Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra
Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao.


“Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao (2023)

“Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao,” Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Tiavo ireo izay ampianarinao

Mitadiava fomba tsara hanehoana ny fitiavanao.

Fahaiza-manao

Mandefasa hafatra any amin’ny ray na renin’ny mpianatra iray mikasika ny zavatra tsara tsikaritrao momba ny zanany.

Sary
Vehivavy manoratra

Mamaritra

Fomba iray mahery vaika hanehoana ny fitiavanao ny mpianatra ny fandefasana hafatra milaza zavatra tsara any amin’ny ray na reny na mpiantoka iray mikasika ny zavatra manokana tsikaritrao momba izany mpianatra izany. Hahomby kokoa ilay hafatra raha toa ianao ka:

  1. Mivavaka mba hahazo fitarihana momba ny hoe iza no mpianatra tokony hifantohanao ary inona no tokony hozarainao amin’ilay ray na reny na mpiantoka.

  2. Manaova fampahafantarana fohy ny tenanao mba hanombohana ilay hafatra.

  3. Manehoa fankasitrahana avy amin’ny fo noho ny fahafahanao manana ilay ankizy ao an-dakilasy.

  4. Lazao amin’ny fomba mazava sy tsotra ny zavatra tsara sy voafaritra tsara iray izay tsikaritrao.

Rehefa mampita fanamarihana tsara amin-kitsim-po sy ombam-bavaka amin’ny ray aman-dreny ianao dia hahatsapa ny fitiavanao amin’ny fomba mahery vaika ny mpianatra.

Lamina hakan-tahaka

Tia ny mpianany Rahalahy Camargo ary te hampita marina izany fitiavana izany amin’ny fomba tokony hanaovana izany. Mivavaka izy mba hahafantarany hoe ny momba an’iza no tokony hizarany hafatra tsara amin’ny ray na reny iray ary mahatsapa izy fa taomim-panahy hanoratra ho an’ny ray aman-drenin’i Jackson. Tsikariny fa tsy nila nangataka an’i Jackson hitondra ny soratra masiny izany mihitsy izy ary vonona ny hanampy foana i Jackson. Mandefa mailaka milaza izao manaraka izao Rahalahy Camargo:

  • Ry Rahalahy sy Ranabavy Duvall,

  • Rahalahy Camargo no anarako, ary mpampianatra seminera an’i Jackson aho. Feno fankasitrahana aho manana azy ato amin’ny kilasiko. Te hampahafantatra anareo fotsiny aho fa mitondra ny soratra masiny foana i Jackson ary vonona ny hanampy amin’ny zavatra rehetra ilaiko. Misaotra anareo amin’ny zavatra rehetra ataonareo mba hanampiana sy hanohanana azy.

  • Ny mpanomponareo mahatoky,

  • Rahalahy Camargo

Manazatra tena

Manoràta hafatra milaza zavatra tsara amin’ny ray na reny iray ho an’ireto toe-javatra misy ireto:

  1. Toa somary mihafahafa i Susan ao an-dakilasy, dia te haneho ny fitiavanao azy ianao. Rehefa mivavaka momba izany ianao dia tsikaritrao fa manolotena hanampy ankizy iray izay sahirana mitady soratra masina izy.

  2. Eritrereto ny iray amin’ireo mpianatrao izay mampatanjaka tsy tapaka ny kilasinao. Mieritrereta ombam-bavaka ary lazao amin’ilay mpianatra ny zavatra iray tsikaritrao momba azy.

Mifanakalo hevitra na misaintsaina

  • Inona no mety ho akon’izany eo amin’ny mpianatra tsirairay sy ny fifandraisan’izy ireo amin’ny Mpamonjy rehefa mandeha ny fotoana? Ahoana no ahafahan’izany manova ny fandraisan’ny mpianatra anjara na ny fahatsapany ho manan-toerana ao an-dakilasy?

  • Mieritrereta fotoana iray izay nanamafisan’ny fanehoan’ny olona iray fitiavana na fankasitrahana ny fifandraisanao tamin’ny Mpamonjy.

Mampiditra fahalalana

  • Atombohy amin’ny fisafidianana mpianatra iray na roa isan’andro izay tsapanao fa handrisihan’ny Fanahy anao mba hampiasana io fahaiza-manao io. Tohizo izany mandra-pahatonga izany ho toy ny zavatra mandeha ho azy ary raha mbola mitarika anao koa ny Fanahy.

Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Hamoaka printy