Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ny fangorahana tsy manam-petran’ny Mpamonjy

Ny fanehoana fangorahana ho an’ny hafa no fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Iray amin’ireo fitsipika miavaka indrindra nampianarin’ny Mpamonjy nandritra ny asa fanompoany teto an-tany ny fanehoam-pangorahana ny hafa. Andeha hosaintsainintsika io fitsipika io sy ny fampiharana azy eo amin’ny fiainana andavanandro amin’ ny alalan’ny fandinihina ny tantaran’ ny fitsidihan’i Jesoa ny tokantranon’i Simona, ilay fariseo.

Ny filazantsaran’i Lioka dia mitantara fa nisy vehivavy iray, izay noraisina ho mpanota, niditra tao an-tranon’i Simona nandritra ny naha-tao an’i Jesoa. Tamim-panenenana feno fietrena no nanatonan’ilay vehivavy an’i Jesoa, sy nanasany ny tongony tamin’ ny ranomasony ka namaohany izany tamin’ny volon-dohany, ary avy eo dia nanoroka fatratra ny tongony izy ka nanosotra izany tamin’ny diloilo manitra.1 Ilay mpampiantrano miavonavona am-po, izay nihevitra ny tenany ho tsara fitondran-tena kokoa noho ilay vevivavy dia nieritreritra anakam-po tamin’ny fanakianana sy fieboeboana hoe: “Raha mpaminany ity, dia ho nahalala io vehivavy manendry Azy io sy ny toeny; fa mpanota io.”2

Ny fanambonian-toetran’ilay fariseo dia nitarika azy ho amin’ny fitsarana tsy ara-drariny an’i Jesoa sy ilay vehivavy. Saingy tamin’ny maha-heni-pahalalana ny Mpamonjy no nahafantarany ny eritreritr’i Simona ka tamim-pahendrena lehibe no namaliany ny fanambanian’i Simona, sy nananarany azy noho ny tsy fahalalam-pombany tamin’ ny fandraisana vahiny miavaka toa ny Mpamonjy ao an-tranony. Raha ny marina ny fitenenana mafy mivantana an’ilay fariseo dia vavolombelona fa nanana ny fanomezam-pahasoavan’ny faminaniana tokoa i Jesoa ary io vehivavy manana fo mietry sy torotoro io dia nibebaka ka voavela tamin’ireo fahotany.3

Ary tranga maro hafa nandritra ny fanompoan’i Jesoa teto an-tany no manamarina izany. Io tantara io dia manaporofo indray fa ny Mpamonjy dia naneho fangorahana tamin’ireo rehetra izay nanatona Azy, tsy nisy fanavahana, ary indrindra tamin’ireo izay nila indrindra ny fanampiany. Ilay fanenenana sy fitiavana feno fanajana nasehon’ilay vehivavy an’i Jesoa dia porofon’ny fibebahany amin-kitsim-po sy ny faniriany handray famelana ny fahotany. Kanefa ny fanambonian-toetran’i Simona niampy ny fahamafisam-pony4 dia nanakana azy tsy haneho fiantrana ho an’io olona nibebaka io, sy hanao tsinontsinona ary hanamavo ilay Mpanavotra izao tontolo izao mihitsy. Ny toetrany dia naneho fa ny fomba fiainany dia tsy misy afa-tsy fitandremana hentitra sy poak’aty ireo lalàna, sy fanehoana ivelany ireo zavatra inoany amin’ny alalan’ny fizahozahoana ary fahamasinana ankosotra.5

Maneho ohatra tonga lafatra amin’ ny fomba tokony hifandraisantsika amin’ireo mpiara-belona amintsika ilay fanompoana feno fangorahana sy mifanaraka amin’ny filàna manokana nataon’i Jesoa ao amin’io tantara io. Ny soratra masina dia feno ohatra tsy tambo isaina ny amin’ny fomba nataon’ny Mpamonjy, rehefa nentanin’ny fangoraham-pony lalina sy tsy manam-petra, mba hifandraisana tamin’ny olona tamin’ny fotoan’androny sy hanampiany ireo izay nijaly sy “nampahantraina […] ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiahy.”6 Nahinjiny tamin’ireo izay nila fanamaivanana tamin’ny enta-mavesany, na ara-batana na ara-panahy ny sandrin’ny famindram-pony.7

Ny toetra feno fangorahana ananan’i Jesoa dia mifototra amin’ireo fahatsapana feno fiantrana ananany,8 fa indrindra indrindra amin’ny fitiavany madio sy tonga lafatra, izay votoatin’ny sorona fanavotana nataony. Ny hoe entanim-pangorahana dia toetra fototra an’ireo izay milofo ho amin’ny fahamasinana, ary mifadiditra amin’ireo toetra Kristianina hafa toy ny fiaraha-miory amin’ireo izay ory sy ny fahaizana miombona fihetseham-po, ny famindram-po, ary ny hatsaram-panahy.9 Ny fanehoana fangorahana ho an’ny hafa, raha ny marina, no fototry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary porofo mivaingana amin’ny maha-akaiky antsika ara-panahy sy ara-pihetseham-po amin’ny Mpamonjy. Ambonin’izany, izany dia maneho hoe hatraiza ny fitaomana ananany eo amin’ny fomba fiainantsika ary mampibaribary ny hery ananan’ny fanahintsika.

Manan-danja ny mahita fa ireo asa nentanim-pangorahana nataon’i Jesoa dia tsy hoe tsindraindray na noterena, arakaraka ny lisitry ny asa mila vitaina, fa fanehoana amin’ny andavanandrom-piainana ny fisian’ny fitiavany madio ho an’ Andriamanitra sy ireo zanany ary ny faniriany tsy manam-petra ny hanampy azy ireo.

Afaka namantatra ny filan’ny olona i Jesoa, eny na dia avy lavitra aza. Noho izany dia tsy mahagaga, ohatra, fa vantany vao avy nanasitrana ny zanakavavin’ny mpanompon’ny kapiteny iray10 i Jesoa dia niala tao Kapernaomy nankany amin’ilay tanàna nantsoina hoe Naina. Tao i Jesoa no nanatanteraka ny iray tamin’ireo fahagagana nampihetsi-po indrindra teo amin’ny fanompoany teto an-tany rehefa nandidy ny zatovolahy iray izay maty, zanaka lahitokan’ny reny mpitondratena iray, mba hitsangana ka ho velona. Tsy ny fahoriana lalin’io reny mahonena io ihany no tsapan’i Jesoa fa ireo toe-javatra sarotra teo amin’ny fiainany ihany koa ka nentanin’ny fangorahana marina Izy.11

Tahaka ilay vehivavy mpanota sy ilay mpitondratena tao Naina, dia maro ireo olona eo ambanin’ ny ambaindaintsika izay mikatsaka fampiononana, ny mba hohenoina, sy firaharahiana, ary izay mety ho fanampiana azontsika omena azy ireo. Afaka ny ho fitaovana eo an-tanan’ny Tompo isika rehetra ary manao asa entanim-pangorahana ho an’ireo sahirana, tahaka ny nataon’i Jesoa.

Mahafantatra zazavavy kely tena sima molotra sy samaka lanilany hatrany am-bohoka aho. Voatery nandalo ny fandidiana voalohany tamin’ireo andiana fandidiana hatao aminy izy ny andro faharoa niainany. Nentanin’ny fangorahana marina ho an’ireo miaina fanamby mitovy amin’izany ny ray aman-drenin’io zazavavy io mba hanome fanohanana, sy haneho fahatakarana, ary hanampy ara-pihetseham-po ireo hafa izay miatrika io toe-java-tsarotra misy io. Toy izao no nolazain’izy ireo: “Tamin’ny alalan’ny fanamby natrehan’ny zanakavavinay izahay dia nanana fahafahana ny hahafantatra olona mahafinaritra izay nila fampiononana sy fanampiana ary fankaherezana. Fotoana maro lasa izay ny zanakay vavy, izay 11 taona ankehitriny, dia niresaka tamin’ ny ray aman-dreni-na zaza menavava iray izay nisedra olana nitovy tamin’ ny azy. Nandritra io fifampiresahana io ny zanakay vavy dia nanaisotra vetivety ny aro vava izay nanaovany noho ny valanaretina mba hahafahan’ireo ray aman-dreny ireo hahita fa misy fanantenana, na dia mbola lavitra ezaka aza ny lalana hodiavin’ilay zaza amin’ireo taona vitsy ho avy mba hamahana ilay olana. Tena feno fankasitrahana izahay amin’ny fahafahana maneho fiombonam-pihetseham-po amin’ireo izay mijaly, tahaka ny ataon’ny Mpamonjy ho anay. Tsapanay hoe mampihena ny fijalianay izahay isaky ny manamaivana ny fijalian’olon-kafa.”

Ry namako isany, rehefa miezaka amin-kitsim-po isika ny hanana toetra mangoraka eo amin’ny fomba fiainantsika, araka ny nasehon’ny Mpamonjy, dia ho lasa mahatsapa kokoa ny filan’ny olona. Noho izany fahatsapana mitombo izany dia hisy fiantraikany eo amin’ny zavatra rehetra ataontsika ny fahalianana marina amin’ny manjo ny hafa sy ny fitiavana. Ho eken’ny Tompo ireo ezaka ataontsika, ary hotahiana tokoa isika hanana fahafahana ny ho fitaovana eo an-tanany amin’ny fanalefahana fo sy ny fitondrana fanampiana ho an’ “ireo olona ketraka.”12

Ny fananaran’i Jesoa an’i Simona ilay fariseo ihany koa dia nanazava tsara fa isika dia tsy tokony hanao fitsarana mahery sy tsy mifaditrovana amin’ireo mpiara-belona amintsika satria mila fahatakarana sy famindram-po avy amin’ny Raintsika any An-danitra be fitia avokoa isika amin’ireo tsy fahalavorariantsika. Moa ve tsy izany mihitsy no nampianarin’ny Mpamonjy tamina toe-javatra iray hafa raha nilaza Izy hoe: “Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao?”13

Mila azontsika an-tsaina fa tsy mora ny mahatakatra ny toe-javatra rehetra izay mahatonga ny toetra na ny fihetsiky ny olona iray. Mamitaka ny endrika ivelany ary matetika no tsy maneho ny famaritana marina ny fitondran-tenan’ny olona iray. I Kristy dia afaka mahita mazava tsara ny lafy rehetra amin’ny toe-javatra iray, tsy tahaka ahy sy ianao.14 Eny fa na dia fantany avokoa aza ny fahalementsika rehetra dia tsy mba manameloka be fahatany antsika ny Mpamonjy fa manohy miara-miasa miandalana amintsika amim-pangorahana, manampy antsika hanala ny andry eo amin’ny masontsika. I Jesoa dia mijery ny fo mandrakariva ary tsy mijery ny endrika ivelany.15 Izy mihitsy no nanambara hoe: “Aza mitsara araka ny miseho.”16

Izao dia hevero ny torohevitra feno fahendrena nomen’ny Mpamonjy ireo mpianatra Nefita roa ambin’ny folo mahakasika ity fanontaniana ity:

“Ary fantaro fa ianareo no ho mpitsaran’ity vahoaka ity, araka ny fitsarana izay homeko anareo, izay ho marina. Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy.”17

“Koa mba tiako ianareo ho tanteraka tahaka Ahy, na ho tanteraka tahaka ny Rainareo izay any An-danitra.”18

Ao amin’io sahan-kevitra io ny Tompo dia manamafy ny fitsarana amin’ireo izay mihevi-tena ho afaka mitsara izay lazaina fa hadisoan’ny hafa kanefa tsy amim-pahamarinana. Mba hahamendrika antsika ny hanao fitsarana marina dia mila miezaka ny ho toa ny Mpamponjy isika ary mijery ireo tsy fahalavorarian’ny olona amim-pangorahana, dia amin’ny fomba ahitan’ny Mpamonjy azy ireny. Na dia mbola lavitra ezaka aza ny diantsika mankamin’ny fahalavorariana, dia ho tsara kokoa raha mipetraka eo an-tongotr’i Jesoa isika ary mitalaho famindram-po amin’ireo tsy fahalavorariantsika, tahaka ny nataon’ilay vehivavy nibebaka tao amin’ny tranon’ilay Fariseo, ka tsy handany fotoana sy hery loatra hifantohana amin’ny tsy fahalavorarian’ny hafa.

Ry namako isany, mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa miezaka hampihatra ireo ohatry ny fangorahana nataon’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika isika dia hitombo ny fahafahantsika hidera ny hatsarana ao amin’ireo namantsika ary hihena ny fironana voajanahary hitsara ao amintsika. Hitombo ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, ary azo antoka fa ho lasa mamy kokoa ny fiainantsika, halemy fanahy kokoa isika, ary hahita loharanom-pahasambarana tsy mety ritra isika. Mpampihavana19 mamoaka teny malefaka toy ny ando amin’ny marain’ny lohataona no hahafantarana antsika.

Mivavaka aho mba ho lasa mahari-po sy hanana fahatakarana ny hafa isika, ka ny famindram-pon’ny Tompo, omban’ny fahalemen-panahy tanteraka, hanalefaka ny tsy faharetantsika amin’ny tsy fahalavorarian’ny hafa. Izany no fanasana ataon’ny Mpamonjy amintsika. Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy. Izy no ohatra tonga lafatra amin’ny famindram-po sy faharetana amin’ny maha-mpianatra. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ireo fahamarinana ireo amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, Mpamonjy, amena.

Hamoaka printy