Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tsarovy ireo olomasinao mijaly, Ry Andriamanitray ô
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


10:17

Tsarovy ireo olomasinao mijaly, Ry Andriamanitray ô

Ny fitandremana ireo fanekempihavanana dia mamaha ny herin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanome hery sy fifaliana mihitsy aza ho anao izay mijaly.

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambarana dia ahitana ilay fiainana an-tany izay hisedrana sy hiatrehan’ireo zanany rehetra fitsapana.1 Dimy taona lasa izay dia voamarina fa voan’ny homamiadana aho. Nahatsapa ary mbola mahatsapa ny fanaintainana ara-batana avy amin’ireo fandidiana sy ny radioathéraphie ary ny vokatry ny fihinanana fanafody aho. Niaina olana ara-pihetsehampo aho nandritra ireo alina tsy nahitan-tory izay nampijalijaly. Ny antontan’isa ara-pitsaboana dia nampiseho fa mety ho faty mialoha lavitra ny noeritreretiko azy aho ka hamela, mandritra ny fe-potoana iray, fianakaviana izay faran’izay sarobidy ho ahy.

Na aiza na aiza toerana onenanao, ny fijaliana ara-batana na ara-pihetsehampo izay avy amin’ireo karazana fitsapana sy fahalemena amin’ny maha-olombelona, dia efa ampahan-javatra iray tao anatin’ny fiainanao na ampahan-javatra ao amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao na ho ao amin’ny fiainanao indray andro any.

Ny fijaliana ara-batana dia mety vokatry ny fitomboan’ny taona fotsiny, na aretina tsy nampoizina, na loza nitranga tampoka; hanoanana na tsy fananana trano fialofana; na herisetra na ady.

Ny fijaliana ara-pihetsehampo dia mety hitranga avy amin’ny fitebitebena na harerahan-tsaina amam-panahy; ny famitahan’ny vady, na ray na reny, na mpitarika nitokisana; ny fahaverezan’asa na fahaverezan’ny vola nampiasaina; ny fitsaratsarana tsy ara-drariny ataon’ny hafa; ny safidy ataon’ireo namana na zanaka na olona hafa ao amin’ny fianakaviana; ny herisetra amin’ny endriny rehetra; ny tsy fahatanterahan’ny faniriana hanambady na hanan-janaka; ny aretina goavana na fahafatesana aloha loatra nianjady tamin’ireo olona akaikin’ny fo; na avy amin’ny zavatra maro be hafa.

Ahoana no ahafahanao mizaka ilay fijaliana manokana ary indraindray mampikorontan-tsaina izay tonga eo amintsika tsirairay avy?

Soa ihany fa hita ao anatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fanantenana ary afaka ny ho ampahan-javatra ao anatin’ny fiainanao izany. Androany aho dia hizara fitsipika efatra momba ny fanantenana izay nosintonina avy amin’ny soratra masina, ny fampianaran’ireo mpaminany sy ireo fitsidihana maro tao anatin’ny fanompoana ary avy amin’ny sedra ara-pahasalamana iainako. Tsy hoe azo ampiharina amin’ny ankapobeny fotsiny ireo fitsipika ireo fa tena miantefa lalina amin’ny tena manokana koa.

Voalohany, ny fisian’ny fijaliana dia tsy midika hoe tsy faly amin’ny fiainanao Andriamanitra. Roa arivo taona lasa izay dia nahita lehilahy jamba tao amin’ny tempoly ireo mpianatr’i Jesoa ka nanontany hoe: “Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny?”

Toa nino zavatra diso, tahaka ny maro dia maro amin’ny olona amin’izao fotoana izao, ny mpianany fa vokatry ny fahotana ireo fitsapana sy fijaliana rehetra eo amin’ny fiainana. Namaly anefa ny Mpamonjy hoe: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.”2

Ny asan’ Andriamanitra dia ny fanatanterahana ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainana mandrakizaintsika.3 Saingy ahoana no ahafahan’ireo fitsapana sy fijaliana, indrindra fa ny fijaliana vokatry ny safidy nifono fahotana natan’olona iray hafa4, mampandroso ny asan’ Andriamanitra amin’ny farany?

Hoy ny Tompo tamin’ireo olon’ny fanekempihavanany: “Efa nanadio anao Aho … ; efa nifidy anao tao amin’ny memin’ny fahoriana Aho.” 5 Na inona na inona anton’ireo fijalianao dia afaka mandrindra azy ireny mba hanadio ny fanahinao ilay Rainao any An-danitra be fitiavana.6 Ny fanahy voadio dia afaka mitondra ny enta-mavesatry ny hafa amim-pitiavana marina sy indrafo.7 Ireo fanahy voadio izay “avy tamin’ny fahoriana lehibe” dia vonona ny hiaina amim-pifaliana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra ary “hofafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.”8

Faharoa, fantatry ny Raintsika any An-danitra manokana ny fijalianao. Rehefa ao anatin’ireo fitsapana dia mety hanana fiheveran-diso isika fa tena lavitra Andriamanitra ary tsy miraharaha ny fijaliantsika. Na ny Mpaminany Joseph Smith aza dia naneho izany fahatsapana izany tao anatin’ny fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainany. Rehefa nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy tao anatin’ny fotoana izay nandroahana Olomasin’ny Andro Farany an’arivony hiala ny trano fonenan’izy ireo dia nikatsaka fahatakarana tamin’ny alalan’ny vavaka i Joseph: “Andriamanitra ô, aiza no misy anao? Ary aiza no misy ny lay izay mandrakotra ny toerana fiafenanao?” Nofaranany tamin’ity fitalahoana ity izany: “Tsarovy ireo olomasinao mijaly, Ry Andriamanitray ô.”9

Ny valitenin’ny Tompo dia nanome toky an’i Joseph sy ho an’ireo rehetra izay nijaly:

“Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;

“Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra.”10

Olomasina nijaly maro no nizara tamiko ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’Andriamanitra nandritra ny fitsapana nolalovan’izy ireo. Tsaroako tsara mihitsy ny zavatra niainako indray mandeha tao anatin’ilay ady tamin’ny homamiadana natrehako rehefa mbola tsy nahafantatra ny antony nahatonga ireo karazana fanaintainana goavana ny dokotera. Niara-nipetraka tamin’ny vadiko aho ary nikasa ny hanolotra vavaka mahazatra ho an’ny sakafo antoandronay. Saingy ny zavatra hany azoko natao dia ny nitomany tsotra fotsiny nanao hoe, “Ry Ray any An-danitra, mba ampio aho. Tena marary aho.” Tao anatin’ny 20 ka hatramin’ny 30 segaondra taorian’izay dia voahodidin’ny Fitiavany aho. Tsy nomena ahy ny anton’ny aretiko, sy ny famantarana ny ho vokany amin’ny farany ary ny fanalefahana ny fanaintanana. Nahatsapa fotsiny ilay Fitiavany madio aho, ary ampy izany tamin’izany sy amin’izao fotoana izao.

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Raintsika any An-danitra izay mahita na ny tsintsina iray latsaka amin’ny tany aza, dia mahafantatra ny fijalianao.11

Fahatelo, i Jesoa Kristy dia manolotra ilay heriny manome fahafahana hanao zavatra mba hanampiana anao hanana ny tanjaka hizakana tsara ny fijalianao. Io hery manome fahafahana hanao zavatra io dia nisy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany.12 Matahotra aho fa mpikamban’ny Fiangonana maro dia maro no mieritreritra fa raha matanjaka kely fotsiny izy ireo dia afaka ny handresy irery izay fijaliana miseho. Fomba sarotra iainana izany. Ilay fotoana mandalo hisehoan’ny tanjakao dia tsy azo ampitahaina velively amin’ilay vatsin-kery tsy manam-petra avy amin’ny Mpamonjy mba hampatanjahana ny fanahinao.13

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa i Jesoa Kristy dia “[hitondra] eo Aminy” ny fanaintainantsika sy ny aretintsika ary ny rofintsika mba hahafahany manampy antsika.14 Ahoana no ahafahanao mahazo ilay hery izay atolotr’i Jesoa Kristy mba hanampiana anao sy hampatanjahana anao ao anatin’ny fotoam-pijaliana? Ny tena zava-dehibe dia ny fifamatoranao amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavana nataonao Taminy. Manao ireo fanekempihavanana ireo isika rehefa mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana.15

Niditra tao amin’ny fanekempihavanan’ny batisa ny vahoakan’i Almà. Taty aoriana dia nijaly tao anatin’ny fanandevozana izy ireo ary tsy nahazo nanao fitsaohana ampahibemaso na nanonona vavaka mafy aza. Nihazona ny fanekempihavanan’izy ireo araka izay vitany anefa izy ireo tamin’ny alalan’ny famborahana mangina ny tao am-pon’izy ireo. Nisy hery avy amin’ Andriamanitra tonga vokatr’izany. “Nampahatanjaka azy ny Tompo mba hahafahany mitondra mora foana ny enta-mavesany.”16

Manasa antsika ny Mpamonjy amin’izao androntsika izao hoe: “Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.”17 Rehefa mitandrina ny fanekempihavananan’ny Fanasan’ny Tompo isika mba hahatsiaro Azy mandrakariva, dia mampanantena Izy fa hiaraka amintsika ny Fanahiny. Ny Fanahy dia manome antsika hery hizakana ireo fitsapana ary hanaovana izay zavatra tsy ho vitantsika irery velively. Afaka manasitrana antsika ny Fanahy na dia “mety hitranga any amin’ilay tontolo iray hafa aza ny sasany amin’ilay fanasitranana” araka ny fampianaran’ny Filoha James E. Faust.18

Voatahy koa isika amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ireo ôrdônansin’ny tempoly izay “mampiharihary ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”19 Namangy vehivavy iray izay namoy ny zanany mbola zatovovavy izay tratran’ny loza mahatsiravina aho ary taty aoriana dia tratran’ny homamiadana ny vadiny. Nanontany azy aho hoe ahoana no fomba hahazakany famoizan’anaka sy fijaliana toy izany. Namaly izy fa ilay fahazoana hery dia tonga avy amin’ny fanomezan-toky ara-panahy ny hananana fianakaviana mandrakizay izay azo nandritra ny fitsaohana tsy tapaka tany amin’ny tempoly. Araka ny nampanantenaina, dia nampitafian’ireo ôrdônansy tao amin’ny tranon’ny Tompo azy ny herin’ Andriamanitra.20

Fahaefatra, misafidiana ny hahita fifaliana isan’andro. Matetika ireo olona mijaly no mahatsapa fa mitohy foana fotsiny ny alina ary tsy hiposaka na oviana na oviana ny andro. Tsy maninona mihitsy ny mitomany.21 Saingy raha ao anatin’ireo alina maizin’ny fijaliana ny tenanao, dia afaka ny hifoha ao anatin’ireo maraina mazavan’ny fifaliana ianao amin’ny alalan’ny fisafidianana ny finoana.22

Ohatra, namangy renim-pianakaviana vao herotrerony iray nandalo fitsaboana homamiadana aho izay nitsikitsiky fatratra teo amin’ny sezany na dia teo aza ny fanaintanana sy ny fihintsanan’ny volo. Nihaona tamina mpivady iray teo anelanelan’ny 40 ka hatramin’ny 60 taona teo aho izay mpitarika ny zatovo na dia tsy afaka nanan-janaka azy izy ireo. Niara-nipetraka tamina fianakaviana iray aho izay namoy ny reniben’izy ireo sy ny renin’izy ireo mbola tanora izay nifanelanelana andro vitsy monja, na izany aza dia nisy fihomehezana sy fahatsiarovana nahafinaritra tao anatin’ireo ranomasom-pahorian’ity fianakaviana ity.

Maneho ny zavatra nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson ny ohatra nasehon’ireo Olomasina ireo:

“Tsy dia misy ifandraisany loatra amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapatsika, fa tena misy ifandraisany amin’ny zavatra ifantohan’ny fiainantsika kosa izany.

“Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga, na tsy mitranga, eo amin’ny fiainantsika.”23

Mijoro ho vavolombelona aho24 fa mahatsiaro ireo Olomasiny mijaly ny Raintsika any An-danitra, sy tia anao ary mahafantatra manokana anao. Fantatry ny Mpamonjintsika ny zavatra tsapanao. “Nitondra marina tokoa ny fahoriantsika Izy ary nivesatra ny alahelontsika.”25 Fantatro, amin’ny maha-olona mpisitraka izany ahy isan’andro26, fa ny fitandremana ireo fanekempihavanana dia mamaha ny herin’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanome hery sy fifaliana mihitsy aza ho anao izay mijaly.

Ho anareo rehetra izay mijaly dia mivavaka aho hoe: “Enga anie ka hotovin’ Andriamanitra aminareo ny hanamaivanana ny enta-mavesatrareo, amin’ny alalan’ny fifalian’ny Zanany.”27 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.