianay ny kilasiny, tena mahatalanjona izy.” Saingy mahita antsipirian-javatra kely ianao tamin’ny valin-tenin’izy ireo izay hahitanao fahafahana hampisy kokoa fifandraisana am-po. Inona no mety hanampy anao amin’ny maha-mpampianatra anao mba ho afaka ny hampisy kokoa fifandraisana am-po ao an-dakilasinao?

Rahavavy Sorenson: Amin’ny maha-mpampianatra ahy dia hitondra voka-tsoa tokoa ny miresaka momba izany. Manatona ny mpiandraikitra ahy dia miteny hoe “Ireto misy fanehoan-kevitra azoko avy tamin’ny mpianatra. Mba ampio aho hivoatra.” Na koa miresaka amin’ny mpiara-miasa amiko hoe: “Ampio aho hivoatra. Ahoana no fampiasana ity? Ahoana no ahafahako manao izany tsaratsara kokoa?” Heveriko fa hitondra voka-tsoa ireo.

Rahalahy Smith: Mahafinaritra. Ary ny antony tiako hametrahana aminao ireo fanontaniana ireo dia satria izany mihitsy no hevitra ambadiky ny fanombatombanana sy ilay Fampianarana sy fianarana ny filazantsara nasiam-panovana, ary ireo loharanom-pitaovana fampiofanana: mba hahafahan’ny mpampianatra iray miteny hoe “Tiako ho tratran’ireo mpianatro eo amin’ny fiainany ireo tanjona. Tsikaritro fa niteny izy ireo hoe mila izao izy ireo. Ahoana no hanatsarako izany?” Avy eo rehefa mila hevitra amin’ireo mpampianatra hafa sy ny mpiandraikitra anao ianao ary miresaka amin’ireo mpianatrao dia afaka ny hahita zavatra izay azonao ivoarana. Manome famariparitana izany ilay boky torolalana ary manome modelin’izany ny loharanom-pitaovana fampiofanana. Manana fahaiza-manao ianareo izao azonareo hizarana sy hampiharina, ary antenaina fa hampivoatra mba ho tratra eo amin’ny fiainan’ny mpianatra, araka ny nolazain’ny Rahalahy Willard sy Rahalahy Whimpey, ilay tena tanjona, dia ny hanampy azy ireo hanatona ny Mpamonjy.

Rahavavy Wendy Parker: Fa amiko dia miverina any amin’ilay tanjontsika izany rehetra izany. Manomboka amin’i Jesoa Kristy ny tanjontsika. I Jesoa Kristy no lalana hitondra antsika sy ireo mpianatsika ho any amin’ny tempoly ary hitondra antsika ho amin’ny fiainana miaraka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny farany. Nampifantoka ahy tamin’i Kristy ny singa rehetra amin’ity fandaharana vaovao izay novakiko ity. Ny fahaiza-manao rehetra mifototra amin’i Kristy. Tena mahery vaika amiko manokana izany. Rehefa miara-miasa amin’ny mpampianatra hafa sy manampy azy ireo hanana ireo zavatra ireo aho dia hitako hoe tena mitondra fiovana tsara ho an’ny fandaharam-pianarantsika sy ho an’ireo mpianatra ity fitaovana ity. Tena feno fankasitrahana aho. Te hisaotra betsaka anareo fotsiny aho.

Rahalahy Whimpey: Fantatro fa i Shadrack, izay avy ao amin’ny Vondromparitra Afrika Andrefana (I Shadrack) dia nanana traikefa tamina fanampiana mpianatra iray hiaina zavatra toy izany tao an-dakilasy. Araka ny nozarainao tamiko ry Shadrack dia tsy mampaninona anao ve ny hizara izany aminay rehetra?

Rahalahy Shadrack Bentum: Eny, Rahalahy Bert. Misaotra. Nisy mpianatra iray saro-kenatra be tao amin’ny kilasiko, ary matetika no tsy nety namaky teny, na nametraka fanontaniana, na namaly fanontaniana tao am-pianarana. Nitohy izany mandra-pampiharako ny sasany tamin’ireo fitsipika hoe “Fantaro ny anarana, sy ny toe-java-misy, ary ny filàn’ny mpianatra tsirairay,” sy nanantitrantitra ilay fahaiza-manao hoe “Mandinika sy manontany mikasika ny zavatra mahaliana ny mpianatra” ao anatin’ilay fitaovana “Ireo fahaiza-manao fampivoarana ny mpampianatra.” Tsikaritro fa mazàna ilay mpianatra no tonga tao amin’ny institiota mba hianatra hiomanana amin’ireo fanadinana any am-pianarana. Koa naneho fahalianana tamin’ilay taranja nianarany aho ka niresaka taminy aho indraindray momba ireo entimodiny. Fantatro avy eo fa nanana namana akaiky tao am-pianarana koa izy. Noho izany dia matetika izy no nampiarahako vondrona tamin’ilay namany mandritra ny atrikasa atao anaty vondrona, izay ampiasaiko matetika noho ny aminy. Nanomboka namaky tsikelikely, sy namaly fanontaniana, ary nizara zavatra niainana izy tao am-pianarana. Tamin’ny iray tamin’ireo fanamarihana nataony dia nolazainy fa saro-kenatra be izy tao am-pianarana taloha, fa ankehitriny kosa dia mahatoky tena kokoa. Amin’izao izy dia misolotena ny vondrona misy azy mizara momba ny atrikasa nataon’ny vondrona amin’ny iray kilasy ary anisan’ireo tonga aloha foana ao am-pianarana izy. Nihatsara kokoa ny fianarany.

Rahavavy Scott: Mino aho fa mitondra antsika tsara ho amin’ny fanontanian’i Ranadahy Douglas Franco izany. Avy any amin’ny faritra Avaratra andrefan’i Amerika Atsimo izy, ary asaintsika izao Ranadahy Franco hametraka ny fanontaniany.

Rahalahy Douglas Franco: Misaotra. Miarahaba anareo rehetra. Eny, mifandray amin’ny anjara asan’ny mpampianatra sy ny zavatra iainan’ny mpianatra ny fanontaniako. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra sy mahazo antoka kokoa fa ny zavatra ataontsika ao an-dakilasy dia manampy ny mpianatra hiaina fiovam-po, sy zavatra manan-danja, ary fifandraisana am-po? Ohatra, ny kilasy iray ampianarintsika izay mifantoka amin’i Kristy dia mety hanampy amin’ny fiovam-po, anilan’izany anefa ny fampianarana amin’ny alalan’ny Fanahy dia mety hanampy amin’ny fiovam-po koa. Koa ahoana no ahazoantsika antoka momba izany mba hanampy ireo mpampianatsika, rehefa manana ireo fanontaniana ireo izy ireo, na rehefa te hivoatra amin’ny lafiny sasany amin’ireo fitsipika ireo izy ireo?

Rahalahy Willard: Rahalahy Franco, lazao anay hoe aiza ianao no mampianatra. Aiza no misy anao?

Rahalahy Franco: Misaotra. Mampianatra institiota aty Bolivie, Cochabamba, Bolivia aho.

Rahalahy Willard: Tsara be izany Rahalahy Franco. Tsara ny miaraka aminao eto anio. Rahalahy Franco, ataoko angamba hoe nahita fahombiazana ianao tamin’ny fahafantarana fa mitranga ao amin’ny kilasinao ireo traikefam-piovam-po ireo. Ianao ve afaka mieritreritra fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina nampianatra anao fa mitranga tokoa ao amin’ny kilasinao ireo traikefam-piovam-po ireo?

Rahalahy Franco: Eny. Milaza mikasika izany ireo mpianatra indraindray. Indraindray ao an-dakilasy na aorian’ny fotoam-pianarana. Indraindray izy ireo manoratra ho ahy, amin’ny alalan’ny WhatsApp, ohatra, dia miteny hoe: “Rahalahy Franco, misaotra tamin’ny fampianarana. Nahatsapa ho voataona hanao izao aho.” Ny sasany mandritra ny fotoam-pianarana, hitako izy ireo manoratra, na dia tsy miteny azy ireo aza aho mba hanoratra zavatra ao amin’ny diary fandalinana soratra masina. Mbola manoratra foana izy ireo. Ny fihetsik’izy ireo dia maneho fa mahatsapa izany izy ireo. Izay angamba no zavatra azoko lazaina.

Rahalahy Willard: Tsara tokoa izany. Mampahatsiahy ahy teny telo nampianarin’ny Loholona Bednar taona maro lasa momba ny famantarana sy fandinihana, ary fihainoana eo am-pampianarantsika izany. 5 Amiko dia izany no fototry ny zavatra vao nozarainao taminay. Namantatra na nandinika zavatra nitrangra nandritra na taorian’ny fotoam-pianarana ianao. Noho ireo fandinihana natao ireo dia toy ireny hoe ny Fanahy Masina ireny no nampianatra anao zavatra nitranga androany izay nanan-danja. Rahalahy Franco, inona no azonao hatao mba hanohy hampivelatra izany? Inona no azonao atao mba … miala tsiny fa tsy haiko ilay teny. Inona no hataonao mba hampitombo ny fahafahana hitrangan’izany matetika kokoa ao amin’ny kilasinao?

Rahalahy Franco: Nieritreritra izany foana aho. Misy zavatra maro ka. Nieritreritra momba ireo fitaovana fanombatombanana aho. Heveriko hoe manampy ireo. Ny hoe jeren’olon-kafa, mpiara-miasa na olon-kafa, ny mpiandraikitra ahy, mba hahafahako mahatsapa sy mahita ireo zavatra mila ivoarako. Ankilan’izay anefa dia manampy koa ilay fitaovana fanombatombanana omena ny mpianatra, efa nampiasanay hatrizay io. Mahatalanjona ny mahita ny zavatra tsapa, sy lazain’izy ireo ao am-pianarana, ny zavatra tsapany momba ny mpampianatra, sy ny fampianarana ary ny anjara asa sahanintsika. Mahatalanjona. Mahita ireo vokatra isika dia miteny hoe: “Oay e! ity no zavatra mila hanaovako ezaka.” Na izao no zavatra efa haiko tsara. Raha ny hevitro dia manampy ny mampiasa an’io. An-kilan’izay, raha ny tenako no resahina, dia angamba ny manao ny tsara indrindra izay vitako, araka ny nolazainareo rehetra, sy ny ho tarihin’ny Fanahy no manampy ahy. Mifantoha amin’ny zavatra ilain’izy ireo sy amin’ny hoe hanampy azy ireo hamaha ireo filàna ireo ve ny zavatra ataoko amin’izao.

Rahalahy Willard: Misaotra betsaka anao Rahalahy Franco. Raha nizara izany fijoroana ho vavolombelona izany ianao, faniriana ny ho tsara kokoa, dia nahatsapa ny Fanahy Masina aho nijoro ho vavolombelona tamiko momba ny halehiben’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra anao sy ireo mpampianatra toa anao maneran-tany. Rehefa manao izay tsara indrindra mba hitiavana an’ Andriamanitra sy ireo zanany isika dia hotahiany. Hasehony antsika ny ezaka ataontsika ao amin’izany kilasy izany ary hampahafantariny antsika raha toa mitranga ireo traikefam-piovam-po, sy zavatra manan-danja, ary fifandraisana am-po ireo mba hanampiana ireo zatovo sy tanora rehetra ireo hanatona kokoa an’i Jesoa Kristy. Ry Rahalahy Franco ary ianareo rehetra koa, misaotra anareo noho ny amin’ireo tanora rehetra tahianareo. Mankasitraka ny amin’ny traikefa nozarainao.

Rahalahy Franco: Misaotra.

Rahavavy Newbold: Tiako izany ry Rahalahy Willard— Misaotra. Tiako ny fifampiresahana taminao sy tamin-dRanadahy Franco koa. Te hamerina haneho fankasitrahana sy fitiavana anareo sy ireo mpampianatsika rehetra aho. Izaho koa dia nieritreritra zavatra vitsy momba ny fiovam-po, sy ny zavatra manan-danja, ary ny fifandraisana am-po. Ataoko fa tena manan-danja izany. Maro tokoa ny olona nangataka fampiofanana mikasika ireo zavatra ireo manokana, ary ny fitadidiana fa ny fiovam-po ho amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny Ray any An-danitra, ny fiainana zavatra manan-danja, ary ny fifandraisana am-po dia vokatra andrasana amin’ny zavatra hataontsika amin’ny fampianarana. Saingy rehefa tsy hitan’izy ireo ny fiantraikan’izany amin’ny fiainan’izy ireo, dia ho sarotra kokoa ho azy ireo ny hiaina ny zavatra ilain’izy ireo. Ny Fanahy Masina no manao izany.

Rahavavy Scott: Nizara tantara mahafinaritra i Jamie Scott. Rahavavy Scott, afaka zarainao aminay ve izany izao?

Rahavavy Jamie Scott: Tiako ny hanao izany. Nifantoka tamin’ny mpampianatra tahaka an’i Kristy aho. Tsy mifantoka amina fomba fampianarana manokana aho fa amin’ny fanorenana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny ho tonga tahaka Azy. Ka indray andro aho teo am-pampianarana dia naharay fitaomam-panahy mba hanontany ny mpianatro hoe: “Karazana lesona toy inona no hanampy anareo ho lasa akaiky kokoa ny Mpamonjy?” Avy eo dia voalaza tao amin’ireo kilasy efatra rehetra nampianariko ny hoe ny hira. Koa nanapa-kevitra izahay ny hanokana andro iray hianaranay momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny hira. Dia afaka nizara fihirana na hiran’ny ankizy saingy zavatra izay manampy azy ireo hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Mahay mitendry zavamaneno ny sasany amin’izy ireo. Asain’ny sasany mandefa hira amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo aho. Nihira ny sasany tamin’izy ireo. Nisy karazana fihirana sy hira. Mialoha sy aorian’ny fihirana izy ireo dia miresaka sy mijoro ho vavolombelona momba ny Tompo sy Mpamonjintsika. Andro iray nahatsapan’ny rehetra ny Fanahy tokoa izany. Ny hafa nizara ny zavatra niainan’izy ireo teo no ho eo. Ny sasany nizara ny zavatra nampahatsiahivin’ny Fanahy azy ireo momba ny fahamarinana noraisin’izy ireo taloha. Dia nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo indray ny Fanahy.

Dia nisy zatovolahy iray manokana izay nanatrika seminera kanefa raha ny tiany dia tsy ho eo izy. Natsangany ny tanany dia hoy izy: “Efa ho efa-taona izay no tsy nahatsapako ny Fanahy. Rehefa notendren’i Ben [tamin’ny lokangany] ilay fihirana,” ilay hoe “Velona ilay Mpanavotra ahy,” dia hoy izy hoe: “Nahatsapa ny Fanahy aho ary tsara ilay izy,” hoy izy. Tena feno fankasitrahana aho fa fantatry ny Tompo mihitsy ny zavatra ilain’ny olom-boafidiny. Feno fankasitrahana aho tamin’ny fihainoana sy fanontaniana ny zavatra tian’izy ireo ka nahafahan’io lehilahy io manokana hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy azy sy ny momba azy, sy ny hoe tiana izy.

Rahavavy Scott: Misaotra nizara. Rahalahy James, nanangan-tanana ianao?

Rahalahy James: Ah, misaotra. Te hanampy izay voalaza hatreto aho. Nahafinaritra ahy manokana ireo traikefa ireo. Niezaka nampihatra ireo fitaovana fandrefesana aho, sy ireo fitaovana fanaovana fandinihana izay efa nomena ireo mpianatra rehetra tamin’ny farany teo. Ampihariko amin’ireo mpianatro izany, ary nampahafantatra ahy zavatra betsaka izany, araka ny nampianarina androany, ny votoatin’ity fandrefesana ity ny hanampiana antsika handray fanambarana amin’ireo lafin-javatra azontsika hivoarana.

Te hamaky ny iray tamin’ireo zavatra natao nandritra ity fitsapan-kevitra ity aho izay nolazain’ny iray amin’ireo mpianatro ao amin’ny kilasiko mikasika ny fiainana zavatra manan-danja mandritra ny fianarana ao an-dakilasy. Taorian’ilay fitsapan-kevitra dia nalaiko ambony ambany ireo fitaovana voahangona. Ka sendra izao teny izao avy amin’ny iray tamin’ireo fanontaniana novalian’ny mpianatra aho. Hoy ilay mpianatra: “Nanan-danja tamiko ny fotoam-pianarana satria ilay mpampianatra manampy ahy hahita ny tenako ao amin’ireo lohahevitra araka ny fitsipiky ny filazantsara izay ianarako, izay mifandray manokana amin’ny fiainako.” Ary ilay olona manaraka koa eto dia miresaka momba ny zavatra azoko atao mba hanampiana azy hivoatra. Hoy izy: “Tiako ny mpampianatra ahy mba hampandray anjara ahy amin’ireo fianakalozan-kevitra ao am-pianarana sy mba hametraka fanontaniana amiko.”

Koa ireo no zavatra izay tsy ho hitako mihitsy. Ny fandinihana ireo fitaovana ireo rehefa nojeren’ny mpianatro sy ny mpiandraikitra ahy, miampy ny fanombatombanako ny tenako dia nampahafantatra ahy ireo lafin-javatra mila ivoarako. Azoko lazaina hoe ireo fahaiza-manao 25 sy ireo fomba fampiharana ireo dia tena tsara ary mora ampiharina na dia mandritra ny fotoana ampianarana aza. Misaotra.

Rahalahy Wilkins: Te hizara vetivety mikasika-na traikefa izay nampianatra ahy ny herin’ny fampitambarana ny fifantohana amin’ny tanjona sy ny fifantohana amin’ny fahaiza-manao aho. Indray andro tao am-pianarana dia niresadresaka momba ny fibebahana izahay ary nifantoka tamin’i Kristy. Tsy ny fibebahana tamin’ny fihetsika fotsiny fa ilay fitsipika izay ahafahantsika manatona an’i Kristy ka mangataka Azy mba hampanjary ny fahalementsika ho tanjaka. Nieritreritra mikasika ny sasany amin’ireo fahaiza-manao avy amin’ireo fitaovana fampiofanana koa aho. Raha nijery ireo mpianatra nifanakalo hevitra aho dia nisy zatovovy iray tsikaritro. Nifantoka taminy aho noho io fahaiza-manao io. Niezaka ny hijery olona amin’ny masony aho ary hametraka fanontaniana fanamafisana. Hitako izy somary namafa ny masony. Noho izany dia tsapako ilay fandrisihana hametraka fanontaniana fanamafisana ka hoy aho hoe: “Nikki, azonao zaraina ve ny zavatra nampianarin’ny Fanahy anao?” Noborahin’ity zatovavy ny aty fanahiny ka nitomany izy sady niteny hoe naharay ny valin’ny vavaka nataony nandritra ny dimy taona izy. Niezaka nibebaka izy fa tsy mbola nangataka ny Tompo mba hanova ny fony.

Koa rehefa nifantoka tamin’ilay tanjona nandritra ny fotoam-pianarana manontolo, izay resadresaka nifantoka tamin’i Kristy, dia nahitam-bokatsoa ilay izy. Saingy noho io fifantohana tamin’ny fahaiza-manao io, dia faly aho fa nanaraka ireo fahaiza-manao mba hametraka fanontaniana fanamafisana sy hijery ny olona amin’ny masony. Satria izany dia nampiaina zavatra tena tsara ary enga anie ka ho traikefa nanova fiainana. Ho ahy izany dia manova zavatra be ny amin’ny antony mahatonga ilay tanjona ho toerana iandohana, fa ny fifantohana amin’ireo fahaiza-manao dia mamela antsika hitondra ilay tanjona avy eo ho amina sehatra lalindalina kokoa.

Rahavavy Scott: Misaotra, Ranadahy Wilkins. Ny fifandraisana eo amin’ny olombelona amin’ny alalan’ny fifanojoan’ny maso amin’ny olona dia manasa azy ireo hiaraka ho liana aminao sy hiaina zavatra manokana miaraka aminao. Ohatra mahatalanjona izany! Anao Ranadahy Mark Espidita.

Rahalahy Mark Espidita: Natomboko tamin’ny fampiasana ireo fitaovana nomena anay roa volana lasa mba hampiasaina amin’ireo moadelina fampiofanana ho an’ny mpitantan-draharaha vaovao ao amin’ny Canvas. Nampitahaiko ny fihetsika nasehon’ireo mpampianatra tamin’ny zavatra navoakako tamin’ireo fampiofanana nomeko taloha raha nampiasa ny boky torolanana Fampianarana sy fianarana ny filazantsara. Ary tsy dia nisy fanehoan-kevitra mihitsy teo amin’ny sehatra fifanalozan-kevitray. Vao haingana anefa, rehefa nanomboka nampiasa ireo lohahevitra tao amin’ilay boky torolalana vaovao aho, dia tsikaritro fa betsaka kokoa ireo mpampianatra liana ary tena naneho hevitra malalaka izy ireo tamin’ny fizarana ny zavatra niainan’izy ireo.

Te hizara fanamarihana iray avy amin’ny iray amin’ireo mpampianatsika aho. Tamin’ny fampiofanana nataoko herinandro vitsy lasa izany. Izany dia momba ny fivavahana ho an’ny olona tsirairay ampianarinareo. Naharay fanamarihana tena tsara sy mahatalanjona aho. Iray tamin’ireo zavatra voalazan’ny iray tamin’ireo mpampianatra ny hoe, aleo hovakiko aminareo. Toy izao no vakiny: “Fampatsiahivana tsara ho ana mpampianatra ity. Misy fotoana isika dodona ery ny hampianatra ireo mpianatra sy hanome fahafahana azy ireo hahatsapa ny Fanahy ao am-pianarana amin’ny alalan’ny fiomanantsika. Kanefa ny zavatra lehibe izay tena manan-danja dia ny fomba ahafahan’ny hafatr’ilay lesona hifanaraka amin’ny filàn’izy ireo. Mila hafatra izay manan-danja aminy ny mpianatra. Izany no antony mahatonga ny fivavahana ho an’ny tsirairay avy amin’izy ireo ho tena afaka manova zavatra rehefa manomana lesona ho azy ireo. Manome karazana sehatra ho an’ny Fanahy izany mba ho afaka ny hitarika antsika rehefa miteny sy mampianatra isika.” Tena tsy fantatro mihitsy hoe hanova zavatra lehibe toy izany eo amin’izy ireo aho. Koa heveriko fa manampy tokoa ireo mpampianatsika ireto fitaovana misy ireto. Izay ihany.

Rahavavy Scott: Ranadahy Kevin Brown, tsy mampaninona anao ve ny hizara aminay?

Rahalahy Kevin Brown: Nahatsapa zavatra mahery vaika aho ary tena mankasitraka ny amin’ireo dingana mitondra fanambarana izay fonosin’ity fampiofanana ity sy ireo fitaovana nomena antsika rehetra. Nandray an-tsoratra aho ary nahita zavatra, izay antenaiko fa avy amin’ny Fanahy Masina, nianarako tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, sy ilay loharanom-pitaovana. Haingana sy tsy mihambahamba toy ny ahoana ny fampiharako sy ny fiovako manoloana izany? Araka ny voalaza teo aloha dia hoe ny Fanahy Masina no mampisy zavatra manan-danja ho an’ireo mpianatsika. Saingy tonga saina aho androany hoe ny Fanahy Masina ihany koa no mampisy zavatra manan-danja ho an’ny mpampianatra. Ka ny zavatra nianarako tamin’ny alalan’ny Fanahy mba ho ataoko na hampihariko dia tokony hataoko faingana. Tena tsapako fa rehefa manao izany isika dia hisy fahagagana hitranga ao amin’ny kilasintsika. Ho afaka ny hanatri-maso izany ireo mpampianatra.

Rahavavy Scott: Misaotra betsaka anao nizara izany hafatra izany taminay. Mbola misy tanana iray mitsangana. Ranadahy Castro, te hizara zavatra aminay ve ianao?

Rahalahy Castro: Eny ry Rahavavy Scott, misaotra. Nieritreritra aho hoe, izany hoe, nisy hevitra tonga tao an-tsaiko na ny fampianaran’ny Loholona David A. Bednar raha ny marina. Hoy izy: “Zavatra iray manokana ny mahafantatra fa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy mba ho faty ho antsika. Zavatra fototra sy fiorenan’ny fotopampianaran’i Kristy izany. Saingy isika koa dia mila mankasitraka ilay hoe, ny Tompo dia maniry, amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina mba hiaina ao anatintsika—tsy hoe hitarika antsika fotsiny fa koa mba hanome hery antsika.” 6 Izany no zavatra tsapako androany, fa ny Tompo dia maniry tokoa ny hanampy amin’ity asa lehibe ity. Afaka manampy ireo zatovontsika isika. Afaka manampy ireo mpampianatsika voantso hanao toy izany koa isika.

Rahavavy Scott: Misaotra betsaka Ranadahy Castro. Misaotra anareo niaraka nandray anjara androany. Nahare fijoroana ho vavolombelona mahatalanjona ny amin’ny fampiharana ireo lohahevitra noresahantsika androany tamin’ny fomba tena niainan’ny tena manokana isika teo. Tiako ny hanampy izany amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Fantatro fa asan’ny Tompo ity, ary fantatro fa mahaliana Azy ny fivoaran’ny tenantsika manokana, sy ny fahafahantsika mifandray amin’ny zatovo sy ny tanora ampianarintsika. Fantatro fa hanampy anareo tsirairay avy Izy rehefa mampiasa ireo fitaovana isan-karazany izay noresahantsika tamin’ny fomba mahakasika anareo manokana ireo ianareo, fa i Kristy, ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia hiteny aminareo ny zavatra tokony hanaovana ezaka, fa ny zavatra izay tena mila hanaovanareo ezaka, araka ny nasehon’ireo tantara rehetra nozaraintsika androany, no ilay zavatra izay ilain’izany olona izany henoina. Koa amin’ny alalanareo dia afaka ny hanatona an’i Kristy izy ireo. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo zavatra ireo aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy