Ny fitiavan’ Andriamanitra
Nomen’ny Raintsika sy ny Mpanavotra antsika didy isika, ary amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ Izy Ireo no ahatsapantsika ny fitiavan’Izy Ireo tonga lafatra feno kokoa sy lalina kokoa.
Tia antsika amin’ny fitiavana lalina sy tanteraka ny Raintsika any An-danitra.1 Noho ny fitiavany dia namorona drafitra Izy, drafitry ny fanavotana sy fahasambarana mba hanokafana ho antsika rehetra ireo fahafahana sy fifaliana rehetra izay iriantsika ho azo, ka izany dia hatramin’ny zavatra rehetra ananany sy ny mitovy toa Azy.2 Mba hahatanteraka izany dia vonona ny hanolotra ny Zanany Malala mihitsy Izy, dia i Jesoa Kristy izany, mba ho Mpanavotra antsika. “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”3 Fitiavana madion’ny Ray ny Azy, mananika izao rehetra izao izany, kanefa koa ho an’ny tsirairay manokana.
Ifampizaran’i Jesoa Kristy amin’ny Ray izany fitiavana tonga lafatra izany. Rehefa namolavola ny drafitra lehiben’ny fahasambarany ny Ray tamin’ny voalohany dia niantso olona iray Izy mba ho Mpamonjy hanavotra antsika, ka izany dia singa lehibe ao amin’izany drafitra izany. Nanolo-tena i Jesoa, “Inty aho; iraho aho.”4 Ny Mpamonjy “dia tsy manao na inona na inona afa-tsy izay ho tombontsoan’izao tontolo izao; satria tia izao tontolo izao Izy ka nomeny na dia ny ainy aza mba hisarihany ny olona rehetra hanatona Azy. Noho izany Izy dia tsy mandidy na iza na iza tsy handray anjara amin’ny famonjeny.”5
Izany fitiavana masina izany dia tokony hanome fampiononana sy fahatokiana lehibe ho antsika rehefa mivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Kristy isika. Tsy misy tsy fantatr’ Izy Ireo isika. Tsy tokony hisalasala hiantso an’ Andriamanitra isika, na dia rehefa mahatsiaro ho tsy mendrika aza. Afaka miantehitra amin’ny fahamendrehana sy ny famindram-pon’i Jesoa Kristy isika mba hihainoana antsika.6 Raha mitoetra ao amin’ny fitiavan’ Andriamanitra isika dia mihamihena hatrany hatrany ny fianteherantsika amin’ny fankatoavan’ny hafa antsika mba hitarihana antsika.
Tsy manome rariny ny fahotana ny fitiavan’ Andriamanitra. Fa manolotra fanavotana amin’izany kosa
Koa satria miantefa amin’ny zava-drehetra ny fitiavan’ Andriamanitra dia misy ireo izay milaza izany ho “tsy misy fepetra,” ka mety hanitatra ao an-tsainy izy ireo hoe ny dikan’izany dia “tsy misy fepetra” ny fahazoana ireo fitahian’ Andriamanitra, ary “tsy misy fepetra” ny fahazoana famonjena.” Tsy izany anefa. Ny sasany dia milaza matetika hoe: “Tia ahy amin’ny maha-izaho ahy ny Mpamonjy,” ary tena marina tokoa izany. Saingy tsy afaka maka antsika tsirairay amin’ny maha-isika antsika ho ao amin’ny fanjakany anefa Izy, “fa tsy misy zavatra tsy madio afaka mitoetra ao na mitoetra eo anatrehany.”7 Tsy maintsy voavela aloha ny fahotantsika.
Nanao fanamarihana ny Profesora Hugh Nibley indray mandeha fa tsy afaka haharitra ny fanjakan’ Andriamanitra raha toa ka mamela na dia ny fahotana bitika indrindra aza: “Sombim-paharatsiana kely monja dia midika fa sady tsy tontolo tsy misy fahalavoana no tsy ho tontolo mandrakizay ny tontolo ho avy. Ny indro bitika iray eo amin’ny trano, rafitra, sata mifehy, na eo amin’ny toetra iray dia hampidi-doza any amin’ny mandrakizay.”8 “Hentitra” ny didin’ Andriamanitra9 satria ny fanjakany sy ny olona ao amin’izany dia tsy afaka mijoro raha tsy amin’ny fanoherana tsy tapaka ny ratsy sy ny fisafidianana ny tsara, ka tsisy tokony haningana izany.10
Nandinika ny Loholona Jeffrey R. Holland fa “nahatakatra tsara ny zavatra izay toa hadinon’ny maro amin’izao kolontsaina misy antsika izao i Jesoa, dia ny hoe misy fahasamihafana lehibe tokoa amin’ny didy hamela ny fahotana (izay Izy no manana fahafahana tsy manam-petra hanao izany) sy ny fampitandremana mba tsy hilefitra manoloana ny fahotana (izay zavatra tsy mbola nataony mihitsy na dia indray mandeha monja aza).”11
Saingy na dia eo aza ny tsy fahatanterahantsika ankehitriny dia mbola afaka manantena handray “anaran[a] sy toeran[a],”12 anjara, ao amin’ny Fiangonany sy ao amin’ny tontolo selestialy isika. Rehefa nantitranteriny tsara fa tsy afaka manome rariny ny fahotana na milefitra amin’ny fahotana Izy, ny Tompo dia manome toky antsika fa:
“Na izany aza anefa, izay mibebaka sy mankatò ny didin’ny Tompo dia havela heloka.”13
“Eny, ary isaky ny mibebaka ny oloko dia Izaho hamela ny fahadisoany Tamiko.”14
Mamaha ilay olana mampifanjevo ny fibebahana sy ny fahasoavana masina:
“Ary tsarovy koa ny teny izay notenenin’i Amioleka tamin’i Zezrôma, tao an-tanànan’i Amônihà; satria nolazainy taminy fa ho avy marina tokoa ny Tompo hanavotra ny olony, saingy tsy ho avy Izy hanavotra azy ao amin’ny fahotany, fa hanavotra azy kosa amin’ny fahotany.
“Ary manana ny fahefana nomena Azy avy amin’ny Ray Izy mba hanavotra azy amin’ny fahotany noho ny fibebahana; noho izany Izy dia efa naniraka ny anjeliny hilaza ny vaovao momba ny fepetran’ny fibebahana, izay mitondra mankamin’ny herin’ny Mpanavotra ho famonjena ny fanahiny.”15
Miaraka amin’ireo fepetran’ny fibebahana, ny Tompo dia afaka maninjitra famindram-po ka tsy voatery handroba fahamarinana, ary “Andriamanitra dia tsy mitsahatra ny ho Andriamanitra.”16
Ny fomban’izao tontolo izao araka ny fantatrareo dia ny anti-Kristy, na ny hoe “tsy mila an’i Kristy.” Izao androntsika izao dia fiverenan’ny tantaran’ny Bokin’i Môrmôna izay nikatsahan’olona manan-kaja fahefana tsy araka ny fahamarinana amin’ny hafa, fankalazana ny fahotana ara-pitondrantena, ary famporisihana ny fangoronan-karena ho anton’ny fisiantsika. Ny filôzôfian’izy ireo dia manamarina ny fanaovana fahotana kely,17 ary ny fanaovana fahotana maro mihitsy aza, saingy tsy hahazoana fanavotana avokoa izany rehetra izany. Izany dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny ran’ilay Zanak’ondry. Ny tsara indrindra azon’ireo mpanohana ilay hoe “tsy mila an’i Kristy” na “tsy mila fibebahana” atolotra dia ny filazana tsy marim-pototra fa tsy misy izany heloka izany na raha hoe misy izany dia tsy hisy vokany any amin’ny farany. Tsy hitombona firy izany petra-kevitra izany mandritra ny Fitsarana Farany.18
Tsy hahavita hanamarina ny fahotana mihitsy isika. Fa tsy irery ihany koa anefa isika rehefa hiezaka hamafa ny voka-dratsin’ireo fahotantsika. Ny fivavahantsika dia tsy fivavahana manome rariny ny fahotana na fivavahana mivoy ny fahalavorariana feno fa fivavahana manolotra fanavotana kosa, fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Raha toa isika ka isan’ireo izay mibebaka dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliany ireo fahotantsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, ary “ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika.”19
Ny fitiavana feno hafanam-pon’ireo mpaminany dia azo itarafana ny fitiavan’ Andriamanitra
Nanaitra ahy hatrany, ary efa tsapako ihany koa, ny fitiavana feno hafanam-pon’ireo mpaminanin’ Andriamanitra amin’ny fampitandreman’izy ireo amin’ny fahotana. Tsy faniriana hanameloka no manosika azy ireo. Ny tena fanirian’izy ireo dia azo itarafana ny fitiavan’ Andriamanitra; raha ny marina dia izany no fitiavan’ Andriamanitra. Tian’izy ireo ireo izay nanirahana azy ireo, na iza izany na iza ary ary na olona manao ahoana na olona manao ahoana. Toy ny Tompo ihany, ireo mpanompony dia tsy maniry ny hisin’ny olona hampahorian’ny fanaintainan’ny fahotana sy ny safidy ratsy natao.20
I Almà dia nirahana hanambara ny hafatry ny fibebahana sy ny fanavotana tamina vahoaka feno fankahalana izay vonona ny hanenjika sy hampijaly ary hamono mpino Kristiana mihitsy, ka tao anatin’izany i Almà. Kanefa dia tiany izy ireo ary naniry mafy fanavotana ho azy ireo izy. Nitalaho toy izao i Almà rehefa avy nanambarana ny Sorompanavotan’i Kristy tamin’ny vahoakan’i Amônihà: “Ary ankehitriny, ry rahalahiko, dia iriako hatrany amin’ny aty foko indrindra, eny, amin’ny tebiteby lehibe, amin’ny fanaintainana aza ny hihainoanareo ny teniko sy ny hanarianareo ny fahotanareo, … mba ho azo hasandratra ianareo amin’ny andro farany ary hiditra ao amin’ny fitsaharan[’ Andriamanitra].”21
Araka ny nilazan’ny Filoha Russell M. Nelson azy hoe: “Koa noho izahay miraharaha lalina tokoa ny zanak’ Andriamanitra rehetra no hanambaranay ny fahamarinany.”22
Tia anao Andriamanitra; Moa ve ianao tia Azy?
Ny fitiavan’ny Ray sy ny Zanaka dia omena maimaim-poana saingy mifono zavatra antenaina sy andrasana aminao. Raha hindrana ny tenin’ny Filoha Nelson indray aho dia hoy izy hoe: “Ny fitiavana mandrakizain’ Andriamanitra ho antsika sy ny faniriany ny hahatongavantsika amin’izay rehetra tokony hahatongavantsika no antony tanteraka nanomezany ireo lalàny.”23
Noho Izy Ireo tia anao dia tsy te hamela anao amin’ilay hoe “ny maha-anao anao” Izy Ireo. Noho Izy Ireo tia anao dia iriany ny hanananao fifaliana sy fahombiazana. Noho Izy Ireo tia anao dia maniry ny hibebahanao Izy Ireo satria izany no lalana mankamin’ny fahasambarana. Safidinao anefa izany, manaja ny fahafahanao misafidy Izy Ireo. Tsy maintsy misafidy ny hitia, hanompo, ary ny hitandrina ny didin’ Izy Ireo ianao. Dia afaka hitahy anao amin’ny fitahiana sesehana Izy Ireo sady hitia anao ihany koa.
Ny zavatra voalohany andrasan’ Izy Ireo amintsika dia ny itiavantsika koa. “Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.”24 Araka ny nosoratan’i Jaona hoe: “Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.”25
I Joy D. Jones izay efa Filohan’ny Kilonga maneran-tany dia nahatadidy fa fony izy sy ny vadiny mbola mpivady vao herotrerony dia nantsoina hitsidika sy hanompo fianakaviana iray izay tsy tonga nivavaka nandritra ny taona maro. Nazava be tamin’ny fitsidihan’izy ireo voalohany fa tsy te handray azy ireo ilay fianakaviana. Taorian’ny fahasorenana noho ny andrana fanampiny tsy nahomby nataon’izy ireo, ary rehefa avy nivavaka tamin-kitsimpo sy nisaintsaina betsaka, ny Rahalahy sy ny Rahavavy Jones dia nandray ny valin’ny hoe nahoana izy ireo no tokony hanompo, tao anatin’ity andalan-tsoratra masina ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ity: “Ho tia ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra, amin’ny herinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny tanjakao rehetra ianao; ary hanompo Azy amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.”26 Nilaza ny Rahavavy Jones hoe:
“Tsapanay fa tena niezaka ny hanompo io fianakaviana io sy ny evekanay izahay kanefa nila nanontany tena izahay hoe moa ve izahay tena nanompo noho ny fitiavana ny Tompo. …
“… Nanomboka niandrandra ny fotoana hamangianay io fianakaviana malala io izahay noho ny fitiavanay ny Tompo [jereo ny 1 Nefia 11:22]. Ho Azy no nanaovanay izany. Novainy ho tsy zava-manahirana intsony ilay zava-nanahirana. Rehefa avy nijoro teo an-tokonam-baravarana am-bolana maro izahay, dia nanomboka nampiditra anay an-trano ilay fianakaviana. Nony farany dia niara-nivavaka sy nifampiresaka tsy tapaka momba ny filazantsara izahay. Nisy finamanana maharitra nivelatra. Nitsaoka sy nitia Azy izahay tamin’ny alalan’ny fitiavanay ireo zanany.”27
Eo am-panekena fa tia antsika amin’ny fomba tanteraka Andriamanitra, dia mety hanontany tena ny tsirairay hoe: “Manao ahoana ny fitiavako an’ Andriamanitra? Afaka miantehitra amin’ny fitiavako ve Izy, tahaka ny ianteherako amin’ny Azy?” Tsy ho zava-kendrena tena mendrika ho tratrarina tokoa ve izao: dia ny hoe tsy vitan’ny hoe afaka hitia antsika na dia eo aza ireo tsy fahalavorariantsika Andriamanitra, fa noho isika lasa tahaka Azy bebe kokoa ihany koa? Raha mba azony hatao mantsy ny hilaza ny amiko sy ny aminao tahaka ny nolazainy momba an’i Hyrum Smith, ohatra, hoe “fa Izaho Tompo dia tia azy noho ny fahitsian’ny fony.”28 Aoka isika hahatsiaro ny fampitandremana nomen’i Jaona tamin-katsaram-panahy hoe: “Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.”29
Tena marina tokoa fa tsy mavesatra ireo didiny, ny mifanohitra amin’izany mihitsy aza. Mamaritra ny lalan’ny fanasitranana, fahasambarana, fiadanana, ary fifaliana izany. Notahian’ny Raintsika sy ny Mpanavotra antsika tamin’ny alalan’ny didy isika, ary amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ Izy Ireo isika dia mahatsapa ny fitiavan’ Izy Ireo tonga lafatra feno kokoa sy lalina kokoa.30
Indro ny vahaolana amin’ireo disadisa tsy mety tapitra misy amin’izao androntsika izao—ny fitiavan’ Andriamanitra. Nandritra ny vanim-potoana tsara indrindra tao amin’ny Bokin’i Môrmôna taorian’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy, dia voalaza fa “tsy nisy fifandirana teo amin’ny tany, noho ny fitiavan’ Andriamanitra izay nitoetra tao am-pon’ny vahoaka.”31 Eo am-piezahana hahatratra ny Ziona dia aoka hotsaroantsika ny fampanantenana ao amin’ny Apokalypsy hoe: “Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina sy hidirany amin’ny vavahady ho ao an-tanàna [masina].”32
Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fisian’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika aho, ary ny amin’ny fitiavan’ Izy Ireo azo ianteherana sy tsy mety maty. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.