Manafoana ny fandrafiana ny fiadanan’i Kristy
Rehefa ny fitiavana an’i Kristy no manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika, dia halemem-panahy sy faharetana ary hatsaram-panahy no entintsika miatrika ny tsy fitovian-kevitra.
Ry rahalahy sy anabavy malalako, mandritra ny “épreuve d’effort” na “fizahana sedra” izay izahana ny fiasan’ny fo eo am-panaovana fanatanjahantena dia mitombo ny ezaka takiana aminy. Ny fo izay mahavita tsara ny asany rehefa manao dia an-tongotra dia mety ho sahirana miatrika ny ezaka takiana rehefa mihazakazaka miaka-piakarana. Amin’io fomba io no ahafahan’ny “fizahana sedra” mitily ny aretina misoko miadana izay raha tsy izany dia tsy ho hita. Izay mety ho olana hita amin’izany dia azo tsaboina mialohan’ny hiterahany olana goavana eo amin’ny fiainana an-davanandro.
Azo antoka fa “fizahana sedra” ho an’izao tontolo izao ilay valanaretina COVID-19. Sadasada ny valiny hita tamin’ny fizahana. Vaksiny azo antoka sy mahomby no novokarina.1 Nahafoitena toy ny maherifo ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpampianatra sy ny mpikarakara ary ny hafa, ary mbola manohy manao izany. Olona maro no naneho fahalala-tanana sy hatsaram-panahy, ary mbola manohy manao izany. Kanefa, niseho ihany koa ny lesoka niafina. Nijaly ireo olona marefo, ary mbola manohy mijaly. Tokony hampaherezina sy hanehoana fankasitrahana ireo izay miasa hamahana ireny tsy fitoviana raiky tapisaka ireny.
“Fizahana sedra” ara-panahy ihany koa ilay valanaretina ho an’ny Fiangonan’ny Tompo sy ireo mpikambana ao aminy. Sadasada tahaka izany ihany koa ny valiny. Voatahy ny fiainantsika noho ny fanompoana tamin’ny fomba “avo lenta sy masina kokoa,”2 sy ny fandaharam-pampianarana Avia, hanaraka Ahy ary ny fianarana filazantsara mifototra ao an-tokantrano izay tohanan’ny Fiangonana. Maro no nanolotra fanampiana sy fampaherezana feno fangorahana nandritra ireny fotoan-tsarotra ireny.3
Kanefa, tamin’ny tranga sasany, dia naneho fironana ho amin’ny fifandirana sy ny fisaraham-bazana ilay “fizahana sedra” ara-panahy. Midika izany fa manana asa ho atao isika hanovana ny fontsika ary hiovana mba hiray hina tahaka ny mpianatry ny Mpamonjy marina. Tsy fanamby vaovao akory izany, fa fanamby iray tena manan-danja.4
Rehefa nitsidika ny Nefita ny Mpamonjy dia nampianatra hoe: “Ary tsy hisy fifanjihirana eo anivonareo. … Izay manana ny fanahin’ny fifandirana dia tsy Ahy fa an’ny devoly kosa, izay rain’ny fifandirana, ary mamoky ny fon’ny olona izy mba hifanditra amim-pahatezerana izy samy izy.”5 Rehefa mifanditra amim-pahatezerana isika dia mihomehy i Satana ary mitomany ilay Andriamanitry ny lanitra.6
Mihomehy i Satana ary mitomany Andriamanitra noho ny antony roa raha kely indrindra. Voalohany, ny fifandirana dia mampihena ny fijoroana ho vavolombelona iraisana asehontsika amin’izao tontolo izao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fanavotana izay tonga amin’ny alalan’ny “fahamendrehan[y] sy ny famindram-po[ny] ary ny fahasoavan[y].”7 Hoy ny Mpamonjy: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo. … Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”8 Marina koa ny mifamadika amin’izany, fantatry ny tsirairay fa tsy mpianany isika raha tsy mifaneho fitiavana. Voatohitohina ity asan’ny andro farany ity rehefa misy fifandirana na fifandrafiana9 eo amin’ny mpianany.10 Faharoa, ny fifandirana dia tsy mahasoa antsika tsirairay eo amin’ny ara-panahy. Miala amintsika ny fiadanana sy ny fifaliana ary ny fitoniana, ary voatohitohina ny fahafahantsika mahatsapa ny Fanahy.
Nanazava i Jesoa Kristy fa tsy fotopampianarany ny “mamoky ny fon’ny olona ho tezitra ka hifanohitra izy samy izy; fa izao kosa no fotopampianara[ny] dia ny hampitsaharana ny zavatra toy izany.”11 Raha mora tohina aho na mora tezitra na maika hitsaratsara eo anatrehan’ny tsy fitovian-kevitra, dia ho “mbola mila ezaka” no ho valin’ny “fizahana sedra” nataoko. Izany fizahana sedra izany dia tsy midika hoe tsy misy antenaina ny amiko. Fa manondro kosa izany fa mila miova aho. Ary tsara ny fahafantarana izany.
Taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy tany Amerika, dia niray hina ny vahoaka, “tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany manontolo.”12 Mihevitra ve ianao fa niray hina ny vahoaka satria nitovy daholo izy ireo, na hoe satria tsy nisy tsy fitovian-kevitra mihitsy teo aminy? Miahiahy ny amin’izany aho. Fa nanjavona kosa ny fifandirana sy ny fifandrafiana satria napetrak’izy ireo ho ambony noho ny zavatra hafa rehetra ny maha mpianatry ny Mpamonjy azy ireo. Lasa tsinontsinona ny tsy fitovian’izy ireo raha nampitahaina tamin’ny fitiavana ny Mpamonjy izay niraisan’izy ireo, ary niray hina izy ireo tamin’ny maha “mpandova ny fanjakan’ Andriamanitra”13 azy ireo. Ny vokany dia “tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa … izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra.”14
Mitaky ezaka ny firaisan-kina.15 Mitombo izany rehefa mikolokolo ny fitiavana an’ Andriamanitra ao am-pontsika isika16 ary mifantoka amin’ny anjarantsika mandrakizay.17 Ny mampiray antsika dia ny fototra maha-isika iraisantsika amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika18 sy ny fanolorantenantsika amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia miteraka fiahiana amin-kitsim-po ho an’ny hafa. Zava-dehibe amintsika ny fahasamihafana maro karazana eo amin’ny toetoetran’ny hafa sy ny fomba fijeriny ary ny talentany.19 Raha tsy haintsika ny mametraka ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika ho ambonin’ny tombontsoa sy fomba fijerin’ny tena manokana dia tokony hamerina handinika ireo laharam-pahamehantsika isika ary hiova.
Mety alaim-panahy isika hiteny hoe: “Mazava ho azy fa mahavita miray hina isika, raha vonona hanaiky ny hevitro ianao!” Tsaratsara kokoa ny manontany tena hoe “Inona no azoko atao hanamafisana ny firaisan-kina? Ahoana no fomba azoko hamaliana mba hanampiana an’ity olona ity hanatona kokoa an’i Kristy? Inona no azoko atao mba hampihenana ny fifandirana ka hanorenana fiarahamonim-piangonana feno fiantrana sy fifampitsinjovana?”
Rehefa ny fitiavana an’i Kristy no manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika,20 dia halemem-panahy sy faharetana ary hatsaram-panahy21 no entintsika miatrika ny tsy fitovian-kevitra. Tsy ny fahatsapan’ny tenantsika manokana loatra no isahiranantsika fa ny an’ny namantsika. “Mikatsaka ny handravona sy ny hampiray hina isika.”22 Tsy mirotsaka amin’ny “fitsarana eritreritra” isika, na mitsara ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika, na miezaka manao izay hahalavo azy ireo.23 Fa mihevitra kosa isika fa ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika dia manao izay tsara indrindra vitany araka izay traikefam-piainana efa nananany.
Niasa teo amin’ny sehatry ny lalàna ny vadiko nandritra ny 20 taona mahery. Amin’ny maha mpisolovava azy dia matetika izy no niara niasa tamin’ireo hafa izay nanohana mazava hevitra mifanohitra amin’ny azy. Saingy nianarany izany hoe tsy miombo-kevitra izany nefa tsy maneho tsy fahalalam-pomba. Mety izao no ho teniny amin’ny torohevitra manohitra: “Hitako fa tsy hitovy hevitra isika amin’io resaka io. Mahafinaritra ahy ianao. Hajaiko ny hevitrao. Manantena aho fa afaka manolotra ahy fahalala-pomba mitovy amin’izany ianao.” Matetika izany dia nahafahana nifaneho fanajana ary finamanana mihitsy aza na dia teo aza ny tsy fitoviana.
Eny fa na ny mpifahavalo taloha aza dia afaka lasa miray hina eo amin’ny maha mpianatry ny Mpamonjy azy ireo.24 Tamin’ny 2006 aho dia nanatrika ny fanokanana ny Tempolin’i Helsinki, Finlande, ho fanomezam-boninahitra ny raiko sy ireo ray aman-dreniny izay niova fo voalohandohany ho amin’ny Fiangonana tany Finlande. Ireo Finlandey, anisan’izany ny raiko, dia efa am-polo taona no nanofinofy tempoly. Tamin’izany fotona izany, ny Faritra izay hosahanin’ny tempoly dia nahitana an’i Finlande, sy Estonie, sy Lettonie, sy Lithuanie, sy Bielorussie ary i Rosia.
Tamin’ny fanokanana dia nianatra zavatra tsy nampoizina aho. Ny andro voalohany nanaovana raharaha ankapobeny dia natokana ho an’ireo mpikambana Rosianina hanatanteraka ôrdônansin’ny tempoly. Sarotra ny hanazava na dia ny hoe hatraiza fotsiny ny maha mahatalanjona izany. Ady maro no nifanaovan’i Rosia sy Finlande nandritra ny taonjato maro. Ny raiko dia tsy nahatoky ary nankahala tsy hoe an’i Rosia fotsiny fa ireo Rosianina rehetra. Tamin-kafanam-po no nanehoana ireo fihetseham-po ireo, ary izany dia tena nampiavaka ny fankahalan’ny Finlandais an’i Rosia. Notadidiany tsianjery ireo tononkalon’ ady izay mitantara ireo ady tamin’ny taonjato faha-19 nifanaovan’ny Finlandais sy ny Rosianina. Ny zavatra niainany nandritra ny Ady Lehibe faharoa, raha nifandrafy indray i Finlande sy Rosia, dia vao mainka tsy nampiova hevitra azy.
Herintaona talohan’ny nanokanana ny Tempolin’i Helsinki, Finlande, dia nihaona ny kômitin’ny tempoly, izay tsy nahitana afa-tsy mpikambana Finlandey, handinihana drafitra ho an’ilay fanokanana. Nandritra ilay fivoriana, dia nisy nanamarika fa hanao dia andro maromaro ireo olomasina Rosianina hanatrehana ny fanokanana ary mety hanantena handray ny ôrdônansin’ny tempoly mialohan’ny hiverenany hody. Nandroso hevitra ny filohan’ilay kômity, Rahalahy Sven Eklund, fa azon’ireo Finlandais atao ny miandry elaela kokoa, ka ireo Rosianina no tokony mpikambana voalohany hanao ôrdônansin’ny tempoly ao amin’ilay Tempoliny. Nanaiky avokoa ireo mpikambana tao amin’ilay kômity. Nampiandrasan’ireo Olomasin’ny Andro Farany Finlandey mahatoky ny fitahiana entin’ny tempoly ho azy ireo mba handraisana ireo Olomasina Rosianina.
Ny Filohan’ny Vondromparitra, Loholona Dennis B. Neuenschwander, izay nanatrika io fivorian’ny kômitin’ny tempoly io, dia nanoratra taty aoriana hoe: “Tsy mbola nirehareha ny amin’ireo Finlandey mihoatra noho ny tamin’io fotoana io aho hatrizay. Ny tantara manahiran’i Finlande tamin’ny mpiray sisintany aminy avy ao atsinanana … sy ny fientanentanan’izy ireo fa hahazo tempoly ihany ahorina eo amin’ny tanin’izy ireo dia nampandeferina avokoa. Ny famelana ireo Rosianina hiditra aloha ao amin’ny tempoly dia fanambarana fitiavana sy fahafoizan-tena.”25
Raha nitatitra izany hatsaram-panahy izany tamin-draiko aho dia ontsa ny fony ary nitomany izy, izay zavatra tena tsy mpitranga ho an’ity Finlandey mahay miharitra ity. Nanomboka teo ka hatramin’ny nahafatesany telo taona taty aoriana, dia tsy naneho fihetseham-po ratsy mikasika an’i Rosia intsony izy. Nentanin’ny ohatr’ireo Finlandey namany ny raiko ka nisafidy ny hametraka ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra. Tsy nampihena ny naha Finlandey an’ireo Finlandey izany ary tsy nampihena ny naha Rosianina an’ireo Rosianina. Samy tsy nisy namoy ny kolotsainy na ny tantarany na ny zavatra niainany hanafoanana ny fandrafiana. Tsy nila nanao izany izy ireo. Fa nosafidian’izy ireo kosa ny hametraka ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo ho laharam-pahamehana indrindra.26
Raha nahavita izany izy ireo, dia mahavita koa isika. Afaka mitondra ny lovantsika sy kolotsaintsika ary traikefantsika ho aty amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy isika. Tsy namoy ny lovany tamin’ny naha Lamanita azy i Samoela,27 tsy namoy ny azy tamin’ny naha Nefita azy ihany koa i Môrmôna.28 Saingy samy nametraka ny naha mpianatry ny Mpamonjy azy ho lohalaharana izy ireo.
Raha tsy iray isika dia tsy Azy.29 Ny fanasana ataoko dia hoe aoka isika hahery fo amin’ny fametrahana ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny maha mpianatry ny Mpamonjy antsika ho ambonin’ny fotokevitra hafa rehetra.30 Aoka isika hanandratra avo ilay fanekempihavanana mampiavaka ny maha mpianatra antsika, dia ilay fanekempihavanana ny ho iray.
Aoka isika hanaraka ny ohatr’ireo Olomasina manerana izao tontolo izao izay lasa mpianatr’i Kristy soa aman-tsara. Afaka miantehitra amin’i Jesoa Kristy isika, izay “fihavanantsika, Izay … nandrava ny efitry ny fisarahana, fa tao amin’ny [sorona fanavotana nataony] no nandravany ny fandrafiana.”31 Ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesosy Kristy amin’izao tontolo izao dia hihatanjaka ary hitoetra ho tomady ara-panahy isika.32 Mijoro ho vavolombelona aho fa raha “miala amin’ny fifandirana” isika ka tonga “iray saina amin’ny Tompo amim-pitiavana sy miray hina Aminy amim-pinoana,” dia hanana ny fiadanany.33 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.