Fampitana fanao isan-taona
Mahatalanjona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy


21120:32

Mahatalanjona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2022 iarahana amin’ny Loholona Ballard

Zoma 21 janoary 2022

Teny fanolorana

Mamelà ahy ianareo hanomboka amin’ny fanehoana ny fankasitrahako noho ny zavatra rehetra ataonareo hahatonga ny zatovo sy ny tanora manerana ny Fiangonana ho olona tsara kokoa. Ao amin’ny kilasinareo no misy ny hoavin’ny Fiangonana ara-bakiteny, ary mitaona ny fanahiko ny fomba fanompoanareo sy fikarakaranareo ny mpianatrareo. Ry rahalahy sy ranabavy, mahatalanjona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Anio aho dia te hiresaka momba ny fomba ahafahantsika mampianatra amin’ny fomba mahomby kokoa momba ny finoana, sy ny fijoroana ho vavolombelona ary ny maha zava-mahatalanjona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ho fampidirana ny lohahevitro dia hanoritsoritra sangan’asa kanto iray aho izay nankafiziko efa hatry ny ela saingy tsy nasiako lanjany loatra izany indraindray. Taona maro lasa izay dia naharay torohevitra avy tamin’ny namana iray mpampianatra ao amin’ny Musée des beaux-arts ao Boston aho. Nanoro hevitra izy fa rehefa mametraka zava-kanto ao an-trano ianao dia zava-dehibe ny manodinkodinana izany matetika mba tsy ho lasa “tsy hita” nefa eo. Efa ela izahay mivady no nankafy ny sary hosodoko nataon’i Le Caravage mitondra ny lohateny hoe The Calling of St. Matthew [Ny niantsoana an’i Md. Matio]. Satria nihantona teo amin’ny toerana iray tao an-tranonay nandritra ny taona maro io sary hosodoko io dia mahalana aho no mijanona mba hidera ny hakantony. Tamin’ity fararano ity dia nafindrako tao amin’ny biraoko aty amin’ny foiben’ny Fiangonana io sary hosodoko io. Tsy haiko fa ny fahitana azy amin’ny toerana vaovao dia nahatonga ahy hijanona mba handinika indray ny endriny mahatalanjona sy ny lanjany ara-panahy. Ao amin’ny Lioka isika dia mamaky momba an’i Matio manao hoe: “Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.” 1 Mahavariana fa i Le Caravage dia maneho ilay fotoana niantsoan’i Kristy an’i Matio saingy mialoha ny hitrakan’i Matio hijery ny Mpamonjy. Hitanareo ny tanan’i Kristy mihinjitra sy ny hazavana manenika ilay efitrano, midina mankany amin’i Matio eo amin’ny sisin-databatra mbola eo am-pikirakirana vola. Teo amin’ilay fotoana nanapahan’i Matio hevitra ny hamoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’i Jesoa Kristy mihitsy no nalain’i Le Caravage. Isaky ny mijanona mba handinika io sary io aho dia talanjona amin’ny hafatra fonosiny.

Ry rahalahy sy ranabavy, mahatalanjona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy! Ny fahaterahana, ny fiainana, ny fanompoana, ny Sorompanavotana, ary ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no tantara miavaka indrindra nolazaina hatrizay. Kanefa amin’izao andro mahory 2 izao dia mety handalo io hafatra mahatalanjona io fotsiny isika na dia eo am-pikatsahana ny hanampy ny hafa izay sahirana aza. Araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson vao tsy ela hoe: “Ry rahalahy sy anabavy malalako, andro farany izao. Raha tiantsika ny hahatohitra ireo fahasarotana sy ireo fampahoriana ho avy, dia tsy maintsy manana fototra ara-panahy mafy orina miorina eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, Jesoa Kristy isika.” 3

Mamaly ny fisalasalan’ny mpianatra momba ny finoana

Ankehitriny dia maro amin’ireo mpianatsika no miatrika fanamby mitsapa finoana izay mahatonga azy ireo hisalasala ny amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, sy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fisian’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany mihitsy. Betsaka ireo fitaomana any amin’ny internet manohitra ny filazantsara. Tsy ireo loharano ireo no mahatonga ny olana ara-pinoana rehetra, saingy mampitombo ireo fisalasalana efa misy izy ireo ary mitondra fisalasalana hafa vaovao. Mamelà ahy ianareo hizara tantaran’olona telo izay mety hitanareo mitranga amin’ny fiainan’ireo mpianatrareo:

Stephanie: Lehibe tato amin’ny Fiangonana i Stephanie saingy nahatsapa foana ho voailikilika izy tao amin’ny paroasiny sy teo anivon’ireo namany noho ny olana eo amin’ny fanambadian’ny ray aman-dreniny. Rehefa nandeha ny fotoana dia niteraka lolompo izany, izay nanomezany tsiny ny Fiangonana ho ny anton’izany. Nanomboka nazoto nitady loharano manohitra ny Fiangonana i Stephanie, izay nifantoka tamin’ny fitsikerana an’i Joseph Smith fa tsy niraharaha izay porofo momba ny toerany amin’ny maha mpaminany azy. Izao i Stephanie dia ao amin’ny tamba-jotran-tserasera no tena mirotsaka mba hamely izay hitany fa finoana diso sy lany daty any amin’ireo namany. Vao mainka nampitombo ny hatezerany izany ary izao izy dia mora mandray zavatra na vondrona manohitra ny Fiangonana.

David: Mitovy amin’izany ihany ny fisalasalan’i David momba ny tantaran’ny Fiangonana, saingy somary hafa kely ny toe-javatra iainany. Tena nahatoky izy tamin’ny voalohany, saingy taorian’ny asa fitoriana nataony dia nanomboka nametraka fanontaniana momba ireo lohahevitra izay tsy fantany talohan’ny nanaovany asa fitoriana izy. Nitondra azy ho amin’ireo loharanon-kevitra manohitra ny Fiangonana ireo fanontaniana ireo, ary nanomboka sahiran-tsaina izy ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany manokana sy ny zavatra tena ninoany. Na dia teo aza ireo zavatra maro efa niainany taloha izay nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny filazantsara dia nitsahatra nandalina ny tenin’ireo mpaminany velona i Dave ary nitsahatra namaky ny Bokin’i Môrmôna. Nanomboka nihaino loharano hafa i David toy izay hikaroka valin-teny avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo fanontaniany ara-panahy. Tsy nankahala ny Fiangonana izy saingy very hevitra sy tsy nahita izay hatao intsony, izay nitarika tamin’ny fihenan’ny fandraisana anjara amin’ny institiota sy ny fihenan’ny fandehanana miangona amin’ny alahady.

Connie: I Connie dia sady tsy nanana ny fankahalan’i Stephanie no tsy very hevitra tahaka an’i David. Nitolona tamin’ny fanamby maro amin’ny fiainana fotsiny izy, izay nifandray tamin’ny fisarahan’ny ray aman-dreniny vao haingana, sy ny herisetra ara-pitenenana sy ara-pihetseham-po ao an-tranony. Nitondra takaitra taminy io ratram-po io ary nahatonga azy hikaroka fanamaivanana. Saingy tany amin’ny vondrona tsy mpandala fivavahana izy no nitodika mba hitady ny fitserana sy ny fahatakarana nilainy fatratra fa tsy nikatsaka fanasitranana tamin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Niombona amin’ny hafa izay mitolona amin’ny aretin-tsaina, sy ny olana amin’ny LGBTQ, ary ireo izay miatrika fahakiviana sy fisalasalana eo amin’ny fiainana izy. Nahitan’i Conie fampiononana ireo fikambanana ireo, saingy lasa nahita fanontaniana vaovao koa izy. Matetika izy sy ireo namany no manome tsiny ny Fiangonana noho ny fahasahiranany, ka manantena hoe rehefa tsy miraharaha ny lalàn’ Andriamanitra fotsiny izy ireo dia mety hisinda ny fangirifiriany. 4 Tsy vitan’ny hoe tsy nandray anjara tato am-piangonana sy tamin’ny institiota intsony izy fa nanomboka nanaraka fihetsika izay nantenainy fa hanala ny fangirifiriana sy hahatonga azy hiala amin’ilay lalan’ny fiovana sy ny famelana ny hafa.

Samy miatrika krizim-pinoana ireo mpianatra tsirairay ireo, saingy amin’ny ankapobeny dia tsy mitovy ny toetran’ireo krizy ireo. Ny iray lolompo sy fikomiana mibaribary, ny iray indray very hevitra sy voarebirebin’ny feo any ivelany fotsiny, ary ny fahatelo dia voafandrika ao anatin’ny fangirifiriana ary miezaka miafina amin’ny zavatra hitany fa lalana sarotra ato amin’ny Fiangonana. Izy ireo koa dia maneho ny sokajin’ny mpianatra Taranaka Z (na Generation Z) amin’ny tsy fatokisany ny andrim-panjakana ara-dalàna, ny fihenan’ny fanatrehana fotoam-piangonana, ary indrindra ny toe-tsaina mitsara ny mety sy ny tsy mety araka izay fahatsapany izay manamafy fa tsy misy fenitra ara-dalàna ny mety sy ny tsy mety. Manoritsoritra ny fandalinana vao tsy ela nataon’ny Barna Group hoe: “Ny toe-tsaina mitsara ny mety sy ny tsy mety araka izay fahatsapana dia tsy hoe niditra teo amin’ny fijerin’ny Taranaka Z fotsiny fa izany mihitsy izao no fihevitry ny besinimaro.” 5

Amin’ny maha mpampianatra ny filazantsara antsika dia tsy maintsy mitady fomba hanatonana ny mpianatra tahaka an-dry Stephanie sy i David ary i Connie isika. Tena misy ny fanontaniana sy ny olan’izy ireo ary tsy tokony hotsinontsinoavina. Tokony horesahantsika ao anatin’ny fiaraha-miory sy fiantrana ny olan’izy ireo, ary mamela azy ireo hametraka fanontaniana ao anatin’ny tontolo ahatsapana ho voaro sy voakolokolo. Mila mampivoatra ny fahaizantsika mahatakatra sy mamaly ny olan’izy ireo ihany koa isika. Ny loharanom-pitaovana amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara [S&I], “Mahazo fahalalana ara-panahy” dia milaza hoe: “Indraindray isika mety hahita zavatra vaovao na hanana fanontaniana mahakasika ny fotopampianarana na ny fomba fanao na ny tantaran’ny Fiangonana izay toa sarotra takarina. Ampahany manan-danja amin’ny ezaka ataontsika hianarana fahamarinana ny fametrahana fanontaniana sy ny fitadiavana valiny.” 6 Io loharanom-pitaovan’ny S&I io dia manolotra hevitra momba ny fomba hiresahana ny ahiahim-pinoan’ireo mpianatra amin’ny alalan’ny fampianarana azy ireo 1) hanao asa amim-pinoana, 2) hamakafaka ireo hevi-dehibe amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary 3) hikaroka amin’ireo loharanom-pahalalana azo antoka. Namoaka loharanom-pitaovana fanampiny mitovitovy amin’izany ny BYU Studies vao tsy ela, izay mitondra ny lohateny hoe “A Teacher’s Plea [Fiangavian’ny mpampianatra iray]” izay hamporisihan’ny mpanoratra ireo mpampianatra ara-pivavahana mba hampianatra ny mampiavaka sy ny maha zava-dehibe ny loharanom-pitaovantsika, mba hisorohana ny fanamoran-javatra loatra ao amin’ny tantarantsika, ary mba ho vonona hanaiky ny ahiahin’ny maro. 7 Toy izany koa, ny fikarohana vao tsy ela nataon’i Eric sy i Sarah d’Evegnée momba ny “fiovam-po indray” dia mamporisika antsika hanampy olona hiatrika olana ara-pivavahana amin’ny fomba izay tsy hanala azy ireo amin’ny fifandraisany amin’ Andriamanitra. 8 Ary mazava ho azy fa ny Fiangonana dia namorona andiana lohahevitra mikasika ny filazantsara izay azo ampiasaina ho loharanom-pitaovana hahatakarana tsara kokoa sy hamahana ireo fanontaniana ara-tantara sy ara-potopampianarana izay mipoitra amin’ny maro amin’ireo mpianatsika. Ekeo, resaho, saingy aza andaniana fotoana be ireo fanontaniana tsy mifandray mivantana amin’ny lohahevitra ianarana ireo.

Ekeo, resaho, saingy aza andaniana fotoana be ireo fanontaniana tsy mifandray mivantana amin’ny lohahevitra ianarana

Tiako hazava amin’ireo mpampianatra ara-pivavahana rehetra ato amintsika fa betsaka no azo aroso amin’ireo loharano ireo sy ny hafa izay noforonina mba hanampiana ireo mpianatsika handresy ny krizy ara-pinoana sy hamaha ireo fanontaniany ara-pilazantsara. Eny tokoa, tsy azoko antoka hoe afaka ny ho mpampianatra mahomby ny filazantsara isika amin’izao tontolo ankehitriny izao raha tsy mahafantatra ny fanamby amin’ny finoana izay atrehan’ny mpianatra maro. Mila mampitombo ny fianteherantsika amin’ireo loharanom-pitaovana ireo isika hoenti-manampy ny mpianatra hikaroka ny valin’ny fanontaniany.

Saingy rehefa manampy mpianatra hamaha ny olany isika dia tsy maintsy mitandrina ihany koa mba tsy ho lasa mifantoka loatra amin’ny fanontaniany manokana momba ny finoana ka lasa tsy manana fahafahana hampianatra azy ireo fa tena mahatalanjona aok’izany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Araka ny nohazavain’i Chad H Webb tamiko hoe: “Tahaka ny miezaka manampy olona hiala amin’ny zavon’ny haizina amin’ny fifantohana amin’ny haizina izany.” Tsy tokony ho tsinontsinoavintsika ny fisian’ny haizina, na ataontsika tanjona tokana. Famelana ireo fanontaniana tsy tena manan-danja hanindry ireo fanontaniana lehibe no ilazan’ny Loholona Lawrence E. Corbridge izany. Tao anatin’ny lahateny iray nandritra ny fivoriana fampaherezam-panahy tao BYU dia nilaza ny Loholona Corbridge hoe:

“Tsy misy farany ireo fanontaniana tsy mifandray mivantana amin’ny lohahevitra. Tafiditra ao anatin’izany ireo fanontaniana momba ny tantaran’ny Fiangonana, ny fanambadiana maro, ny olona taranaka afrikanina sy ny fisoronana, ny vehivavy sy ny fisoronana, ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna, ny Voahangy Lafo Vidy, ny ADN sy ny Bokin’i Môrmôna, ny fanambadian’ny samy lahy na ny samy vavy, ireo tantara samihafa momba ny fahitana voalohany sy ny sisa sy ny sisa.

“Raha valianareo ireo fanontaniana momba ny lohahevitra dia ho voavaly ihany koa ireo fanontaniana tsy mifandray amin’ny lohahevitra, na hihena ny lanjany, dia ho afaka miatrika ireo zavatra takatrao sy tsy takatrao ary ireo zavatra ekenao sy tsy ekenao sady tsy miala amin’ny Fiangonana ianao.” 10

Koa eny, henoy ny olan’ireo mpianatrareo, mamoròna tontolo hahatsapana ho voaro ho azy ireo hametrahany fanontaniana, sy hianteherany amin’ireo loharanom-pitaovana azo antoka. Saingy eo am-panaovana izany dia aza hadinoana ny toetra mahatalanjon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tahaka ny tamin’ny tantarako momba ilay sary hosodokon’i Le Caravage dia aza lalovana fotsiny ny toetra mahatalanjon’ny zavatra eo anoloanao. Fomba iray hafa azo hieritreretana izany ny fandinihana ny areti-maso iray antsoina hoe “dégénérescence maculaire,” izay manakana ny fahitana rehetra ankoatra ny fijery manodidina. Ny olona tratran’io aretina io dia “mameno” ny zavatra tsy hitany eo anoloany amin’ny fanombatombanana avy amin’ny zavatra hitany manodidina izany. Aza avela hanelingelina ny fahitan’ireo mpianatrao ny toetra mahatalanjon’ny filazantsara ny fijery manodidina, izay eo anoloan’izy ireo. Araka ny nampianarin’ny Filoha Oaks hoe: “Raha tsy hoe miorim-paka amin’ireo fahamarinana ireo ho toy ny fototra iorenantsika sy ivon’ny fiheverantsika isika dia tsy afaka ny hahazo antoka hoe marina ny fehin-kevitsika.” 10 Ohatra, na dia ny ezaka nentanim-panahy ananantsika mba “hanatsara ny institiota” aza dia tsy hahomby raha tsy azontsika io zavatra fototra ifantohana io. Efa namporisika anareo izahay mba hampitombo ny maha ilaina sy ny maha mora azo ary ny fifandraisana am-po ao amin’ny fampianaranareo. Saingy atahorana ho lasa “fanontaniana tsy mifandray mivantana amin’ny lohahevitra” ireo ezaka lehibe ireo raha toa ka tsy misy ilay fitsipika mampiorim-pakan’ny fiovam-po ho amin’i Jesoa Kristy. Ny fototra ara-panahy miorina eo amin’ny Mpamonjy ihany no hany fomba handresen’ireo mpianatsika ireo ny loza sy ny fanerena misy amin’izao andro farany izao. 11

Mahatalanjona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Nambara imbetsaka aho androany fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mahatalanjona. Ny Loholona Jeffrey R. Holland no naharenesako io hevitra io voalohany raha niresaka tamina vondrona mpampianatra ara-pivavahana momba ny andraikitra masina sahanin’izy ireo izy mba hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny toetra mahatalanjon’ny filazantsara dia natao hanondroana ny Mpamonjy mihitsy araka ny nampianariny an’ireo izay tsy nino azy tao amin’ny synagoga hoe: “Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin’ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan’ Ilehity izany zavatra izany?” 12 Any amin’ny faran’ilay toriteny teo an-tendrombohitra isika dia mianatra fa “nony efa vitan’i Jesoa izany teny izany, dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany.” 13 I Lamônia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia “talanjona fatratra tokoa tamin’ny fahatokian’i Amôna. 14 Ao amin’ireo ohatra ireo sy ny maro hafa ny teny hoe talanjona dia ampiasaina hiresahana olona izay manana olana amin’ny finoana kanefa amin’ny farany dia mahita ny hery sy ny fahagagan’ny filazantsara. Hitantsika izany ao amin’ny Bokin’i Helamàna rehefa “talanjona izaitsizy tokoa [ny vahoaka], hany ka lavo tamin’ny tany; satria tsy ninoany ny teny izay efa notenenin’i Nefia.” 15 Toa rehefa mifanojo ny tsy finoana sy ny toetra mahatalanjona sy ny fampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no miseho izany fahatalanjonana izany. Marina izany ho an’ireo rehetra izay mitolona amin’ny fisalasalana, ary ho marina koa izany ho an’i Stephanie sy i David ary i Connie izay voalazako tany aloha. Tsy handresy ny lolompo sy ny fahaverezan-kevitra ary ny fangirifiriana izay tsapany izy ireo raha tsy rehefa entina eo amin’ny toetra mahatalanjon’i Kristy mihitsy.

Rahalahy sy ranabavy, mba henoy sy tiavo ary miaraha miory amin’ireo izay miady amin’ny fisalasalana momba ny finoana. Ataovy amin’ny fomba maneho fitiavana izany izay mamorona tontolo hahatsapana ny Fanahy ho an’ireo mpianatra rehetra, ka manoro azy ireo ireo loharanom-pitaovana azo antoka sy manampy amin’ny famahana ny olan’izy ireo. Saingy aoka isika tsy hanao ambanin-javatra ireo valin-teny mahatalanjon’ireo fanontaniana manan-danja momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Enga anie isika “hanodina ny sary hosodoko” eo amin’ny fiainantsika amin’ny fomba izay manampy ny mpianatsika hiato ka handinika ny toetra tena mahatalanjon’ny Mpamonjy izay eo anoloan’izy ireo. Marina fa misy ny fanamby, tafiditra ao anatin’ny diantsika eto an-tany izany. Saingy andao ampiana ireo tanorantsika hifoha eo amin’ny lalana tsy tambo isaina izay manova ifotony ny zotra eo amin’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra.

Ohatra, talanjona aho amin’ny fomba nandraisan’ireo zatovo ao an-tanànako ao Boston ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fomba nitondran’izany azy ireo hanao asa fitoriana, nitarika azy ireo tany amin’ny oniversite, ny fanambadiana tany amin’ny tempoly, ary ankehitriny amin’ny andraikitra maharay sy reny ary mpitarika ato amin’ny Fiangonana. Mila tsy ho takatry ny saina ny zavatra nitranga teo amin’ny fiainany raha jerena ny nanombohany. Talanjona aho rehefa mandinika ny ray tanora iray tao San Antonio izay nihaona tamiko sy Rahavavy Gilbert vao tsy ela. Natahotra ny tsy hahavita velively ireo zavatra takian’ny filazantsara izy. Ary nahita nony farany fa tsy misy tonga lafatra isika ary tsy misy afa-tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ao Aminy ihany no ahafahantsika ho lasa olona tsara bebe kokoa. Io Rahalahy Luis Vargas io, miaraka amin’i Andrea vadiny sy i Sofia zanak’izy ireo vavy, ny alina talohan’ny nanolorany tena hatao batisa dimy taona taorian’ny nihaonany tamin’ireo misiônera. Takanjona aho nijery ny fiovany sy ny finoany an’i Kristy. Toy izany koa dia talanjona aho rehefa nihaona tamin’i John Raass namako izay tsy nety ho mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny 30 taona na dia teo aza ny ohatra feno fahatokiana nasehon’ny vadiny sy ireo zanany. Tao anatin’ny fotoana nampietry noho ny olana ara-pianakaviana dia nangataka tsodrano Rahalahy Raass ary nanolo-tena ny hihaona tamin’ireo rahavavy misiônera. Nitarika azy hatao batisa izany fanapahan-kevitra izany, niaraka tamin’ny zanany lahy iray sy ny zanany vavy iray, ka nametraka azy ireo teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Teo amin’ny fiainako manokana aho dia talanjona rehefa mahare ny Tompo miresaka amiko, ka manamafy ny fijoroana ho vavolombeloko, mamaly ireo vavaka ataoko ho an’ireo izay tompoiko, tafiditra amin’izany ny filan’ireo zanako.

Ry rahalahy sy ranabavy, mahatalanjona ny filazantsaran’i Jesoa Kristy! Ny Mpamonjy dia manova ny fiainan’ireo zanak’ Andriamanitra amin’ny fomba maharitra sy mahery vaika. Manasa antsika Izy mba hiova sy ho lasa tsara kokoa, mba hanompo ny hafa, ary ho lasa olona tsara lavitra mihoatra izay azontsika ahatongavana samy irery. Aoka isika hampianatra amin’ny fomba izay maneho amin’ny mpianatsika fa tena mahatalanjona tokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy! Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Amena.

Fanamarihana

  1. Lioka 5:27–28

  2. Jereo ny 2 Timoty 3:1–13. Jereo koa ny teny voalazan’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Mandritra izao fotoan-tsarotra izay efa novinanian’i Paoly Apôstôly izao dia efa tsy miezaka manafina ny fanafihany ny drafitr’ Andriamanitra intsony mihitsy i Satana. Efa betsaka ny ratsy tsy afenina intsony. Noho izany ny hany fomba ahafahana ho velona ara-panahy dia ny fahavononana hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika, sy hianatra ny hihaino ny feony, ary hampiasa ny herintsika hanangonana an’i Isiraely” (Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 95).

  3. Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 94.

  4. Ny 2 Nefia 2:13 dia mampianatra antsika ny fifandraisan’ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fahasambarantsika. Mametraka ny ilàna ilay Mpanalalana Lehibe, dia i Jesoa Kristy, koa izany mba hanampiana antsika handresy ny vokatry ny lalàna araka ny voaresaka any aoriana ao amin’io toko io. Ny andininy 13 dia manazava ny tohan-kevitr’izao tontolo izao sy ny fanantenan’ireo tanora taranaka Z miady mafy izay maniry ny hino fa raha esorina ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy hisy intsony ny fahoriany sy ny fijaliany. Saingy i Lehia dia mampianatra an’i Jakôba ny fahamarinana izay tokony hampianarintsika ireo mpianatsika ihany koa hoe: raha tsy nisy ny lalàna dia ho tsy nisy ny fifaliana. Io fahamarinana io dia mifanohitra avy hatrany amin’ny antsoantson’ny toe-tsaina mitsara ny mety sy ny tsy mety araka izay fahatsapana sy ny finoana fa raha tsy misy ny mety sy ny tsy mety, dia tsy hisy vokany ny fahotana. Raha tena tia ny mpianatsika marina isika dia tsy maintsy maneho fiaraha-miory sy fiantrana ary firaharahiana, saingy tsy maintsy mampianatra azy ireo ihany koa isika momba ny vokatry ny fahotana sy ny fahagagan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Jereo koa ny Russell M. Nelson, “The Love and Laws of God” (Fampaherezam-panahin’ny Brigham Young University, sept. 17, 2019), speeches.byu.edu. Nampianatra io fahamarinana io ny Filoha Nelson tamin’ny lahateniny nandritra ny fampaherezam-panahy tao amin’ny BYU. Tsy natao handà antsika ho sambatra ny lalàn’ Andriamanitra, fa hitondra antsika ho amin’ny fahasambarana kosa. Ny fandavana ireo lalàna ireo na ny filazana azy ireo ho mifanaraka amin’izay zava-misy dia miteraka alahelo kokoa sy hafaliana tsy maharitra.

  5. Barna Group, Gen Z Volume 2: Caring for Young Souls and Cultivating Resilience (2021), 52.

  6. Mahazo fahalalana ara-panahy,” Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2018), 3.

  7. Jereo ny Tyler Johnson, “A Teacher’s Plea,” BYU Studies, vol. 60, no. 2 (2021), 81–118.

  8. Jereo ny Sarah Jane Weaver, “Episode 57: BYU–Idaho Professors Eric and Sarah d’Evegnee on Faith, Testimony, and Reconversion,” Church News, Nov. 16, 2021, thechurchnews.com.

  9. Lawrence E. Corbridge, “Stand Forever” (Brigham Young University devotional, Jan. 22, 2019), 3 speeches.byu.edu.

  10. Dallin H. Oaks, “As He Thinketh in His Heart” (takariva iarahana amin’ny Manam-pahefana Ambony, Feb. 8, 2013), ChurchofJesusChrist.org.

  11. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–96.

  12. Etera 6:2; nampiana fanamafisana.

  13. Matio 7:28; nampiana fanamafisana.

  14. Almà 18:2; nampiana fanamafisana.

  15. Helamàna 9:4; nampiana fanamafisana.