Fampitana fanao isan-taona
Nitahy ny fiainako ny seminera


Nitahy ny fiainako ny seminera

Fampitana ny fivoriam-piofanana fanao isan-taona an’ny S&I ho an’ny taona 2022 iarahana amin’ny Loholona Ballard

Zoma 21 janoary 2022

Manahoana ianareo! Azo antoka fa nahazo fampianarana tsara ianareo tamin’ity maraina ity, ary mazava ho azy fa manohana ny zavatra rehetra izay renareo hatreto aho ary mivavaka mba hanampian’ny Tompo ahy hizara zavatra fanampiny amin’ity fivoriana mahafinaritra iarahanay aminareo izay manana andraikitra lehibe tokoa ity. Mahafinaritra ny miaraka aminareo. Te haneho ny fitiavako anareo tsirairay aho ary manantena fa hampita izany fitiavana izany amin’ny fianakavianareo ianareo. Mitondra aminareo ny fitiavan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho. Feno fankasitrahana izahay noho ny ezaka miavaka sy feno fahatokiana ataonareo hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, izay hitahy ny fiainan’ireo mpikambana zandriny ato amin’ny Fiangonantsika sy hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Tiako ny hanomboka ny teniko amin’ny fitantarana ny fomba nitahian’ny seminera ny fiainako manokana. Namboly ny voan’ny fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara izany ary nanampy ahy hiomana tamin’ny misiônako sy ireo lalana nisokatra nahafahako ho tonga mpitarika.

Mety efa fantatrareo fa zafindohalik’i Hyrum Smith zoky lahimatoan’ny Mpaminany Joseph Smith zanany aho. Avy amin’ny fianakaviana Smith ny reniko, ary zafiafin’ny Filoha Joseph F. Smith, izay Filohan’ny Fiangonana fahaenina. Zafikelin’ny Apôstôly anankiroa koa aho, dia ny Loholona Hyrum Mack Smith, izay rain’ny reniko, ary ny Loholona Melvin J. Ballard, izay rain’ny raiko.

Noho ny maha-razambeko ireo lehilahy ireo, dia mety hihevitra ianareo fa tokony ho efa tafapaka lalina tao am-poko ny filazantsara fony aho zatovo. Kanefa dia tsy izay no izy. Mamelà ahy hizara aminareo bebe kokoa momba ny ray aman-dreniko sy ny fiainako mandra-pahatongan’ny fotoana nanaovako asa fitoriana ny filazantsara.

Nanana ny orinasany manokana fivarotany fiara ny raiko. Tamin’ny 1929, fony aho 10 volana monja, dia namely ny Fitotonganana lehibe ara-toekarena. Ny olana ara-toekarena naterak’io fitotonganana io dia nampivadika ny rasa ka nahatonga ny ray aman-dreniko sy ny fianakavianay ho sahirana ara-bola, ary indrindra fa ho an’ny raiko. Noho izy lasa diso nifantoka loatra tamin’ny tolona hamelomana fianakaviana ny raiko nandritra izany fotoan-tsarotra izany ka dia lasa tsy navitrika tao amin’ny Fiangonana intsony izy.

Taty aoriana, rehefa lehibe aho ary niverina tamin’ny laoniny ny toe-piainanay ara-bola, dia nividy tany sy trano teny amin’ireo tendrombohitra teny atsinanan’i Salt Lake City ny raiko. Nandany ny alahadiny tamin’ny fananganana trano izy, ary niara-niasa taminy daholo izahay. Tsy niaraka namonjy fivoriam-piangonana izahay mianakavy.

Ny tsy fahavitrihan’ireo ray aman-dreniko tao am-piangonana intsony dia tsy nanakana ahy handeha hamonjy fotoam-pivavahana niaraka tamina namana tsara, izay nataoko rehefa tao an-trano ny fianakavianay, na niara-nivavaka tamin’ny reniko be fitiavana. Tsy nanatrika seminera anefa aho.

Fony aho tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra dia nanontany ahy ny antony tsy nanatrehako seminera vao maraina i Nedra Mortensen namako. Ka ny ampitson’io dia nanomboka nanatrika foana aho isan’andro hatramin’izay andro izay. Nanomboka tamin’ny 6:30 maraina ny seminera isa-maraina. Vao maraina be izany tany amin’ny lisea, ho ahy aloha farafaharatsiny. Tadidiko ny nanatrehako izany nandritra ny ririnina tamin’ireny marainan’ny ririnina nangatsiaka sy nisy oram-panala ireny. Ary rehefa nanomboka ny fianarako tany amin’ny lisea dia voafidy ho filohan’ny seminera tao East High School aho.

Ny fanatrehako seminera no isan’ireo zavatra nametraka ahy tamin’ny lalana tokony halehako teo amin’ny fiainako. Voakasika ny foko nandritra ny seminera, ary novolena tao amin’ny ati-fanahiko ny voan’ny fijoroana ho vavolombelona. Tsy tsaroako daholo ny zavatra rehetra nampianarina, kanefa tadidiko ny zavatra tsapako fony aho nanatrika tao. Tsaroako ihany koa fa nahatsapa ho tsy voailikilika aho tao.

Feno fankasitrahana ireo mpampianatro seminera aho, izay nahafoy fotoana be dia be hanomanana lesona manan-danja izay nanasa ny Fanahy, tahaka ny tsirairay avy aminareo.

Feno fankasitrahana ihany koa aho noho ireo mpampianatra tsirairay izay nampianatra ireo zanako. Mandra-pahalehibe azy ireo dia nandalina ny filazantsara izahay mianakavy, kanefa dia nitahy ny fiainan’izy ireo tamin’izany ireo fampianarana fanampiny noraisin’izy ireo tamin’ny seminera, ary mbola mitahy ny fiainan’izy ireo ankehitriny. Amin’ny maha-raibe sy rain’ny raibe ahy, vao teraka mihitsy izao ny zafiafinay faha-100, dia isaorako ianareo mpampianatra izay nampianatra sy mampianatra ireo zafikeliko. Amin’ny anaran’ireo ray aman-dreny sy ny ray aman-drenibe rehetra manerana ny Fiangonana manontolo no isaorako anareo noho ny fahafoizan-tena ataonareo mba hanomana, hampianatra, hitia ary hanasa ny zanaky ny Ray any An-danitra tsirairay mba hanatona an’i Jesoa Kristy Tompo Zanany.

Ry rahalahy sy ranabavy, manan-danja amin’ny Tompo sy ny drafiny ianareo. Mandray anjara amin’ny fikasihana ny fon’ireo tanora sarobidy ireo ianareo tsirairay avy. Faran’izay manan-danja amin’ny fampatanjahana ny taranaka vao misondrotra sy ny fananganana ny fanjakan’ Andriamanitra ny asa sy ny ezaka ataonareo. Tianay ho fantatrareo ny fankasitrahana lehibe tsapanay noho ny fahavononanareo hanompo sy ny ezaka ataonareo amim-pahatokiana mba hampianatra sy hitantana ny raharahan’ny fandaharanasa seminera sy institiota manerana izao tontolo izao.

Maneho fankasitrahana aho ho an’ny Loholona Holland sy ho an’ny kômity mpanatanteraka, ho an’ny Loholona Clark Gilbert izay filoha, sy Rahalahy Chad Webb izay mpitantana. Ary ho an’ireo mpitarika sy ireo mpiasa rehetra ao amin’ny departemanta, ary ny mpampianatra rehetra, tianay ianareo, mankasitraka anareo izahay, ary feno fankasitrahana noho ny ezaka feno fahafoizan-tena ataon’ny tsirairay amin’ny fampianarana ny filazantsara izahay.

Araka ny voalazako teo aloha dia nanampy ahy hahazo fijoroana ho vavolombelona sy handroso teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ny fanatrehako seminera. Vokatr’izany dia afaka nanampy ireo ray aman-dreniko ho lasa navitrika aho. Nanao asa fitoriana aho, izay tsy ho nitranga mihitsy raha tsy noho ireo namana tsara izay lasa fantatro sy nifankafantatra tamiko tao amin’ny seminera ary nanome hevitra fa tokony hanao asa fitoriana koa aho.

Rehefa nandaha-teny tao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo talohan’ny asa fitoriako aho dia nanatrika izany mba hihaino ahy handaha-teny ny raiko. Izay no fotoana voalohany teo amin’ny fiainako izay tsaroako hoe niarahan’ny raiko tamiko nankany am-piangonana. Rehefa nody avy nanao asa fitoriana aho dia niresaka tamin’ireo ray aman-dreniko mikasika ny maha zava-dehibe ny fanatrehana ireo fivorian’ny Fiangonantsika. Nisafidy ny hiverina havitrika tao amin’ny Fiangonana ny ray aman-dreniko ary nanaiky antso sy andraikitra isan-karazany izy ireo nandritra ny androm-piainany sisa.

Vao haingana ny Fiangonana no nanao famakafakana momba ny zatovo ao Utah. Isan’ireo fitambarana singa nahatonga ho azo inoana kokoa fa handray anjara amin’ireo hetsika ataon’ny Fiangonana ny zatovo ao anatin’ireo dimy taona ho avy ny hoe raha manatrika seminera sy manana fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy ireo. 1

Ny Departemantan’ny Fiangonana izay Sampandraharaha mpikaroka fampahalalana dia namakafaka ihany koa ny fiantraikan’ny seminera sy ny institiota ary ireo oniversite an’ny Fiangonana. Ny famakafakana nataon’izy ireo dia naneho fa ny seminera no manana fitaomana lehibe indrindra amin’ny fijanonana ho mavitrika ao amin’ny Fiangonana, fijoroana ho vavolombelona, fifandraisana am-po, fahatsapana ny Fanahy, fanoloran-tena manokana, ary fanoloran-tena ho an’ny fianakaviana. 2

Ry rahalahy sy ranabavy, manova zavatra ianareo. Hita mibaribary eny aminareo ny toe-tsaina lalim-paka mba hanolo-tena amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy Tompo anareo. Misaotra amin’ny fitondranareo izany fanahy izany mandritra ny androm-piainanareo sy ny fitondrana izany fanahy izany ho ao amin’ireo sehatra hanaovanareo ny fampianaranareo. Misaotra anareo aho amin’ny fikasihana ny fon’ireo zatovo sy tanora.

Rehefa mieritreritra ny andraikitsika mba hampianatra sy hikasika ny fon’izy ireo aho dia tadidiko ny zavatra iray izay niainako tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake taona maro lasa izay. Nandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona iray tao amin’ny rihana faha-efatry ny Tempolin’i Salt Lake, dia nijoro ho vavolombelona mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampiharan’ny olona ny filazantsara eo amin’ny fiainany sy ny fifikirana amin’izany ny Filoha Gordon B. Hinckley. Nilaza izy fa raha te hampihatra izany eo amin’ny fiainany ny olona dia nila zavatra mihoatra ny fiovan’ny toe-tsaina izy ireo. Nila fiovana ara-panahy izy ireo. Nilaza izy fa tokony ho afaka ny hanana fankasitrahana ny filazantsara avy ao an-tsaintsika mankany am-pontsika isika. Misaotra amin’ny fanampianareo mba hitrangan’izany amin’ireo mpianatsika.

Tamin’ny 25 jona 2015, herinandro vitsy monja talohan’ny nahalasa Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy naha-filohan’ny Filankevitra mpanatanteraka mahakasika ny asa fitoriana azy tamin’izany, dia nandaha-teny nandritra ny seminera ho an’ny mpitarika ny misiôna tamin’ny 2015 ny Filoha Russell M. Nelson. Nampianatra mikasika ny hahatongavan’ireo misiônera ho epistilin’ny Tompo izy. Hoy izy hoe: “Amin’ny maha-solontenan’ny Tompo antsika dia nomena tombontsoa manokana isika hitory ny filazantsarany. Nampianatra hevitra mahatalanjona ny Apôstôly Paoly. Nanambara izy fa ny solontena tsirairay, ny mpianatra tsirairay, eny, ny misiônera tsirairay dia afaka ny ho tonga “[epistily velon’i] Kristy … , tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’ Andriamanitra velona, … [voarakitra] teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo [2 Korintiana 3:3].” 3 Mijoro ho vavolombelona aho fa afaka ny ho voakasiky ny filazantsara ny mpianatra tsirairay rehefa manatrika seminera izy ireo. Afaka ny ho voasoratra eo amin’ny vato fisaka nofon’ny fon’izy ireo ny filazantsara.

Misaotra anareo noho ny fiomanana ataonareo manokana mba hanaovana ny zavatra izay tena hainareo tokoa, dia ny mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mba hahafahan’ny Fanahy mikasika ny fon’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra.

Ao anatin’ity tontolo ankehitriny izay feno tsy fitovian-kevitra ity, dia mila ny fifaliana sy ny fiadanana atolotry ny Mpamonjy Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny filazantsarany ireo tanora ireo. Mila mahatsapa ao am-pony ny fitiavan’ny Mpamonjy azy ireo tsirairay avy izy ireo.

Mamelà ahy hiresaka mikasika ny famolavolana ireo mpitarika amin’ny ho avy. Fantatrareo fa ireo zatovo sy ireo tanora amin’izao fotoana izao no ho mpitarika antsika amin’ny ho avy. Hitarika, na efa mitarika, ny fianakaviany izy ireo. Hitaona ireo mpiara-belona sy mpiara-monina aminy izy ireo. Ho mpitarika daholo ny rehetra rehefa mampianatra, na any am-piangonana, na any an-trano, na any am-pianarana, na eo anivon’ny fiarahamonina. Hanompo ao amin’ny Kilonga, na ny Zatovovavy, na ny Fikambanana Ifanampiana ny sasany, ary ho ao amin’ny fiadidiana mihitsy aza. Hanompo ao amin’ny episkôpà, na ho filohan’ny tsatòka, na ho mpitarika ao amin’ny misiôna ny sasany. Hitarika ny Fiangonana maneran-tany ny sasany afaka 20 na 30 taona. Ianareo dia mampianatra tanora izay tsy fantatrareo na tsy takatrareo amin’izao fotoana izao izay hiafarany amin’ny ho avy. Mety hisy, ao amin’ny iray amin’ireo kilasinareo, no ho lasa mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Tsy fantatrareo izany, fa enga anie ny Tompo hitahy anareo mba hampianatra toy ny hoe mahafantatra izany.

Mba ho mpitarika tsara ato amin’ny Fiangonana dia mila mahay mitarika tsara ao amin’ny tokantrano misy azy aloha ireo zatovontsika. Ampianaro izy ireo, indrindra fa ny zatovolahy, fa “tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ ny alalan’ ny fisoronana raha tsy amin’ ny fandresen-dahatra, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy sy ny hamoram-po ary ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy. Amin’ny halemem-panahy sy ny fahalalana madio izay mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, tsy misy fihatsarambelatsihy sy tsy misy fitaka.” 4

Aoka ianareo mpampianatra mba hanana fifantohana sy hitondra fanampiana eo amin’ny fiainan’ireo izay ampianarinareo. Tsy manomana azy ireo fotsiny ho amin’ny fanompoana amin’ny fitoriana ny filazantsara ianareo na handeha hianatra any amin’ny oniversite. Manomana azy ireo ho lasa ray aman-dreny tsara ianareo. Manomana azy ireo ho lasa mpikambana sy mpitarika tsara ao amin’ny Fiangonana ianareo. Manomana azy ireo hahomby amin’ireo ezaka rehetra ataony amin’ny ho avy ianareo. Rehefa mijery ny tsirairay avy amin’ireo mpianatrareo ianareo dia alaivo sary an-tsaina ny zavatra ho ataon’izy ireo afaka 5, na 10, na 20 taona, ary avy eo dia mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ Andriamanitra mba hahalalana ny fomba azonareo anampiana azy ireo hiomana ho amin’izany fotoana izany.

Omeo fahafahana hitarika izy ireo. Araka ny nolazaiko teo aloha dia filohan’ny semineran’i East High School aho fony aho tao amin’ny kilasy famaranana. Nanana fahasahiana ireo mpampianatro namela ahy ho filoha. Tsy nanomboka nanatrika seminera aho raha tsy tany amin’ny ambaratonga faharoa fototra. Tsy ilay karazana mpianatra seminera voamarina fa nahafeno tsara ny fanatrehana kilasy tao anatin’ny taona aho. Manantena aho fa hijery ny zatovovavy sy ny zatovolahy mety hahavita zavatra ianareo dia hiezaka hanampy azy. Ampio ny mpianatra tsirairay mba hanatsara ny zava-bitany. Aza avela hanao izay tiany izy ireo amin’ny fanatratrarana ny tanjony dia avy eo ianareo manantena azy ireo hitarika. Fa ampianaro azy ireo kosa ny fomba fitarihana, dia avelao hitarika izy ireo, ary tohizo avy eo ny fampianarana azy ireo ny fomba hanaovana izany tsaratsara kokoa.

Ohatra, rehefa misy Fitopololahy Manampahefana ambony vaovao antsoina dia manome azy ireo fahafahana hampianatra sy handray torolalana izahay alohan’ny handefasana azy ireo any amin’ny andraikitra nomena azy tsirairay avy maneran-tany. Entinay miara-miasa aminay izy ireo. Lehilahy manana traikefa lehibe amin’ny fitarihana ato amin’ny Fiangonana izy ireo, kanefa dia mbola manohy mampianatra azy ireo izahay alohan’ny hamelana azy ireo handeha irery amin’izay. Imbetsaka mandritra ny taona no hanatrehan’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fivorian’ny Fitopololahy mba hanome torolalana hanampiana azy ireo hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy mba ho mpitarika mahomby kokoa. Mbola ho ampiako aza hoe maka fotoana izahay hifampianarana ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy, hiarahana manao dia, ary hianarana zavatra avy amin’ny tsirairay. Mety hieritreritra ianareo fa rehefa nahavita nandritra ny fotoana ela ny andraikitra nasaina nosahaninay izahay dia hahafantatra ny zavatra rehetra. Tsia, miova izao tontolo izao ary tsy mitovy ny zavatra ilain’ny olona, indrindra fa any amin’ireo toerana samy hafa eto amin’izao tontolo izao. Koa amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy anay dia miandrandra fatratra sy manantena ny hifampianatra ny fomba hanatanterahanay amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny andraikitray amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo anay izahay.

Mangataka anareo aho mba hanampy ireo mpitarika antsika amin’ny ho avy. Maro no efa maika ny hianatra avy amin’ny traikefanareo amin’ny fitarihana. Fohy ny fotoana iarahanareo amin’izy ireo amin’ny maha-mpianatra seminera sy institiota azy ireo, kanefa jereo tsara ireo fotoana ahafahanareo mampita zavatra mba hotahafin’ny tsirairay avy.

Mamelà ahy hilaza fa tena ilaina ny manome valiny marina ho an’ireo fanontaniana. Fantatsika rehetra fa fomba tena tsara ahafahan’ny mpianatra mianatra ny fametrahana fanontaniana. Maneho faniriana hianatra ny ankamaroan’ireo fanontaniana. Amporisiho ny mpianatra hametraka fanontaniana ary avy eo dia ampio izy ireo hianatra ny fomba hitadiavana ny valin’izany amin’ny alalan’ny fandalinana sy ny vavaka. Manome ny ankamaroan’ny valin’ireo fanontaniana mahakasika ny fiainana ny filazantsara. Kanefa dia hisy fanontaniana tsy ho azontsika valiana satria tsy manana ny fahalalana ilaina amin’izany isika hanomezana valiny marina. Aza vinaninaniana fotsiny ny valiny amin’ny toe-javatra toy ireny. Tsy maninona ny miteny hoe “tsy fantatro”, na “tsy fantatray.” Ho voaro foana isika rehefa mampianatra ny fahamarinana, rehefa mampianatra ny zavatra fantatsika. Aza miala amin’ny fahamarinana sy maminavina ireo zavatra tsy mbola takatsika akory. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana ianareo dia afaka manome fanazavana feno fahatokiana, voasaina tsara, ary marina momba ny soratra masina, sy ny fotopampianaran’ny filazantsara, ny tantaran’ny Fiangonana, na ireo lohahevitra hafa izay takatry ny saina. Mamporisika anareo izahay tsy hiala lavitra ny fandaharam-pampianarana atolotra anareo ary hampiasa ireo loharanom-pahalalana azo antoka.

Aza manasaro-javatra. Imbetsaka tokoa aho no efa nampiasa io andian-teny io nandritra ny fiainako ka napetrak’ireo zanako teo amin’ny tsangam-baton’ny fasana andrian’i Barbara vady malalako zany teny nambarako izany, ary indray andro any dia handry ao eo anilany aho. Ary voasoratra eo amin’izany tsangam-batom-pasana izany ny hoe “Aza manasaro-javatra.” Rehefa maty aho dia antenaiko fa ho takatry ny rehetra hoe zavatra izay noheveriko ho manan-danja izany. Hazony ho tsotra ny filazantsara. Kanto sy mazava ary mahatalanjona tsotra izao izany. Rehefa mampianatra ny filazantsara ianareo dia ataovy tsotra izany ary mijoroa ho vavolombelona matetika momba ny fanompoana sy ny iraka masina nataon’ny Mpamonjintsika, dia i Jesoa Kristy Tompo.

Tadidio fa nirehareha tamin’ny fahatsorana i Nefia. 5 Nampianatra izy fa: “miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.” 6 Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mampianatra sy mitory ary mijoro ho vavolombelona ny amin’i Kristy ianareo dia hahatsapa ny fijoroanareo ho vavolombelona ny mpianatrareo ary hifaly amin’ny hatsaran’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Zafikelin’ny Loholona Melvin J. Ballard aho. Apôstôly nandritra ny 20 taona izy. 11 taona aho tamin’izy nodimandry. Kanefa maro ny olona, rehefa ampy fahamatorana tsara aho ka afaka nahatakatra, izay notompoin’ny raibeko fony izy apôstôly, izay nandre azy nitory ny filazantsara, izay nandre azy nampianatra. Nanjary nanontany foana aho, olona samy hafa tany amin’ny toerana samy hafa manerana izao tontolo izao izay nandre azy nampianatra sy nitory ny filazantsara. Ary efa saika ho isak’izay manontany aho no mahazo valiny hoe: “Tsy dia tadidiko loatra ny zavatra nolazainy,” hoy ny olona tamiko, “saingy tsy ho adinoiko na oviana na oviana ny zavatra tsapako.” Enga anie ireo izay ampianarintsika, mety tsy hahatadidy ny tenintsika izy ireo, fa enga anie izy ireo ka tsy hanadino mihitsy ny zavatra tsapany rehefa nampianatra azy ireo ny fotopampianarana tsotra sy tena tsaran’i Jesoa Kristy isika.

Niresaka hatrany mikasika ny maha-zava-dehibe ny andraikitsika amin’ny maha-mpampianatra sy mpitantana antsika aho. Manan-danja sy ilaina ireo andraikitra ireo. Kanefa dia mbola lehibe kokoa noho izany ny andraikitrareo eo anivon’ny fianakavianareo manokana. Tonga ety an-tany isika mba ho lasa isan’ireo fianakaviambe ary manana fahafahana isika ny hanorina sy hanangana ny antsika manokana ao anatin’izany fianakaviambe izany. Tsy mitovy ny toe-javatra tsirairay iainan’ny fianakaviantsika. Na inona na inona toe-javatra misy anareo dia kolokoloy sy aoreno izany fifandraisan’ny mpianakavy izany. Ho an’ireo izay manambady dia manokàna fotoana hiarahana amin’ny vadinareo. Mangataha torohevitra amin’ny vadinareo dia araho izany. Raim-pianakaviana sy vady ary mpitarika tsara ato amin’ny Fiangonana aho noho ny torohevitra feno hatsaram-panahy sy fitiavana nomen’i Barbara vady malalako aho. Ho an’ireo izay tsy manambady dia mangataha torohevitra avy amin’ny ray aman-dreninareo, na ny olona ao amin’ny fianakavianareo, na olona hafa atokisanareo. Tokony hampiorina ny fifandraisan’ny fianakaviantsika daholo isika rehetra satria haharitra hatrany ankoatr’izao fiainana izao izany. Hisy fiafarany ny andraikitrareo sy ny antsonareo amin’ny maha-mpampianatra ato amin’ity fandaharanasa ity, fa mandrakizay kosa ny fifandraisan’ny fianakavianareo.

Eto am-pamaranako ny teniko aminareo am-pitiavana dia mieritreritra ny fifaliana azo avy amin’ny fandraisana anjara miaraka aminareo amin’ity asa lehibe sy fen ovoninahitra ity aho. Mahatsapa ny fifaliana tsapan’i Amôna aho rehefa nilaza tamin’ireo rahalahiny sy ireo mpiara-miasa taminy izy hoe:

“Endrey, lehibe ny antony iravoravoantsika … ?

“… Efa [natao] ho fitaovana teo an-tànan’ Andriamanitra mba hanatanteraka ity asa lehibe ity [isika]. …

“Hotahiana anie ny anaran’ Andriamanitsika; aoka isika hihira ho an’ny lazany, eny, aoka isika hanolotra fisaorana ho an’ny anarany masina, fa Izy dia mampihatra fahamarinana mandrakizay. …

“… Feno ny fifaliako, eny, safononoky ny fifaliana ny foko ary hifaly amin’ Andriamanitra aho.” 7

Ry rahalahy sy anabavy ary mpampianatra namako malala, ary miteny aho hoe mpampianatra namako satria ny mampianatra no andraikitra voalohany sahanin’ireo mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mijoro ho vavolombelona aho fa noho isika zanaky ny Ray any An-danitra dia afaka mahatsapa ny fifaliana sy ny fiadanana avy amin’ny filazantsara isika rehefa miaina izany sy mampianatra izany, rehefa mankatò ny didin’ny Tompo, ary rehefa mandeha amim-pahamarinana.

Manome izany fifaliana izany ny fiainana sy ny fanompoana ary ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hoy i Jesoa tamin’ireo mpianany ao amin’ny Testamenta Vaovao hoe: “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.” 8

Nahatsapa ny fifaliana azo avy amin’ny voan’ny filazantsara ny mpaminany Lehia ary naniry ny mba hihinanan’ny fianakaviany izany koa. Hoy izy: “Ary raha nihinana tamin’ny voany aho, dia nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko; koa nanomboka nangetaheta aho ny mba hihinanan’ny ankohonako amin’izany koa; satria nahalala aho fa mampilendalenda lavitra noho ny voankazo hafa rehetra izany.” 9

Azoko antoka fa mahatsapa izay tsapan’ny Apôstôly Jaona isika rehefa nilaza izy hoe: “Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako.” 10

Tsy milamina ny tontolo ankehitriny noho ny fahadisoam-panantenana, ny tsy fitovian-kevitra, ny tsy fahafaham-po, ny fanavakavahana, ny tsy fifanajana, ny fahakiviana, ary ny fahoriana. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia afaka manome antsika ny fanampiana ilaintsika hamakivaky ireo fotoan-tsarotra ireo. Nampianatra fitsipika tsotra nambaran’ny Tompo ny mpaminany Lehia. Hoy izy hoe: “Misy ny [lehilahy sy ny vehivavy] mba hahazo fifaliana.” 11

Amin’ny anaran’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny maha-apôstôly masina no hangatahako an’ny Tompo mba hitahy anareo tsirairay avy mba hahita fifaliana ao amin’ny fianakavianareo, fifaliana ao amin’ny filazantsara, ary fifaliana ao amin’ny andraikitrareo amin’ny maha-mpampianatra na mpitantana anareo ao amin’ilay fandaharanasa lehibe an’ny seminera sy institiota an’ny Fiangonana. Mamerina maneho ny fitiavako anareo tsirairay avy sy ny mpianatrareo aho.

Mizara ny fijoroako ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy ary Fiangonany ity, ary filazantsarany ity. Enga anie ny Tompo hitahy anareo, ry mpampianatra namako, mba hahavitantsika manampy amin’ny herin’ny fontsika manontolo hikasika, tsy ny sain’ny maro kokoa amin’ireo zanak’Andriamanitra fotsiny ihany fa ny fon’izy ireo koa, izay mila mahafantatra fa i Jesoa no Ilay Kristy, fa efa nanangana mpaminany Izy, dia i Joseph, ary namerina tamin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay, ary ny zavatra rehetra ilaina mba hahazoana fiadanana sy fifaliana eto amin’ity fiainana ity dia efa nambara indray ary hita ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mangataka fitahiana hirotsaka aminareo sy ny fianakavianareo amin’ny anaran’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho. Ataoko amim-panetren-tena izany amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.

Hamoaka printy