Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, araka ny voalaza teo dia hanolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana aho izao mba hotohananareo.

Miangavy anareo izahay mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra na aiza na aiza mety misy anareo. Raha misy aminareo manohitra na iza na iza amin’ireo hatolotra eto, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Izay manohitra, raha misy, aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho ny mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia afaka maneho izany koa.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Nisaoranay ny Loholona isany J. Devn Cornish, Timothy J. Dyches, David F. Evans, Robert C. Gay, James B. Martino, ary Terence M. Vinson tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy ireo ary omena ny anarana maha-Manampahefana Ambony nahavita asa tamim-boninahitra izy ireo.

Ireo izay maniry ny hiaraka aminay haneho fankasitrahana ho an’ireo rahalahy ireo sy ny fianakavian’izy ireo noho ny asa fanompoana feno fandavantena vitan’izy ireo dia aoka haneho izany amin’ny fananganana tanana.

Marihinay fa ny Loholona Dean M. Davies, izay nodimandry ny 31 aogositra 2021 teo dia ho nisaorana tamin’ny naha-Fitopololahy Manampahefana Ambony azy tamin’ity fihaonambe ity. Mampita amin’ny Rahavavy Darla Davies sy ny fianakaviana ny fiarahanay miory amin’izy ireo amin’ny fo feno fitiavana sy ny fankasitrahanay noho ny asa fanompoana tsy nitandroana hasasarana nataon’ny Loholona Davies izahay.

Hanehoanay fankasitrahana ihany koa ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra izay nahavita ny asa fanompoan’izy ireo tamin’iny taon-dasa iny.

Ireo izay te-hiaraka haneho fankasitrahana an’ireo rahalahy ireo aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo dia iangaviana haneho izany.

Aroso mba hotohanantsika ireo Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondromparitra, ka tafiditra ao anatin’izany ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao anankiroa izay natao filazana tao amin’ny newsroom.ChurchofJesusChrist.org tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ary ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Misaotra noho ny finoana asehonareo sy ny vavaka ataonareo tsy tapaka ho an’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany:

Pedro E. Hernández sy Charden Ndinga.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia nisaorana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany:

Guillermo I. Guardia sy Gaëtan Kelounou.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia nisaorana tamin’ny 1 aogositra 2021:

P. David Agazzani, Quilmer A. Agüero, Frederick O. Akinbo, Nelson Ardila, Richard C. Baquiran, Dong Chol Beh, Matthieu Bennasar, Lawrence P. Blunck, Luis J. Camey, Douglas B. Carter, Aroldo B. Cavalcante, Luis C. Chaverri, Ulises Chávez, Brent J. Christensen, Douglas L. Dance, M. T. Ben Davis, Marc C. Davis, J. Scott Dorius, M. Dirk Driscoll, Antonio F. Faúndez, José A. Fernández, Matías D. Fernández, Candido Fortuna, Bruce E. Ghent, Michael A. Gillenwater, Michael D. Groll, Daniel G. Hamilton, Tom-Atle Herland, Raymond S. Heyman, Jerat K. C. Igwe, Christophe Kawaya, John A. Koranteng, Ming-Shun Kuan, Todd S. Larkin, Juan J. Levrino, Carlo M. Lezano, Felix A. Martinez, J Vaun McArthur, Kevin K. Miskin, Helamán Montejo, Michael R. Murray, Ryan V. Pagaduan, A. Moroni Pérez, Carlos E. Perrotti, Mark P. Peteru, Thomas T. Priday, Brian L. Rawson, Rene Romay, Blake M. Roney, Luis G. Ruiz, Maximo A. Saavedra Jr., Pedro A. Sanhueza, Eric J. Schmutz, Paul H. Sinclair, Benjamin T. Sinjoux, David L. Stapleton, Daniel Texeira, Seiji Tokuzawa, Maxsimo C. Torres, Jesús Vélez, Carlos Villarreal, Paul H. Watkins, Robert K. William, C. Dale Willis, Kevin J Worthen, ary Luis G. Zapata.

Hamoaka printy