Fiadanana ho an’ny tena manokana mandritra ny fotoan-tsarotra
Tsy mbola nanan-danja mihoatra ny amin’izao ny fikatsahana fiadanana ho an’ny tena manokana.
Vao haingana aho no nirahina hanokana ny ampahany amin’ny toerana manan-tantaran’i Nauvoo. Tao anatin’io iraka io aho dia afaka nitsidika ny Fonjan’i Liberty tao Missouri. Rehefa nijery ilay fonja aho dia nandinika ireo tranga izay mahatonga izany ho isan’ny ampahany lehibe amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Notandidomin-doza ny ain’ireo Olomasina vokatry ny didy fandringanana navoakan’ny governoran’i Missouri. Ankoatra izany dia naiditra am-ponja tamin’ny tsy ara-drariny tao amin’ny Fonjan’i Liberty ny Mpaminany Joseph sy ny mpiara-miombon’antoka mahatoky vitsivitsy. Iray tamin’ireo antony nampamaivay ny fanoherana ireo mpikambantsika dia satria nanohitra ny fanandevozana ny ankamaroan’izy ireo.1 Ohatra faratampony amin’ny fampiasana tsy araka ny fahamarinana ny fahafahana misafidy izay mety miantraika amin’ny olo-marina io fanenjehana nahery vaika nianjady tamin’i Joseph Smith sy ireo mpanara-dia azy io. Ny fotoana niaretan’i Joseph tao amin’ny Fonjan’i Liberty dia maneho fa ny fahoriana dia tsy porofon’ny tsy fankasitrahan’ Andriamanitra na fisintonan’ny fitahiany.
Nihetsi-po tokoa aho raha namaky ny zavatra nambaran’ny Mpaminany Joseph Smith fony izy voafonja tao amin’ny Fonjan’i Liberty: “Andriamanitra ô, aiza no misy Anao? Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana fiafenanao?”2 Nanontany i Joseph hoe mandra-pahoviana ny vahoakan’ny Tompo no “[hiaritra] ireny hadisoana sy fampijaliana tsy ara-dalàna ireny.”3
Raha nijoro tao anatin’ny Fonjan’i Liberty aho dia tohina tokoa ny foko rehefa namaky ny valin-tenin’ny Tompo: “Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy; ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra.”4 Mazava fa ny fanoherana dia afaka manadio antsika ho amin’ny anjara mandrakizay sy selestialy.5
Misy dikany manan-danja amiko manokana ary misy lanjany lehibe ho an’izao androntsika izao ny teny sarobidy nataon’ny Mpamonjy hoe: “Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao.”6 Mampatsiahy ahy ny fampianarana nomeny an’ireo mpianany nandritra ny fanompoany tety an-tany izany.
Talohan’ny nijalian’i Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane sy teo amin’ny hazo fijalina dia nandidy ireo Apôstôliny Izy mba “hifankatiavan[’izy ireo]; eny … tahaka ny fitiava[ny azy ireo]”7 ary nampionony tamin’ny alalan’ireto teny ireto avy eo: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.”8
Iray amin’ireo anaram-boninahitra tiana indrindra an’i Jesoa Kristy, Tompo sy Mpamonjy antsika, ny hoe: “Andrian’ny Fiadanana.”9 Any am-parany dia ho tafaorina ny fanjakany, anisan’izany ny fiadanana sy ny fitiavana.10 Miandrandra ny fanapahan’ilay Mesia mandritra ny arivo taona isika.
Na dia eo aza io fomba fijery momba ny fanapahana mandritra ny arivo taona io dia fantatsika fa mbola tsy manjaka amin’izao androntsika izao izany tontolon’ny fiadanana sy rindra maneran-tany izany.11 Tsy mbola nahita tsy fanajana mihoatra noho ny amin’izao aho teo amin’ny fiainako. Mihatra tsy an-kiato amintsika ny fahatezerana, sy fiteny feno disadisa, ary fihetsika mihantsy sy manimba izay mandrava ny fiadanana sy ny filaminana.
Tsy mbola azo antoka na nampanantenaina ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao mandra-pahatongan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Nampahafantatra an’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy fa ny iraka notontosainy teto an-tany dia tsy hahatanteraka ny fiadanana eo amin’izao tontolo izao. Nampianatra izy hoe: “Aza ataonareo fa hitondra fiadanana ambonin’ny tany Aho.”12 Ny fiadanana ho an’izao tontolo izao dia tsy tao anatin’ny fanompoana teto an-tany notanterahan’ny Mpamonjy tany am-boalohany. Tsy misy izany fiadadana ho an’izao tontolo izao izany amin’izao andro izao.
Kanefa, azo tratrarina ny fiadanana ho an’ny tena manokana na dia eo aza ny fahatezerana, sy fifandirana, ary ny fisaraham-bazana izay manimba sy mamotika ny tontolontsika ankehitriny. Tsy mbola nanan-danja mihoatra ny amin’izao ny fikatsahana fiadanana ho an’ny tena manokana. Fihirana vaovao iray kanto sy lalaina nosoratan’ny Rahalahy Nik Day ho an’ireo zatovontsika ankehitriny, mitondra ny lohateny hoe “Fiadanam-po no omen’i Kristy” no manambara fa raha tsy misy fiadanana eto an-tany, dia “fiadanam-po no omen’i Kristy.”13 Fitahiana ho antsika ny nananana io fihirana io mialoha indrindra ny nisian’ilay valanaretina COVID-19 maneran-tany.
Io fihirana io dia maneho amin’ny fomba kanto ny faniriana fiadanana ary manantitrantitra tsara fa ny fiadanana dia mifototra amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny iraka notanterahiny. Nanambara ny Filoha Joseph F. Smith fa “Tsy afaka ny ho tonga eto amin’izao tontolo izao mihitsy izany fanahin’ny fiadanana sy fitiavana izany … mandra-pandrain’ny olona ny fahamarinan’ Andriamanitra sy ny hafatr’ Andriamanitra … , ary manaiky ny heriny sy ny fahefany izay masina.”14
Na dia tsy hitsahatra ny hiezaka hampisy fiadanana eo amin’izao tontolo izao aza isika, dia nomena toky fa afaka ny hanana fiadanana ho an’ ny tena manokana araka ny ampianarin’i Kristy. Aseho ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana io fitsipika io: “Nefa ianaro fa izay manao ny asan’ny fahamarinana dia handray ny valisoany, dia fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.”15
Inona avy ireo “asan’ny fahamarinana” izay hanampy antsika handravona ny disadisa sy hampihena ny fifandirana ka hahita fiadanana eto amin’izao tontolo izao? Mitondra amin’izany avokoa ireo fampianaran’i Kristy rehetra. Hilaza vitsivitsy aho, dia izay inoako fa manan-danja manokana.
Voalohany: Tiavo Andriamanitra, iaino ireo didiny, ary mamelà ny olon-drehetra.
Lasa filohan’ny Fiangonana ny Filoha George Albert Smith tamin’ny 1945. Mpitarika tia fiadanana no nahafantarana azy nandritra ireo taona naha-Apôstôly azy. Nandritra ireo 15 taona talohan’ny naha-filohan’ny Fiangonana azy dia tsy mba nisy fandriampahalemana mihitsy noho ireo fanamby sy fitsapana nentin’ny fitotonganana lehibe naneran-tany, narahin’ny fahafatesana sy fandravana nentin’ny Ady Lehibe II.
Tamin’ny fiafaran’ny Ady Lehibe II, nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana meneran-tany voalohany tamin’ny naha-filohan’ny Fiangonana azy, dia nampahatsiahy ireo Olomasina ny Filoha Smith ny amin’ny fanasan’ny Mpamonjy ny hitia ny namany sy hamela ny fahavalony ka nampianatra avy teo hoe: “Izany no toe-panahy tokony hokatsahin’ny Olomasina rehetra hananana raha manantena ny hijoro eo anatrehany sy hotsenainy amin’ny fandraisana be voninahitra indray andro any.”16
Faharoa: Katsaho ireo vokatry ny Fanahy
Ny taratasin’ny Apôstôly Paoly ho an’ireo Galatiana dia maneho ny fifanoheran’ny asan’ny fahamarinana izay mahamendrika antsika ny handova ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny asa izay, raha tsy misy fibebahana, dia mety tsy hahamendrika antsika. Isan’ireo asa izay mahamendrika antsika ireo vokatry ny Fanahy: “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, [ary] ny fahamoram-panahy.”17 Nampidirin’i Paoly tanatin’izany koa ny fifampitondrana ny enta-mavesatra sy ny tsy ho ketraka amin’ny fanaovan-tsoa.18 Nampidiriny ho isan’ireo asa tsy maneho fahamarinana ny fandrafiana sy ny fiafonafonana ary ny fifandirana.19
Mifandray amin’Ikaky Abrahama ny iray amin’ireo lesona lehibe tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Nanan-karena i Abrahama sy i Lota zanaky ny iray tampo taminy, saingy nahita fa tsy afa-niray monina izy ireo. Mba hanafoanana ny fifandirana dia navelan’i Abrahama i Lota hisafidy izay tany tiany. Nosafidian’i Lota ny lemak’i Jordana izay sady tongan’ny rano tsara no tsara tarehy. Noraisin’i Abrahama ny lemak’i Mamre izay tsy dia lonaka firy. Milaza ny soratra masina fa namelatra ny lainy i Abrahama avy eo ary nanorina “alitara … ho an’i Jehovah.”20 I Lota kosa tetsy an-kilany, “nifindrafindra toby hatrany Sodoma.”21 Mazava ny lesona tsoahina mba hananana fifandraisana feno fiadanana: mila vonona ny handefitra sy hanafoana ny fifandirana isika manoloana ireo raharaha izay tsy misy ifandraisany amin’ny fahamarinana mba hananana fifandraisana feno fiadanana. Araka ny nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Ary tsy ho ao an-tsainareo ny hifandratra fa hiaina kosa amim-pilaminana.”22 Saingy mila mitoetra ho hentitra sy tsy azo ozongozonina kosa isika mahakasika ireo fitondran-tena mifandray amin’ny fahamarinana sy ny fitakian’ny fotopampianarana.
Raha tiantsika ny hanana fiadanana izay valisoan’ny fahamarinana, dia tsy hifindrafindra toby hatrany amin’izao tontolo izao isika. Hatoditsika mankany amin’ny tempoly ny laintsika.
Fahatelo: Ampiasao ny fahafahana misafidy hisafidianana ny fahamarinana
Ny fiadanana sy ny fahafahana misafidy dia mifamatotra amin’ny maha-singa roa manan-danja azy ireo eo amin’ny drafitry ny famonjena. Araka ny voalazan’ny Miorim-paka ao amin’ny finoana, “Ny fahafahana misafidy [dia] fahafahana [nomen’ Andriamanitra antsika] hisafidy sy hanao zavatra araky ny nahim-pon[tsika].”23 Noho izany ny fahafahana misafidy no ampahany manan-danja indrindra amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana ary zavatra iainana izay mitahy antsika rehefa manaraka ny Mpamonjy isika.24
Ny fahafahana misafidy dia olana iray lehibe nandritra ny Filankevitra tany An-danitra sy ny ady teo amin’ireo izay nisafidy ny hanaraka an’i Kristy sy ireo mpanara-dia an’i Satana.25 Ny fialana amin’ny hambom-po sy ny filana hifehy ny zava-drehetra ary ny fisafidianana ny Mpamonjy dia ahafahantsika manana ny fahazavany sy ny fiadanany. Saingy ho voasedra ny fiadanan’ny tena manokana rehefa mampiasa ny fahafahany misafidy amin’ny fomba manimba sy mandratra ny olona.
Azoko antoka fa ny tokim-piadanana tsapantsika tao am-pontsika dia namafisin’ny fahalalana nananantsika ny amin’ny zavatra hataon’ny Mpamonjin’izao tontolo izao ho antsika. Aseho amin’ny fomba kanto izany ao amin’ny Torio ny filazantsarako: “Raha miantehitra amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy antsika hahazaka ny fitsapana, sy ny aretina ary ny fanaintainana Izy. Afaka ho feno fifaliana, sy fiadanana, ary fiononana isika. Ireo zavatra rehetra tsy rariny eo amin’ny fiainana dia afaka hahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”26
Fahefatra: Aoreno ao am-ponao sy ao an-tokantranonao i Ziona
Zanak’ Andriamanitra sy mpianakavy Aminy isika. Isika dia mpianakavy ihany koa ao amin’ny fianakaviana izay nahaterahantsika. Ny rafitry ny fianakaviana no fototra iorenan’ny fahasambarana sy ny fiadanana. Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson, ary nianatra isika nandritra ity valanaretina ity, fa ilay fitsipika ara-pivavahana mifotra any an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana dia afaka ny “hamoaka ny herin’ny fianakaviana … mba hanova ny fonenan[tsika] ho toerana masina isian’ny finoana.”27 Raha manjaka ao an-tokantranontsika io fitsipika ara-pivavahana io, dia hanana ny fiadanan’ny Mpamonjy ihany koa isika.28 Fantatray fa maro aminareo no tsy manana ny fitahiana ny hiaina ao amina ankohanana marina, ary mifamaly matetika amin’ireo izay misafidy ny tsy marina. Afaka manome fiarovana sy fiadanana ny Mpamonjy hiarovana anareo amin’ny loza sy hanomezana fialofana amin’ireo fitsapana sarotra eo amin’ity fiainana ity amin’ny farany.
Manome toky anareo aho fa ny fifaliana, sy ny fitiavana ary ny fahatontosana iainana ao amin’ny fianakaviana marina izay mifankatia dia hamokatra fiadanana sy fahasambarana. Ny fitiavana sy ny hatsaram-panahy no ivon’ny fananana an’i Ziona ao am-pontsika sy ao an-tokantranontsika.29
Fahadimy: Araho ireo torohevitra omen’ny mpaminanintsika amin’izao fotoana izao
Mitombo tokoa ny fiadanantsika rehefa manaraka ny mpaminan’ny Tompo, ny Filoha Russell M. Nelson. Tsy ho ela dia hanana fahafahana ny hiaino azy isika. Voaomana ho amin’io antso io izy hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Ny fanomanan-tenany dia tena niavaka izaitsizy.30
Nampianatra izy fa isika dia afaka “mahatsapa fiadanana sy fifaliana maharitra, na dia mandritra ny fotoana mampihotakotaka aza”31rehefa miezaka ny ho lasa mitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika. Nanoro hevitra antsika izy mba “hibebaka isan’andro” mba handray ny herin’ny Mpamonjy “izay manadio sy manasitrana ary mampatanjaka.”32 Vavolombelona manokana aho fa nandray sy mitohy mandray fanambarana avy an-danitra ny mpaminany malalantsika.
Na dia manaja sy manohana azy ho mpaminanintsika aza isika; dia ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no tompointsika. Tompoin’ny Fanahy Masina isika.
Mijoro ho vavolombelona aho ary manome ny tenivavolombeloko manokana amin’ny maha-Apôstôly ahy fa i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao, dia mitarika sy mitantana ny Fiangonany tafaverina amin’ny laoniny. Ny fiainany sy iraka manavotra nataony no tena loharanon’ny fiadanana. Izy no Andrian’ny Fiadanana. Mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana sy manetriketrika aho fa velona Izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.