Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fitiavan’ Andriamanitra: Ny mampiravoravo indrindra ny fanahy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Fitiavan’ Andriamanitra: Ny mampiravoravo indrindra ny fanahy

Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy hita ao amin’ireo toe-javatra iainantsika, fa ao amin’ny fanatrehany eo amin’ny fiainantsika.

Rahalahy sy ranabavy, moa ve fantatrao fa tia anao tanteraka Andriamanitra Raintsika any An-danitra? Efa nahatsapa ny fitiavany lalina tao amin’ny ati-fanahinao ve ianao?

Rehefa fantatrao sy takatrao fa tena tiana tanteraka ianao amin’ny maha zanak’Andriamanitra anao dia manova ny zavatra rehetra izany. Manova ny fahatsapanao momba ny tenanao izany rehefa manao fahadisoana ianao. Manova ny fahatsapanao izany rehefa sendra zavatra sarotra mitranga. Manova ny fahitanao ireo didin’ Andriamanitra izany. Manova ny fahitanao ny hafa sy ny fahaizanao mitondra fiovana izany.

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Ny didy lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny herintsika rehetra sy ny saintsika rehetra ary ny tanjatsika rehetra—izany no ilay didy lehibe voalohany. Saingy ny fahamarinana lehibe voalohany mifandray amin’ny mandrakizay dia ny hoe, tia antsika amin’ny fony rehetra sy ny heriny rehetra sy ny sainy rehetra ary ny tanjany rehetra Andriamanitra.”1

Ahoana no ahafahan’ny tsirairay amintsika mahafantatra lalina ao amin’ny ati-fanahintsika izany fahamarinana lehibe mandrakizay izany?

Naseho tao amin’ny fahitana tamin’ny mpaminany Nefia ny porofo mahery vaika indrindra momba ny fitiavan’ Andriamanitra. Rehefa nijery ny hazon’aina i Nefia dia nangataka ny hahafantatra ny dikan’izany. Ho valiny dia nasehon’ny anjely iray an’i Nefia ny tanàna iray sy ny reny iray mbamin’ny zazakely iray. Rehefa nijery ny tanànan’i Nazareta sy an’i Maria reny marin-toetra, nihazona an’i Jesoa zazakely, i Nefia, dia nanambara ilay anjely hoe: “Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra, eny, ny Zanaky ny Ray Mandrakizay!”2

Takatr’i Nefia tamin’io fotoana masina io fa naneho ny fitiavany madio sy tanteraka Andriamanitra tamin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Ny fitiavan’ Andriamanitra, hoy Nefia nijoro ho vavolombelona, dia “miely patrana any am-pon’ny zanak’olombelona.”3

Sary
Ny hazon’aina

Azontsika alaina sary an-tsaina ny fitiavan’ Andriamanitra ho toy ny hazavana miposaka avy amin’ny hazon’aina, izay miely patrana maneran-tany mankany am-pon’ny zanak’olombelona. Ny fahazavan’ Andriamanitra sy ny fitiavany dia manome aina ny zava-drehetra.4

Indraindray isika dia manao hevi-diso fa rehefa avy nanaraka ny anja-by sy nihinana ny voan’ny hazo ihany isika vao afaka mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra. Tsy ny fitiavan’ Andriamanitra ihany anefa no raisin’ireo izay tonga eo amin’ilay hazo fa ilay hery mihitsy izay manosika antsika hikatsaka izany hazo izany.

“Noho izany dia io no mahatsiriritra indrindra amin’ny zava-drehetra,” hoy ny nampianarin’i Nefia, ary nihiaka ilay anjely hoe: “Eny, ary io no mampiravoravo indrindra ny fanahy.”5

Roapolo taona lasa izay, nisy olon-tiana tao amin’ny fianakaviana niala tamin’ny Fiangonana. Nanana fanontaniana maro tsy voavaly izy. Ny vadiny, izay mpikambana niova fo, dia nijanona ho mahatoky tamin’ny finoany. Niasa mafy izy ireo mba hitandrovana ny fanambadian’izy ireo teo amin’ny fahasamihafana niseho.

Tamin’ny taon-dasa dia nanoratra fanontaniana telo momba ny Fiangonana izay saro-baliana taminy izy ka nandefa izany tamin’ny mpivady roa izay namana nandritra ny taona maro. Nasainy izy ireo hisaintsaina ireo fanontaniana ireo ary ho tonga hisakafo hariva sady hizara ny eritreritr’izy ireo.

Taorian’io resadresaka nataony tamin’ny namany io dia nankany an’efitranony izy ary nanomboka niasa tamin’ny tetikasa iray. Ilay resadresaky ny hariva sy ny fitiavana nasehon’ny namany azy no tonga tao an-tsainy voalohany. Nanoratra izy taty aoriana fa voatery nanajanona ny asany. Hoy izy hoe: “Nisy hazavana namirapiratra nameno ny fanahiko. … Fantatro io fahatsapana fahazavana lalina io, fa tamin’ity tranga ity dia nitohy nitombo noho ny teo aloha izany ary naharitra minitra maromaro. Nipetraka tamim-pahanginana aho niaraka tamin’ilay fahatsapana, izay nanjary takatro fa fanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra ahy. … Nahatsapa fahatsapana ara-panahy aho izay nilaza tamiko fa afaka miverina any am-piangonana ary maneho an’io fitiavana an’ Andriamanitra io amin’ny zavatra ataoko any.”

Nanontany tena izy avy eo ny amin’ireo fanontaniany. Ny fahatsapana azony dia hoe faly Andriamanitra noho ny fametrahany ireo fanontaniana ireo ary ny tsy fananana valiny mazava dia tsy tokony hanakana azy tsy handroso.6 Tokony hizara ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny rehetra izy raha mbola manohy mandinika. Rehefa nanao asa araka izany fahatsapana izany izy dia nahatsapa fitoviana tamin’i Joseph Smith, izay nilaza taorian’ny Fahitana Voalohany hoe: “Feno fitiavana ny fanahiko, ary afaka nifaly tamim-pifaliana lehibe nandritra ny andro maro aho.”7

Mahavariana fa volana vitsy taty aoriana dia nahazo ilay antso notanany 20 taona talohan’izay ity mpikambana ao amin’ny fianakaviana ity. Ny fotoana voalohany nitanany ilay antso dia nanatanteraka ny andraikiny tamin’ny naha mpikamban’ny Fiangonana mahatoky azy izy. Ny fanontaniana ho azy izao dia lasa tsy hoe “Ahoana no hahavitako io antso io?“ fa “Ahoana no hanehoako ny fitiavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa fanompoana ataoko?” Nahatsapa fifaliana sy dikany ary tanjona lehibe tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny antsony izy niaraka tamin’io fomba fiasa vaovao io.

Rahavavy sy ranadahy isany, ahoana no ahafahana mandray izany hery manova avy amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izany? Manasa antsika mba “[hivavaka] amin’ny Ray amin’ny herin’ny fo manontolo mba hahazoana mameno anareo amin’izany fitiavana izany, izay efa natolony ireo rehetra izay mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy Zanany”8 ny mpaminany Môrmôna. Tsy nanasa antsika hivavaka mba hahatsapantsika ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ny hafa fotsiny i Môrmôna fa mba hivavahantsika koa hahafantarantsika ny fitiavana madion’ Andriamanitra ho an’ny tenantsika.9

Rehefa mandray ny fitiavany isika dia mahatsapa fifaliana lehibe kokoa eo am-piezahana hitia sy hanompo toy ny nataony, ka ho tonga “mpanara-dia marina ny Zanany, Jesoa Kristy.”10

Ny fitiavan’ Andriamanitra dia tsy hita ao amin’ireo toe-javatra iainantsika, fa ao amin’ny fanatrehany eo amin’ny fiainantsika. Tsapantsika ny fitiavany rehefa mahazo hery mihoatra ny ananantsika isika ary rehefa mahatsapa fiadanana, fankaherezana ary fitarihana avy amin’ny Fanahiny. Misy fotoana, sarotra ny hahatsapana ny fitiavany. Afaka mivavaka isika mba hisokatra ny masontsika ka hahita ny Tanany eo amin’ny fiainantsika sy hahita ny fitiavany amin’ny hatsaran’ireo zavatra nohariany.

Rehefa misaintsaina ny sorona tsy misy fetra sy mandrakizay an’ny Mpamonjy isika dia afaka manomboka mahatakatra ny fitiavany antsika. Miventy am-panajana ny tenin’i Eliza R. Snow isika manao hoe: “Nalatsany ny rany soa, nomeny ny ainy.”11 Ny fanetren-tenany tao anatin’ny fijaliana lehibe dia hitsika ao amin’ny fanahintsika, ka manokatra ny fontsika hikatsaka famelan-keloka avy Aminy ary mameno antsika amin’ny faniriana hiaina tahaka ny nataony.12

Nanoratra ny Filoha Nelson hoe: “Arakaraka ny hanolorantsika tena bebe kokoa amin’ny famolavolana ny fiainantsika hanaraka ny fiainany no hahatonga ny fitiavantsika ho madio sy masina kokoa.”13

Nitantara ny zanakay lahy hoe: “Fony aho 11 taona, dia nanapa-kevitra izahay sy ny namako fa tsy hanatrika ny tapany voalohany amin’ny kilasinay ao amin’ny Kilonga. Rehefa tonga izahay, dia niarahaba anay tamim-pitiavana ny mpampianatra. Nanolotra vavaka avy amin’ny fo izy avy eo ary naneho fisaorana tamin-kitsim-po ho an’ny Tompo fa nanapa-kevitra ny ho tonga an-dakilasy izahay tamin’io andro io araka ny safidinay malalaka. Tsy tadidiko na ilay lesona na ny anaran’ilay mpampianatra anay, saingy ankehitriny, telopolo taona aty aoriana, dia mbola manohina ahy foana ilay fitiavana madio nasehony ahy tamin’io andro io.”

Dimy taona lasa izay dia nandinika ohatra iray amin’ny fitiavan’ Andriamanitra aho rehefa nanatrika ny Kilonga iray tany Rosia. Nahita rahavavy mahatoky iray nandohalika teo anoloan’ny zazalahy roa aho ary nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo fa na dia izy ireo ihany no velona teto an-tany dia hijaly sy ho faty ho azy ireo fotsiny i Jesoa.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia maty ho an’ny tsirairay avy amintsika tokoa. Fanehoana ny fitiavany tsy manam-petra ho antsika sy ny Rainy izany.

“Velona ilay Mpanavotr’ahy, Endrey mankahery ny fanahy; … Velon’Izy mba hitahy [antsika].”14

Hanokatra ny fontsika anie isika ka handray ny fitiavana madion’ Andriamanitra ho antsika ary hanaparitaka izany fitiavana izany amin’ny ataontsika rehetra sy amin’ny maha izy azy antsika. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “Rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo ny Tompo,” Liahona, mey 2016, 127.

  2. 1 Nefia 11:21.

  3. 1 Nefia 11:22; nampiana fanamafisana.

  4. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:13.

  5. 1 Nefia 11:22, 23.

  6. Jereo ny 1 Nefia 11:17.

  7. Joseph Smith, in Karen Lynn Davidson and others, eds., The Joseph Smith Papers, Histories, Volume 1: Joseph Smith Histories, 1832–1844 (2012), 13; punctuation and capitalization modernized.

  8. Môrônia 7:48.

  9. Jereo ny Neill F. Marriott, “Mitoetra ao amin’Andriamanitra sy manamboatra izay rava,” Liahona, Nôv. 2017, 11: “Ny fiainantsika tany amin’ny tontolo feno fitiavana talohan’ny nahaterahana, angamba, no mahatonga antsika haniry mafy fitiavana marina sy maharitra eto an-tany. Notefen’ Andriamanitra mba hanome fitiavana sy hotiavina isika, ary tsapa ilay fitiavana lalina indrindra rehefa iray amin’ Andriamanitra isika.”

  10. Môrônia 7:48.

  11. “Endrey fahendrena, fitia” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 37.

  12. Jereo ny Linda S. Reeves, “Mendrika ireo fitahiana nampanantenaina antsika,” Liahona, Nôv. 2015, 11: “Mino aho fa raha afaka mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro ny halalin’ny fitiavan’ny Raintsika any an-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika isika, dia ho vonona ny hanao izay hangatahany amintsika isika mba hiverenana eo anatrehan’izy ireo indray.”

  13. Russell M. Nelson, “Divine Love,” Liahona, Feb. 2003, 17.

  14. “Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana sy Hiran’ ny ankizy, lah. 76.

Hamoaka printy