Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ho mpanaradia an’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2021


Ho mpanaradia an’i Kristy

Ny hoe mpanaradia an’i Kristy dia miezaka ny hampifanaraka ny zavatra ataontsika sy ny fitondran-tenantsika ary ny fiainantsika amin’ireo an’ny Mpamonjy.

Nandritra ny fandalinako manokana ny soratra masina dia nanaitra ahy ny fiovam-pon’i Saoly avy any Tarsisa, izay nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Paoly, araka ny voalaza ao amin’ny Baiboly.

I Paoly dia lehilahy mavitrika tamin’ny fanenjehana ny Fiangonana sy ny kristiana. Saingy noho ny herin’ny lanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia novana tanteraka izy ary lasa iray tamin’ireo mpanompo lehibe an’ Andriamanitra. Ny maodelin’ny fiainany dia i Jesoa Kristy Mpamonjy.

Tao amin’ny iray tamin’ny fampianaran’i Paoly ho an’ny Korintiana, dia nanasa azy ireo izy mba hanaraka azy satria izy dia mpanaradia an’i Kristy (jereo ny 1 Korintiana 11:1). Ity dia fanasana amin-kitsimpo sy manan-kery hatramin’ny andron’i Paoly ka hatramin’izao anio izao: dia ny ho mpanaradia an’i Kristy.

Nanomboka nieritreritra ny dikan’ny hoe lasa mpanaradia an’i Kristy aho. Ary ny tena zava-dehibe dia nanomboka nanontany aho hoe: “Amin’ny fomba ahoana no tokony hanahafako azy?”

Ny hoe mpanaradia an’i Kristy dia miezaka ny hampifanaraka ny zavatra ataontsika sy ny fitondran-tenantsika ary ny fiainantsika amin’ireo an’ny Mpamonjy. Ny hahazoana toetra tsara izany. Ny ho tena mpianatra marin’i Jesoa Kristy izany.

Nandalina lafin-javatra vitsivitsy teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy aho, ary nandray toetrany efatra, ho anisan’ny hafatro androany, izay ezahako alaina tahaka ka zaraiko aminareo.

Ny voalohany an’ny Mpamonjy dia ny fanetrentena. Tena nanetry tena i Jesoa Kristy hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Tao amin’ny Filan-kevitra tany an-danitra dia nanaiky izy ary namela ny sitrapon’ Andriamanitra hanjaka amin’ny drafitry ny famonjena ho an’ny olombelona. Hoy izy hoe: “Ray ô, hatao anie ny sitraponao ary ho Anao ny voninahitra mandrakizay” (Mosesy 4:2).

Fantatsika fa nampianatra fanetrentena i Jesoa Kristy ary nanetry tena hanome voninahitra ny Rainy.

Ndao isika hiaina amim-panetrentena satria mitondra fiadanana izany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:23). Ny fanetrentena dia mialoha ny voninahitra, ary mitondra ny fankasitrahan’ Andriamanitra amintsika izany: “Eny, samia misikina fanetrentena ianareo ka mifanompoa; fa Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena” (1 Petera 5:5). Ny fanetrentena dia mitondra valiny malefaka. Io no loharanon’ny toetra marina.

Ny Loholona Dale G. Renlund dia nampianatra hoe:

“Ireo olona tsirairay izay miaraka amin’ Andriamanitra amin’ny fanetrentena dia mahatsiaro ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo.”

“Hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetrentena” (“Hanao ny marina sy ho tia famindram-po ary hanaraka an’ Andriamanitra amin’ny fanetrentena,” Liahona, nôv. 2020, 111, 109).

Ny toetra faharoa an’ny Mpamomjy dia ny herim-po. Rehefa mieritreritra an’i Jesoa Kristy fony Izy 12 taona, nipetraka tao amin’ny tempolin’ Andriamanitra niaraka tamin’ireo mpahay lalàna ka nampianatra azy ireo zavatra masina aho, dia tsikaritro fa efa tany am-piandohan’ny fiainany Izy no sahisahy, nanana herim-po manokana. Na dia manantena ny hahita ilay zazalahy ampianarin’ireo mpahay lalàna aza ny ankamaroan’ny olona, dia Izy no nampianatra azy ireo rehefa “nihaino azy izy ireo ary nametraka fanontaniana taminy” (Dikantenin’i Joseph Smith, [ao amin’ny Lioka 2:46).

Nanompo tamin’ny fotoana feno tao amin’ny misionan’i Mbuji-May, Repoblika Demôkratikan’i Congo izahay tamin’ny taona 2016 ka hatramin’ny 2019. Ny fomba fivezivezena amin’ny asa fitoriana avy amin’ny faritra iray mankany amin’ny iray hafa dia amin’ny làlana. Nisy trangan-javatra niseho tao amin’io faritra io niaraka tamin’ireo jiolahy nirongo fitaovam-piadiana nifanaretsaka eraky ny arabe sy nanelingelina ny fivezivezin’ny mpandeha.

Misiônera dimy mandeha amin’ny faritra iray mankany amin’ny faritra iray hafa ao anatin’ny famindrana no niharan’izany korontana izany. Satria efa niharan’izany tranga izany ny tenanay indraindray, dia nanomboka natahotra ny ainay rehetra izahay, ary nisalasala mihitsy aza ny handeha tamin’ireny lalana ireny hitsidika ireo misiônera ary hanao fihaonamben’ny faritra. Tsy fantatray hoe haharitra hafiriana izany. Nanoratra tatitra iray aho, izay nalefako tany amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra, ary naneho ny fahatsapako tahotra momba ny hanohizana hanaovana dia lavitra aho satria amin’ny lalana irery no hany fomba hanatonana ireo misiôneranay.

Tao amin’ny valinteniny, ny Loholona Kevin Hamilton, izay filohan’ny Vondromparitra Atsimo Atsinanana tamin’izay, dia nanoratra tamiko hoe: “Ny torohevitro dia ny hanaovanao izay tsara indrindra vitanao. Aoka ho hendry ary mivavaha. Aza mametraka ny tenanao na ireo misiônerao amin-javatra mety handratra, kanefa sady mandrosoa am-pinoana ihany koa. -Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena- (2 Timoty 1:7).”

Io famporisihana io dia nampatanjaka anay tokoa ary namela anay hanohy hivezivezy sy hanompo am-pahasahiana mandra-pahatapitry ny iraka nampanaovina anay, satria nandre fitarihana avy amin’ny Raintsika any An-danitra tamin’ny alalan’io andinin-tsoratra masina io izahay.

Ao amin’ny soratra masina maoderina dia mamaky ireo teny nentanim-panahy avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith isika izay taratry ny famporisihan’ny Tompo antsika: “Ry rahalahiko, tsy tokony handeha amin’ny tanjona lehibe tokoa ve isika? Andeha handroso fa tsy hihemotra. Mahereza ry rahalahy, dia mandrosoa, mandrosoa mankamin’ ny fandresena!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:22).

Aoka isika hanana ny herim-po hanao izay tsara na dia tsy malaza aza izany—ilay herimpo hiaro ny finoantsika sy hiasa amim-pinoana. Aoka isika hanana ny herim-po hibebaka isan’andro, ilay herim-po hanaiky ny sitrapon’Andriamanitra sy hankato ny didiny. Aoka isika hanana ny herim-po hiaina amim-pahamarinana ary hanao izay andrasana amintsika amin’ireo andraikitra sy toerana samihafa azonintsika.

Ny toetra fahatelo an’ny Mpamonjy dia ny famelan-keloka. Nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany, ny Mpamonjy dia nanakana ny vehivavy iray izay tratra nijangajanga tsy ho voatora-bato. Nomeny baiko izy mba “handeha ary [tsy] hanota intsony” (Jaona 8:11). Izany dia nanosika azy hibebaka sy ho voavela heloka taty aoriana, satria araka ny voalazan’ny soratra masina, “ilay vehivavy [dia] nankalaza an’ Andriamanitra nanomboka tamin’io ora io ary nino ny anarany” (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 8:11).

Nandritra ny Fampaherezam-panahin’ny Krismasy tamin’ny Desambra 2018 dia niresaka momba ny fanomezana efatra noraisintsika avy tamin’ny Mpamonjy ny Filoha malalantsika Russell M. Nelson. Nilaza izy fa ny fanomezana iray atolotry ny Mpamonjy dia ny fahafahana mamela:

“Amin’ny alalan’ny Sorompanavotany tsy misy fetra dia afaka mamela ireo izay nandratra anao sy ireo izay mety tsy hanaiky mandrakizay ny maha-tompon’andraikitra azy amin’ny fampijaliany anao ianao.

“Mora matetika ny mamela heloka ny olona iray izay mangataka amin-kitsim-po sy amim-panetrentena famelana heloka avy aminao. Fa ny Mpamonjy dia hanome anao ny fahaizana mamela heloka izay nanisy ratsy anao amin’ny fomba rehetra” (“Four Gifts That Jesus Christ Offers to You” [First Presidency Christmas devotional, Dec. 2, 2018], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org).

Ndeha isika hifamela heloka amin-kitsim-po mba hahazoana ny famelan-keloka avy amin’ny Ray. Ny famelan-keloka dia manafaka antsika ary mahatonga antsika ho mendrika handray ny fanasan’ny Tompo isaky ny alahady. Ny famelan-keloka dia takiana amintsika mba ho tena mpianatr’i Jesoa Kristy.

Ny toetra fahefatra an’ny Mpamonjy dia ny fahafoizan-tena. Tafiditra amin’ny filazantsaran’i Jesosy Kristy izany. Ny Mpamonjy dia nanolotrany ainy, ny sorona faratampony, ho antsika mba hanavotana antsika. Nahatsapa ny fanaintainan’ny fahafoizan-tena izy ka nangataka tamin’ny Rainy mba hanaisotra ilay kapoaka, kanefa nandroso hatrany amin’ny faran’ny sorona mandrakizay izy. Izany no Sorompanavotan’i Jesosy Kristy.

Nampianatra izao ny filoha M. Russell Ballard: “Ny fahafoizan-tena dia fanehoana ny fitiavana madio. Ny haavon’ny fitiavantsika ny Tompo, ny filazantsara ary ny mpiara-belona amintsika dia azo refesina amin’ny zavatra fointsika ho azy ireo” (“The Blessings of Sacrifice,” Ensign, May 1992, 76).

Azontsika atao ny mahafoy ny fotoantsika mba hanatanterahana ny fanompoana, hanompoana ny hafa, hanaovana soa, hanaovana ny tantaram-pianakaviana ary hanandratantsika ny antsontsika ao am-piangonana.

Afaka manome amin’ny volantsika isika amin’ny alalan’ny fandoavana fahafolonkarena, fanaterana fifadian-kanina sy ireo fanomezana hafa hananganana ny fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany. Mila fahafoizan-tena isika hitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Mpamonjy.

Ny vavaka ataoko dia hoe amin’ny alalan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fangatahana ireo fitahian’ny Sorompanavotany dia lasa manetry tena bebe kokoa isika, be herim-po kokoa, mamela heloka kokoa ary hahafoy tena kokoa ho an’ny fanjakany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona ny Raintsika any An-danitra ary mahafantatra antsika tsirairay avy Izy, fa i Jesoa no Kristy, ary ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ Andriamanitra ankehitriny. Mijoro ho vavolombelona aho fa Ny Fiangonan’i Jesosy Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ Andriamanitra ety an-tany, ary marina ny Bokin’i Môrmôna Amin’ ny anaran’i Jesoa Kristy, Mpanavotra antsika, amena.

Hamoaka printy