Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Miatrika ireo rivo-doza ara-panahintsika amin’ny finoana an’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Miatrika ireo rivo-doza ara-panahintsika amin’ny finoana an’i Kristy

Miatrika ireo rivo-doza ara-panahintsika amin’ny fomba tsara indrindra isika amin’ny finoana an’i Kristy sy amin’ny fitandremana ny didiny.

Nandritra izay enin-taona lasa izay dia nipetraka tao Texas eo akaikin’ny morontsiraka atsimon’i Etazonia izaho sy i Ann vadiko malala, toerana izay nisian’ny rivo-doza nahery vaika indrindra namely an’i Etazonia, izay namela faharavana goavana ary aina nafoy mihitsy. Indrisy fa ireo volana faramparany teo dia mbola nitrangan’ny tranga tena mampalahelo toy izany. Manolotra ny fitiavanay sy mivavaka ho an’ireo rehetra izay tra-pahavoazana izahay. Tamin’ny 2017 dia niaina nivantana ny Rivo-doza Harvey izahay, izay niakaran’ny ranonorana avo indrindra hatramin’izay ho 1 m 50.

Lalàna voajanahary no mibaiko ny fiforonan’ny rivo-doza. Tsy maintsy mahatratra farafahakeliny 27 degrés celsius ny maripanan’ny ranomasimbe, hatrany amin’ny 50 m any ambanin’ny ranomasimbe. Rehefa mihaona ny rivotra sy ny rano mafanan’ny ranomasimbe dia manetona ny rano ary miakatra mankany amin’ny atmôsfera ka lasa hamandoana. Avy eo dia miforona ny rahona ary ny rivotra dia mahatonga fihodinkodinana eo ambonin’ny ranomasimbe.

Sary
Rivo-doza

Goavambe ny halehiben’ny rivo-doza, mananika hatramin’ny 15 km na mihoatra ny atmôsfera ary midadasika 200 km farafahakeliny. Mahaliana tokoa fa rehefa tonga an-tanety ny rivo-doza dia mihena ny heriny noho izy ireo tsy eo ambonina rano mafana intsony, izay ilainy amin’ny famatsiana ny heriny.1

Mety tsy hiatrika rivo-doza mahery vaika tena izy mihitsy ianao. Saingy isika tsirairay dia efa nianjadiany ary hianjadian’ny rivo-doza ara-panahy izay handrahona ny fiadanantsika ary hitsapa ny finoantsika. Eto amin’izao tontolo izao ankehitriny dia toa mihamitombo hatrany ny hatetik’izy ireo sy ny heriny. Soa ihany ny Tompo fa nanome antsika fomba azo antoka handresena azy ireny amim-pifaliana. Ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mampanome toky antsika fa “raha maizina ny lalan[tsika] ka maloka ny fiainan[tsika], misy azon[tsika] hantenaina. Akaiky ny famonjena.”2

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

“Afaka ny ho faly ao anatin’ny toe-javatra mitranga rehetra ny olomasina. Afaka mahatsapa fifaliana isika na dia miaina andro sarotra, herinandro sarotra, na taona sarotra mihitsy aza!

“… Zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika, fa tena mifandray kosa amin’izay ifantohan’ny fiainantsika izany.

“Rehefa i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”3

Toy ny fibaikoan’ireo lalàna voajanahary ny rivo-doza tena izy, dia mibaiko ny fahatsapantsika fifaliana mandritra ny rivo-dozantsika ara-panahy ny lalàna avy any an-danitra. Ny fifaliana na ny alahelo tsapantsika rehefa miatrika ireo tafiotry ny fiainana dia mifamatotra amin’ireo lalàna izay napetrak’ Andriamanitra. Nizara ny Filoha Nelson hoe: “Antsoina hoe didy izy ireo, kanefa mitovy amin’ny lalàn’ny fibatana zavatra, ny lalàn’ny hery misintona, ary ny lalàna mibaiko ny fidobohan’ny fo ihany ny fahamarinan’izy ireo.”

Dia nanohy ny Filoha Nelson hoe: “Lasa tena tsotra ilay raikipohy: Raha te ho sambatra ianao dia tandremo ny didy.”4

Fahavalon’ny finoana sy ny fifaliana ny firoanahana. Tahaka ny rano mafanan’ny ranomasimbe izay mamelona ny rivo-doza, ny firoanahana no mamelona ireo rivo-doza ara-panahy. Tahaka ny maha safidy ny mino, dia toy izany koa ny miroanahana. Rehefa misafidy ny hiroanahana isika dia misafidy ny hoe hetsehina, ka manome fahefana ny fahavalo, ary izany dia hahatonga antsika ho marefo sy ho tandindomin-doza.5

Mikatsaka ny hitarika antsika ho eo amin’ny firoanahana lava i Satana. Mikatsaka ny hanamafy ny fontsika izy mba tsy hinoantsika.6 Ny firoanahana lava dia mety ho mahasarika satria ny ranony izay toa mafana sy milamina dia tsy mitaky antsika ny “hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra.”7 Ao anatin’ny karazana rano tahaka izany dia maka fanahy antsika mba tsy hitandrina ara-panahy i Satana. Izany tsy fitandremana izany dia mety hiteraka tsy fahampian’ny faharesen-dahatra ara-panahy, ka ao isika dia “[sady] tsy mangatsiaka [no tsy] mafana.”8 Raha tsy miorim-paka ao amin’i Kristy isika dia hitondra antsika ho amin’ny tsy firaikana ny firoanahana sy ny fitaoman’izany, ka amin’izany isika dia tsy hahita fahagagana sy fahasambarana maharitra, ary tsy hahita “fitsaharana ho an’ny fanahin[tsika].”9

Toy ny fihenan’ny herin’ny rivo-doza rehefa tonga ao an-tanety, dia misolo ho finoana ny firoanahana rehefa manorina ny fototra ijoroansika eo amin’i Kristy isika. Dia afaka hahita ireo rivo-doza ara-panahy araka ny fomba fijery tokony ho izy isika, ary hitombo ny fahaizantsika mandresy azy ireny. Ary “rehefa handefa ny rivo maheriny ny devoly, eny, ny zana-tsipìkany ao amin’ny tadio, … dia tsy hanan-kery … amin[tsika] izany mba hisintona an[tsika] hidina any amin’ny hantsan’ny fahoriana sy ny loza tsisy farany, noho ilay vatolampy izay iorenan[tsika] eo amboniny, izay fototra azo antoka.”10

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe:

“Ny finoana an’i Jesoa Kristy no fototry ny finoana rehetra sy fantsona hahazoana ny herin’ Andriamanitra. …

“Tsy mitaky finoana tonga lafatra ny Tompo vao hoe ho afaka ny hahazo ny heriny tonga lafatra isika. Saingy mangataka antsika Izy mba hino.”11

Hatramin’ny fihaonambe maneran-tany aprily teo dia nikatsaka hatrany ny hampatanjaka ny finoanay an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izaho sy ny fianakaviako, mba hanampy anay “hanova ireo olana ho zary fivoarana sy fahafahana tsy misy toa azy.”12

I Ruby zafikelinay vavy dia notahiana amin’ny fananana toe-tsaina hijery ny lafitsaran-javatra hatrany eo amin’ny fiainana. Tamin’izy teraka dia tsy nifandray tamin’ny vavonony ny lalankaniny. Na dia tamin’izy mbola kely aza dia natrehan’i Ruby, niaraka tamin’ny fanampian’ny ray aman-dreniny, tamin’ny herim-po tsy mahazatra izany fisedrana izany. Dimy taona i Ruby amin’izao. Na dia mbola tena kely taona aza izy dia maodely fakan-tahaka mahery vaika amin’ny tsy famelana ny toe-javatra mahazo azy hamaritra ny fahasambarany. Faly foana izy.

Tamin’ny volana mey farany teo dia niatrika tamim-pinoana rivo-doza iray fanampiny teo amin’ny fiainany i Ruby. Tamin’izy teraka dia tsy nitombo tsara ihany koa ny tanany ka izany dia nitaky fandidiana fanarenana. Mialoha izany fandidiana tena sarotra izany dia nitsidika azy izahay ary nanome azy sary maneho amin’ny fomba kanto ny tanan’ny zaza iray mihazona mafy ny tanan’ny Mpamonjy. Rehefa nanontanianay izy hoe matahotra ve izy, dia namaly tsy tam-pisalasalana hoe: “Tsia, faly aho!”

Sary
I Ruby miaraka amin’ny sarihosodokon’ny tanan’ny Mpamonjy

Avy eo dia nanontanianay izy hoe: “Ruby, fa nahoana?”

Natoky tena tsara i Ruby namaly hoe: “Satria fantatro fa hihazona ny tanako i Jesoa.”

Fahagagana ny nahasitranan’i Ruby ary mbola sambatra foana izy hatramin’izao. Tena samy hafa mihitsy ny finoan’ny zaza iray raha oharina amin’ny firoanahana adala maka fanahy antsika matetika rehefa mitombo taona isika!13 Saingy afaka miova ho toy ny zazakely avokoa isika ary misafidy ny hiala amin’ny tsy finoana. Safidy tsotra izany.

Niangavy tamim-pahazotoana tamin’ny Mpamonjy ny ray be fitiavana iray, nanao hoe: “Fa raha mba misy hainao, … vonjeo izahay.”14

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.

“Ary niaraka tamin’izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo mba ho afaka amin’ny tsi-finoako.”15

Io ray manetry tena io dia nisafidy ny hametra-patokiana amin’i Kristy fa tsy amin’ny firoanahany. Nizara an’izao ny Filoha Nelson: “Ny tsi-finoanao ihany no hanakana an’ Andriamanitra tsy hitahy anao amin’ny fahagagana mba hamindra ireo tendrombohitra eo amin’ny fiainanao.”16

Akory ny famindram-pon’ilay Andriamanitsika nametraka ny fenitra ho antsika amin’ny hoe mino fa tsy hoe tsy maintsy mahafantatra!

Nampianatra i Almà hoe:

“Hotahiana izay mino ny tenin’ Andriamanitra.”17

“[Fa] Andriamanitra dia feno famindram-po amin’izay rehetra mino ny anarany; noho izany, maniry Izy voalohany indrindra ny hinoanareo.”18

Eny tokoa, voalohany indrindra dia maniry Andriamanitra ny hinoantsika Azy.

Miatrika ireo rivo-doza ara-panahintsika amin’ny fomba tsara indrindra isika amin’ny finoana an’i Kristy sy amin’ny fitandremana ny didiny. Ny finoantsika sy ny fankatoavantsika dia mampifandray antsika amina hery tsy ananantsika mba handresy “na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika.”19 Eny tokoa, Andriamanitra dia “mitahy [antsika] avy hatrany” rehefa mino sy mankatò isika.20 Raha ny marina, rehefa mandeha ny fotoana dia miova ho amin’ny fahasambarana ny maha olona antsika ary “velomina ao amin’i Kristy” isika rehefa mampihatra ny finoantsika Aminy sy mitandrina ireo didiny.21

Ry rahalahy sy anabavy, aoka isika hisafidy androany ny “[tsy] miroanahana, fa min[o] kosa.”22 “Ny lala-mahitsy dia ny mino an’i Kristy.”23 “Efa vita[ny] tombokavatsa … eo amin’ny felatana[ny isika].”24 Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika izay mijoro eo am-baravarantsika ka mandondòna.25 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy