Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Finoana hiasa sy hahatratrarana izay tokony hahatongavana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Finoana hiasa sy hahatratrarana izay tokony hahatongavana

Afaka manokatra ireo fitahian’ny lanitra sy ho tonga mpanaradia tsara kokoa an’ny Mpamonjy Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny vavaka, fandalinana soratra masina ary fanaovana asa.

Fotoana fohy taorian’ny niantsoana ahy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia nanana fahafahana aho nihaona tamin’ny Filoha Russell M. Nelson nandritra ny minitra vitsivitsy. Fihaonana tsy nomanina tao amin’ny toerana fisakafoana ilay izy, ary nentin-katsaram-panahy izy nanasa ny Loholona S. Mark Palmer sy ny tenako mba hipetraka hiara-hisakafo aminy.

“Inona no resahana mandritra ny fiarahana misakafo atoandro miaraka amin’ny mpaminany?” hoy aho an’eritreritra. Ka dia nanapa-kevitra ny hanontany ny Filoha Nelson aho hoe manana torohevitra na torolalana ho ahy ve izy noho izaho vao manomboka amin’ny antsoko. Ny valin-teniny dia tena tsotra sy mivantana; nijery ahy izy ary niteny hoe: “Ry Loholona Schmeil, antsoina ianao hanatratra izay tokony hahatongavanao.” Rehefa niala teo aho dia nisaintsaina ny amin’ny hoe tian’ny Tompo ho tonga inona aho. Rehefa nieritreritra momba izany aho dia nahatsapa fa tiany ho tonga vady, ray, ary zanaka tsaratsara kokoa aho sy mpanompo tsaratsara kokoa. Avy eo dia hitako fa izany rehetra izany dia azo tanterahina rehefa miezaka ny ho tonga ho mpianatr’i Jesoa Kristy Mpamonjy tsaratsara kokoa aho.

Tamin’ny fihaonambe farany, dia nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Mitaky ezaka ny fahombiazana amin’ny zava-drehetra. Tsy maningana amin’izany ny fahatongavana ho mpianatra marina an’i Jesoa Kristy.”1 Manasa antsika ny Filoha Nelson hiasa mafy mba ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa. Nilaza tamintsika izy fa mba hahatongavantsika tahaka ny Mpamonjy kokoa dia mila manamafy ny finoantsika isika amin’ny fangatahana sy fanaovana asa ary fandalinana, mbamin’ny zavatra hafa.

1. Mangataka

Nilaza izy hoe: “Mangataha fanampiana amin’ny Rainao any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.”2 Ny mangataka amin’ny alalan’ny vavaka dia iray amin’ireo fanalahidy ahafantarana hoe ahoana no hahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa.

Rehefa mby hifarana ny asa fanompoana nataon’i Jesoa Kristy teo anivon’ireo Nefita tany Amerika dia niakatra tany an-danitra Izy. Taorian’izay dia niara-nivory ireo mpianany, “tafaray tamin’ny vavaka mahery ary ny fifadian-kanina. Ary naneho ny tenany taminy indray i Jesoa, satria nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny Anarany izy.”3 Nahoana i Jesoa no naneho indray ny tenany tamin’ireo mpianany? Satria nivavaka izy ireo; nangataka izy ireo.

Avy eo Izy dia nanohy hoe:

“Ary ankehitriny Aho dia mandeha any amin’ny Ray. Ary lazaiko aminareo marina tokoa, na inona na inona zavatra hangatahinareo ny Ray amin’ny anarako dia homena anareo.

“Koa, mangataha dia handray ianareo; dondòny dia hovohana ianareo; fa izay mangataka no mahazo; ary izay mandondona no hovohana.”4

Mila mangataka am-pinoana isika mba hahafantarantsika ny sitrapon’ny Tompo, ary mila manaiky fa mahafantatra izay tsara kokoa ho antsika ny Tompo.

2. Manao asa

Ny fanaovana asa araka izany dia fanalahidy iray hafa amin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa. Rehefa manao asa isika dia hitarika sy hanoro lalana antsika miandalana Izy. Azoko antoka fa nitady fitarihana avy amin’ny Tompo i Nefia mba hahafantarana ny fomba hahazoana ireo takela-barahina any amin’i Labana, kanefa indroa nanandrana izy sy ny rahalahiny fa tsy nahomby. Nanao asa anefa izy ireo, ary nitarika azy ireo miandalana ny Tompo. Nony farany dia nahomby i Nefia tamin’ny fanintelony. Hoy izy hoe: “Notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko.”5

Izany no fomba fiasan’ny Tompo rehefa manao ezaka isika ka manao asa, eny fa na dia tsy manana fahatakarana mazava tsara ny zavatra mila atao aza. Nolazain’ny Tompo an’i Nefia hoe inona no hatao: handeha sy haka ireo takelaka. Fa tsy nolazainy an’i Nefia hoe ahoana no hanaovana izany. Navelany tamin’i Nefia ny fitadiavana sy fikatsahana ny fanampian’ny Tompo, ary matetika dia toy izany no fomba fiasan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Rehefa manao asa amim-pinoana isika dia mitarika sy manoro lalana antsika ny Tompo.

3. Mandalina

Ao amin’ny 3 Nefia dia niteny tamin’ny Mpamonjy ireo mpianatra fa nisy fifanjihirana teo anivon’ny vahoaka mikasika ny anaran’ny Fiangonana. Ho valin’izany, dia nampianatra fitsipika iray manan-danja ny Mpamonjy rehefa nanontany Izy hoe: “Tsy efa novakiany va ny soratra masina?”6 Ny mandalina araka izany dia fanalahidy iray hafa amin’ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesoa Kristy tsaratsara kokoa. Ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina dia miara-dalana. Miara-miasa izy ireo hahasoa antsika. Izany no rindran-damina napetraky ny Tompo. “Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”7

Nampianatra koa ny Mpamonjy fa tsy vitan’ny hoe tokony hianatra ny soratra masina fotsiny isika fa tokony hampianatra avy amin’izany ihany koa, araka ny nasehony tamin’ireo Nefita: “Ary ankehitriny ny zava-nitranga rehefa avy novelabelarin’i Jesoa ho iray ny soratra masina rehetra, izay efa nosoratan’izy ireo, dia nodidiany izy ireo mba hampianarany ny zavatra izay efa novelabelariny taminy.”8

Izao no iray amin’ireo antony naha zava-dehibe ny niverenan’i Nefia haka ireo takela-barahina: nila ny soratra masina ny fianakaviany, tsy vitan’ny hoe mba hanampy azy ireo amin’ny dia mankany amin’ny tany nampanantenaina fa hanampy azy ireo ihany koa hampianatra ireo zanany. Isika koa dia tokony hikatsaka fitarihana avy amin’ny soratra masina amin’ny dia ataontsika, ary tokony hampianatra avy amin’izany isika ao an-tokantrano sy amin’ny antso ato amin’ny Fiangonana.

4. Manao asa mba hahatratrarana izay tokony hahatongavana

Imbetsaka ny valin’ny vavaka no tsy ho tonga eo no eo. Kanefa dia mila manana finoana ny hanohy sy hiasa am-pahamarinana ary hitozo hatrany isika tahaka an’i Nefia rehefa niezaka naka ireo takela-barahina izy. Hampiseho amintsika tsikelikely sy miandalana ny Tompo; rehefa mandalina ny soratra masina isika dia homen’ny Tompo antsika ny valiny na ny hery ilaina mba hamitantsika andro iray fanampiny, herinandro iray fanampiny, ary hiezaka indray mandeha fanampiny. Hoy ny Loholona Richard G. Scott: “Mahaiza mankasitraka fa avelan’ Andriamanitra ho sahirana mandritra ny fotoana ela ianao alohan’ny hahatongavan’ny valiny. Izany dia mahatonga ny finoanao hitombo ary mahatonga ny toetranao hivoatra.”9

Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina, ny Tompo dia nanome ahy hatrany ny hery hanao asa sy haharitra iray andro fanampiny, herinandro iray fanampiny, ary hiezaka indray mandeha indray. Imbetsaka no tsy tonga teo no eo ny valiny. Manana fanontaniana izay tsy mbola novaliana aho, kanefa manohy mangataka sy mandalina, ary faly aho fa ny Tompo dia manohy manome ahy ny hery hanao asa eo am-piandrasako valiny.

Hoy ny Loholona Scott hoe: “Rehefa manao zavatra araka izay farany hahatakaranao azy ianao nefa mbola miahiahy ny amin’izay tokony hatao dia amin’ny alalan’ny fampiharana ny finoana no hitarihana anao hahita vahaolana izay tsy ho azonao amin’ny fomba hafa ankoatra izany.”10

Ny fahatongavana ho mpanaradia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy tsaratsara kokoa dia lalan-ko diavina mandritra ny fiainana manontolo, ary isika rehetra dia eo amin’ny dingana samy hafa, ary mandroso amin’ny hafainganana samy hafa. Mila mitadidy isika fa tsy fifaninanana izany, ary eto isika mba hifankatia sy hifanampy. Mila manao asa isika mba hamelana ny Mpamonjy hiasa miaraka amintsika eo amin’ny fiainantsika.

Hoy ny Tompo tamin’i Sidney Rigdon: “Efa nozahako ianao sy ny asanao. Efa reko ny fivavakao ary efa nomaniko ho amin’ny asa lehibe kokoa ianao.”11 Mijoro ho vavolombelona aho fa mandre sy mamaly ny vavaka ataontsika ny Tompo, mahafantatra antsika Izy; manana asa lehibe ho antsika tsirairay Izy. Afaka manokatra ireo fitahian’ny lanitra sy ho tonga mpanaradia tsara kokoa an’ny Mpamonjy Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny vavaka, fandalinana soratra masina ary fanaovana asa.

Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks fa “ny Fitsarana Farany dia tsy hoe fanombantombanana fotsiny ny fitambaran’ny zavatra tsara sy ratsy natao—izany hoe izay zavatra vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika.”12

Feno fankasitrahana aho noho ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara, izy ireo dia mpitily eny ambony tilikambo. Mahita zavatra izay tsy hitantsika izy ireo. Mijoro ho vavolombelona aho fa amin’ny alalan’ny tenin’izy ireo dia afaka ny ho tonga mpanaradia an’i Jesoa Kristy Mpamonjy tsaratsara kokoa isika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy ary mahafantatra antsika tsirairay manokana Izy. Ity no Fiangonany. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Hamoaka printy